Surah Al-Ahqaf amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Ahqaf miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (35 Andininy — مكية). Al-Ahqaf Henoy, Al-Ahqaf Fandikana, Al-Ahqaf mp3, Al-Ahqaf pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Ahqaf

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
حم ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Hà Mîm
تَنزِيلُ الْكِتَابِ مِنَ اللَّهِ الْعَزِيزِ الْحَكِيمِ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ny fanambarana ny Boky dia avy amin'Andriamanitra Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
مَا خَلَقْنَا السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا إِلَّا بِالْحَقِّ وَأَجَلٍ مُّسَمًّى ۚ وَالَّذِينَ كَفَرُوا عَمَّا أُنذِرُوا مُعْرِضُونَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Tsy noharianay ny lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelany raha tsy tamim-pahamarinana, ary ho amin'ny fotoana voafetra.Tsy miraharaha amin'izay nampitandremana azy ireo ny tsy mpino.
قُلْ أَرَأَيْتُم مَّا تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ أَرُونِي مَاذَا خَلَقُوا مِنَ الْأَرْضِ أَمْ لَهُمْ شِرْكٌ فِي السَّمَاوَاتِ ۖ ائْتُونِي بِكِتَابٍ مِّن قَبْلِ هَٰذَا أَوْ أَثَارَةٍ مِّنْ عِلْمٍ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Dia lazao hoe : "Ahoana no fahitanareo ireo izay antsoinareo ankoatra an'I Allah" ? Asehoy ahy ary izay namboarin'izy ireo avy amin'ny tany ! Sa misy fiarahan'izy ireo amin'Allah va any an-danitra ? Itondrao boky talohan'ity aho, na izay sisa tavela amin'ny fahalalana, raha mpilaza ny marina ianareo. "
وَمَنْ أَضَلُّ مِمَّن يَدْعُو مِن دُونِ اللَّهِ مَن لَّا يَسْتَجِيبُ لَهُ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ وَهُمْ عَن دُعَائِهِمْ غَافِلُونَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Fa iza no very lalana kokoa, noho izay miantso ankoatra an'Allah izay tsy afaka hamaly azy akory hatramin'ny andro fitsanganana ? Ary tsy miraika amin'ny fangatahan'izy ireo.
وَإِذَا حُشِرَ النَّاسُ كَانُوا لَهُمْ أَعْدَاءً وَكَانُوا بِعِبَادَتِهِمْ كَافِرِينَ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary rehefa tafavory ny olona, dia hitsangana ho fahavalony izy ireo, ary handà ny fanompoan'ny olona Azy.
وَإِذَا تُتْلَىٰ عَلَيْهِمْ آيَاتُنَا بَيِّنَاتٍ قَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِلْحَقِّ لَمَّا جَاءَهُمْ هَٰذَا سِحْرٌ مُّبِينٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ary raha lazaina aminy ireo andininy mazava tsara avy Aminay dia hoy ireo tsy mpino rehefa tonga aminy ny fahamarinana : "Tena majika miharihary tokoa izao."
أَمْ يَقُولُونَ افْتَرَاهُ ۖ قُلْ إِنِ افْتَرَيْتُهُ فَلَا تَمْلِكُونَ لِي مِنَ اللَّهِ شَيْئًا ۖ هُوَ أَعْلَمُ بِمَا تُفِيضُونَ فِيهِ ۖ كَفَىٰ بِهِ شَهِيدًا بَيْنِي وَبَيْنَكُمْ ۖ وَهُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Na miteny izy ireo hoe : "Noforoniny izany !". Valio hoe : "Raha namorona izany aho, dia tsy afaka hanampy ahy eo anatrehan'ny fanasazin'Allah ianareo. Fantany tanteraka izay ahelinareo, fa ampy ahy sy ianareo I Allah ary Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be Indrafo."
قُلْ مَا كُنتُ بِدْعًا مِّنَ الرُّسُلِ وَمَا أَدْرِي مَا يُفْعَلُ بِي وَلَا بِكُمْ ۖ إِنْ أَتَّبِعُ إِلَّا مَا يُوحَىٰ إِلَيَّ وَمَا أَنَا إِلَّا نَذِيرٌ مُّبِينٌ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Lazao hoe : "Tsy fanavaozana ireo iraka aho, ary tsy fantatro izay hanaovana ahy, sy ianareo. Tsy manao afa-tsy manaraka izay nambara tamiko aho ary mpampitandrina mazava ihany. "
قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِن كَانَ مِنْ عِندِ اللَّهِ وَكَفَرْتُم بِهِ وَشَهِدَ شَاهِدٌ مِّن بَنِي إِسْرَائِيلَ عَلَىٰ مِثْلِهِ فَآمَنَ وَاسْتَكْبَرْتُمْ ۖ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Lazao hoe : "Inona no ambaranareo ? Raha avy any amin'Allah izany, kanefa tsy inoanareo fa nisy vavolombelona iray nijoro avy amin'ny zanak'Israely nanamarina sy nino izany, fa ianareo kosa nanohitra izany amim-pireharehana. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana ireo olona mpanao ny tsy rariny Allah."
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِلَّذِينَ آمَنُوا لَوْ كَانَ خَيْرًا مَّا سَبَقُونَا إِلَيْهِ ۚ وَإِذْ لَمْ يَهْتَدُوا بِهِ فَسَيَقُولُونَ هَٰذَا إِفْكٌ قَدِيمٌ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Ary hoy ireo tsy mpino tamin'ireo mpino : "Raha tsara io, dia tsy ho lasa alohantsika izy ireo." Ary satria tsy voatari-dalana tamin'izany izy ireo, dia hiteny hoe : "Lainga tany aloha ihany izany."
وَمِن قَبْلِهِ كِتَابُ مُوسَىٰ إِمَامًا وَرَحْمَةً ۚ وَهَٰذَا كِتَابٌ مُّصَدِّقٌ لِّسَانًا عَرَبِيًّا لِّيُنذِرَ الَّذِينَ ظَلَمُوا وَبُشْرَىٰ لِلْمُحْسِنِينَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Ary nisy Bokin'i Mosesy teo alohany, ho tari-dalana sy ho famindram-po. Ary ity Boky ity dia manamarina izany, amin'ny fiteny arabo,mba hampitandremana izay manao ny tsy rariny, sy hilazana vaovao mahafaly ho an'ireo mpanao soa.
إِنَّ الَّذِينَ قَالُوا رَبُّنَا اللَّهُ ثُمَّ اسْتَقَامُوا فَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Hamafisina, fa ireo izay miteny hoe : "Allah no Tomponay " avy eo manaraka ny lalana mahitsy, dia tsy misy hatahoran'izy ireo na hampalahelo azy ireo.
أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَنَّةِ خَالِدِينَ فِيهَا جَزَاءً بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Olon'ny Paradisa izy ireo, izay hitoetra ao mandrakizay, ho valin'izay nataony.
وَوَصَّيْنَا الْإِنسَانَ بِوَالِدَيْهِ إِحْسَانًا ۖ حَمَلَتْهُ أُمُّهُ كُرْهًا وَوَضَعَتْهُ كُرْهًا ۖ وَحَمْلُهُ وَفِصَالُهُ ثَلَاثُونَ شَهْرًا ۚ حَتَّىٰ إِذَا بَلَغَ أَشُدَّهُ وَبَلَغَ أَرْبَعِينَ سَنَةً قَالَ رَبِّ أَوْزِعْنِي أَنْ أَشْكُرَ نِعْمَتَكَ الَّتِي أَنْعَمْتَ عَلَيَّ وَعَلَىٰ وَالِدَيَّ وَأَنْ أَعْمَلَ صَالِحًا تَرْضَاهُ وَأَصْلِحْ لِي فِي ذُرِّيَّتِي ۖ إِنِّي تُبْتُ إِلَيْكَ وَإِنِّي مِنَ الْمُسْلِمِينَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ary nodidianay ny olombelona hanao ny tsara amin'ireo ray aman-dreniny, mafy ny nitondran-dreniny sy ny niterahany azy, ary maharitra telopolo volana ny fitondrany azy am-bohoka ka hatramin'ny fisaraha-nonony ; ary rehefa tonga eo amin'ny fahamatorany tanteraka izy, ka mahatratra efapolo taona dia hoy izy : "Tompo o ! Tariho hisaotra nohon'ny soa nomenao ahy aho, sy nomenao ireo ray aman-dreniko, mba hanaovako asa soa ankasitrahanao. Ataovy mendrika ireo taranako. Mibebaka aminao aho, ary isan'ireo mpankato anao."
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ نَتَقَبَّلُ عَنْهُمْ أَحْسَنَ مَا عَمِلُوا وَنَتَجَاوَزُ عَن سَيِّئَاتِهِمْ فِي أَصْحَابِ الْجَنَّةِ ۖ وَعْدَ الصِّدْقِ الَّذِي كَانُوا يُوعَدُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ireo no ekenay ho tsara indrindra amin'izay ataonay, ary avelanay kosa ireo ratsy, ho isan'ny olon'ny Paradisa izy ireo araka ny fampanantenana marina natao tamin'izy ireo.
وَالَّذِي قَالَ لِوَالِدَيْهِ أُفٍّ لَّكُمَا أَتَعِدَانِنِي أَنْ أُخْرَجَ وَقَدْ خَلَتِ الْقُرُونُ مِن قَبْلِي وَهُمَا يَسْتَغِيثَانِ اللَّهَ وَيْلَكَ آمِنْ إِنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ فَيَقُولُ مَا هَٰذَا إِلَّا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Fa izay miteny amin'ny ray aman-dreniny kosa hoe : "Esy ! mandehana any ianareo ! mampanantena ahy va ianareo, fa havoaka avy ao amin'ny tany aho, nefa maro ny taranaka efa lasa any ?". Ary nangata-bonjy tamin'I Allah izy roa : "Loza ho anao ! Aoka ianao hino, fa marina ny fampanantenan'I Allah." Ka hamaly izy hoe : "anganon'ny taloha izany."
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ حَقَّ عَلَيْهِمُ الْقَوْلُ فِي أُمَمٍ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِم مِّنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ ۖ إِنَّهُمْ كَانُوا خَاسِرِينَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Izy ireo no mendrika ho helohina, miaraka amin’ireo vahoaka efa lasa teo alohany, avy amin’ny Djiny sy ny olombelona. Tena maty antoka tokoa izy ireo.
وَلِكُلٍّ دَرَجَاتٌ مِّمَّا عَمِلُوا ۖ وَلِيُوَفِّيَهُمْ أَعْمَالَهُمْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ary misy laharana ho an’ny tsirairay, araka izay nataony, mba hizaran’I Allah amin’izy ireo ny valin’asa feno, ka tsy hiangarana mihitsy izy ireo amin’izany.
وَيَوْمَ يُعْرَضُ الَّذِينَ كَفَرُوا عَلَى النَّارِ أَذْهَبْتُمْ طَيِّبَاتِكُمْ فِي حَيَاتِكُمُ الدُّنْيَا وَاسْتَمْتَعْتُم بِهَا فَالْيَوْمَ تُجْزَوْنَ عَذَابَ الْهُونِ بِمَا كُنتُمْ تَسْتَكْبِرُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَبِمَا كُنتُمْ تَفْسُقُونَ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary amin’ny andro hahatongavan’ireo tsy mpino eo anatrehan’ny afo, (dia hiteny amin’izy ireo Izy) : “Notaperinareo ireo zava-tsoa vitanareo ka nifalianareo tanteraka nandritry ny fiainanareo teny an-tany, ho valiana famaizana mahafa-baraka àry ianareo anio, nohon'ny fireharehanareo tamin’ny tsy rariny teny an-tany, sy noho ny faharatsianareo."
۞ وَاذْكُرْ أَخَا عَادٍ إِذْ أَنذَرَ قَوْمَهُ بِالْأَحْقَافِ وَقَدْ خَلَتِ النُّذُرُ مِن بَيْنِ يَدَيْهِ وَمِنْ خَلْفِهِ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا اللَّهَ إِنِّي أَخَافُ عَلَيْكُمْ عَذَابَ يَوْمٍ عَظِيمٍ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Fa tsarovy ny rahalahin'ireo Aad, nampitandrina ny vahoakany izy tao Al-ahqaf, kanefa dia nisy mpampitandrina nandalo talohany sy taoriany, "aoka ianareo tsy hanompo afa-tsy I Allah. Hatahorako ho aminareo ny famaizana amin'ilay andro mahatsiravina."
قَالُوا أَجِئْتَنَا لِتَأْفِكَنَا عَنْ آلِهَتِنَا فَأْتِنَا بِمَا تَعِدُنَا إِن كُنتَ مِنَ الصَّادِقِينَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Hoy izy ireo : ‘’Tonga eto aminay mba hampihataka anay amin’ireo andriamanitray va ianao ? Raha izany, ento eto aminay izay nampitandremanao anay raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao.‘’
قَالَ إِنَّمَا الْعِلْمُ عِندَ اللَّهِ وَأُبَلِّغُكُم مَّا أُرْسِلْتُ بِهِ وَلَٰكِنِّي أَرَاكُمْ قَوْمًا تَجْهَلُونَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Hoy izy : “Any amin’I Allah ihany ny fahalalana. Mampita ny hafatra izay nandefasana ahy aminareo aho. kanefa hitako fa olona tsy mahafantatra ianareo”.
فَلَمَّا رَأَوْهُ عَارِضًا مُّسْتَقْبِلَ أَوْدِيَتِهِمْ قَالُوا هَٰذَا عَارِضٌ مُّمْطِرُنَا ۚ بَلْ هُوَ مَا اسْتَعْجَلْتُم بِهِ ۖ رِيحٌ فِيهَا عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Ary rehefa nahita rahona nankeny amin’ny sahany izy ireo, dia niteny hoe : “Indro ny rahona mitondra ranon’orana ho anay.” Ny mifanohitra amin’izany anefa, no ilay tadiavinareo hafainganina, dia ny rivotra mitondra famaizana mamirifiry,
تُدَمِّرُ كُلَّ شَيْءٍ بِأَمْرِ رَبِّهَا فَأَصْبَحُوا لَا يُرَىٰ إِلَّا مَسَاكِنُهُمْ ۚ كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْقَوْمَ الْمُجْرِمِينَ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Handrava ny zava-drehetra, nohon'ny didin’ny Tompony. Ary ny ampitson’iny, dia ny fonenan’izy ireo ihany no sisa tazana.Toy izany no hamalianay ireo olona mpanao ratsy.
وَلَقَدْ مَكَّنَّاهُمْ فِيمَا إِن مَّكَّنَّاكُمْ فِيهِ وَجَعَلْنَا لَهُمْ سَمْعًا وَأَبْصَارًا وَأَفْئِدَةً فَمَا أَغْنَىٰ عَنْهُمْ سَمْعُهُمْ وَلَا أَبْصَارُهُمْ وَلَا أَفْئِدَتُهُم مِّن شَيْءٍ إِذْ كَانُوا يَجْحَدُونَ بِآيَاتِ اللَّهِ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُوا بِهِ يَسْتَهْزِئُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Nomenay fahefana izay tsy nomenay anareo izy ireo. Ary nomenay fandrenesana, fahitana sy fo, saingy ny fandrenesany, ny fahitany, ny fony, dia tsy nahazoan’izy ireo tombotsoa, na amin’inona satria nandà ireo famantarana avy amin’I Allah izy ireo, ka dia voafatotr’izay nohesoiny.
وَلَقَدْ أَهْلَكْنَا مَا حَوْلَكُم مِّنَ الْقُرَىٰ وَصَرَّفْنَا الْآيَاتِ لَعَلَّهُمْ يَرْجِعُونَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Nopotehinay tokoa ireo tanàna manodidina anareo, ary nataonay isan-karazany ireo famantarana mba hiverenan’izy ireo (amin’I Allah).
فَلَوْلَا نَصَرَهُمُ الَّذِينَ اتَّخَذُوا مِن دُونِ اللَّهِ قُرْبَانًا آلِهَةً ۖ بَلْ ضَلُّوا عَنْهُمْ ۚ وَذَٰلِكَ إِفْكُهُمْ وَمَا كَانُوا يَفْتَرُونَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Nahoana no tsy mamonjy azy ireo izay nalainy ankoatran'I Allah, ho Tompo hanakaikezana Azy ? Nandao azy izy ireo, izany no fisandohana ataony, sy lainga foroniny.
وَإِذْ صَرَفْنَا إِلَيْكَ نَفَرًا مِّنَ الْجِنِّ يَسْتَمِعُونَ الْقُرْآنَ فَلَمَّا حَضَرُوهُ قَالُوا أَنصِتُوا ۖ فَلَمَّا قُضِيَ وَلَّوْا إِلَىٰ قَوْمِهِم مُّنذِرِينَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Tsarovy, tamin’ny nandefasanay andian'ny Djiny teo aminao mba hihaino ny Koroany. Rehefa tonga teo izy ireo, dia niteny hoe : “Henoinareo tsara.” Ary rehefa tapitra izany, dia niverina teo amin’ny vahoakany ho mpampitandrina izy ireo.
قَالُوا يَا قَوْمَنَا إِنَّا سَمِعْنَا كِتَابًا أُنزِلَ مِن بَعْدِ مُوسَىٰ مُصَدِّقًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيْهِ يَهْدِي إِلَى الْحَقِّ وَإِلَىٰ طَرِيقٍ مُّسْتَقِيمٍ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Dia hoy izy ireo : “Ry vahoakanay ! Avy nahare Boky iray nampidinina taorian’i Mosesy izahay, manamarina izay teo alohany. Mitarika ho amin’ny fahamarinana izany, sy ho amin’ny lalana mahitsy."
يَا قَوْمَنَا أَجِيبُوا دَاعِيَ اللَّهِ وَآمِنُوا بِهِ يَغْفِرْ لَكُم مِّن ذُنُوبِكُمْ وَيُجِرْكُم مِّنْ عَذَابٍ أَلِيمٍ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Ry vahoakanay ! Valio ny antson’ilay mpitory tenin’Allah, ary aoka ianareo hino Azy. Hamela ny fahotanareo I Allah, ary hiaro anareo amin’ny famaizana mamirifiry.
وَمَن لَّا يُجِبْ دَاعِيَ اللَّهِ فَلَيْسَ بِمُعْجِزٍ فِي الْأَرْضِ وَلَيْسَ لَهُ مِن دُونِهِ أَوْلِيَاءُ ۚ أُولَٰئِكَ فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ary n'aiza n'aiza tsy hamaliana ny antson’ilay mpitory tenin’I Allah, dia misy tsy afaka handositra ny fahefany eto an-tany. Ary tsy hanana mpiahy ankoatra Azy izy. Ao anatin’ny fahaverezana tokoa izy ireny.
أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّ اللَّهَ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَلَمْ يَعْيَ بِخَلْقِهِنَّ بِقَادِرٍ عَلَىٰ أَن يُحْيِيَ الْمَوْتَىٰ ۚ بَلَىٰ إِنَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Tsy hitan’izy ireo va, fa Allah no nahary ny lanitra sy ny tany, izay tsy mbola sasatra tamin’ny fahariany izany, ary afaka mamerina indray ny aina amin’ireo maty ? Izany mihitsy. Mahefa ny zava-drehetra tokoa Izy.
وَيَوْمَ يُعْرَضُ الَّذِينَ كَفَرُوا عَلَى النَّارِ أَلَيْسَ هَٰذَا بِالْحَقِّ ۖ قَالُوا بَلَىٰ وَرَبِّنَا ۚ قَالَ فَذُوقُوا الْعَذَابَ بِمَا كُنتُمْ تَكْفُرُونَ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ary amin’ny andro hitondrana ireo tsy mpino eo anatrehan’ny afo, dia holazaina izy ireo hoe : “Tsy io va ny fahamarinana ?”. Hamaly izy ireo hoe : “Izany tokoa ! Marina amin’ny Tomponay.” Hiteny izy hoe : “Raha izany, dia andramo àry ny famaizana nohon'ny tsy finoanareo.”
فَاصْبِرْ كَمَا صَبَرَ أُولُو الْعَزْمِ مِنَ الرُّسُلِ وَلَا تَسْتَعْجِل لَّهُمْ ۚ كَأَنَّهُمْ يَوْمَ يَرَوْنَ مَا يُوعَدُونَ لَمْ يَلْبَثُوا إِلَّا سَاعَةً مِّن نَّهَارٍ ۚ بَلَاغٌ ۚ فَهَلْ يُهْلَكُ إِلَّا الْقَوْمُ الْفَاسِقُونَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Mihareta àry ianao, tahaka ny niaretan’ireo Iraka nanam-piniavana, ary aoka ianao tsy ho maika hahita azy ireo hiharan’ny famaizana. Ny andro hahitan’izy ireo izay nampitandremana azy, dia ho tsaroan’izy ireo ho toy ny ora iray monja amin’ny andro iray, no nijanonan’izy ireo (teny ambon’ny tany). Fampandrenesana izany. Ka iza ary no ho potika raha tsy ireo olona mpanao ny ratsy ihany.
← 45 Al-Ahqaf (46/114) 47 →
Vakio Surah Al-Ahqaf Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

46الأحقاف Al-Ahqaf 📚 35 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Ahqaf — 35 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers