Fussilata · 23/54
Fandikana Fanononana — Surah Fussilata
وَذَٰلِكُمْ ظَنُّكُمُ الَّذِي ظَنَنتُم بِرَبِّكُمْ أَرْدَاكُمْ فَأَصْبَحْتُم مِّنَ الْخَاسِرِينَ ۝٢٣
Wa zaalikum zannukumul lazee zanantum bi-Rabbikum ardaakum fa asbahtum minal khaasireen
📖 Dikany Malagasy
Ary izany fomba fieritreretanareo mahakasika ny Tomponareo izany, no nanimba anareo ka nahatonga anareo ho isan’ireo matiantoka.

🎧 Henoy


📜 Andininy 21-25 — Surah Fussilata

21وَقَالُوا لِجُلُودِهِمْ لِمَ شَهِدتُّمْ عَلَيْنَا ۖ قَالُوا أَنطَقَنَا اللَّهُ الَّذِي أَنطَقَ كُلَّ شَيْءٍ وَهُوَ خَلَقَكُمْ أَوَّلَ مَرَّةٍ وَإِلَيْهِ تُرْجَعُونَ
Ary hiteny amin’ny hodiny izy ireo hoe : “ Nahoana ianareo no mijoro vavolombelona manohitra anay ? ”. Dia hamaly ny hoditra hoe : “ I Allah no nampiteny anay, izay nampiteny ny zava-drehetra. Ary Izy no nahary anareo voalohany, ary any Aminy no hamerenana anareo ”.
22وَمَا كُنتُمْ تَسْتَتِرُونَ أَن يَشْهَدَ عَلَيْكُمْ سَمْعُكُمْ وَلَا أَبْصَارُكُمْ وَلَا جُلُودُكُمْ وَلَٰكِن ظَنَنتُمْ أَنَّ اللَّهَ لَا يَعْلَمُ كَثِيرًا مِّمَّا تَعْمَلُونَ
Tsy afaka niafina ianareo, mba tsy hanaovan’ny fandrenesanareo, na ny masonareo, na ny hoditrareo, vavolombelona hanohitra anareo. Saingy noheverinareo kosa, fa tsy mahafantatra firy amin’izay nataonareo I Allah.
23وَذَٰلِكُمْ ظَنُّكُمُ الَّذِي ظَنَنتُم بِرَبِّكُمْ أَرْدَاكُمْ فَأَصْبَحْتُم مِّنَ الْخَاسِرِينَ
Ary izany fomba fieritreretanareo mahakasika ny Tomponareo izany, no nanimba anareo ka nahatonga anareo ho isan’ireo matiantoka.
24فَإِن يَصْبِرُوا فَالنَّارُ مَثْوًى لَّهُمْ ۖ وَإِن يَسْتَعْتِبُوا فَمَا هُم مِّنَ الْمُعْتَبِينَ
Raha maharitra amin’izany izy ireo, dia ny afo no toeram-ponenany, ary raha mialatsiny izy ireo, dia tsy ho isan’ireo hahazo fialan-tsiny velively.
25۞ وَقَيَّضْنَا لَهُمْ قُرَنَاءَ فَزَيَّنُوا لَهُم مَّا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ وَحَقَّ عَلَيْهِمُ الْقَوْلُ فِي أُمَمٍ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِم مِّنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ ۖ إِنَّهُمْ كَانُوا خَاسِرِينَ
Ary nanokananay namana (devoly) tsy misaraka aminy izy ireo, izay nampihaingo ny teo aloha sy ny taorian’izy ireo. Ary nihatra ara-drariny tamin’izy ireo ny lalàna, tahaka ny niharan’izany tamin’ny vahoaka maro izay efa nandao talohan’izy ireo, amin’ireo Jiny sy olombelona izay niaina talohan’izy ireo. Fa matiantoka tokoa izy ireo.
FussilataFizahan-takila Koraña
54Andininy
MeccanRevelation
23Andininy

Fandikana — Fussilata 23

Surah Fussilata Andininy 23 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary izany fomba fieritreretanareo mahakasika ny Tomponareo izany, no nanimba…

Surah Andininy 23/54 — Surah Fussilata فصلت (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Fussilata Henoy, Surah Fussilata Fandikana, Surah Fussilata mp3, Surah Fussilata pdf. Andininy 21–25. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers