Al-'Ankabut · 63/69
Fandikana Fanononana — Al-'Ankabut
وَلَئِن سَأَلْتَهُم مَّن نَّزَّلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَحْيَا بِهِ الْأَرْضَ مِن بَعْدِ مَوْتِهَا لَيَقُولُنَّ اللَّهُ ۚ قُلِ الْحَمْدُ لِلَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْقِلُونَ ۝٦٣
Wa la`in sa altahum man nazzala minas samaaa`e maaa`an fa ahyaa bihil arda mim ba`di mawtihaa la yaqoolunnal laah; qulil hamdu lillah; bal aksaruhum laa ya`qiloon
📖 Dikany Malagasy
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.
🎧 Henoy

📜 Andininy 61-65 — Al-'Ankabut

61وَلَئِن سَأَلْتَهُم مَّنْ خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَسَخَّرَ الشَّمْسَ وَالْقَمَرَ لَيَقُولُنَّ اللَّهُ ۖ فَأَنَّىٰ يُؤْفَكُونَ
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany, mandrindra ny masoandro sy ny volana ? ”. Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah”. Ka nahoana àry no mivily làlana izy ireo ?
62اللَّهُ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ وَيَقْدِرُ لَهُ ۚ إِنَّ اللَّهَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Allah no manome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra izany ihany koa eo aminy. Tena marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra.
63وَلَئِن سَأَلْتَهُم مَّن نَّزَّلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَحْيَا بِهِ الْأَرْضَ مِن بَعْدِ مَوْتِهَا لَيَقُولُنَّ اللَّهُ ۚ قُلِ الْحَمْدُ لِلَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْقِلُونَ
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.
64وَمَا هَٰذِهِ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا إِلَّا لَهْوٌ وَلَعِبٌ ۚ وَإِنَّ الدَّارَ الْآخِرَةَ لَهِيَ الْحَيَوَانُ ۚ لَوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ
Ary tsy inona ity fiainana eto an-tany ity, afa-tsy fialam-boly sy kilalao fotsiny ihany. Fa ny tena marina dia, ny fonenana any an-koatra no tena fiainana. Raha mba mahafantatra izy ireo !
65فَإِذَا رَكِبُوا فِي الْفُلْكِ دَعَوُا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ فَلَمَّا نَجَّاهُمْ إِلَى الْبَرِّ إِذَا هُمْ يُشْرِكُونَ
Rehefa nitaingina tao anatin’ny sambo izy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa manakambana Azy amin’ny zavatra hafa.
Al-'AnkabutFizahan-takila Koraña
69Andininy
MeccanRevelation
63Andininy

Fandikana — Al-'Ankabut 63

Surah Al-'Ankabut Andininy 63 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no…

Surah Andininy 63/69 — Al-'Ankabut العنكبوت (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-'Ankabut Henoy, Al-'Ankabut Fandikana, Al-'Ankabut mp3, Al-'Ankabut pdf. Andininy 61–65. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers