Fussilata · 39/54
Fandikana Fanononana — Surah Fussilata
وَمِنْ آيَاتِهِ أَنَّكَ تَرَى الْأَرْضَ خَاشِعَةً فَإِذَا أَنزَلْنَا عَلَيْهَا الْمَاءَ اهْتَزَّتْ وَرَبَتْ ۚ إِنَّ الَّذِي أَحْيَاهَا لَمُحْيِي الْمَوْتَىٰ ۚ إِنَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٣٩
Wa min Aayaatiheee annaka taral arda khaashi`atan fa izaaa anzalna `alaihal maaa`ah tazzat wa rabat; innal lazeee ahyaahaa lamuhiyil mawtaa; innahoo `alaa kulli shai-in Qadeer
📖 Dikany Malagasy
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa Ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty, satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 37-41 — Surah Fussilata

37وَمِنْ آيَاتِهِ اللَّيْلُ وَالنَّهَارُ وَالشَّمْسُ وَالْقَمَرُ ۚ لَا تَسْجُدُوا لِلشَّمْسِ وَلَا لِلْقَمَرِ وَاسْجُدُوا لِلَّهِ الَّذِي خَلَقَهُنَّ إِن كُنتُمْ إِيَّاهُ تَعْبُدُونَ
Fa anisan’ireo fahagagana avy any Aminy ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, koa aoka ianareo tsy hiankohoka na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, fa miankohofa kosa ianareo amin’I Allah izay nahary azy ireo, raha Izy tokoa no tompoinareo.
38فَإِنِ اسْتَكْبَرُوا فَالَّذِينَ عِندَ رَبِّكَ يُسَبِّحُونَ لَهُ بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَهُمْ لَا يَسْأَمُونَ ۩
Fa raha manambony tena izy ireo, dia midera Azy ireo izay eo akaikin’ny Tomponao amin’ny alina sy atoandro, ary tsy misy fitsaharana mihitsy.
39وَمِنْ آيَاتِهِ أَنَّكَ تَرَى الْأَرْضَ خَاشِعَةً فَإِذَا أَنزَلْنَا عَلَيْهَا الْمَاءَ اهْتَزَّتْ وَرَبَتْ ۚ إِنَّ الَّذِي أَحْيَاهَا لَمُحْيِي الْمَوْتَىٰ ۚ إِنَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa Ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty, satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra.
40إِنَّ الَّذِينَ يُلْحِدُونَ فِي آيَاتِنَا لَا يَخْفَوْنَ عَلَيْنَا ۗ أَفَمَن يُلْقَىٰ فِي النَّارِ خَيْرٌ أَم مَّن يَأْتِي آمِنًا يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۚ اعْمَلُوا مَا شِئْتُمْ ۖ إِنَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Ireo izay mamadika ireo andininy avy Aminay (Koroany), dia tsy miafina Aminay akory izy ireo. Moa izay hatsipy any amin’ny afobe ve no tsara kokoa, sa izay tonga am-pahatoniana tanteraka amin’ny andro farany? Ataovy izay ataonareo, fa mahita tsara izay ataonareo Izy.
41إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا بِالذِّكْرِ لَمَّا جَاءَهُمْ ۖ وَإِنَّهُ لَكِتَابٌ عَزِيزٌ
Hamafisina, fa rehefa tonga tamin’izy ireo ny teny fampahatsiahivana, dia tsy nino izany izy ireo (Koroany), nefa dia Boky manan-kery tokoa izany.
FussilataFizahan-takila Koraña
54Andininy
MeccanRevelation
39Andininy

Fandikana — Fussilata 39

Surah Fussilata Andininy 39 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny…

Surah Andininy 39/54 — Surah Fussilata فصلت (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Fussilata Henoy, Surah Fussilata Fandikana, Surah Fussilata mp3, Surah Fussilata pdf. Andininy 37–41. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers