Surah Al-'Ankabut amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Al-'Ankabut miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (69 Andininy — مكية). Al-'Ankabut Henoy, Al-'Ankabut Fandikana, Al-'Ankabut mp3, Al-'Ankabut pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Al-'Ankabut
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
أَحَسِبَ النَّاسُ أَن يُتْرَكُوا أَن يَقُولُوا آمَنَّا وَهُمْ لَا يُفْتَنُونَ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Moa ve mihevitra ny olombelona fa havela fotsiny izy ireo hiteny hoe : “Mino izahay !”, nefa tsy ho tsapaina izy ireo ?
وَلَقَدْ فَتَنَّا الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۖ فَلَيَعْلَمَنَّ اللَّهُ الَّذِينَ صَدَقُوا وَلَيَعْلَمَنَّ الْكَاذِبِينَ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Ary efa notsapanay tokoa ireo izay talohan’izy ireo ; ka tena fantatr’I Allah ireo izay milaza ny marina, ary tena fantany ihany koa ireo mpandainga.
أَمْ حَسِبَ الَّذِينَ يَعْمَلُونَ السَّيِّئَاتِ أَن يَسْبِقُونَا ۚ سَاءَ مَا يَحْكُمُونَ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Na koa mihevitra ve ireo izay manao ny asa ratsy, fa afaka handositra Anay ? Ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo !
مَن كَانَ يَرْجُو لِقَاءَ اللَّهِ فَإِنَّ أَجَلَ اللَّهِ لَآتٍ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga tokoa ny fe-potoana izay notondroin’I Allah. Ary Izy no Ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
وَمَن جَاهَدَ فَإِنَّمَا يُجَاهِدُ لِنَفْسِهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ لَغَنِيٌّ عَنِ الْعَالَمِينَ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ary n'iza n'iza manao fiezahana, dia tena marina efa manao fiezahana ho an’ny tenany ihany izy. Satria Allah dia ampy ho an’ny tenany, ka tsy misy ilàny azy izao tontolo izao.
وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَنُكَفِّرَنَّ عَنْهُمْ سَيِّئَاتِهِمْ وَلَنَجْزِيَنَّهُمْ أَحْسَنَ الَّذِي كَانُوا يَعْمَلُونَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa kosa, dia ho fafanay ny asa ratsin’izy ireo, ary tena omenay valisoa mendrika kokoa noho izay nataon’izy ireo.
وَوَصَّيْنَا الْإِنسَانَ بِوَالِدَيْهِ حُسْنًا ۖ وَإِن جَاهَدَاكَ لِتُشْرِكَ بِي مَا لَيْسَ لَكَ بِهِ عِلْمٌ فَلَا تُطِعْهُمَا ۚ إِلَيَّ مَرْجِعُكُمْ فَأُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Ary nandidy ny olombelona mba hanao ny tsara amin’ireo ray aman-dreniny Izahay, fa raha manery anao izy ireo hampitambatra Ahy amin’ny hafa, izay tsy anananao fahalalana mihitsy ny momba izany, dia aza mankatò azy ireo ianao. Ary mankanesa aty Amiko, fa aty Amiko no hiverenanareo, ka ho lazaiko aminareo izay nataonareo.
وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَنُدْخِلَنَّهُمْ فِي الصَّالِحِينَ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa,dia tena hampidirinay ho anisan’ireo olon-kendry izy ireo.
وَمِنَ النَّاسِ مَن يَقُولُ آمَنَّا بِاللَّهِ فَإِذَا أُوذِيَ فِي اللَّهِ جَعَلَ فِتْنَةَ النَّاسِ كَعَذَابِ اللَّهِ وَلَئِن جَاءَ نَصْرٌ مِّن رَّبِّكَ لَيَقُولُنَّ إِنَّا كُنَّا مَعَكُمْ ۚ أَوَلَيْسَ اللَّهُ بِأَعْلَمَ بِمَا فِي صُدُورِ الْعَالَمِينَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Misy amin’ireo olona no milaza hoe : “Mino an’I Allah izahay”; avy eo, raha ampijaliana noho I Allah izy, dia mihevitra ny fitsapana ataon’ny olombelona ho toy ny famaizan’I Allah izy. Ary raha misy famonjena avy amin’ny Tomponao, dia tena hiteny izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia miaraka aminareo !” Moa ve tsy Allah no tena mahafantatra indrindra izay rehetra ao am-pon’izao tontolo izao ?
وَلَيَعْلَمَنَّ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا وَلَيَعْلَمَنَّ الْمُنَافِقِينَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Ary Allah dia tena mahafantatra tokoa ireo izay mino, ary tena mahafantatra koa ireo mpiatsaravelatsihy.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِلَّذِينَ آمَنُوا اتَّبِعُوا سَبِيلَنَا وَلْنَحْمِلْ خَطَايَاكُمْ وَمَا هُم بِحَامِلِينَ مِنْ خَطَايَاهُم مِّن شَيْءٍ ۖ إِنَّهُمْ لَكَاذِبُونَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Ary miteny ireo izay tsy mino amin’ireo izay mino hoe : “Araho ny lalanay fa tena hitondra ny vesatry ny fahadisoanareo izahay”. Nefa tsy hitondra ny vesatry ny fahadisoan’izy ireo akory izy ireo na dia kely aza. Tena marina fa izy ireo dia tena mpandainga.
وَلَيَحْمِلُنَّ أَثْقَالَهُمْ وَأَثْقَالًا مَّعَ أَثْقَالِهِمْ ۖ وَلَيُسْأَلُنَّ يَوْمَ الْقِيَامَةِ عَمَّا كَانُوا يَفْتَرُونَ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Ary tena hitondra ireo vesatry ny asany sy ny vesatra hafa izy ireo miaraka amin’ny vesatry ny asany manokana, ary tena hanontaniana tokoa izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana, momba izay noforonon’izy ireo.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوْمِهِ فَلَبِثَ فِيهِمْ أَلْفَ سَنَةٍ إِلَّا خَمْسِينَ عَامًا فَأَخَذَهُمُ الطُّوفَانُ وَهُمْ ظَالِمُونَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Ary efa nalefanay tamin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka nipetraka teo amin’izy ireo izy mandritry ny arivo taona, latsaka dimam-polo taona. Avy eo dia niharan’ny safo-drano izy ireo, fa mpanao ny tsy rariny.
فَأَنجَيْنَاهُ وَأَصْحَابَ السَّفِينَةِ وَجَعَلْنَاهَا آيَةً لِّلْعَالَمِينَ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Avy eo dia navotanay izy sy ireo olon’ny sambofiara, ka nataonay izany ho lesona fampitandremana ho an’izao tontolo izao.
وَإِبْرَاهِيمَ إِذْ قَالَ لِقَوْمِهِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَاتَّقُوهُ ۖ ذَٰلِكُمْ خَيْرٌ لَّكُمْ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Ary i Abrahama, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : “Tompoinareo Allah ary atahorinareo Izy, izany no tena mendrika ho anareo raha fantatrareo”.
إِنَّمَا تَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ أَوْثَانًا وَتَخْلُقُونَ إِفْكًا ۚ إِنَّ الَّذِينَ تَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ لَا يَمْلِكُونَ لَكُمْ رِزْقًا فَابْتَغُوا عِندَ اللَّهِ الرِّزْقَ وَاعْبُدُوهُ وَاشْكُرُوا لَهُ ۖ إِلَيْهِ تُرْجَعُونَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Tsy manompo afa-tsy ireo sampy ankoatr’I Allah ianareo, ary mamoron-dainga ianareo. Marina fa ireo izay tompoinareo ankoatr’I Allah dia tsy manana fahefana hanome anareo anjara fivelomana; ka mitadiava ianareo ny anjara fivelomana eo anatrehan’I Allah, ary manompoa Azy sy mankasitraha Azy ianareo. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
وَإِن تُكَذِّبُوا فَقَدْ كَذَّبَ أُمَمٌ مِّن قَبْلِكُمْ ۖ وَمَا عَلَى الرَّسُولِ إِلَّا الْبَلَاغُ الْمُبِينُ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ary raha mampandainga (ny mpaminany) ianareo, dia efa nampandainga (ireo mpaminaniny) koa ny vahoaka maro talohanareo. Ary tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana mazava.
أَوَلَمْ يَرَوْا كَيْفَ يُبْدِئُ اللَّهُ الْخَلْقَ ثُمَّ يُعِيدُهُ ۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرٌ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Moa ve tsy hitan’izy ireo ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana, avy eo dia mamerina izany indray Izy ? Tena marina fa mora amin’I Allah izany.
قُلْ سِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَانظُرُوا كَيْفَ بَدَأَ الْخَلْقَ ۚ ثُمَّ اللَّهُ يُنشِئُ النَّشْأَةَ الْآخِرَةَ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Lazao hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo, ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana. Avy eo, ny fomba naharian’I Allah ny taranaka farany. Marina fa Allah dia Mahefa ny zava-drehetra”.
يُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ وَيَرْحَمُ مَن يَشَاءُ ۖ وَإِلَيْهِ تُقْلَبُونَ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Manafay izay sitrany izy, ary mamindra-fo amin’izay sitrany, ary any Aminy no hamerenana anareo.
وَمَا أَنتُم بِمُعْجِزِينَ فِي الْأَرْضِ وَلَا فِي السَّمَاءِ ۖ وَمَا لَكُم مِّن دُونِ اللَّهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Ary tsy afaka hanohitra ny heriny ianareo, na eto an-tany na any an-danitra, ary ianareo dia tsy hanana ankoatr’I Allah, na mpiahy na mpanavotra.
وَالَّذِينَ كَفَرُوا بِآيَاتِ اللَّهِ وَلِقَائِهِ أُولَٰئِكَ يَئِسُوا مِن رَّحْمَتِي وَأُولَٰئِكَ لَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Ary ireo izay tsy mino ireo fanambaran’I Allah sy ny fihaonana Aminy, izy ireny no diso fanantenana amin’ny famindram-poko. Ary izy ireny dia ahazo ny famaizana mamirifiry.
فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوْمِهِ إِلَّا أَن قَالُوا اقْتُلُوهُ أَوْ حَرِّقُوهُ فَأَنجَاهُ اللَّهُ مِنَ النَّارِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy nilaza hoe : “Vonoinareo izy, na doronareo”. Nefa navotan’I Allah avy tamin’ilay afo izy. Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mino.
وَقَالَ إِنَّمَا اتَّخَذْتُم مِّن دُونِ اللَّهِ أَوْثَانًا مَّوَدَّةَ بَيْنِكُمْ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ ثُمَّ يَوْمَ الْقِيَامَةِ يَكْفُرُ بَعْضُكُم بِبَعْضٍ وَيَلْعَنُ بَعْضُكُم بَعْضًا وَمَأْوَاكُمُ النَّارُ وَمَا لَكُم مِّن نَّاصِرِينَ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Ary niteny izy hoe : “Tena marina fa nandray ireo sampy ianareo, ankoatr’I Allah, ho fanamafisana ny fifankatiavana eo aminareo amin’ny fiainana eto an-tany. Avy eo, amin’ny Andro Fitsanganana, dia hifampitsipaka ny andaniny sy ny ankilany aminareo, ary hifanozona koa ny andaniny sy ny ankilany, ka ny Afobe no ho fonenanareo, ary tsy hanana mpanavotra ianareo.
۞ فَآمَنَ لَهُ لُوطٌ ۘ وَقَالَ إِنِّي مُهَاجِرٌ إِلَىٰ رَبِّي ۖ إِنَّهُ هُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Koa dia nino azy i Lota, ka niteny izy nanao hoe : “Marina fa izaho dia hifindra monina any amin’ny Tompoko, fa izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena”.
وَوَهَبْنَا لَهُ إِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ وَجَعَلْنَا فِي ذُرِّيَّتِهِ النُّبُوَّةَ وَالْكِتَابَ وَآتَيْنَاهُ أَجْرَهُ فِي الدُّنْيَا ۖ وَإِنَّهُ فِي الْآخِرَةِ لَمِنَ الصَّالِحِينَ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Nomenay azy Isaaka sy Jakoba, ary napetrakay tamin’ny taranany ny faminaniana sy ny Boky. Ary natolotray ho azy ny valisoany eto an-tany, fa ny any ankoatra kosa dia ho anisan’ireo olon-kendry izy.
وَلُوطًا إِذْ قَالَ لِقَوْمِهِ إِنَّكُمْ لَتَأْتُونَ الْفَاحِشَةَ مَا سَبَقَكُم بِهَا مِنْ أَحَدٍ مِّنَ الْعَالَمِينَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Ary i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy nanao hoe : “Tena marina fa ianareo dia tena manao ny asa vetaveta izay tsy nisy na dia iray aza nialoha anareo tamin’izany teto amin’izao tontolo izao.
أَئِنَّكُمْ لَتَأْتُونَ الرِّجَالَ وَتَقْطَعُونَ السَّبِيلَ وَتَأْتُونَ فِي نَادِيكُمُ الْمُنكَرَ ۖ فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوْمِهِ إِلَّا أَن قَالُوا ائْتِنَا بِعَذَابِ اللَّهِ إِن كُنتَ مِنَ الصَّادِقِينَ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Manao fahafinaretana ara-nofo amin’ny lahy samy lahy ve ianareo, Ary manao asan-jiolahy ianareo, Manao asa ratsy amin’ny toeram-pivorianareo ihany koa ianareo? ”Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy hoe : “Ataovy tonga aty aminay ny famaizan’i Allah, raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao”.
قَالَ رَبِّ انصُرْنِي عَلَى الْقَوْمِ الْمُفْسِدِينَ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Niteny izy (Lota) hoe : “ Tompo ô ! Omeo fandresena aho amin’ny vahoaka mpanao asa fanimbana !”
وَلَمَّا جَاءَتْ رُسُلُنَا إِبْرَاهِيمَ بِالْبُشْرَىٰ قَالُوا إِنَّا مُهْلِكُو أَهْلِ هَٰذِهِ الْقَرْيَةِ ۖ إِنَّ أَهْلَهَا كَانُوا ظَالِمِينَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Ary rehefa tonga tao amin’i Abrahama ireo irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Izahay dia handringana ireo mponin’io tanàna io (tànanan’i Lota), satria ny mponina ao aminy dia tena mpanao ny tsy rariny.
قَالَ إِنَّ فِيهَا لُوطًا ۚ قَالُوا نَحْنُ أَعْلَمُ بِمَن فِيهَا ۖ لَنُنَجِّيَنَّهُ وَأَهْلَهُ إِلَّا امْرَأَتَهُ كَانَتْ مِنَ الْغَابِرِينَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Niteny izy : Nefa i Lota ange ao e !”. Namaly izy ireo nanao hoe : “ Fantatray tsara izay monina ao.Tena avotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo ho ripaka”.
وَلَمَّا أَن جَاءَتْ رُسُلُنَا لُوطًا سِيءَ بِهِمْ وَضَاقَ بِهِمْ ذَرْعًا وَقَالُوا لَا تَخَفْ وَلَا تَحْزَنْ ۖ إِنَّا مُنَجُّوكَ وَأَهْلَكَ إِلَّا امْرَأَتَكَ كَانَتْ مِنَ الْغَابِرِينَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary rehefa tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely) dia nalahelo azy ireo izy, ary nahatsapa fa tsy afa-miaro azy ireo. Niteny taminy izy ireo hoe : “Aza matahotra ianao, ary aza malahelo...! Marina fa hanavotra anao sy ny fianakavianao izahay, afa-tsy ny vadinao izay anisan’ireo ho ripaka.
إِنَّا مُنزِلُونَ عَلَىٰ أَهْلِ هَٰذِهِ الْقَرْيَةِ رِجْزًا مِّنَ السَّمَاءِ بِمَا كَانُوا يَفْسُقُونَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Halatsakay avy any an-danitra amin’ny mponin’ity tanàna ity ny famaizana nohon'ny asa ratsy izay nataon’izy ireo”.
وَلَقَد تَّرَكْنَا مِنْهَا آيَةً بَيِّنَةً لِّقَوْمٍ يَعْقِلُونَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ary tena marina, fa namela famantarana mazava tao Izahay ho an’ireo vahoaka izay misaina .
وَإِلَىٰ مَدْيَنَ أَخَاهُمْ شُعَيْبًا فَقَالَ يَا قَوْمِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَارْجُوا الْيَوْمَ الْآخِرَ وَلَا تَعْثَوْا فِي الْأَرْضِ مُفْسِدِينَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Toy izany koa ny amin’ireo Madiana ; (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Shoaimbo izay niteny tamin’izy ireo hoe : “Ô ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah ary manantenà ny andro farany, fa aza miely eto ambony tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”.
فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَتْهُمُ الرَّجْفَةُ فَأَصْبَحُوا فِي دَارِهِمْ جَاثِمِينَ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Nefa noraisin’izy ireo ho mpandainga izy. Dia tonga namely azy ireo ny horohoron-tany mahery vaika, nony maraina, dia nitsirara tsy aman’aina tao amin’ny fonenany izy ireo.
وَعَادًا وَثَمُودَ وَقَد تَّبَيَّنَ لَكُم مِّن مَّسَاكِنِهِمْ ۖ وَزَيَّنَ لَهُمُ الشَّيْطَانُ أَعْمَالَهُمْ فَصَدَّهُمْ عَنِ السَّبِيلِ وَكَانُوا مُسْتَبْصِرِينَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Torak’izany koa ireo vahoakan’i Andy sy Thamody. Hitanareo miharihary izany toeram-ponenan’izy ireo izany. Ny satana anefa dia nanatsara ny asan’izy ireo, ka nanakana azy ireo tamin’ny lala-mahitsy ; nefa izy ireo dia tao anatin’ny fahiratan-tsaina.
وَقَارُونَ وَفِرْعَوْنَ وَهَامَانَ ۖ وَلَقَدْ جَاءَهُم مُّوسَىٰ بِالْبَيِّنَاتِ فَاسْتَكْبَرُوا فِي الْأَرْضِ وَمَا كَانُوا سَابِقِينَ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Toy izany ihany koa i Karona sy Faraona, ary Hamana. Nefa i Mosesy dia nitondra porofo tamin’izy ireo, dia mbola nanambony tena ihany izy ireo teto an-tany ka tsy afa-bela taminay.
فَكُلًّا أَخَذْنَا بِذَنبِهِ ۖ فَمِنْهُم مَّنْ أَرْسَلْنَا عَلَيْهِ حَاصِبًا وَمِنْهُم مَّنْ أَخَذَتْهُ الصَّيْحَةُ وَمِنْهُم مَّنْ خَسَفْنَا بِهِ الْأَرْضَ وَمِنْهُم مَّنْ أَغْرَقْنَا ۚ وَمَا كَانَ اللَّهُ لِيَظْلِمَهُمْ وَلَٰكِن كَانُوا أَنفُسَهُمْ يَظْلِمُونَ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Noraisinay ny tsirairay araka ny fahotany, nisy tamin’izy ireo izay nandefasanay rivo-doza mahery vaika, tao izay azon’ny hiaka, nisy koa izay nasainay natelin’ny tany; ary tao ihany koa izay narendrikay. Kanefa tsy Allah velively no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo; fa ny tenany ihany no nanaovany ny tsy rariny.
مَثَلُ الَّذِينَ اتَّخَذُوا مِن دُونِ اللَّهِ أَوْلِيَاءَ كَمَثَلِ الْعَنكَبُوتِ اتَّخَذَتْ بَيْتًا ۖ وَإِنَّ أَوْهَنَ الْبُيُوتِ لَبَيْتُ الْعَنكَبُوتِ ۖ لَوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Ireo izay nandray mpiaro hafa ankoatr’I Allah dia mitovy amin’ny hala izay miantehitra amin’ny tranony. Marina fa ny trano tena marefo indrindra dia ny tranon-kala, raha toa ka mba fantatr’izy ireo !
إِنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ مَا يَدْعُونَ مِن دُونِهِ مِن شَيْءٍ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Tena marina fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra hafa ivelany izay antsoin’izy ireo. Fa Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
وَتِلْكَ الْأَمْثَالُ نَضْرِبُهَا لِلنَّاسِ ۖ وَمَا يَعْقِلُهَا إِلَّا الْعَالِمُونَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Toy izany ireo fanoharana izay nasehonay tamin’ny olona, kanefa tsy misy afaka nisaintsaina izany afa-tsy ireo manam-pahaizana.
خَلَقَ اللَّهُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ بِالْحَقِّ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَةً لِّلْمُؤْمِنِينَ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Nahary ireo lanitra sy tany tamim-pahamarinana I Allah. Marina fa ao anatin’izany dia misy porofo ho an’ireo mpino.
اتْلُ مَا أُوحِيَ إِلَيْكَ مِنَ الْكِتَابِ وَأَقِمِ الصَّلَاةَ ۖ إِنَّ الصَّلَاةَ تَنْهَىٰ عَنِ الْفَحْشَاءِ وَالْمُنكَرِ ۗ وَلَذِكْرُ اللَّهِ أَكْبَرُ ۗ وَاللَّهُ يَعْلَمُ مَا تَصْنَعُونَ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Tanisao izay nambara taminao avy amin’ny Boky, ary tanteraho ny vavaka (soalat). Tena marina fa ny vavaka (soalat) dia manakana amin’ny asa vetaveta sy ny asa ratsy. Fa ny fahatsiarovana an’I Allah no tena lehibe indrindra. Ary Allah dia mahafantatra izay ataonareo.
۞ وَلَا تُجَادِلُوا أَهْلَ الْكِتَابِ إِلَّا بِالَّتِي هِيَ أَحْسَنُ إِلَّا الَّذِينَ ظَلَمُوا مِنْهُمْ ۖ وَقُولُوا آمَنَّا بِالَّذِي أُنزِلَ إِلَيْنَا وَأُنزِلَ إِلَيْكُمْ وَإِلَٰهُنَا وَإِلَٰهُكُمْ وَاحِدٌ وَنَحْنُ لَهُ مُسْلِمُونَ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Ary aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, afa-tsy izay manao ny tsy rariny amin’izy ireo, ary teneno hoe : “Izahay dia mino izay nampidinina taminay sy izay nampidinina taminareo, ary ny Zanaharinay sy ny Zanaharinareo dia iray ihany. Ary izahay dia manetry tena eo Aminy”.
وَكَذَٰلِكَ أَنزَلْنَا إِلَيْكَ الْكِتَابَ ۚ فَالَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۖ وَمِنْ هَٰؤُلَاءِ مَن يُؤْمِنُ بِهِ ۚ وَمَا يَجْحَدُ بِآيَاتِنَا إِلَّا الْكَافِرُونَ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Ary toy izany no nampidinanay taminao ny Boky Kor’any. Fa ireo izay nomenay ny Boky dia mino izany. Ary misy amin’izy ireny (arabo) ihany koa no mino izany. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay tsy mpino.
وَمَا كُنتَ تَتْلُو مِن قَبْلِهِ مِن كِتَابٍ وَلَا تَخُطُّهُ بِيَمِينِكَ ۖ إِذًا لَّارْتَابَ الْمُبْطِلُونَ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Ary ianao dia tsy mba namaky na boky iray aza talohan’izany, ary tsy mba nanoratra izany koa tamin’ny tànanao havanana. Raha tsy izany, dia nanana fisalasalana ireo izay mitsipaka ny fahamarinana.
بَلْ هُوَ آيَاتٌ بَيِّنَاتٌ فِي صُدُورِ الَّذِينَ أُوتُوا الْعِلْمَ ۚ وَمَا يَجْحَدُ بِآيَاتِنَا إِلَّا الظَّالِمُونَ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Mifototra amin’ny andian-teny mazava anefa izany (Kor’any), izay ao anatin’ny fon’ireo nomena fahalalana. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay mpanao ny tsy rariny.
وَقَالُوا لَوْلَا أُنزِلَ عَلَيْهِ آيَاتٌ مِّن رَّبِّهِ ۖ قُلْ إِنَّمَا الْآيَاتُ عِندَ اللَّهِ وَإِنَّمَا أَنَا نَذِيرٌ مُّبِينٌ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Ary miteny izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy ny fahagagana maro izay avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Ireo fahagagana dia eo anatrehan’i Allah. Ary tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina miharihary”.
أَوَلَمْ يَكْفِهِمْ أَنَّا أَنزَلْنَا عَلَيْكَ الْكِتَابَ يُتْلَىٰ عَلَيْهِمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَرَحْمَةً وَذِكْرَىٰ لِقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Moa tsy ampy azy ireo ve, fa nampidina taminao ny Boky Izahay izay novakiana tamin’izy ireo ? Tena marina fa amin’izany dia misy famindram-pò sy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka izay mino.
قُلْ كَفَىٰ بِاللَّهِ بَيْنِي وَبَيْنَكُمْ شَهِيدًا ۖ يَعْلَمُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۗ وَالَّذِينَ آمَنُوا بِالْبَاطِلِ وَكَفَرُوا بِاللَّهِ أُولَٰئِكَ هُمُ الْخَاسِرُونَ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Teneno hoe : “Fa Allah dia ampy ho vavolombelona manelanelana ahy sy ianareo”. Mahafantatra izay ao amin’ireo lanitra sy ety an-tany Izy. Ary ireo izay mino ny diso nefa tsy mino an’i Allah, izy ireny dia ho maty antoka.
وَيَسْتَعْجِلُونَكَ بِالْعَذَابِ ۚ وَلَوْلَا أَجَلٌ مُّسَمًّى لَّجَاءَهُمُ الْعَذَابُ وَلَيَأْتِيَنَّهُم بَغْتَةً وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Ary mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Raha tsy efa nisy fe-potoana voafetra, dia efa tonga tamin’izy ireo ny famaizana. Ary tena ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ka tsy ho tsapan’izy ireo akory.
يَسْتَعْجِلُونَكَ بِالْعَذَابِ وَإِنَّ جَهَنَّمَ لَمُحِيطَةٌ بِالْكَافِرِينَ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Kanefa ny tena marina, dia ny Afobe no mihodidina amin’ireo tsy mpino.
يَوْمَ يَغْشَاهُمُ الْعَذَابُ مِن فَوْقِهِمْ وَمِن تَحْتِ أَرْجُلِهِمْ وَيَقُولُ ذُوقُوا مَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Amin’ny andro izay handrakofan’ny famaizana amin'izy ireo, avy eny ambonin’izy ireo sy eny ambanin’ny tongotr’izy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hoe : “Andramanareo izay nataonareo”.
يَا عِبَادِيَ الَّذِينَ آمَنُوا إِنَّ أَرْضِي وَاسِعَةٌ فَإِيَّايَ فَاعْبُدُونِ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Ô ry Mpanompoko izay nino ! Tena marina fa ny taniko dia midadasika. Ka aoka Izaho irery ihany no ho tompoinareo !
كُلُّ نَفْسٍ ذَائِقَةُ الْمَوْتِ ۖ ثُمَّ إِلَيْنَا تُرْجَعُونَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Ny manan’aina rehetra dia samy hanandrana ny fahafatesana. Avy eo, atỳ Aminay no hamerenana anareo.
وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَنُبَوِّئَنَّهُم مِّنَ الْجَنَّةِ غُرَفًا تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا ۚ نِعْمَ أَجْرُ الْعَامِلِينَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Ka ireo izay mino sy manao ny asa soa, dia tena hapetrakay eo ambony rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tena valisoa tsara tokoa ny an’ireo mpanao ny asa tsara,
الَّذِينَ صَبَرُوا وَعَلَىٰ رَبِّهِمْ يَتَوَكَّلُونَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.
وَكَأَيِّن مِّن دَابَّةٍ لَّا تَحْمِلُ رِزْقَهَا اللَّهُ يَرْزُقُهَا وَإِيَّاكُمْ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Firifiry moa ireo biby izay tsy miandraikitra akory ny anjara sakafony ! Fa Allah no manome anjara sakafo ho azy ireo, ary ho anareo koa. Ary Izy dia Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
وَلَئِن سَأَلْتَهُم مَّنْ خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَسَخَّرَ الشَّمْسَ وَالْقَمَرَ لَيَقُولُنَّ اللَّهُ ۖ فَأَنَّىٰ يُؤْفَكُونَ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany, mandrindra ny masoandro sy ny volana ? ”. Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah”. Ka nahoana àry no mivily làlana izy ireo ?
اللَّهُ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ وَيَقْدِرُ لَهُ ۚ إِنَّ اللَّهَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Allah no manome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra izany ihany koa eo aminy. Tena marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra.
وَلَئِن سَأَلْتَهُم مَّن نَّزَّلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَحْيَا بِهِ الْأَرْضَ مِن بَعْدِ مَوْتِهَا لَيَقُولُنَّ اللَّهُ ۚ قُلِ الْحَمْدُ لِلَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْقِلُونَ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.
وَمَا هَٰذِهِ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا إِلَّا لَهْوٌ وَلَعِبٌ ۚ وَإِنَّ الدَّارَ الْآخِرَةَ لَهِيَ الْحَيَوَانُ ۚ لَوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Ary tsy inona ity fiainana eto an-tany ity, afa-tsy fialam-boly sy kilalao fotsiny ihany. Fa ny tena marina dia, ny fonenana any an-koatra no tena fiainana. Raha mba mahafantatra izy ireo !
فَإِذَا رَكِبُوا فِي الْفُلْكِ دَعَوُا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ فَلَمَّا نَجَّاهُمْ إِلَى الْبَرِّ إِذَا هُمْ يُشْرِكُونَ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Rehefa nitaingina tao anatin’ny sambo izy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa manakambana Azy amin’ny zavatra hafa.
لِيَكْفُرُوا بِمَا آتَيْنَاهُمْ وَلِيَتَمَتَّعُوا ۖ فَسَوْفَ يَعْلَمُونَ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Mba tsy hankasitraka amin’izay nomenay azy izy ireo, koa aoka hifaly izy ireo (amin’ny hasoavana eto an-tany) ! Ka ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّا جَعَلْنَا حَرَمًا آمِنًا وَيُتَخَطَّفُ النَّاسُ مِنْ حَوْلِهِمْ ۚ أَفَبِالْبَاطِلِ يُؤْمِنُونَ وَبِنِعْمَةِ اللَّهِ يَكْفُرُونَ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Tsy hitan’izy ireo ve, fa nanao toerana masina sy azo azo antoka izahay (Makka), nefa esorina ireo olona manodidina azy ireo ? Moa ve ny hadisoana no hinoan’izy ireo ka ny hasoavan’i Allah no lavin’izy ireo ?
وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا أَوْ كَذَّبَ بِالْحَقِّ لَمَّا جَاءَهُ ۚ أَلَيْسَ فِي جَهَنَّمَ مَثْوًى لِّلْكَافِرِينَ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay famoronan-dainga mahakasila an’i Allah, na koa milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy ? Moa ve tsy any amin’ny Afobe no fonenan’ireo tsy mpino ?
وَالَّذِينَ جَاهَدُوا فِينَا لَنَهْدِيَنَّهُمْ سُبُلَنَا ۚ وَإِنَّ اللَّهَ لَمَعَ الْمُحْسِنِينَ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Ary ho an’ireo izay nanao fiezahana momba anay dia hotarihanay amin’ny làlanay izy ireo, ary marina fa Allah dia tena miaraka amin’ireo mpanao asa fanasoavana.
Vakio Surah Al-'Ankabut Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

