Surah Mohammady amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Mohammady miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (38 Andininy — مدنية). Mohammady Henoy, Mohammady Fandikana, Mohammady mp3, Mohammady pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Mohammady

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
الَّذِينَ كَفَرُوا وَصَدُّوا عَن سَبِيلِ اللَّهِ أَضَلَّ أَعْمَالَهُمْ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Ireo izay tsy nino ka nisakana ny lalan’I Allah, dia nataony very maina ny asan’izy ireo.
وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَآمَنُوا بِمَا نُزِّلَ عَلَىٰ مُحَمَّدٍ وَهُوَ الْحَقُّ مِن رَّبِّهِمْ ۙ كَفَّرَ عَنْهُمْ سَيِّئَاتِهِمْ وَأَصْلَحَ بَالَهُمْ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa, ary nino izay nampidinina tamin’i Mohammady, fa izany no fahamarinana avy amin’nyTompon’izy ireo, dia ho fafana ny asa ratsin’izy ireo, ary hatsaraina ny fiainan’izy ireo.
ذَٰلِكَ بِأَنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا اتَّبَعُوا الْبَاطِلَ وَأَنَّ الَّذِينَ آمَنُوا اتَّبَعُوا الْحَقَّ مِن رَّبِّهِمْ ۚ كَذَٰلِكَ يَضْرِبُ اللَّهُ لِلنَّاسِ أَمْثَالَهُمْ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ny anton’izany satria nanaraka ny diso ireo izay tsy nino, fa nanaraka ny marina avy amin’ny Tompony kosa izay nino. Toy izany no anehoan’I Allah ireo fanoharana amin’ny olombelona.
فَإِذَا لَقِيتُمُ الَّذِينَ كَفَرُوا فَضَرْبَ الرِّقَابِ حَتَّىٰ إِذَا أَثْخَنتُمُوهُمْ فَشُدُّوا الْوَثَاقَ فَإِمَّا مَنًّا بَعْدُ وَإِمَّا فِدَاءً حَتَّىٰ تَضَعَ الْحَرْبُ أَوْزَارَهَا ۚ ذَٰلِكَ وَلَوْ يَشَاءُ اللَّهُ لَانتَصَرَ مِنْهُمْ وَلَٰكِن لِّيَبْلُوَ بَعْضَكُم بِبَعْضٍ ۗ وَالَّذِينَ قُتِلُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَلَن يُضِلَّ أَعْمَالَهُمْ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Rehefa mifanandrina amin’ireo tsy mpino ianareo, dia kapohy ao amin'ny hatony. Ka rehefa lavonareo, dia fatory mafy. Ary aza afahana tsotra izao, na angatahana takalony, hatramin’ny fitsaharan’ny vesatry ny ady. Toy izany, satria raha ny tian’I Allah, dia Izy mihitsy no namaly azy ireo, fa natao izany mba hifampisedranareo. Fa izay maty amin’ny lalan’I Allah, dia tsy ataony very maina mihitsy ny asan’izy ireo.
سَيَهْدِيهِمْ وَيُصْلِحُ بَالَهُمْ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ho tarihiny lalana izy ireo, ary ho hatsarainy ny momba azy ireo,
وَيُدْخِلُهُمُ الْجَنَّةَ عَرَّفَهَا لَهُمْ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ka hampidiriny amin’ny Paradisa izay hampafantariny azy ireo.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِن تَنصُرُوا اللَّهَ يَنصُرْكُمْ وَيُثَبِّتْ أَقْدَامَكُمْ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ianareo mpino ! Raha ampandresenareo izay mikasika an’I Allah, dia hataony mpandresy ianareo, ka ho hamafisiny ny dianareo.
وَالَّذِينَ كَفَرُوا فَتَعْسًا لَّهُمْ وَأَضَلَّ أَعْمَالَهُمْ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Fa ireo izay tsy mpino kosa, dia hisy loza ho azy ireo, ka hataony very maina ny asan’izy ireo.
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ كَرِهُوا مَا أَنزَلَ اللَّهُ فَأَحْبَطَ أَعْمَالَهُمْ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Izany satria nankahalan’izy ireo izay nampidinin’I Allah. Ka nataony very maina ny asan’izy ireo.
۞ أَفَلَمْ يَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ دَمَّرَ اللَّهُ عَلَيْهِمْ ۖ وَلِلْكَافِرِينَ أَمْثَالُهَا ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Tsy nitety ny tany va izy ireo, mba hahita izay niafaran’ireo talohany ? Nopotehin’I Allah izy ireny. Natokana ho an’ireo tsy mpino ny fiafarana tahaka izany.
ذَٰلِكَ بِأَنَّ اللَّهَ مَوْلَى الَّذِينَ آمَنُوا وَأَنَّ الْكَافِرِينَ لَا مَوْلَىٰ لَهُمْ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Fa tena mpiahy ireo mpino tokoa Allah, fa ireo tsy mpino kosa dia tsy mba manam-piahy.
إِنَّ اللَّهَ يُدْخِلُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۖ وَالَّذِينَ كَفَرُوا يَتَمَتَّعُونَ وَيَأْكُلُونَ كَمَا تَأْكُلُ الْأَنْعَامُ وَالنَّارُ مَثْوًى لَّهُمْ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Ireo izay mino ka manao asa soa, dia hampidirin’I Allah amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa ireo tsy mino kosa, dia mitady fahafinaretana sy mihinana tahaka ny biby, ary ny afo no ho toeram-ponenan’izy ireo.
وَكَأَيِّن مِّن قَرْيَةٍ هِيَ أَشَدُّ قُوَّةً مِّن قَرْيَتِكَ الَّتِي أَخْرَجَتْكَ أَهْلَكْنَاهُمْ فَلَا نَاصِرَ لَهُمْ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ary firifiry ireo tanàna nopotehinay, matanjaka kokoa nohon'ny tanàna nandroahana anao, fa tsy nisy mpamonjy mihitsy izy ireo.
أَفَمَن كَانَ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّهِ كَمَن زُيِّنَ لَهُ سُوءُ عَمَلِهِ وَاتَّبَعُوا أَهْوَاءَهُم ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Izay mifikitra amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompony va dia hitovy amin’izay nohatsaraina teo imason'ny asa ratsiny, ka nanaraka ny sitra-pony ?
مَّثَلُ الْجَنَّةِ الَّتِي وُعِدَ الْمُتَّقُونَ ۖ فِيهَا أَنْهَارٌ مِّن مَّاءٍ غَيْرِ آسِنٍ وَأَنْهَارٌ مِّن لَّبَنٍ لَّمْ يَتَغَيَّرْ طَعْمُهُ وَأَنْهَارٌ مِّنْ خَمْرٍ لَّذَّةٍ لِّلشَّارِبِينَ وَأَنْهَارٌ مِّنْ عَسَلٍ مُّصَفًّى ۖ وَلَهُمْ فِيهَا مِن كُلِّ الثَّمَرَاتِ وَمَغْفِرَةٌ مِّن رَّبِّهِمْ ۖ كَمَنْ هُوَ خَالِدٌ فِي النَّارِ وَسُقُوا مَاءً حَمِيمًا فَقَطَّعَ أَمْعَاءَهُمْ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Toy izao ny Paradisa nampanantenaina ireo vontom-pinoana : misy renirano, tsy ho ratsy fofona mandrakizay ny rano ao aminy, ary renirano amin’ny ronono tsy miova ny tsirony, sy renirano amin’ny divay, matsiro ho an’ny mpisotro, ary renirano amin’ny rano tantely madio .Misy voankazo isan-karazany ho azy ireo ao, ary koa famelan-keloka avy amin’ny Tompony. Hitovy amin’ireo hipetraka mandrakizay ao amin’ny afo va izy ireo, izay hampisotroina rano mangotraka handrovitra ny tsinainy ?
وَمِنْهُم مَّن يَسْتَمِعُ إِلَيْكَ حَتَّىٰ إِذَا خَرَجُوا مِنْ عِندِكَ قَالُوا لِلَّذِينَ أُوتُوا الْعِلْمَ مَاذَا قَالَ آنِفًا ۚ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ طَبَعَ اللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمْ وَاتَّبَعُوا أَهْوَاءَهُمْ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary misy amin’izy ireo ny mihaino anao. Ka raha vao nivoaka tao aminao izy ireo, dia niteny tamin’ireo nahazo fahalalana hoe : “Inona no nolazainy teo ?" Hidin’I Allah ny fon'izy ireny fa nanaraka ny sitra-pony.
وَالَّذِينَ اهْتَدَوْا زَادَهُمْ هُدًى وَآتَاهُمْ تَقْوَاهُمْ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Fa izay nanaraka ny lalana mahitsy kosa, dia nampitomboiny ny fahitsin’izy ireo, ary nataony vontom-pinoana (izy ireo).
فَهَلْ يَنظُرُونَ إِلَّا السَّاعَةَ أَن تَأْتِيَهُم بَغْتَةً ۖ فَقَدْ جَاءَ أَشْرَاطُهَا ۚ فَأَنَّىٰ لَهُمْ إِذَا جَاءَتْهُمْ ذِكْرَاهُمْ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Ny fahatongavan’ilay Ora tampoka va no andrasan’izy ireo ? kanefa dia efa tonga tokoa ireo famantarana mialoha. Ary ahoana no ahafahan’izy ireo hahatsiaro rehefa tonga tampoka izany ?
فَاعْلَمْ أَنَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا اللَّهُ وَاسْتَغْفِرْ لِذَنبِكَ وَلِلْمُؤْمِنِينَ وَالْمُؤْمِنَاتِ ۗ وَاللَّهُ يَعْلَمُ مُتَقَلَّبَكُمْ وَمَثْوَاكُمْ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Fantaro àry, fa tsy misy Tompo afa-tsy I Allah ary mangataha ny hamelany ny fahotanao sy an’ireo mpino, lahy na vavy. Fantatr’I Allah izay ataonareo, sy izay toerana hialanareo sasatra.
وَيَقُولُ الَّذِينَ آمَنُوا لَوْلَا نُزِّلَتْ سُورَةٌ ۖ فَإِذَا أُنزِلَتْ سُورَةٌ مُّحْكَمَةٌ وَذُكِرَ فِيهَا الْقِتَالُ ۙ رَأَيْتَ الَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ يَنظُرُونَ إِلَيْكَ نَظَرَ الْمَغْشِيِّ عَلَيْهِ مِنَ الْمَوْتِ ۖ فَأَوْلَىٰ لَهُمْ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Hoy ireo mpino : ‘’Indrisy ! Raha mba nisy antokon-tsoratra nidina mantsy !‘’ Kanefa raha vao midina amin’ny antokon-tsoratra mazava anankiray, ka voalaza ao anatin’izany ny resaka ady, dia hitanareo ireo manana areti-po fa hijery anao toy ny fijerin’olona ho torana eo anoloan’ny fahafatesana. Ho tsara kokoa ho azy ireo izany.
طَاعَةٌ وَقَوْلٌ مَّعْرُوفٌ ۚ فَإِذَا عَزَمَ الْأَمْرُ فَلَوْ صَدَقُوا اللَّهَ لَكَانَ خَيْرًا لَّهُمْ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Ny fankatoavana sy ny teny mendrika. Ary rehefa raikitra ny raharaha, dia tsara ho azy ireo tokoa ny mampiseho fahatsoram-po eo anatrehan’I Allah.
فَهَلْ عَسَيْتُمْ إِن تَوَلَّيْتُمْ أَن تُفْسِدُوا فِي الْأَرْضِ وَتُقَطِّعُوا أَرْحَامَكُمْ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Moa va raha mitsipaka ianareo, dia tsy ahiana hampiely fanimbana ety an-tany, sy hanapaka ny fihavanana amin’ireo mpiray tampo aminareo ?
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ لَعَنَهُمُ اللَّهُ فَأَصَمَّهُمْ وَأَعْمَىٰ أَبْصَارَهُمْ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Izy ireny no voahozon’I Allah, sy nataony marenina, ary jamba ihany koa ny fahitàny.
أَفَلَا يَتَدَبَّرُونَ الْقُرْآنَ أَمْ عَلَىٰ قُلُوبٍ أَقْفَالُهَا ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Tsy mandinika ny Koroany va izy ireo ? Sa misy hidiny ny fon'izy ireo ?
إِنَّ الَّذِينَ ارْتَدُّوا عَلَىٰ أَدْبَارِهِم مِّن بَعْدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُمُ الْهُدَى ۙ الشَّيْطَانُ سَوَّلَ لَهُمْ وَأَمْلَىٰ لَهُمْ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ireo izay niverin-dalana, rehefa avy naseho taminy ny lalana mahitsy, dia nobaboin’ny devoly ny fony, ary nofitahiny.
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لِلَّذِينَ كَرِهُوا مَا نَزَّلَ اللَّهُ سَنُطِيعُكُمْ فِي بَعْضِ الْأَمْرِ ۖ وَاللَّهُ يَعْلَمُ إِسْرَارَهُمْ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Satria notenenin’izy ireo tamin’ireo nankahala ny fanambaran’I Allah hoe : “Hankato anareo amin’ny zavatra sasantsasany izahay.” Fantatr’I Allah anefa izay afenin’izy ireo.
فَكَيْفَ إِذَا تَوَفَّتْهُمُ الْمَلَائِكَةُ يَضْرِبُونَ وُجُوهَهُمْ وَأَدْبَارَهُمْ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Inona no ahazo azy ireo rehefa hamono azy ireo ny Anjely, ka hikapoka azy avy eo anoloany sy avy ao an-damosiny ?
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمُ اتَّبَعُوا مَا أَسْخَطَ اللَّهَ وَكَرِهُوا رِضْوَانَهُ فَأَحْبَطَ أَعْمَالَهُمْ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Satria nanaraka izay nahatezitra an’I Allah izy ireo, sady nankahala ny fankasitrahany, dia nataony very maina ny asan’izy ireo.
أَمْ حَسِبَ الَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ أَن لَّن يُخْرِجَ اللَّهُ أَضْغَانَهُمْ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Sa mihevitra ireo olona manana areti-po, fa tsy halala hampibaribary ny fankahalan’izy ireo mihitsy Allah ?
وَلَوْ نَشَاءُ لَأَرَيْنَاكَهُمْ فَلَعَرَفْتَهُم بِسِيمَاهُمْ ۚ وَلَتَعْرِفَنَّهُمْ فِي لَحْنِ الْقَوْلِ ۚ وَاللَّهُ يَعْلَمُ أَعْمَالَكُمْ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Kanefa raha ny tianay, dia ho nampisehoinay taminao izany. Fantatrao tamin’ny endriny tokoa izy ireo, ary tsy maintsy fantatrao tamin’ny fomba fiteniny ihany koa. Eny; fantatr’I Allah izay ataonareo.
وَلَنَبْلُوَنَّكُمْ حَتَّىٰ نَعْلَمَ الْمُجَاهِدِينَ مِنكُمْ وَالصَّابِرِينَ وَنَبْلُوَ أَخْبَارَكُمْ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Hampisedrainay tokoa ianareo mba hanavahanay ireo izay miady sy miaritra (nohon'ny anton’i Allah), ary hampihariharianay ny vaovao avy aminareo.
إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا وَصَدُّوا عَن سَبِيلِ اللَّهِ وَشَاقُّوا الرَّسُولَ مِن بَعْدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُمُ الْهُدَىٰ لَن يَضُرُّوا اللَّهَ شَيْئًا وَسَيُحْبِطُ أَعْمَالَهُمْ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ireo tsy nino sy nisakana ny lalan’i Allah, ary nanohitra ny Mpaminany, taorian’ny nilazana mazava taminy ny lalana mahitsy, dia tsy afaka hanao ratsy amin’I Allah velively izy ireo. Ary hataon’I Allah very maina ny asan'izy ireo.
۞ يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا أَطِيعُوا اللَّهَ وَأَطِيعُوا الرَّسُولَ وَلَا تُبْطِلُوا أَعْمَالَكُمْ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Oh ianareo mpino ! Aoka ianareo hankatoa an’I Allah, ary aoka ihany koa hankatoa ny iraka, fa aza avela ho very maina ny asanareo.
إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا وَصَدُّوا عَن سَبِيلِ اللَّهِ ثُمَّ مَاتُوا وَهُمْ كُفَّارٌ فَلَن يَغْفِرَ اللَّهُ لَهُمْ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ireo izay tsy nino sy nisakana ny lalan’i Allah ary maty tao anatin’ny tsy finoana, dia tsy hamela heloka azy ireo na oviana na oviana Allah.
فَلَا تَهِنُوا وَتَدْعُوا إِلَى السَّلْمِ وَأَنتُمُ الْأَعْلَوْنَ وَاللَّهُ مَعَكُمْ وَلَن يَتِرَكُمْ أَعْمَالَكُمْ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Aza ketraka ianareo, ary aza miantso amin’ny fifampiraharahana ho ambony, satria miaraka aminareo hatrany Allah, ary tsy hanary ny valisoan'ny asanareo na oviana na oviana Izy.
إِنَّمَا الْحَيَاةُ الدُّنْيَا لَعِبٌ وَلَهْوٌ ۚ وَإِن تُؤْمِنُوا وَتَتَّقُوا يُؤْتِكُمْ أُجُورَكُمْ وَلَا يَسْأَلْكُمْ أَمْوَالَكُمْ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Lalao sy fialam-boly ihany ny fiainana eto an-tany, kanefa raha mino sy matahotra an’I Allah ianareo, dia omeny valisoa ianareo, ary tsy hangataka ny fanananareo Izy.
إِن يَسْأَلْكُمُوهَا فَيُحْفِكُمْ تَبْخَلُوا وَيُخْرِجْ أَضْغَانَكُمْ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Raha nangatahany izany ianareo, ka notereny, dia hahihitra ianareo, ary hasehony ny fankahalanareo.
هَا أَنتُمْ هَٰؤُلَاءِ تُدْعَوْنَ لِتُنفِقُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَمِنكُم مَّن يَبْخَلُ ۖ وَمَن يَبْخَلْ فَإِنَّمَا يَبْخَلُ عَن نَّفْسِهِ ۚ وَاللَّهُ الْغَنِيُّ وَأَنتُمُ الْفُقَرَاءُ ۚ وَإِن تَتَوَلَّوْا يَسْتَبْدِلْ قَوْمًا غَيْرَكُمْ ثُمَّ لَا يَكُونُوا أَمْثَالَكُم ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Indro fa voaantso hanao fandaniana amin’ny lalan’i Allah ianareo. Hiseho mahihitra ny sasany aminareo. Izay mahihitra anefa dia mahihitra ho an’ny tenany ihany. Manana ny ampy tanteraka I Allah, fa ianareo kosa no mahantra. Ary raha mivily lalana ianareo, dia ho soloiny vahoaka hafa, izay tsy hitovy aminareo velively.
← 46 Mohammady (47/114) 48 →
Vakio Surah Mohammady Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

47محمد Muhammad 📚 38 Andininy مدنية

Andininy isan-tsokajy – Surah Mohammady — 38 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers