Al-'Ankabut · 5/69
Fandikana Fanononana — Surah Al-'Ankabut
مَن كَانَ يَرْجُو لِقَاءَ اللَّهِ فَإِنَّ أَجَلَ اللَّهِ لَآتٍ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ۝٥
Man kaana yarjoo liqaaa `allaahi fa inna ajalal laahi laaat; wa Huwass Sameeul `Aleem
📖 Dikany Malagasy
N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga tokoa ny fe-potoana izay notondroin’I Allah. Ary Izy no Ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 3-7 — Surah Al-'Ankabut

3وَلَقَدْ فَتَنَّا الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۖ فَلَيَعْلَمَنَّ اللَّهُ الَّذِينَ صَدَقُوا وَلَيَعْلَمَنَّ الْكَاذِبِينَ
Ary efa notsapanay tokoa ireo izay talohan’izy ireo ; ka tena fantatr’I Allah ireo izay milaza ny marina, ary tena fantany ihany koa ireo mpandainga.
4أَمْ حَسِبَ الَّذِينَ يَعْمَلُونَ السَّيِّئَاتِ أَن يَسْبِقُونَا ۚ سَاءَ مَا يَحْكُمُونَ
Na koa mihevitra ve ireo izay manao ny asa ratsy, fa afaka handositra Anay ? Ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo !
5مَن كَانَ يَرْجُو لِقَاءَ اللَّهِ فَإِنَّ أَجَلَ اللَّهِ لَآتٍ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ
N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga tokoa ny fe-potoana izay notondroin’I Allah. Ary Izy no Ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
6وَمَن جَاهَدَ فَإِنَّمَا يُجَاهِدُ لِنَفْسِهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ لَغَنِيٌّ عَنِ الْعَالَمِينَ
Ary n'iza n'iza manao fiezahana, dia tena marina efa manao fiezahana ho an’ny tenany ihany izy. Satria Allah dia ampy ho an’ny tenany, ka tsy misy ilàny azy izao tontolo izao.
7وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَنُكَفِّرَنَّ عَنْهُمْ سَيِّئَاتِهِمْ وَلَنَجْزِيَنَّهُمْ أَحْسَنَ الَّذِي كَانُوا يَعْمَلُونَ
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa kosa, dia ho fafanay ny asa ratsin’izy ireo, ary tena omenay valisoa mendrika kokoa noho izay nataon’izy ireo.
Al-'AnkabutFizahan-takila Koraña
69Andininy
MeccanRevelation
5Andininy

Fandikana — Al-'Ankabut 5

Surah Al-'Ankabut Andininy 5 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga…

Surah Andininy 5/69 — Surah Al-'Ankabut العنكبوت (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-'Ankabut Henoy, Surah Al-'Ankabut Fandikana, Surah Al-'Ankabut mp3, Surah Al-'Ankabut pdf. Andininy 3–7. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers