An-Naml · 17/93
Fandikana Fanononana — An-Naml
وَحُشِرَ لِسُلَيْمَانَ جُنُودُهُ مِنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ وَالطَّيْرِ فَهُمْ يُوزَعُونَ ۝١٧
Wa hushira Sulaimaana junooduhoo minal jinni wal insi wattairi fahum yooza`oon
📖 Dikany Malagasy
Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny sy olombelona ary ireo vorona ka nampilaharina izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 15-19 — An-Naml

15وَلَقَدْ آتَيْنَا دَاوُودَ وَسُلَيْمَانَ عِلْمًا ۖ وَقَالَا الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي فَضَّلَنَا عَلَىٰ كَثِيرٍ مِّنْ عِبَادِهِ الْمُؤْمِنِينَ
Ary nomenay fahalalana tokoa i Davida sy i salomona ary niteny izy ireo hoe : dera ho an’I Allah izay nampisongadina anay manokana amin’ireo mpanompony maro izay mpino.
16وَوَرِثَ سُلَيْمَانُ دَاوُودَ ۖ وَقَالَ يَا أَيُّهَا النَّاسُ عُلِّمْنَا مَنطِقَ الطَّيْرِ وَأُوتِينَا مِن كُلِّ شَيْءٍ ۖ إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ الْفَضْلُ الْمُبِينُ
Ary nandova an’i Davida i Salomona, ka niteny izy hoe : Oh ry Olombelona ! Nampianarina anay ny fitenin’ireo vorona ; ary nomena anjara izahay amin’ny zava-drehetra. Hamafisina, fa izany no tena fahasoavana miharihary tokoa.
17وَحُشِرَ لِسُلَيْمَانَ جُنُودُهُ مِنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ وَالطَّيْرِ فَهُمْ يُوزَعُونَ
Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny sy olombelona ary ireo vorona ka nampilaharina izy ireo.
18حَتَّىٰ إِذَا أَتَوْا عَلَىٰ وَادِ النَّمْلِ قَالَتْ نَمْلَةٌ يَا أَيُّهَا النَّمْلُ ادْخُلُوا مَسَاكِنَكُمْ لَا يَحْطِمَنَّكُمْ سُلَيْمَانُ وَجُنُودُهُ وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ
Ary rehefa tonga tao amin’ny lohasahan’ireo vitsika izy ireo dia nisy vitsika niteny hoe : Ry vitsika ! Midira ao amin’ny fonenanareo ianareo mba tsy hanitsahan’i Salomona sy ireo miaramilany anareo, nefa tsy hahatsapa izany akory izy ireo.
19فَتَبَسَّمَ ضَاحِكًا مِّن قَوْلِهَا وَقَالَ رَبِّ أَوْزِعْنِي أَنْ أَشْكُرَ نِعْمَتَكَ الَّتِي أَنْعَمْتَ عَلَيَّ وَعَلَىٰ وَالِدَيَّ وَأَنْ أَعْمَلَ صَالِحًا تَرْضَاهُ وَأَدْخِلْنِي بِرَحْمَتِكَ فِي عِبَادِكَ الصَّالِحِينَ
Nitsiky izy (Salomona), (faly) tamin’ny teniny ; ary niteny hoe : mamela ahy ianao ry Tompo ! Mba hankasitraka ny fahasoavanao izay nomenao ahy sy ireo ray aman-dreniko ; ary mba hanao asa soa izay ankasitrahanao ; ka ampidiro amin’ny alalan’ny famindram-ponao aho ,ho isan’ireo mpanomponao mendrika.
An-NamlFizahan-takila Koraña
93Andininy
MeccanRevelation
17Andininy

Fandikana — An-Naml 17

Surah An-Naml Andininy 17 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny…

Surah Andininy 17/93 — An-Naml النمل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Naml Henoy, An-Naml Fandikana, An-Naml mp3, An-Naml pdf. Andininy 15–19. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers