Fussilata · 15/54
Fandikana Fanononana — Surah Fussilata
فَأَمَّا عَادٌ فَاسْتَكْبَرُوا فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَقَالُوا مَنْ أَشَدُّ مِنَّا قُوَّةً ۖ أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّ اللَّهَ الَّذِي خَلَقَهُمْ هُوَ أَشَدُّ مِنْهُمْ قُوَّةً ۖ وَكَانُوا بِآيَاتِنَا يَجْحَدُونَ ۝١٥
Fa ammaa `Aadun fastak baroo fil ardi bighairul haqqi wa qaaloo man ashaddu minnaa quwwatan awalam yaraw annal laahal lazee khalaqahum Huwa ashaddu minhum quwwatanw wa kaanoo bi Aayaatinaa yajhadoon
📖 Dikany Malagasy
Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany, ary niteny izy ireo hoe: “Iza no matanjaka indrindra mihoatra anay?”. Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa raha ny marina dia matanjaka lavitra noho izy ireo I Allah, Ilay nahary azy ireo? Fa nolavin’izy ireo ny famantarana avy Aminay.

🎧 Henoy


📜 Andininy 13-17 — Surah Fussilata

13فَإِنْ أَعْرَضُوا فَقُلْ أَنذَرْتُكُمْ صَاعِقَةً مِّثْلَ صَاعِقَةِ عَادٍ وَثَمُودَ
Fa raha tsy miraharaha izany izy ireo, dia teneno hoe : “ Mampitandrina anareo aho amin’ny varatra mitovy amin’izay nahavoa ireo Ády sy ireo Tamody ”.
14إِذْ جَاءَتْهُمُ الرُّسُلُ مِن بَيْنِ أَيْدِيهِمْ وَمِنْ خَلْفِهِمْ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا اللَّهَ ۖ قَالُوا لَوْ شَاءَ رَبُّنَا لَأَنزَلَ مَلَائِكَةً فَإِنَّا بِمَا أُرْسِلْتُم بِهِ كَافِرُونَ
Rehefa tonga tamin’izy ireo ny Iraka, teo alohany sy taoriany, izay niteny hoe : “Aza manompo afa-tsy I Allah ihany ianareo”. Dia hoy izy ireo hoe: “Raha sitrakin'ny Tomponay, dia hamafisina, fa ireo Anjely mihitsy no nampidininy. Noho izany dia tsy mino izay nanirahana anareo Izahay”.
15فَأَمَّا عَادٌ فَاسْتَكْبَرُوا فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَقَالُوا مَنْ أَشَدُّ مِنَّا قُوَّةً ۖ أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّ اللَّهَ الَّذِي خَلَقَهُمْ هُوَ أَشَدُّ مِنْهُمْ قُوَّةً ۖ وَكَانُوا بِآيَاتِنَا يَجْحَدُونَ
Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany, ary niteny izy ireo hoe: “Iza no matanjaka indrindra mihoatra anay?”. Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa raha ny marina dia matanjaka lavitra noho izy ireo I Allah, Ilay nahary azy ireo? Fa nolavin’izy ireo ny famantarana avy Aminay.
16فَأَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ رِيحًا صَرْصَرًا فِي أَيَّامٍ نَّحِسَاتٍ لِّنُذِيقَهُمْ عَذَابَ الْخِزْيِ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَلَعَذَابُ الْآخِرَةِ أَخْزَىٰ ۖ وَهُمْ لَا يُنصَرُونَ
Ary nalefanay tamin’izy ireo ny rivo-mahery sy mamirifiry, izay nisafotofoto tamin’izy ireo nandritra ny andro ratsy, mba hampanandramanay azy ireo ny famaizana, fahafahambaraka amin’ny fiainana eto an-tany. Mbola mahamenatra noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, ary tsy ho vonjena izy ireo.
17وَأَمَّا ثَمُودُ فَهَدَيْنَاهُمْ فَاسْتَحَبُّوا الْعَمَىٰ عَلَى الْهُدَىٰ فَأَخَذَتْهُمْ صَاعِقَةُ الْعَذَابِ الْهُونِ بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ
Fa ireo Thamody kosa, dia nitari-dàlana azy ireo Izahay, nefa naleony ny nisafidy ny fahajambana toy izay ny tari-dàlana. Ka dia niharan’ny varatry ny fampijaliana izy ireo, noho izay nataony.
FussilataFizahan-takila Koraña
54Andininy
MeccanRevelation
15Andininy

Fandikana — Fussilata 15

Surah Fussilata Andininy 15 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany,…

Surah Andininy 15/54 — Surah Fussilata فصلت (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Fussilata Henoy, Surah Fussilata Fandikana, Surah Fussilata mp3, Surah Fussilata pdf. Andininy 13–17. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers