Surah Ash-Shura amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Ash-Shura miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (53 Andininy — مكية). Ash-Shura Henoy, Ash-Shura Fandikana, Ash-Shura mp3, Ash-Shura pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Ash-Shura

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
حم ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Hà, Mîm.
عسق ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
‘Aîn, Sin .Qaf
كَذَٰلِكَ يُوحِي إِلَيْكَ وَإِلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِكَ اللَّهُ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Toy izany no anaovan’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena, fanambarana, tahaka izay nataoNy tamin’ireo talohanao.
لَهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۖ وَهُوَ الْعَلِيُّ الْعَظِيمُ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Azy, izay any an-danitra sy ety an-tany. Fa Izy no ilay Ambony indrindra, ilay Lehibe indrindra.
تَكَادُ السَّمَاوَاتُ يَتَفَطَّرْنَ مِن فَوْقِهِنَّ ۚ وَالْمَلَائِكَةُ يُسَبِّحُونَ بِحَمْدِ رَبِّهِمْ وَيَسْتَغْفِرُونَ لِمَن فِي الْأَرْضِ ۗ أَلَا إِنَّ اللَّهَ هُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Zara tsy mitriatra avy eny amin’ny tampony aza ny lanitra, rehefa mankalaza ny Fiderana ny Tompony ireo Anjely, ary mangataka famelan-keloka ho an’ireo ety an-tany. Hamafisina, fa Allah no ilay Mpamela heloka, ilay be indrafo.
وَالَّذِينَ اتَّخَذُوا مِن دُونِهِ أَوْلِيَاءَ اللَّهُ حَفِيظٌ عَلَيْهِمْ وَمَا أَنتَ عَلَيْهِم بِوَكِيلٍ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Fa ireo izay maka mpiahy ankoatra Azy, dia manara-maso izay ataon’izy ireo Allah. Ary tsy mpiantoka azy ireo ianao.
وَكَذَٰلِكَ أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ قُرْآنًا عَرَبِيًّا لِّتُنذِرَ أُمَّ الْقُرَىٰ وَمَنْ حَوْلَهَا وَتُنذِرَ يَوْمَ الْجَمْعِ لَا رَيْبَ فِيهِ ۚ فَرِيقٌ فِي الْجَنَّةِ وَفَرِيقٌ فِي السَّعِيرِ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Toy izany no nanambaraNay taminao ny Koroany amin’ny teny arabo, mba hampitandremanao ilay renivohitra (Lameka) sy ny manodidina azy, ary hampitandremanao ny amin’ilay andro famoriana; izay tsy isalasalana. Misy andiany ho any amin'ny Paradisa, ary andiany hafa ho any amin’ny afo mamaivay.
وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَجَعَلَهُمْ أُمَّةً وَاحِدَةً وَلَٰكِن يُدْخِلُ مَن يَشَاءُ فِي رَحْمَتِهِ ۚ وَالظَّالِمُونَ مَا لَهُم مِّن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Fa raha sitrak'Allah, dia nataoNy vahoaka iray ihany ny olona. Saingy ampidiriny amin’ny famindram-pony izay tiaNy. Ka tsy hanana mpiahy na mpamonjy ireo mpanao ny tsy rariny.
أَمِ اتَّخَذُوا مِن دُونِهِ أَوْلِيَاءَ ۖ فَاللَّهُ هُوَ الْوَلِيُّ وَهُوَ يُحْيِي الْمَوْتَىٰ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Nangala tompo ankoatra Azy va izy ireo ? Allah irery ihany no Tompo, ary Izy no manome aina indray ny maty; eny ! Mahefa ny zavatra rehetra Izy.
وَمَا اخْتَلَفْتُمْ فِيهِ مِن شَيْءٍ فَحُكْمُهُ إِلَى اللَّهِ ۚ ذَٰلِكُمُ اللَّهُ رَبِّي عَلَيْهِ تَوَكَّلْتُ وَإِلَيْهِ أُنِيبُ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Amin’ny tsy fitovian-kevitra rehetra eo aminareo, dia Azy ny fitsarana. Izany no Allah Tompoko, Izy no ianteherako, fa any Aminy no hiverenako amim-pibebahana.
فَاطِرُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ جَعَلَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا وَمِنَ الْأَنْعَامِ أَزْوَاجًا ۖ يَذْرَؤُكُمْ فِيهِ ۚ لَيْسَ كَمِثْلِهِ شَيْءٌ ۖ وَهُوَ السَّمِيعُ الْبَصِيرُ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. NomeNy vady ianareo avy amin’ny tenanareo, ka avy amin’izany no ampitomboaNy anareo, ary nataoNy mpivady ihany koa ireo biby. Tsy misy mitovy Aminy, ary izy no ilay Mandre, Ilay Mahita ny zavatra rehetra.
لَهُ مَقَالِيدُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ ۚ إِنَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Manana ireo fanalahidin’ny lanitra sy ny tany Izy. Mizara an-kalalahana ny FanomezaNy amin’izay sitrany Izy, na mametra izany. Mahafantatra ny zavatra rehetra tokoa Izy.
۞ شَرَعَ لَكُم مِّنَ الدِّينِ مَا وَصَّىٰ بِهِ نُوحًا وَالَّذِي أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ وَمَا وَصَّيْنَا بِهِ إِبْرَاهِيمَ وَمُوسَىٰ وَعِيسَىٰ ۖ أَنْ أَقِيمُوا الدِّينَ وَلَا تَتَفَرَّقُوا فِيهِ ۚ كَبُرَ عَلَى الْمُشْرِكِينَ مَا تَدْعُوهُمْ إِلَيْهِ ۚ اللَّهُ يَجْتَبِي إِلَيْهِ مَن يَشَاءُ وَيَهْدِي إِلَيْهِ مَن يُنِيبُ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Nametraka lalàna ho anareo Izy mikasika ny finoana, izay nandidiaNy an’i Noa, ary nambaraNay taminao, ka nandidiaNay an’i Abrahama, Mossa ary Jesoa : “Ajoroy ny finoana, ary aza atao mampisaraka anareo”. Toa hitan’ireo mpampitambatra an’i Allah amin’ny hafa ho sarotra izay iantsoanao azy ireo. Mifidy izay tiany ho any Aminy Allah, ary mitari-dalana izay mibebaka ho any Aminy ihany koa Izy.
وَمَا تَفَرَّقُوا إِلَّا مِن بَعْدِ مَا جَاءَهُمُ الْعِلْمُ بَغْيًا بَيْنَهُمْ ۚ وَلَوْلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتْ مِن رَّبِّكَ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى لَّقُضِيَ بَيْنَهُمْ ۚ وَإِنَّ الَّذِينَ أُورِثُوا الْكِتَابَ مِن بَعْدِهِمْ لَفِي شَكٍّ مِّنْهُ مُرِيبٍ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, ary izany dia noho ny fifandrafiana teo aminy ihany. Raha tsy ny teny mialoha nataon’ny TompoNao mikasika ny fotoana efa voafetra, dia efa notsaraina izy. Tena ao anatin’ny fisalasalana tanteraka ireo izay nandova ny Boky taorian’izy ireo.
فَلِذَٰلِكَ فَادْعُ ۖ وَاسْتَقِمْ كَمَا أُمِرْتَ ۖ وَلَا تَتَّبِعْ أَهْوَاءَهُمْ ۖ وَقُلْ آمَنتُ بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ مِن كِتَابٍ ۖ وَأُمِرْتُ لِأَعْدِلَ بَيْنَكُمُ ۖ اللَّهُ رَبُّنَا وَرَبُّكُمْ ۖ لَنَا أَعْمَالُنَا وَلَكُمْ أَعْمَالُكُمْ ۖ لَا حُجَّةَ بَيْنَنَا وَبَيْنَكُمُ ۖ اللَّهُ يَجْمَعُ بَيْنَنَا ۖ وَإِلَيْهِ الْمَصِيرُ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Koa antsoy ho amin’izany àry izy ireo, ary mijoroa ho mahitsy araka izay nanafarana anao ; dia aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao, fa lazao hoe : “Mino izay Boky rehetra nampidinin'I Allah aho, ary nandidiana ahy ny hanao ny rariny eo aminareo. Tomponay sy Tomponareo Allah. Anay ny asanay, ary anareo ny asanareo, tsy misy hevitra azo tapahina eo aminay sy aminareo, fa havorin’Allah avokoa isika rehetra, ary any Aminy no hiafarana.”
وَالَّذِينَ يُحَاجُّونَ فِي اللَّهِ مِن بَعْدِ مَا اسْتُجِيبَ لَهُ حُجَّتُهُمْ دَاحِضَةٌ عِندَ رَبِّهِمْ وَعَلَيْهِمْ غَضَبٌ وَلَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo.
اللَّهُ الَّذِي أَنزَلَ الْكِتَابَ بِالْحَقِّ وَالْمِيزَانَ ۗ وَمَا يُدْرِيكَ لَعَلَّ السَّاعَةَ قَرِيبٌ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Allah no nampidina ny Boky tamim-pahamarinana, toy izany koa ny fandanjana.Koa inona no fantatrao ny amin’izany ?Angamba efa akaiky ilay Ora ?
يَسْتَعْجِلُ بِهَا الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِهَا ۖ وَالَّذِينَ آمَنُوا مُشْفِقُونَ مِنْهَا وَيَعْلَمُونَ أَنَّهَا الْحَقُّ ۗ أَلَا إِنَّ الَّذِينَ يُمَارُونَ فِي السَّاعَةِ لَفِي ضَلَالٍ بَعِيدٍ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Mitady hanafaingana izany izay tsy mino, fa matahotra kosa izay mino, ary mahafantatra fa izany mihitsy no marina. Fa izay miady hevitra mikasika ilay Ora kosa, dia very lalana tanteraka.
اللَّهُ لَطِيفٌ بِعِبَادِهِ يَرْزُقُ مَن يَشَاءُ ۖ وَهُوَ الْقَوِيُّ الْعَزِيزُ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Feno hamoram-po amin’ireo mpanompon'I Allah. OmeNy izay tiany homena. fa Izy no ilay Matanjaka, Ilay tsitoha.
مَن كَانَ يُرِيدُ حَرْثَ الْآخِرَةِ نَزِدْ لَهُ فِي حَرْثِهِ ۖ وَمَن كَانَ يُرِيدُ حَرْثَ الدُّنْيَا نُؤْتِهِ مِنْهَا وَمَا لَهُ فِي الْآخِرَةِ مِن نَّصِيبٍ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Izay te-hiasa ho amin’ny fiainana any ankoatra, dia ampitomboiNay ny asa vitany. Ary izay te-hiasa ho amin’ny fiainana ankehitriny, dia omeNay azy izany; fa saingy tsy hanana anjara amin’ny any ankoatra izy.
أَمْ لَهُمْ شُرَكَاءُ شَرَعُوا لَهُم مِّنَ الدِّينِ مَا لَمْ يَأْذَن بِهِ اللَّهُ ۚ وَلَوْلَا كَلِمَةُ الْفَصْلِ لَقُضِيَ بَيْنَهُمْ ۗ وَإِنَّ الظَّالِمِينَ لَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Sa manana mpitambatra amin’Allah va izy ireo, izay nametraka lalàna ara-pinoana tsy nahazoana alalana tamin’Allah ? Raha tsy efa noraisina ny fetra farany, dia ho notapahina tokoa ny amin’izy ireo. Hamafisina, fa hahazo fanasaziana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny.
تَرَى الظَّالِمِينَ مُشْفِقِينَ مِمَّا كَسَبُوا وَهُوَ وَاقِعٌ بِهِمْ ۗ وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ فِي رَوْضَاتِ الْجَنَّاتِ ۖ لَهُم مَّا يَشَاءُونَ عِندَ رَبِّهِمْ ۚ ذَٰلِكَ هُوَ الْفَضْلُ الْكَبِيرُ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Ho hitanao fa hatahotra noho izay nataony ireo mpanao ny tsy rariny, ary dia hihatra amin’izy ireo ny fanasaziana. Fa ireo izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho any amin’ireo zaridainan’ny Paradisa, ka hahazo izay tiany any amin’ny Tompony izy ireo. Izany no fahasoavana lehibe.
ذَٰلِكَ الَّذِي يُبَشِّرُ اللَّهُ عِبَادَهُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ ۗ قُل لَّا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ أَجْرًا إِلَّا الْمَوَدَّةَ فِي الْقُرْبَىٰ ۗ وَمَن يَقْتَرِفْ حَسَنَةً نَّزِدْ لَهُ فِيهَا حُسْنًا ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ شَكُورٌ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Izany no vaovao mahafaly ambaran'I Allah amin’ireo izay mino, sy manao asa soa amin’ireo mpanompony. Lazao hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany Aho, afa-tsy ny fitiavana ireo havana akaiky.” Ary izay manao asa soa, dia valiaNay tsara kokoa noho izany. Fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa Allah.
أَمْ يَقُولُونَ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا ۖ فَإِن يَشَإِ اللَّهُ يَخْتِمْ عَلَىٰ قَلْبِكَ ۗ وَيَمْحُ اللَّهُ الْبَاطِلَ وَيُحِقُّ الْحَقَّ بِكَلِمَاتِهِ ۚ إِنَّهُ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Na hiteny izy ireo hoe : “ mamoron-dainga amin’I Allah izy. Kanefa raha tiany, dia nohidiany ny fonao. Fafan’Allah amin’ny alalan’ny teniny anefa ny diso, ary hamafisiNy kosa ny marina. Fantany tanteraka izay raiketin’ny fo.
وَهُوَ الَّذِي يَقْبَلُ التَّوْبَةَ عَنْ عِبَادِهِ وَيَعْفُو عَنِ السَّيِّئَاتِ وَيَعْلَمُ مَا تَفْعَلُونَ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Izy no mandray ny fibebahana avy amin’ireo mpanompony, mamela ny ratsy, ary mahafantatra izay ataonareo.
وَيَسْتَجِيبُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَيَزِيدُهُم مِّن فَضْلِهِ ۚ وَالْكَافِرُونَ لَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ary mamaly ny fangatahan’ireo izay mino sy manao asa soa Izy, ka mampitombo ny fahasoavaNy amin’izy ireo; fa ireo tsy mpino kosa, dia mahazo fanasaziana mafy.
۞ وَلَوْ بَسَطَ اللَّهُ الرِّزْقَ لِعِبَادِهِ لَبَغَوْا فِي الْأَرْضِ وَلَٰكِن يُنَزِّلُ بِقَدَرٍ مَّا يَشَاءُ ۚ إِنَّهُ بِعِبَادِهِ خَبِيرٌ بَصِيرٌ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Fa raha manome an-kalalahana ny fanomezaNy amin’ireo mpanompony I Allah, dia hanao ny tafahoatra izy ireo ety an-tany; nefa ampidiniNy amin’ny antonony araka izay tiaNy izany. Fantany tsara ireo mpanompony, ary mahita azy ireo Izy.
وَهُوَ الَّذِي يُنَزِّلُ الْغَيْثَ مِن بَعْدِ مَا قَنَطُوا وَيَنشُرُ رَحْمَتَهُ ۚ وَهُوَ الْوَلِيُّ الْحَمِيدُ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ary Izy no mampidina ny ranon’orana taorian’ny fahakivian’olona, ary mampiely ny famindram-pony fa Izy no ilay mpiahy, ilay mendri-piderana.
وَمِنْ آيَاتِهِ خَلْقُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَثَّ فِيهِمَا مِن دَابَّةٍ ۚ وَهُوَ عَلَىٰ جَمْعِهِمْ إِذَا يَشَاءُ قَدِيرٌ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahariana ny lanitra sy ny tany, ary ireo zava-manan’aina izay naparitany tao, manana fahefana hanongana azy ireo araka izay tiany Izy.
وَمَا أَصَابَكُم مِّن مُّصِيبَةٍ فَبِمَا كَسَبَتْ أَيْدِيكُمْ وَيَعْفُو عَن كَثِيرٍ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Avy amin’izay nataon’ny tananareo ihany ny loza mihatra aminareo. Fa mamela heloka maro Izy.
وَمَا أَنتُم بِمُعْجِزِينَ فِي الْأَرْضِ ۖ وَمَا لَكُم مِّن دُونِ اللَّهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Tsy afaka handositra amin’ny herin’Allah eto an-tany ianareo ; ary tsy manana mpiahy, na mpiaro ankoatra an’I Allah.
وَمِنْ آيَاتِهِ الْجَوَارِ فِي الْبَحْرِ كَالْأَعْلَامِ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ireo sambo mamakivaky ny ranomasina mitovy amin’ireo tendrombohitra.
إِن يَشَأْ يُسْكِنِ الرِّيحَ فَيَظْلَلْنَ رَوَاكِدَ عَلَىٰ ظَهْرِهِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّكُلِّ صَبَّارٍ شَكُورٍ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Raha tiany, dia ampitoniany ny rivotra, ka indro fa tsy mihetsika izy ireo eo amboniny. Misy famantarana tokoa amin’izany, ho an’izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka.
أَوْ يُوبِقْهُنَّ بِمَا كَسَبُوا وَيَعْفُ عَن كَثِيرٍ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Na koa, ho potehiny izany ho sazin’izay nataon’izy ireo. Nefa dia mamela heloka maro Izy.
وَيَعْلَمَ الَّذِينَ يُجَادِلُونَ فِي آيَاتِنَا مَا لَهُم مِّن مَّحِيصٍ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Izay miady hevitra mikasika ireo famantarana avy Aminay, dia mahafantatra tsara fa tsy manana handosirana.
فَمَا أُوتِيتُم مِّن شَيْءٍ فَمَتَاعُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَمَا عِندَ اللَّهِ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ لِلَّذِينَ آمَنُوا وَعَلَىٰ رَبِّهِمْ يَتَوَكَّلُونَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Fahafinaretan’ny fiainana an-tany ihany izay rehetra nomena anareo, saingy tsara sy maharitra kokoa izay any amin’I Allah, ho an’ireo izay nino sy niantehatra tanteraka tamin’ny Tompon'izy ireo.
وَالَّذِينَ يَجْتَنِبُونَ كَبَائِرَ الْإِثْمِ وَالْفَوَاحِشَ وَإِذَا مَا غَضِبُوا هُمْ يَغْفِرُونَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Ary ireo izay mihataka amin’ireo fahotana lehibe sy fahavetavetana, ary ireo mamela heloka taorian’ny fahatezerany.
وَالَّذِينَ اسْتَجَابُوا لِرَبِّهِمْ وَأَقَامُوا الصَّلَاةَ وَأَمْرُهُمْ شُورَىٰ بَيْنَهُمْ وَمِمَّا رَزَقْنَاهُمْ يُنفِقُونَ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Ireo izay mamaly ny antson’ny Tompony, manatanteraka ny vavaka fanompoana, mifampidinika izy ireo ny zavatra hataon’izy ireo, ary manao fandaniana amin’izay natolotray ho azy ireo,
وَالَّذِينَ إِذَا أَصَابَهُمُ الْبَغْيُ هُمْ يَنتَصِرُونَ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Ary ireo izay niharan’ny tsy rariny, ka nanohitra.
وَجَزَاءُ سَيِّئَةٍ سَيِّئَةٌ مِّثْلُهَا ۖ فَمَنْ عَفَا وَأَصْلَحَ فَأَجْرُهُ عَلَى اللَّهِ ۚ إِنَّهُ لَا يُحِبُّ الظَّالِمِينَ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ratsy mitovy amin’izany ihany no valin’ny asa ratsy. Fa izay mamela heloka ka manova toetra, dia any amin’I Allah ny valisoany. Fa tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny Izy.
وَلَمَنِ انتَصَرَ بَعْدَ ظُلْمِهِ فَأُولَٰئِكَ مَا عَلَيْهِم مِّن سَبِيلٍ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Fa ireo nanohitra kosa rehefa nambakaina. Tsy misy lalana azo anenjehana azy ireo.
إِنَّمَا السَّبِيلُ عَلَى الَّذِينَ يَظْلِمُونَ النَّاسَ وَيَبْغُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ ۚ أُولَٰئِكَ لَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Fa ny any azo enjehina dia ireo mpanao ny tsy rariny amin’ny olona, sy mihoam-pefy, manohitra ny fahamarinana eto an-tany; hahazo fanasaziana mamirifiry tokoa izy ireo.
وَلَمَن صَبَرَ وَغَفَرَ إِنَّ ذَٰلِكَ لَمِنْ عَزْمِ الْأُمُورِ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Fa izay manam-paharetana sy mamela heloka, dia izany no tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.
وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِن وَلِيٍّ مِّن بَعْدِهِ ۗ وَتَرَى الظَّالِمِينَ لَمَّا رَأَوُا الْعَذَابَ يَقُولُونَ هَلْ إِلَىٰ مَرَدٍّ مِّن سَبِيلٍ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Ary na iza na iza ataon’I Allah amin’ny fahaverezana dia tsy manana mpiahy intsony aoriany. Nefa dia hahita ireo olona mpanao ny tsy rariny ianao, hiteny eo am-pahitana ny fanasaziana hoe : “Misy fomba hiverenana va ?”
وَتَرَاهُمْ يُعْرَضُونَ عَلَيْهَا خَاشِعِينَ مِنَ الذُّلِّ يَنظُرُونَ مِن طَرْفٍ خَفِيٍّ ۗ وَقَالَ الَّذِينَ آمَنُوا إِنَّ الْخَاسِرِينَ الَّذِينَ خَسِرُوا أَنفُسَهُمْ وَأَهْلِيهِمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ أَلَا إِنَّ الظَّالِمِينَ فِي عَذَابٍ مُّقِيمٍ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ary dia ho hitanao eo anoloan’ny afobe izy ireo, mitaintaina ao anatin’ny henatra, sady mijery amim-pahatahorana, fa ireo nino kosa hiteny hoe : “ ny tena maty antoka dia ireo izay nanomana ny fahaverezany sy ny fianakaviany, amin’ny andro fitsanganana.” Hiharan’ny fanasaziana maharitra tokoa ireo mpanao ny tsy rariny.
وَمَا كَانَ لَهُم مِّنْ أَوْلِيَاءَ يَنصُرُونَهُم مِّن دُونِ اللَّهِ ۗ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِن سَبِيلٍ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Tsy hanana mpiahy ankoatra an’I Allah izy ireo hamonjy azy, ary izay verezin’I Allah dia tsy hahita lalana intsony.
اسْتَجِيبُوا لِرَبِّكُم مِّن قَبْلِ أَن يَأْتِيَ يَوْمٌ لَّا مَرَدَّ لَهُ مِنَ اللَّهِ ۚ مَا لَكُم مِّن مَّلْجَإٍ يَوْمَئِذٍ وَمَا لَكُم مِّن نَّكِيرٍ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Valio ny antson’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ilay andro (farany) izay tsy hanemoran'Allah intsony. Amin’io andro io, dia tsy hisy fialokalofana ho anareo, ka tsy ho azonareo lavina mihitsy.
فَإِنْ أَعْرَضُوا فَمَا أَرْسَلْنَاكَ عَلَيْهِمْ حَفِيظًا ۖ إِنْ عَلَيْكَ إِلَّا الْبَلَاغُ ۗ وَإِنَّا إِذَا أَذَقْنَا الْإِنسَانَ مِنَّا رَحْمَةً فَرِحَ بِهَا ۖ وَإِن تُصِبْهُمْ سَيِّئَةٌ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ فَإِنَّ الْإِنسَانَ كَفُورٌ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Koa raha mitsipaka izy ireo dia tsy hiantoka ny famonjena azy ireo no nandefasanay anao, fa ny mampita ihany no andraikitrao. Ary rehefa omenay famindram-po avy aminay ny olombelona, dia mifaly ; fa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.
لِّلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ يَهَبُ لِمَن يَشَاءُ إِنَاثًا وَيَهَبُ لِمَن يَشَاءُ الذُّكُورَ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka izay tiany Izy. Manome zazavavy ho an’izay tiany homena izany Izy, ary manome zazalahy ihany koa, ho an’izay tiany homena izany,
أَوْ يُزَوِّجُهُمْ ذُكْرَانًا وَإِنَاثًا ۖ وَيَجْعَلُ مَن يَشَاءُ عَقِيمًا ۚ إِنَّهُ عَلِيمٌ قَدِيرٌ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Na koa sady manome zazalahy Izy no manome zazavavy ary ataony momba izay tiany ho amin’izany. Hamafisina, fa mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra Izy.
۞ وَمَا كَانَ لِبَشَرٍ أَن يُكَلِّمَهُ اللَّهُ إِلَّا وَحْيًا أَوْ مِن وَرَاءِ حِجَابٍ أَوْ يُرْسِلَ رَسُولًا فَيُوحِيَ بِإِذْنِهِ مَا يَشَاءُ ۚ إِنَّهُ عَلِيٌّ حَكِيمٌ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Tsy natao hitenenan’I Allah (mivantana) ny olombelona, raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana, na ambadiky ny rakotra, na mandefa Iraka (Anjely) izay nahazo alalana avy Aminy izy, hitondra ny fanambarana, araka izay sitrany. Ambony indrindra Izy sady be fahendrena.
وَكَذَٰلِكَ أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ رُوحًا مِّنْ أَمْرِنَا ۚ مَا كُنتَ تَدْرِي مَا الْكِتَابُ وَلَا الْإِيمَانُ وَلَٰكِن جَعَلْنَاهُ نُورًا نَّهْدِي بِهِ مَن نَّشَاءُ مِنْ عِبَادِنَا ۚ وَإِنَّكَ لَتَهْدِي إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Ary toy izany no nanambaranay taminao ny fanahy (Koroany) avy amin’ny alalan’ny baiko avy Aminay. Tsy nanana fahalalana ny amin’ny Boky sy ny finoana ianao saingy nataonay fahazavana hitarihanay izay tianay amin’ireo mpanomponay izany. Ary hamafisina, fa mitari-dalana ho amin’ny lalana mahitsy ianao,
صِرَاطِ اللَّهِ الَّذِي لَهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ أَلَا إِلَى اللَّهِ تَصِيرُ الْأُمُورُ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Ny lalan’I Allah, ilay Tompon’izay any an-danitra sy ety an-tany. Eny ! ho any amin’I Allah avokoa no hiafaran’ny zavatra rehetra.
← 41 Ash-Shura (42/114) 43 →
Vakio Surah Ash-Shura Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

42الشورى Ash-Shura 📚 53 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Ash-Shura — 53 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers