📖 0/604 pejy novakiana
📄 151
Al-A'raf

Al-A'raf

7:2
كِتَٰبٌ أُنزِلَ إِلَيۡكَ فَلَا يَكُن فِي صَدۡرِكَ حَرَجٌ مِّنۡهُ لِتُنذِرَ بِهِۦ وَذِكۡرَىٰ لِلۡمُؤۡمِنِينَ ٢
Ity dia Boky iray nampidinina taminao, ary aoka tsy hisy fisalasalana ny momba izany ao am-ponao, mba hampitandremanao avy amin’ny alalany sy ho fampatsiahivana ho an’ireo mpino.
7:3
ٱتَّبِعُواْ مَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُم مِّن رَّبِّكُمۡ وَلَا تَتَّبِعُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَۗ قَلِيلًا مَّا تَذَكَّرُونَ ٣
Arahanareo izay nampidinina teo aminareo avy amin’ny Tomponareo, ary aza manaraka Mpiahy hafa ankoatrany ianareo. Nefa kely dia kely ny ahatsiarovanareo.
7:4
وَكَم مِّن قَرۡيَةٍ أَهۡلَكۡنَٰهَا فَجَآءَهَا بَأۡسُنَا بَيَٰتًا أَوۡ هُمۡ قَآئِلُونَ ٤
Ary firifiry amin’ny tanàna no nopotehinay ! Tonga taminy tampoka ny fahenjananay tamin’ny alina na koa tamin’ny atoandro rehefa teo am-pialan-tsasatra izy ireo.
7:5
فَمَا كَانَ دَعۡوَىٰهُمۡ إِذۡ جَآءَهُم بَأۡسُنَآ إِلَّآ أَن قَالُوٓاْ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ ٥
Ary tsy nisy antso hafa vitan’izy ireo rehefa tonga taminy tokoa ny fahenjananay afa-tsy hoe : “Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny”.
7:6
فَلَنَسۡـَٔلَنَّ ٱلَّذِينَ أُرۡسِلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَنَسۡـَٔلَنَّ ٱلۡمُرۡسَلِينَ ٦
Ka tena hanontaninay tokoa ireo izay nandefasana ny hafatra ary tena hanontaninay ihany koa ireo mpitondra hafatra.
7:7
فَلَنَقُصَّنَّ عَلَيۡهِم بِعِلۡمٍۖ وَمَا كُنَّا غَآئِبِينَ ٧
Ho tantaranay amin’izy ireo amim-pahalalana tokoa ny asa nataony fa Izahay dia tsy nisy fotoana tsy nahateo anay.
7:8
وَٱلۡوَزۡنُ يَوۡمَئِذٍ ٱلۡحَقُّۚ فَمَن ثَقُلَتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ ٨
Ary ny fandanjana amin’izany andro izany dia ho ara-dalàna tokoa, ka izay navesa-danja ny asa vitany dia izy ireny no hahazo ny fahombiazana.
7:9
وَمَنۡ خَفَّتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُم بِمَا كَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يَظۡلِمُونَ ٩
Ary izay maivan-danja kosa ny asa vitany dia izy ireny no hiharan’ny faty antoka amin’ny tenany noho izy ireo nanao ny tsy rariny teo anatrehan’ireo fanambaranay.
7:10
وَلَقَدۡ مَكَّنَّٰكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَجَعَلۡنَا لَكُمۡ فِيهَا مَعَٰيِشَۗ قَلِيلًا مَّا تَشۡكُرُونَ ١٠
Ary tena nomenay fahefana ianareo teny ambonin-tany ary nomenay anjara fivelomana koa ianareo teny. Saingy zara fa mankasitraka ianareo.
7:11
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَٰكُمۡ ثُمَّ صَوَّرۡنَٰكُمۡ ثُمَّ قُلۡنَا لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ ٱسۡجُدُواْ لِأٓدَمَ فَسَجَدُوٓاْ إِلَّآ إِبۡلِيسَ لَمۡ يَكُن مِّنَ ٱلسَّٰجِدِينَ ١١
Ary tena nahary anareo Izahay, ary efa nomenay bika aman’endrika ianareo, avy eo niteny Izahay tamin’ireo Anjely nanao hoe : “Miankohofa eo anatrehan’I Adama ianareo”. Dia niankohoka daholo izy ireo afa-tsy Iblis, tsy mba anisan’ireo niankohoka izy.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Saturday, August 22, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







