📖 0/604 pejy novakiana
📄 411
Surah Loqmana

Surah Loqmana

31:4
ٱلَّذِينَ يُقِيمُونَ ٱلصَّلَوٰةَ وَيُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ يُوقِنُونَ ٤
Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any an-koatra.
31:5
أُوْلَٰٓئِكَ عَلَىٰ هُدًى مِّن رَّبِّهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ ٥
Izy ireny no amin'ny làla-mahitsy avy amin'ny Tompon'izy ireo, ary izy ireny no nahazo ny fahombiazana.
31:6
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَشۡتَرِي لَهۡوَ ٱلۡحَدِيثِ لِيُضِلَّ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٍ وَيَتَّخِذَهَا هُزُوًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ مُّهِينٌ ٦
Ary misy amin’ireo olona tsy manam-pahalalana, no mividy teny tsara lahatra, mampivily tsy ho any amin’ny làlan’Allah, ary maneso izany. Hiharan’ny famaizana mahafabaraka izy ireny.
31:7
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا وَلَّىٰ مُسۡتَكۡبِرًا كَأَن لَّمۡ يَسۡمَعۡهَا كَأَنَّ فِيٓ أُذُنَيۡهِ وَقۡرًاۖ فَبَشِّرۡهُ بِعَذَابٍ أَلِيمٍ ٧
Ary rehefa tanisaina aminy ireo fanambaranay, dia mitodi-damosina amim-piavonavonana izy, toy ny tsy mbola naheno izany mihitsy, toy ny misy vesatra ao anatin’ireo sofiny. Koa ambarao aminy àry ny famaizana mamirifiry.
31:8
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُمۡ جَنَّٰتُ ٱلنَّعِيمِ ٨
Ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireny ireo Zaridainan’ny Fahasambarana.
31:9
خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقًّاۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٩
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ny fampanantenan’i Allah dia marina ! Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
31:10
خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ بِغَيۡرِ عَمَدٍ تَرَوۡنَهَاۖ وَأَلۡقَىٰ فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِكُمۡ وَبَثَّ فِيهَا مِن كُلِّ دَآبَّةٍۚ وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءً فَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجٍ كَرِيمٍ ١٠
Izy no nahary ireo lanitra izay tsy misy andry fototra hitan’ny masonareo, ary nanorina mafy amin’ny tany ireo tendrombohitra mba tsy hanozongozona anareo; ary naeliny teo aminy ireo karazam-biby samy hafa, ary nampidinanay avy any an-danitra ny rano, ka noentinay nampitsiry avy amin’izany ho tsiroaroa ireo karazan-java-maniry mahasoa isan-karazany.
31:11
هَٰذَا خَلۡقُ ٱللَّهِ فَأَرُونِي مَاذَا خَلَقَ ٱلَّذِينَ مِن دُونِهِۦۚ بَلِ ٱلظَّٰلِمُونَ فِي ضَلَٰلٍ مُّبِينٍ ١١
“Izany no fahariana nataon’i Allah. Koa asehonareo Ahy àry izay noharian’ireo ankoatr'Azy ?” Nefa ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana miharihary.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Thursday, August 27, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







