Surah Ar-Rum amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Ar-Rum miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (60 Andininy — مكية). Ar-Rum Henoy, Ar-Rum Fandikana, Ar-Rum mp3, Ar-Rum pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Ar-Rum
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
فِي أَدْنَى الْأَرْضِ وَهُم مِّن بَعْدِ غَلَبِهِمْ سَيَغْلِبُونَ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Tao amin’ireo tany nifanakaiky aminy, ary aorian’ny fahareseny, dia handresy izy ireo,
فِي بِضْعِ سِنِينَ ۗ لِلَّهِ الْأَمْرُ مِن قَبْلُ وَمِن بَعْدُ ۚ وَيَوْمَئِذٍ يَفْرَحُ الْمُؤْمِنُونَ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Ao anatin’ny taona vitsivitsy. An’i Allah ny didy, hatramin’ny voalohany sy hatramin’ny farany, ary amin’izany andro izany dia hifaly ireo mpino
بِنَصْرِ اللَّهِ ۚ يَنصُرُ مَن يَشَاءُ ۖ وَهُوَ الْعَزِيزُ الرَّحِيمُ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Nohon'ny fanavotan’i Allah. Manavotra izay sitrany Izy, ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo.
وَعْدَ اللَّهِ ۖ لَا يُخْلِفُ اللَّهُ وَعْدَهُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Izany no fampanantenan’i Allah. Tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy Allah, nefa ny ankamaroan’ireo olona dia tsy mahafantatra.
يَعْلَمُونَ ظَاهِرًا مِّنَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَهُمْ عَنِ الْآخِرَةِ هُمْ غَافِلُونَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Mahalala ny endrika ivelan’ny fiainana eto an-tany izy ireo, fa variana kosa mikasika ny fiainana any an-koatra.
أَوَلَمْ يَتَفَكَّرُوا فِي أَنفُسِهِم ۗ مَّا خَلَقَ اللَّهُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا إِلَّا بِالْحَقِّ وَأَجَلٍ مُّسَمًّى ۗ وَإِنَّ كَثِيرًا مِّنَ النَّاسِ بِلِقَاءِ رَبِّهِمْ لَكَافِرُونَ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Moa tsy nandinika tamin’ny tenany ve izy ireo? I Allah dia tsy nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, raha tsy nohon'ny fahamarinana, ary ho amin’ny fe-potoana voafetra.Tena maro anefa ireo olona, no tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompon’izy ireo.
أَوَلَمْ يَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ كَانُوا أَشَدَّ مِنْهُمْ قُوَّةً وَأَثَارُوا الْأَرْضَ وَعَمَرُوهَا أَكْثَرَ مِمَّا عَمَرُوهَا وَجَاءَتْهُمْ رُسُلُهُم بِالْبَيِّنَاتِ ۖ فَمَا كَانَ اللَّهُ لِيَظْلِمَهُمْ وَلَٰكِن كَانُوا أَنفُسَهُمْ يَظْلِمُونَ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Moa ve tsy nandeha nitety tany izy ireo, mba hijereny izay niafaran’ireo niaina teo alohany ? Izy ireny dia natanjaka lavitra tamin'ny herim-batana, niasa ny tany, ary nameno izany mihoatra lavitra noho izay nataon’izy ireo. Ary tonga tamin’izy ireo, ireo Irany niaraka tamin’ny porofo mazava.Tsy i Allah mihitsy no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany.
ثُمَّ كَانَ عَاقِبَةَ الَّذِينَ أَسَاءُوا السُّوأَىٰ أَن كَذَّبُوا بِآيَاتِ اللَّهِ وَكَانُوا بِهَا يَسْتَهْزِئُونَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Rehefa avy eo, dia ratsy tokoa ny fiafaran’ireo mpanao ratsy, izay nilaza fa lainga ireo fanambaran’i Allah sy nanesoeso izany.
اللَّهُ يَبْدَأُ الْخَلْقَ ثُمَّ يُعِيدُهُ ثُمَّ إِلَيْهِ تُرْجَعُونَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Allah no nanomboka ny fahariana; ary Izy ihany no mamerina azy indray; ary any Aminy no hamerenana anareo.
وَيَوْمَ تَقُومُ السَّاعَةُ يُبْلِسُ الْمُجْرِمُونَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Ary amin’ny andro izay hahatongavan’ilay Ora, dia hanenina ireo mpanao heloka be vava.
وَلَمْ يَكُن لَّهُم مِّن شُرَكَائِهِمْ شُفَعَاءُ وَكَانُوا بِشُرَكَائِهِمْ كَافِرِينَ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Ary tsy hanana mpanelanelana izy ireny avy amin’ireo izay nataony ho mpiara-miombon’antoka Aminy (Allah), ary izy ireo dia hitsipaka ireny mpiara-miombon’antoka nataony ireny.
وَيَوْمَ تَقُومُ السَّاعَةُ يَوْمَئِذٍ يَتَفَرَّقُونَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Ary amin’ny andro izay hatongavan’ilay Ora, amin’izany andro izany dia hisaratsaraka izy ireo.
فَأَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ فَهُمْ فِي رَوْضَةٍ يُحْبَرُونَ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Fa ireo izay nino sy nanao ireo asa soa, dia ahita ny fahafinaretana ao anatin’ny zaridaina
وَأَمَّا الَّذِينَ كَفَرُوا وَكَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَلِقَاءِ الْآخِرَةِ فَأُولَٰئِكَ فِي الْعَذَابِ مُحْضَرُونَ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay sy ny fihaonana any an-koatra, izy ireny no havory ao amin’ny famaizana.
فَسُبْحَانَ اللَّهِ حِينَ تُمْسُونَ وَحِينَ تُصْبِحُونَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Voninahitra anie ho an’i Allah, rehefa tratry ny hariva ianareo, ary koa rehefa tratry ny maraina.
وَلَهُ الْحَمْدُ فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَعَشِيًّا وَحِينَ تُظْهِرُونَ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ary Azy ny dera rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany, ary amin’ny folak'andro sy amin’ny mitatao vovonana.
يُخْرِجُ الْحَيَّ مِنَ الْمَيِّتِ وَيُخْرِجُ الْمَيِّتَ مِنَ الْحَيِّ وَيُحْيِي الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا ۚ وَكَذَٰلِكَ تُخْرَجُونَ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Mamoaka ny velona avy amin’ny maty Izy, sy mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary mamelona ny tany aorian’ny fahafatesany. Ka tahaka izany no hamoahana anareo (amin’ny fitsanganana).
وَمِنْ آيَاتِهِ أَنْ خَلَقَكُم مِّن تُرَابٍ ثُمَّ إِذَا أَنتُم بَشَرٌ تَنتَشِرُونَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany anareo avy amin’ny vovoka, ary indro ianareo fa lasa olombelona maro izay miely (maneran-tany).
وَمِنْ آيَاتِهِ أَنْ خَلَقَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا لِّتَسْكُنُوا إِلَيْهَا وَجَعَلَ بَيْنَكُم مَّوَدَّةً وَرَحْمَةً ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika.
وَمِنْ آيَاتِهِ خَلْقُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَاخْتِلَافُ أَلْسِنَتِكُمْ وَأَلْوَانِكُمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّلْعَالِمِينَ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny fahariana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fahasamihafan’ireo fiteninareo sy ireo fihodiranareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka manam-pahaizana.
وَمِنْ آيَاتِهِ مَنَامُكُم بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَابْتِغَاؤُكُم مِّن فَضْلِهِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَسْمَعُونَ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino.
وَمِنْ آيَاتِهِ يُرِيكُمُ الْبَرْقَ خَوْفًا وَطَمَعًا وَيُنَزِّلُ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَيُحْيِي بِهِ الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَعْقِلُونَ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fanehoany aminareo ny tselatra miaraka amin’ny fatahorana (ny varatra) sy ny fanantenana (ny orana), ary mampidina ny rano Izy avy any an-danitra mba hamelomany indray amin’ny alalan’izany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka misaina.
وَمِنْ آيَاتِهِ أَن تَقُومَ السَّمَاءُ وَالْأَرْضُ بِأَمْرِهِ ۚ ثُمَّ إِذَا دَعَاكُمْ دَعْوَةً مِّنَ الْأَرْضِ إِذَا أَنتُمْ تَخْرُجُونَ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fijadonan’ny lanitra sy ny tany, amin’ny alalan’ny didiny, avy eo rehefa miantso anareo Izy, avy amin’ny tany, amin’ny antso iray, dia indro fa hipoitra ianareo.
وَلَهُ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ كُلٌّ لَّهُ قَانِتُونَ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Ary Azy izay rehetra amin’ireo lanitra sy ny tany; samy mankatò Azy tanteraka izao rehetra izao.
وَهُوَ الَّذِي يَبْدَأُ الْخَلْقَ ثُمَّ يُعِيدُهُ وَهُوَ أَهْوَنُ عَلَيْهِ ۚ وَلَهُ الْمَثَلُ الْأَعْلَىٰ فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Ary Izy no nanomboka ilay fahariana, avy eo mamerina izany indray; ary izany dia mora kokoa Aminy. Azy ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
ضَرَبَ لَكُم مَّثَلًا مِّنْ أَنفُسِكُمْ ۖ هَل لَّكُم مِّن مَّا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُم مِّن شُرَكَاءَ فِي مَا رَزَقْنَاكُمْ فَأَنتُمْ فِيهِ سَوَاءٌ تَخَافُونَهُمْ كَخِيفَتِكُمْ أَنفُسَكُمْ ۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَعْقِلُونَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Nanome fanoharana ho anareo Izy, avy amin’ny tenanareo ihany : moa ataonareo mpiara-miombon’antoka aminareo ve ireo andevonareo, amin’ny fananana izay nomenay anareo, ka ianareo amin’izany dia mitovy (amin’ny fananana), ary hatahotra azy ireo tahaka ny fatahoranareo ny tenanareo ? Toy izany no hamelabelaranay ireo fanambarana ho an’ny vahoaka misaina.
بَلِ اتَّبَعَ الَّذِينَ ظَلَمُوا أَهْوَاءَهُم بِغَيْرِ عِلْمٍ ۖ فَمَن يَهْدِي مَنْ أَضَلَّ اللَّهُ ۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny hetahetam-pon’izy ireo, tsy amim-pahalalana. Fa iza àry no hitari-dàlana izay noverezin’i Allah ? Ary tsy manana mpanavotra izy ireo.
فَأَقِمْ وَجْهَكَ لِلدِّينِ حَنِيفًا ۚ فِطْرَتَ اللَّهِ الَّتِي فَطَرَ النَّاسَ عَلَيْهَا ۚ لَا تَبْدِيلَ لِخَلْقِ اللَّهِ ۚ ذَٰلِكَ الدِّينُ الْقَيِّمُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Koa atsangano ny tavanao amin’ny finoana madio (ho an’i Allah), fa izany no toetra voajanahary izay nomen’i Allah ny olombelona. Tsy misy fiovana amin’ny faharian’i Allah. Izany no finoana mahitsy, saingy ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra.
۞ مُنِيبِينَ إِلَيْهِ وَاتَّقُوهُ وَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَلَا تَكُونُوا مِنَ الْمُشْرِكِينَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Miverena amim-pibebahana Aminy ianareo, ary matahora Azy, manantanteràha ny vavaka (soalat) ianareo, ary aoka ianareo tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy.
مِنَ الَّذِينَ فَرَّقُوا دِينَهُمْ وَكَانُوا شِيَعًا ۖ كُلُّ حِزْبٍ بِمَا لَدَيْهِمْ فَرِحُونَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Amin’ireo izay nizarazara ny finoany ka lasa antokom-pinoana maro, isaka ny antoko dia faly amin’izay ananany.
وَإِذَا مَسَّ النَّاسَ ضُرٌّ دَعَوْا رَبَّهُم مُّنِيبِينَ إِلَيْهِ ثُمَّ إِذَا أَذَاقَهُم مِّنْهُ رَحْمَةً إِذَا فَرِيقٌ مِّنْهُم بِرَبِّهِمْ يُشْرِكُونَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary raha misy loza mihatra amin’ireo olona, dia mitalaho amin’ny Tompony izy ireo no sady miverina Aminy, amim-pibebahana. Avy eo, raha ampanandramany ny famindram-pò avy Aminy izy ireo, dia indro fa misy andiany amin’izy ireo manompo sampy.
لِيَكْفُرُوا بِمَا آتَيْنَاهُمْ ۚ فَتَمَتَّعُوا فَسَوْفَ تَعْلَمُونَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Tsy mankasitraka tokoa izay nomenay azy izy ireo. Mifalia àry ianareo (amin’ny fotoana fohy). Tsy ho ela dia ho fantatrareo.
أَمْ أَنزَلْنَا عَلَيْهِمْ سُلْطَانًا فَهُوَ يَتَكَلَّمُ بِمَا كَانُوا بِهِ يُشْرِكُونَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Moa ve nampidina tamin’izy ireo ny fahefana (boky na porofo) izahay, izay miteny amin’izy ireo ny amin’izay atambatr’izy ireo Aminy ?
وَإِذَا أَذَقْنَا النَّاسَ رَحْمَةً فَرِحُوا بِهَا ۖ وَإِن تُصِبْهُمْ سَيِّئَةٌ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ إِذَا هُمْ يَقْنَطُونَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Ary rehefa nampanandramanay ny famindram-po ireo olona, dia faly amin’izany izy ireo. Nefa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, dia indro fa feno hakiviana izy ireo.
أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّ اللَّهَ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Allah dia mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany, sy mametra izany ? Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro ho an’ ny vahoaka izay mino.
فَآتِ ذَا الْقُرْبَىٰ حَقَّهُ وَالْمِسْكِينَ وَابْنَ السَّبِيلِ ۚ ذَٰلِكَ خَيْرٌ لِّلَّذِينَ يُرِيدُونَ وَجْهَ اللَّهِ ۖ وَأُولَٰئِكَ هُمُ الْمُفْلِحُونَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Koa omeo ny havana akaiky, sy ny mahantra, ary ny mpandeha sahirana ny zony. Izany no mendrika indrindra ho an’ireo izay mitady ny tavan’i Allah, ary izy ireny no mahazo fahombiazana.
وَمَا آتَيْتُم مِّن رِّبًا لِّيَرْبُوَ فِي أَمْوَالِ النَّاسِ فَلَا يَرْبُو عِندَ اللَّهِ ۖ وَمَا آتَيْتُم مِّن زَكَاةٍ تُرِيدُونَ وَجْهَ اللَّهِ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْمُضْعِفُونَ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Izay rehetra nomenareo ka hakana zana-bola mba hampitombo ny fanananareo, amin’ny alalan’ny fananan’ny olona dia tsy mitombo izany eo anatrehan’i Allah, fa izay omenareo ho Zakat (harena fiantrana) kosa, ka hitadiavana ny tavan’i Allah (amin'ny foton'ny Allah), Izy ireny no hitombo avo heny (valisoa).
اللَّهُ الَّذِي خَلَقَكُمْ ثُمَّ رَزَقَكُمْ ثُمَّ يُمِيتُكُمْ ثُمَّ يُحْيِيكُمْ ۖ هَلْ مِن شُرَكَائِكُم مَّن يَفْعَلُ مِن ذَٰلِكُم مِّن شَيْءٍ ۚ سُبْحَانَهُ وَتَعَالَىٰ عَمَّا يُشْرِكُونَ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Fa Allah no nahary anareo, avy eo Izy no nanome anareo ny anjaram-pivelomana, manaraka izany dia hovonoiny ianareo, ary hovelominy indray. Moa ve misy amin’ireo izay nataonareo mpiara-miombon’antoka Aminy, nahavita zavatra tahaka izany ? Voninahitra anie ho Azy ! Mihoatra ambony lavitra amin’izay akambana Aminy Izy.
ظَهَرَ الْفَسَادُ فِي الْبَرِّ وَالْبَحْرِ بِمَا كَسَبَتْ أَيْدِي النَّاسِ لِيُذِيقَهُم بَعْضَ الَّذِي عَمِلُوا لَعَلَّهُمْ يَرْجِعُونَ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Nibaribary ny asa fanimbana eto an-tany sy any an-dranomasina, noho izay nataon’ny tànan’ny olombelona ihany, mba hampanandramany (Allah) ny ampahany amin’izay nataon’izy ireo. Angamba hiverina (amin’i Allah) izy ireo.
قُلْ سِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَانظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ مِن قَبْلُ ۚ كَانَ أَكْثَرُهُم مُّشْرِكِينَ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Teneno hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo izay niafaran’ireo niaina teo aloha. Ny ankamaroan’izy ireo dia mpanompo sampy”.
فَأَقِمْ وَجْهَكَ لِلدِّينِ الْقَيِّمِ مِن قَبْلِ أَن يَأْتِيَ يَوْمٌ لَّا مَرَدَّ لَهُ مِنَ اللَّهِ ۖ يَوْمَئِذٍ يَصَّدَّعُونَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Koa atsangano àry ny tavanao amin’ny finoana marina, mialoha ny hahatongavan’ny Andro avy amin’i Allah izay tsy azo hidovirana. Amin’izany andro izany dia hizarazara izy ireo.
مَن كَفَرَ فَعَلَيْهِ كُفْرُهُ ۖ وَمَنْ عَمِلَ صَالِحًا فَلِأَنفُسِهِمْ يَمْهَدُونَ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
izay tsy nino dia hihatra aminy ny tsy finoany. Ary n'iza n'iza manao asa soa, dia ho an’ny tenan’izy ireo ihany no hanomanany izany.
لِيَجْزِيَ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ مِن فَضْلِهِ ۚ إِنَّهُ لَا يُحِبُّ الْكَافِرِينَ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Mba hanomezany valisoa, avy amin’ny fahasoavany, ireo izay mino sy manao asa soa. Tena marina fa, Izy dia tsy tia ireo tsy mpino.
وَمِنْ آيَاتِهِ أَن يُرْسِلَ الرِّيَاحَ مُبَشِّرَاتٍ وَلِيُذِيقَكُم مِّن رَّحْمَتِهِ وَلِتَجْرِيَ الْفُلْكُ بِأَمْرِهِ وَلِتَبْتَغُوا مِن فَضْلِهِ وَلَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fandefasany ireo rivotra ho mpilaza vaovao mahafaly, ary mba hampanandramany azy ireo ny ampahany amin’ny famindram-pony, sy mba hampisosa ny sambo, avy amin’ny baikony, ary mba hitadiavanareo ny fahasoavany. Ary angamba hankasitraka ianareo.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا مِن قَبْلِكَ رُسُلًا إِلَىٰ قَوْمِهِمْ فَجَاءُوهُم بِالْبَيِّنَاتِ فَانتَقَمْنَا مِنَ الَّذِينَ أَجْرَمُوا ۖ وَكَانَ حَقًّا عَلَيْنَا نَصْرُ الْمُؤْمِنِينَ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Ary tena efa nandefa Iraka maro talohanao Izahay, tamin’ny vahoakan’izy ireo, ka nitondra ireo porofo mazava. Ary novalianay sazy ireo izay nanao heloka be vava; ary adidinay tokoa ny mamonjy ireo mpino.
اللَّهُ الَّذِي يُرْسِلُ الرِّيَاحَ فَتُثِيرُ سَحَابًا فَيَبْسُطُهُ فِي السَّمَاءِ كَيْفَ يَشَاءُ وَيَجْعَلُهُ كِسَفًا فَتَرَى الْوَدْقَ يَخْرُجُ مِنْ خِلَالِهِ ۖ فَإِذَا أَصَابَ بِهِ مَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ إِذَا هُمْ يَسْتَبْشِرُونَ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Allah, Izy no mandefa ireo rivotra izay mampiakatra ireo rahona, avy eo, manaparitaka izany eny amin’ny lanitra araka izay sitrany Izy; ary nataony mitsitokotoko izany. Ka hitanao ny ranon’orana fa mivoaka avy amin’ny hatevin’izy ireo. Ary rehefa narotsany tamin’izay tiany izany, dia indro fa feno haravoana izy ireo.
وَإِن كَانُوا مِن قَبْلِ أَن يُنَزَّلَ عَلَيْهِم مِّن قَبْلِهِ لَمُبْلِسِينَ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Na dia efa very fanantenana aza izy ireo, talohan’ny nampidinana izany tamin’izy ireo.
فَانظُرْ إِلَىٰ آثَارِ رَحْمَتِ اللَّهِ كَيْفَ يُحْيِي الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا ۚ إِنَّ ذَٰلِكَ لَمُحْيِي الْمَوْتَىٰ ۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Jereo àry ireo vokatry ny famindram-pon’i Allah, ahoana no hamelomany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa Izy no hamelona ireo maty, ary Izy tokoa no Mahefa ny zava-drehetra.
وَلَئِنْ أَرْسَلْنَا رِيحًا فَرَأَوْهُ مُصْفَرًّا لَّظَلُّوا مِن بَعْدِهِ يَكْفُرُونَ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Ary raha mandefa ny rivotra Izahay, ka hitan’izy ireo fa mihamavo (ireo zava-maniry), dia mbola mijanona tsy ho mino ihany izy ireo aorian’izany.
فَإِنَّكَ لَا تُسْمِعُ الْمَوْتَىٰ وَلَا تُسْمِعُ الصُّمَّ الدُّعَاءَ إِذَا وَلَّوْا مُدْبِرِينَ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Tena marina fa tsy afaka hampandre ireo maty ianao; ary tsy afaka ihany koa hampandre ny antso amin’ireo marenina, raha mandeha mitodi-damosina izy ireo.
وَمَا أَنتَ بِهَادِ الْعُمْيِ عَن ضَلَالَتِهِمْ ۖ إِن تُسْمِعُ إِلَّا مَن يُؤْمِنُ بِآيَاتِنَا فَهُم مُّسْلِمُونَ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
-Tsy ianao no hitari-dàlana ireo jamba amin’ny fahaverezan’izy ireo.Tsy afaka hampandre afa-tsy izay mino ireo fanambaranay ianao, fa izy ireo dia manaiky tanteraka.
۞ اللَّهُ الَّذِي خَلَقَكُم مِّن ضَعْفٍ ثُمَّ جَعَلَ مِن بَعْدِ ضَعْفٍ قُوَّةً ثُمَّ جَعَلَ مِن بَعْدِ قُوَّةٍ ضَعْفًا وَشَيْبَةً ۚ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۖ وَهُوَ الْعَلِيمُ الْقَدِيرُ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Allah, Izy no nahary anareo avy amin’ny (zavatra) malemy; avy eo, taorian’ny fahalemena, dia nomeny hery ianareo, ary taorian’ny hery, dia ny fahalemena sy ny fahanterana. Ary mahary izay sitrany Izy. Fa Izy no Ilay Mahalala, Ilay Mahefa ny zava-drehetra.
وَيَوْمَ تَقُومُ السَّاعَةُ يُقْسِمُ الْمُجْرِمُونَ مَا لَبِثُوا غَيْرَ سَاعَةٍ ۚ كَذَٰلِكَ كَانُوا يُؤْفَكُونَ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Ary amin’ny andro izay ahatongavan’ilay Ora, dia hianiana ireo mpanao heloka be vava, fa tsy nipetraka afa-tsy adiny iray monja izy ireo. Toy izany no nampivily làlana azy ireo.
وَقَالَ الَّذِينَ أُوتُوا الْعِلْمَ وَالْإِيمَانَ لَقَدْ لَبِثْتُمْ فِي كِتَابِ اللَّهِ إِلَىٰ يَوْمِ الْبَعْثِ ۖ فَهَٰذَا يَوْمُ الْبَعْثِ وَلَٰكِنَّكُمْ كُنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Ary hiteny ireo izay nomena ny fahalalana sy ny finoana hoe : “Ianareo dia tena nipetraka araka ny didin’i Allah, mandra-pahatongan’ny Andro Fitsanganana, ka indro àry ilay Andro Fitsanganana. Nefa ianareo dia tsy nahafantatra na inona na inona.”
فَيَوْمَئِذٍ لَّا يَنفَعُ الَّذِينَ ظَلَمُوا مَعْذِرَتُهُمْ وَلَا هُمْ يُسْتَعْتَبُونَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Amin’izany andro izany, ny fialan-tsinin’ireo nanao ny tsy rariny dia tsy hahitan’izy ireo vokany, ary tsy angatahana amin’izy ireo izay ahafinaritra an’i Allah.
وَلَقَدْ ضَرَبْنَا لِلنَّاسِ فِي هَٰذَا الْقُرْآنِ مِن كُلِّ مَثَلٍ ۚ وَلَئِن جِئْتَهُم بِآيَةٍ لَّيَقُولَنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا إِنْ أَنتُمْ إِلَّا مُبْطِلُونَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Ary tena efa nomenay ireo olombelona ato amin’ity Kor’any ity, ny karazana ohatra maro. Ary raha mitondra fahagagana amin’izy ireo ianao, dia mbola hiteny tokoa ireo izay tsy mino hoe : “Tsy inona ianareo afa-tsy mpanao hadisoana.”
كَذَٰلِكَ يَطْبَعُ اللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِ الَّذِينَ لَا يَعْلَمُونَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Tahaka izany no nanidian’i Allah ny fon’ireo izay tsy te-hahafantatra.
فَاصْبِرْ إِنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ ۖ وَلَا يَسْتَخِفَّنَّكَ الَّذِينَ لَا يُوقِنُونَ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Mahareta àry ianao, tena marina fa, ny fampanatenan’i Allah dia marina. Ary aoka tsy hanozongozona anao ireo izay tsy manana fitokisana.
Vakio Surah Ar-Rum Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

