Al-Fath · 8/29
Fandikana Fanononana — Al-Fath
إِنَّا أَرْسَلْنَاكَ شَاهِدًا وَمُبَشِّرًا وَنَذِيرًا ۝٨
Innaaa arsalnaaka shaahi danw wa mubashshiranw wa nazeera
📖 Dikany Malagasy
Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no nandefasanay anao.
🎧 Henoy

📜 Andininy 6-10 — Al-Fath

6وَيُعَذِّبَ الْمُنَافِقِينَ وَالْمُنَافِقَاتِ وَالْمُشْرِكِينَ وَالْمُشْرِكَاتِ الظَّانِّينَ بِاللَّهِ ظَنَّ السَّوْءِ ۚ عَلَيْهِمْ دَائِرَةُ السَّوْءِ ۖ وَغَضِبَ اللَّهُ عَلَيْهِمْ وَلَعَنَهُمْ وَأَعَدَّ لَهُمْ جَهَنَّمَ ۖ وَسَاءَتْ مَصِيرًا
Ary hanasaziany ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny hafa, lahy sy vavy, izay mieritreri-dratsy an'I Allah. Hiverina amin’izy ireo ihany anie ny ratsy, tezitra amin’izy ireo Allah, sy nanozona azy ireo ary nanomana ny afobe ho azy ireo. Fiafarana ratsy tokoa izany !
7وَلِلَّهِ جُنُودُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا
An’I Allah ireo tafiky ny lanitra sy ny tany, ary Allah no tsitoha sy be fahendrena.
8إِنَّا أَرْسَلْنَاكَ شَاهِدًا وَمُبَشِّرًا وَنَذِيرًا
Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no nandefasanay anao.
9لِّتُؤْمِنُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ وَتُعَزِّرُوهُ وَتُوَقِّرُوهُ وَتُسَبِّحُوهُ بُكْرَةً وَأَصِيلًا
Mba hinoanareo an’I Allah sy ny irany, sy hanajanareo Azy, hanekenareo ny fahamendrehany, ary hanomezanareo voninahitr'Azy marain-tsy hariva.
10إِنَّ الَّذِينَ يُبَايِعُونَكَ إِنَّمَا يُبَايِعُونَ اللَّهَ يَدُ اللَّهِ فَوْقَ أَيْدِيهِمْ ۚ فَمَن نَّكَثَ فَإِنَّمَا يَنكُثُ عَلَىٰ نَفْسِهِ ۖ وَمَنْ أَوْفَىٰ بِمَا عَاهَدَ عَلَيْهُ اللَّهَ فَسَيُؤْتِيهِ أَجْرًا عَظِيمًا
Izay manao tokim-panoavana aminao dia manao tokim-panoavana amin’i Allah ihany koa, eo ambonin’ny tanan’izy ireo ny tanan’I Allah. Izay mandika ny fianianana, dia mandika izany ho an’ny tenany ihany; fa izay manatanteraka ny fifanekena tamin’I Allah kosa dia homeny valisoa lehibe tsy ho ela.
Al-FathFizahan-takila Koraña
29Andininy
MedinanRevelation
8Andininy

Fandikana — Al-Fath 8

Surah Al-Fath Andininy 8 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no…

Surah Andininy 8/29 — Al-Fath الفتح (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Fath Henoy, Al-Fath Fandikana, Al-Fath mp3, Al-Fath pdf. Andininy 6–10. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers