Al-Ahqaf · 19/35
Fandikana Fanononana — Al-Ahqaf
وَلِكُلٍّ دَرَجَاتٌ مِّمَّا عَمِلُوا ۖ وَلِيُوَفِّيَهُمْ أَعْمَالَهُمْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ ۝١٩
Wa likullin darajaatum mimmaa `amiloo wa liyuwaf fiyahum a`maalahum wa hum laa yuzlamoon
📖 Dikany Malagasy
Ary misy laharana ho an’ny tsirairay, araka izay nataony, mba hizaran’I Allah amin’izy ireo ny valin’asa feno, ka tsy hiangarana mihitsy izy ireo amin’izany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 17-21 — Al-Ahqaf

17وَالَّذِي قَالَ لِوَالِدَيْهِ أُفٍّ لَّكُمَا أَتَعِدَانِنِي أَنْ أُخْرَجَ وَقَدْ خَلَتِ الْقُرُونُ مِن قَبْلِي وَهُمَا يَسْتَغِيثَانِ اللَّهَ وَيْلَكَ آمِنْ إِنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ فَيَقُولُ مَا هَٰذَا إِلَّا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ
Fa izay miteny amin'ny ray aman-dreniny kosa hoe : "Esy ! mandehana any ianareo ! mampanantena ahy va ianareo, fa havoaka avy ao amin'ny tany aho, nefa maro ny taranaka efa lasa any ?". Ary nangata-bonjy tamin'I Allah izy roa : "Loza ho anao ! Aoka ianao hino, fa marina ny fampanantenan'I Allah." Ka hamaly izy hoe : "anganon'ny taloha izany."
18أُولَٰئِكَ الَّذِينَ حَقَّ عَلَيْهِمُ الْقَوْلُ فِي أُمَمٍ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِم مِّنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ ۖ إِنَّهُمْ كَانُوا خَاسِرِينَ
Izy ireo no mendrika ho helohina, miaraka amin’ireo vahoaka efa lasa teo alohany, avy amin’ny Djiny sy ny olombelona. Tena maty antoka tokoa izy ireo.
19وَلِكُلٍّ دَرَجَاتٌ مِّمَّا عَمِلُوا ۖ وَلِيُوَفِّيَهُمْ أَعْمَالَهُمْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Ary misy laharana ho an’ny tsirairay, araka izay nataony, mba hizaran’I Allah amin’izy ireo ny valin’asa feno, ka tsy hiangarana mihitsy izy ireo amin’izany.
20وَيَوْمَ يُعْرَضُ الَّذِينَ كَفَرُوا عَلَى النَّارِ أَذْهَبْتُمْ طَيِّبَاتِكُمْ فِي حَيَاتِكُمُ الدُّنْيَا وَاسْتَمْتَعْتُم بِهَا فَالْيَوْمَ تُجْزَوْنَ عَذَابَ الْهُونِ بِمَا كُنتُمْ تَسْتَكْبِرُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَبِمَا كُنتُمْ تَفْسُقُونَ
Ary amin’ny andro hahatongavan’ireo tsy mpino eo anatrehan’ny afo, (dia hiteny amin’izy ireo Izy) : “Notaperinareo ireo zava-tsoa vitanareo ka nifalianareo tanteraka nandritry ny fiainanareo teny an-tany, ho valiana famaizana mahafa-baraka àry ianareo anio, nohon'ny fireharehanareo tamin’ny tsy rariny teny an-tany, sy noho ny faharatsianareo."
21۞ وَاذْكُرْ أَخَا عَادٍ إِذْ أَنذَرَ قَوْمَهُ بِالْأَحْقَافِ وَقَدْ خَلَتِ النُّذُرُ مِن بَيْنِ يَدَيْهِ وَمِنْ خَلْفِهِ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا اللَّهَ إِنِّي أَخَافُ عَلَيْكُمْ عَذَابَ يَوْمٍ عَظِيمٍ
Fa tsarovy ny rahalahin'ireo Aad, nampitandrina ny vahoakany izy tao Al-ahqaf, kanefa dia nisy mpampitandrina nandalo talohany sy taoriany, "aoka ianareo tsy hanompo afa-tsy I Allah. Hatahorako ho aminareo ny famaizana amin'ilay andro mahatsiravina."
Al-AhqafFizahan-takila Koraña
35Andininy
MeccanRevelation
19Andininy

Fandikana — Al-Ahqaf 19

Surah Al-Ahqaf Andininy 19 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary misy laharana ho an’ny tsirairay, araka izay nataony, mba…

Surah Andininy 19/35 — Al-Ahqaf الأحقاف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Ahqaf Henoy, Al-Ahqaf Fandikana, Al-Ahqaf mp3, Al-Ahqaf pdf. Andininy 17–21. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers