Fatira · 33/45
Fandikana Fanononana — Fatira
جَنَّاتُ عَدْنٍ يَدْخُلُونَهَا يُحَلَّوْنَ فِيهَا مِنْ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٍ وَلُؤْلُؤًا ۖ وَلِبَاسُهُمْ فِيهَا حَرِيرٌ ۝٣٣
jannaatu `adniny yad khuloonahaa yuhallawna feeha min asaawira min zahabinw wa lu`lu`anw wa libaa suhum feehaa hareer
📖 Dikany Malagasy
Ireo zaridainan’i Edena no hidiran’izy ireo, miravaka haba fehin-tànana volamena sy vatosoa; ary lamba lasoa no fitafin’izy ireo any.

🎧 Henoy


📜 Andininy 31-35 — Fatira

31وَالَّذِي أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ مِنَ الْكِتَابِ هُوَ الْحَقُّ مُصَدِّقًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيْهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ بِعِبَادِهِ لَخَبِيرٌ بَصِيرٌ
Ny Fahamarinana tokoa no nambaranay anao tamin’ny Boky, manamafy izay teo alohany. Fa Mahafantatra tsara ireo mpanompony Allah, ary Mahita azy ireo.
32ثُمَّ أَوْرَثْنَا الْكِتَابَ الَّذِينَ اصْطَفَيْنَا مِنْ عِبَادِنَا ۖ فَمِنْهُمْ ظَالِمٌ لِّنَفْسِهِ وَمِنْهُم مُّقْتَصِدٌ وَمِنْهُمْ سَابِقٌ بِالْخَيْرَاتِ بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ ذَٰلِكَ هُوَ الْفَضْلُ الْكَبِيرُ
Dia nataonay mpandova ny Boky ireo izay nofidinay tamin’ny mpanomponay. Misy amin’izy ireo no manao ny tsy rariny amin’ny tenany, ao koa ireo izay manao ny antonony, ary ny sasany kosa, noho ny alalana avy amin’i Allah, dia mihoatra ( ny hafa ) noho ny asa soa ataony, izany no fahasoavan-dehibe.
33جَنَّاتُ عَدْنٍ يَدْخُلُونَهَا يُحَلَّوْنَ فِيهَا مِنْ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٍ وَلُؤْلُؤًا ۖ وَلِبَاسُهُمْ فِيهَا حَرِيرٌ
Ireo zaridainan’i Edena no hidiran’izy ireo, miravaka haba fehin-tànana volamena sy vatosoa; ary lamba lasoa no fitafin’izy ireo any.
34وَقَالُوا الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي أَذْهَبَ عَنَّا الْحَزَنَ ۖ إِنَّ رَبَّنَا لَغَفُورٌ شَكُورٌ
Ary hiteny izy ireo hoe : “ Dera ho an’i Allah, izay nampisinda ny alahelonay. fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa ny Tomponay.
35الَّذِي أَحَلَّنَا دَارَ الْمُقَامَةِ مِن فَضْلِهِ لَا يَمَسُّنَا فِيهَا نَصَبٌ وَلَا يَمَسُّنَا فِيهَا لُغُوبٌ
Izay nametraka anay ao amin’ny fonenana maharitra noho ny Fahasoavany, ka tsy hahitanay havizanana na harerahana”.
FatiraFizahan-takila Koraña
45Andininy
MeccanRevelation
33Andininy

Fandikana — Fatira 33

Surah Fatira Andininy 33 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo zaridainan’i Edena no hidiran’izy ireo, miravaka haba fehin-tànana volamena…

Surah Andininy 33/45 — Fatira فاطر (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Fatira Henoy, Fatira Fandikana, Fatira mp3, Fatira pdf. Andininy 31–35. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers