Surah Ibrahim amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Ibrahim miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (52 Andininy — مكية). Ibrahim Henoy, Ibrahim Fandikana, Ibrahim mp3, Ibrahim pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Ibrahim
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
الر ۚ كِتَابٌ أَنزَلْنَاهُ إِلَيْكَ لِتُخْرِجَ النَّاسَ مِنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ بِإِذْنِ رَبِّهِمْ إِلَىٰ صِرَاطِ الْعَزِيزِ الْحَمِيدِ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
ALIF, LAM, RA. Ity ilay Boky izay nampidininay Aminao mba hamoahanao ireo Olona ao anaty haizina hankany amin’ny hazavana, amin’ny alàlan’ny Tompon’izy ireo, ho amin’ny làlan’ilay Mahery, ilay Mendri-piderana.
اللَّهِ الَّذِي لَهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ وَوَيْلٌ لِّلْكَافِرِينَ مِنْ عَذَابٍ شَدِيدٍ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Allah, izay Azy ny zavatra rehetra, any andanitra sy ety ambonin’ny tany. Ary loza ho an’ireo tsy mpino, amin’ny famaizana mafy (izay ho azon’izy ireo).
الَّذِينَ يَسْتَحِبُّونَ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا عَلَى الْآخِرَةِ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ وَيَبْغُونَهَا عِوَجًا ۚ أُولَٰئِكَ فِي ضَلَالٍ بَعِيدٍ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nohon'ny fiainana any an-koatra, misakana ny làlan’i Allah sy mitady hampiolaka izany : Izy ireny dia ho very tanteraka tokoa.
وَمَا أَرْسَلْنَا مِن رَّسُولٍ إِلَّا بِلِسَانِ قَوْمِهِ لِيُبَيِّنَ لَهُمْ ۖ فَيُضِلُّ اللَّهُ مَن يَشَاءُ وَيَهْدِي مَن يَشَاءُ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Ary tsy nandefa Iraka Izahay raha tsy tamin’ny fitenin’ny vahoakany, mba hanazava amin’izy Ireo. Mamery izay sitrany i Allah;ary mitari-dàlana ihany koa izay sitrany, Izy ilay Mahery, ilay be Fahendrena.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا مُوسَىٰ بِآيَاتِنَا أَنْ أَخْرِجْ قَوْمَكَ مِنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ وَذَكِّرْهُم بِأَيَّامِ اللَّهِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّكُلِّ صَبَّارٍ شَكُورٍ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Tena marina fa, nandefa an’i Mosa (A,s) (Mosesy) Izahay niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay (sady niteny taminy hoe) : ” Avoahy ao amin’ny haizina ny vahoakanao ho any amin’ny fahazavana ary ampahatsiahivo azy Ireo ny andron’i Allah ” (Ireo fahasoavany) ”. Tena marina fa amin’izany rehetra izany, dia misy Famantarana ho an’izay be faharetana sy feno fankasitrahana.
وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ اذْكُرُوا نِعْمَةَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ إِذْ أَنجَاكُم مِّنْ آلِ فِرْعَوْنَ يَسُومُونَكُمْ سُوءَ الْعَذَابِ وَيُذَبِّحُونَ أَبْنَاءَكُمْ وَيَسْتَحْيُونَ نِسَاءَكُمْ ۚ وَفِي ذَٰلِكُم بَلَاءٌ مِّن رَّبِّكُمْ عَظِيمٌ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ary raha niteny i Mosa tamin’ny vahoakany ka nanao hoe : “ Tsarovinareo ireo fahasoavana nomen’i Allah Anareo raha navotany Ianareo tamin’ireo Olon’ny Faraona izay nampihorohoro Anareo tamin’ny fampijaliana ratsy. Nanapa-tenda ny Zanakareo lahy izy ireo sy namela ho velona ny Zanakareo vavy. Izany rehetra izany dia fitsapana lehibe avy amin’ny Tomponareo ”.
وَإِذْ تَأَذَّنَ رَبُّكُمْ لَئِن شَكَرْتُمْ لَأَزِيدَنَّكُمْ ۖ وَلَئِن كَفَرْتُمْ إِنَّ عَذَابِي لَشَدِيدٌ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Ary raha nilaza ny Tomponareo hoe : “Raha mahay mankasitraka ianareo, dia ampitomboiko marina ho anareo tokoa ny Fahasoavako. Fa raha tsy mahay mankasitraka kosa ianareo, dia tsarovy fa ho mafy ny sazy avy Amiko.
وَقَالَ مُوسَىٰ إِن تَكْفُرُوا أَنتُمْ وَمَن فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا فَإِنَّ اللَّهَ لَغَنِيٌّ حَمِيدٌ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Ary niteny i Mosa (Mosesy) ka nanao hoe : “ Raha tsy mahay mankasitraka Ianareo sy izay rehetra ety ambonin’ny tany, tena marina fa i Allah dia manana ny ampy ho n’i Tenany ary mendri-piderana Izy ”.
أَلَمْ يَأْتِكُمْ نَبَأُ الَّذِينَ مِن قَبْلِكُمْ قَوْمِ نُوحٍ وَعَادٍ وَثَمُودَ ۛ وَالَّذِينَ مِن بَعْدِهِمْ ۛ لَا يَعْلَمُهُمْ إِلَّا اللَّهُ ۚ جَاءَتْهُمْ رُسُلُهُم بِالْبَيِّنَاتِ فَرَدُّوا أَيْدِيَهُمْ فِي أَفْوَاهِهِمْ وَقَالُوا إِنَّا كَفَرْنَا بِمَا أُرْسِلْتُم بِهِ وَإِنَّا لَفِي شَكٍّ مِّمَّا تَدْعُونَنَا إِلَيْهِ مُرِيبٍ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Moa ve tsy tonga Taminareo ny tantaran’ireo teo alohanareo, dia ny vahoakan’ i Noa, ireo AN-D ary THAMOUD, sy ireo (velona) taorian’izy ireo, tsy misy mahalala azy ireo afa-tsy i Allah ?. Tonga tamin’izy ireo niaraka tamin’ny porofo mazava, ireo Irany (Mpaminaniny), nefa nanampim-bava tamin’ny tànany izy ireo, sady niteny nanao hoe : “ Izahay dia tena tsy mino ny (hafatra) izay nandefasana Anareo Marina tokoa fa ao anaty fisalasalana Izahay amin’izay hiantsoanareo Anay ary tena miahiahy tokoa.
۞ قَالَتْ رُسُلُهُمْ أَفِي اللَّهِ شَكٌّ فَاطِرِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ يَدْعُوكُمْ لِيَغْفِرَ لَكُم مِّن ذُنُوبِكُمْ وَيُؤَخِّرَكُمْ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى ۚ قَالُوا إِنْ أَنتُمْ إِلَّا بَشَرٌ مِّثْلُنَا تُرِيدُونَ أَن تَصُدُّونَا عَمَّا كَانَ يَعْبُدُ آبَاؤُنَا فَأْتُونَا بِسُلْطَانٍ مُّبِينٍ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Niteny ireo Irakan’izy ireo hoe : “ Moa ve misy fisalasalana ny momban’i Allah, Mpahary ireo lanitra sy ny tany, Izay miantso anareo mba hamela ny ampahany amin’ireo helokareo sy manome anareo mandra-pahatonga ny fe-potoana voatondro? ” Niteny izy ireo hoe : “Tsy inona akory ianareo fa olombelona tahaka anay ihany. Mila hanakana anay amin’izay notompoin’ireo razambenay ianareo. Koa ento nareo aty aminay àry ny porofo mazava.”
قَالَتْ لَهُمْ رُسُلُهُمْ إِن نَّحْنُ إِلَّا بَشَرٌ مِّثْلُكُمْ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ يَمُنُّ عَلَىٰ مَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ ۖ وَمَا كَانَ لَنَا أَن نَّأْتِيَكُم بِسُلْطَانٍ إِلَّا بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُؤْمِنُونَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Niteny tamin’izy ireo, ireo Irak’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa, tsy Inona akory Izahay fa Olombelona tahaka Anareo ihany. Nefa i Allah kosa dia manome fahasoavana ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony Tsy anjaranay ny mitondra porofo Aminareo, raha tsy alalana avy amin’i Allah. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan’ireo mpino ny fitokisany.
وَمَا لَنَا أَلَّا نَتَوَكَّلَ عَلَى اللَّهِ وَقَدْ هَدَانَا سُبُلَنَا ۚ وَلَنَصْبِرَنَّ عَلَىٰ مَا آذَيْتُمُونَا ۚ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُتَوَكِّلُونَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Fa inona no mbola tsy hametrahantsika ny fitokisana amin’i Allah, ka nefa Izy no nitarika Antsika tamin’ireo làlantsika ? Tsy maintsy hiaretanay ny fampijaliana izay Ataonareo Anay. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan'ireo izay manana fitokisana ny fitokisany.”
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِرُسُلِهِمْ لَنُخْرِجَنَّكُم مِّنْ أَرْضِنَا أَوْ لَتَعُودُنَّ فِي مِلَّتِنَا ۖ فَأَوْحَىٰ إِلَيْهِمْ رَبُّهُمْ لَنُهْلِكَنَّ الظَّالِمِينَ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Ary niteny ireo izay tsy nino tamin’ny Iraka’izy ireo ka nanao hoe : " Tena horoahinay hiala amin’ny tanànanay Ianareo na koa hiverina amin’ny finoanay (finoan-drazana) ianareo ! ” Ka nanambara tamin’izy ireo ny Tompon’izy ireo ka nanao hoe : " Haringanay tanteraka ireo mpanao ny tsy rariny ”.
وَلَنُسْكِنَنَّكُمُ الْأَرْضَ مِن بَعْدِهِمْ ۚ ذَٰلِكَ لِمَنْ خَافَ مَقَامِي وَخَافَ وَعِيدِ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Ary tena hametraka Anareo amin’ny tanàna aoriany izy ireo. Izany dia ho an’ireo izay matahotra ny fisiako sy matahotra ny fandrahonako.
وَاسْتَفْتَحُوا وَخَابَ كُلُّ جَبَّارٍ عَنِيدٍ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Nangataka ny fandresena izy ireo (ireo Iraka) ka diso fanantenana ireo mpangeja, mpanohitra ny marina.
مِّن وَرَائِهِ جَهَنَّمُ وَيُسْقَىٰ مِن مَّاءٍ صَدِيدٍ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Aorian’izany dia ny Afobe (jahannam), ary hampisotroina rano feno nana.
يَتَجَرَّعُهُ وَلَا يَكَادُ يُسِيغُهُ وَيَأْتِيهِ الْمَوْتُ مِن كُلِّ مَكَانٍ وَمَا هُوَ بِمَيِّتٍ ۖ وَمِن وَرَائِهِ عَذَابٌ غَلِيظٌ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Ka ezahany hatelina tsikelikely izany nefa zara raha afaka hitelina izany Izy. Ary ho tonga Aminy ny fahafatesana n'aiza n'aiza misy Azy nefa tsy ho faty Izy, ary aorian’izany dia sazy mahery vaika no hanjo Azy.
مَّثَلُ الَّذِينَ كَفَرُوا بِرَبِّهِمْ ۖ أَعْمَالُهُمْ كَرَمَادٍ اشْتَدَّتْ بِهِ الرِّيحُ فِي يَوْمٍ عَاصِفٍ ۖ لَّا يَقْدِرُونَ مِمَّا كَسَبُوا عَلَىٰ شَيْءٍ ۚ ذَٰلِكَ هُوَ الضَّلَالُ الْبَعِيدُ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ny mitovy amin’ireo izay tsy nino ny Tompon’izy ireo, ny asan’izy ireo dia azo oharina amin’ny lavenona nitongavan’ny rivotra mafy tamin’ny andron’ny rivo-doza. Tsy hahazo voka-tsoa velively tamin’izay azony izy ireo. Izany no tena fahaverezana lavitra.
أَلَمْ تَرَ أَنَّ اللَّهَ خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ بِالْحَقِّ ۚ إِن يَشَأْ يُذْهِبْكُمْ وَيَأْتِ بِخَلْقٍ جَدِيدٍ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Moa ve tsy hitanao fa i Allah dia Nahary ireo lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana ? Raha sitrany dia ho nofoanany tanteraka Ianareo, ary hampisy zava-boary vaovao Izy.
وَمَا ذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ بِعَزِيزٍ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany.
وَبَرَزُوا لِلَّهِ جَمِيعًا فَقَالَ الضُّعَفَاءُ لِلَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا إِنَّا كُنَّا لَكُمْ تَبَعًا فَهَلْ أَنتُم مُّغْنُونَ عَنَّا مِنْ عَذَابِ اللَّهِ مِن شَيْءٍ ۚ قَالُوا لَوْ هَدَانَا اللَّهُ لَهَدَيْنَاكُمْ ۖ سَوَاءٌ عَلَيْنَا أَجَزِعْنَا أَمْ صَبَرْنَا مَا لَنَا مِن مَّحِيصٍ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Ary hiseho eo anatrehan’i Allah daholo izy rehetra, ka hiteny ireo kanosa amin’ireo mpanambony tena nanao hoe : “ Izahay dia tena mpanaraka Anareo teo aloha. Moa ve Ianareo afaka hiaro Anay kely amin’ny sazin’I Allah ? ” Hiteny ireo sasany ka nanao hoe : “ Raha notarihan’i Allah làlana Izahay dia ho notarihinay làlana ihany koa Ianareo. Mitovy ihany izany ho antsika, na mitaraina na miharitra, tsy ahita làlana hivoahana mihitsy Isika.
وَقَالَ الشَّيْطَانُ لَمَّا قُضِيَ الْأَمْرُ إِنَّ اللَّهَ وَعَدَكُمْ وَعْدَ الْحَقِّ وَوَعَدتُّكُمْ فَأَخْلَفْتُكُمْ ۖ وَمَا كَانَ لِيَ عَلَيْكُم مِّن سُلْطَانٍ إِلَّا أَن دَعَوْتُكُمْ فَاسْتَجَبْتُمْ لِي ۖ فَلَا تَلُومُونِي وَلُومُوا أَنفُسَكُم ۖ مَّا أَنَا بِمُصْرِخِكُمْ وَمَا أَنتُم بِمُصْرِخِيَّ ۖ إِنِّي كَفَرْتُ بِمَا أَشْرَكْتُمُونِ مِن قَبْلُ ۗ إِنَّ الظَّالِمِينَ لَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Ary hiteny i Satana, rehefa tapaka ny didy rehetra ka nanao hoe : “ Marina fa i Allah dia nampanantena Anareo fampanantenàna marina, fa izaho kosa dia nampanantena Anareo (zavatra) izay tsy notanterahiko ary tsy nanana fahefana taminareo Aho, fa niantso Anareo fotsiny Aho, ary dia namaly Ahy Ianareo. Aza manome tsiny Ahy Ianareo, fa ny tenanareo no omeo tsiny. Tsy afaka hamonjy Anareo Aho, ary Ianareo koa dia tsy afaka hamonjy Ahy. Izaho dia mitsipaka tanteraka izay natambatrareo Tamiko tany aloha. Marina fa ireo mpanao ny tsy rariny dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.
وَأُدْخِلَ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا بِإِذْنِ رَبِّهِمْ ۖ تَحِيَّتُهُمْ فِيهَا سَلَامٌ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Ary hampidirina ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ao anatin’ireo zaridaina (Paradisa) izay misy rano mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo nohon'ny fanomezan-dàlan’ny Tompon’izy ireo. Ary ny fiarahabana azy ireo[89] ao dia : “ salama (fiadanana).”
أَلَمْ تَرَ كَيْفَ ضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا كَلِمَةً طَيِّبَةً كَشَجَرَةٍ طَيِّبَةٍ أَصْلُهَا ثَابِتٌ وَفَرْعُهَا فِي السَّمَاءِ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Tsy hitanao va ahoana no nanaovan’i Allah fanoharana ny teny tsara ? Dia mitovy amin’ny hazo tsara iray, izay miorina tsara ny fakany, ary ny rantsany dia manakatra ny habakabaka.
تُؤْتِي أُكُلَهَا كُلَّ حِينٍ بِإِذْنِ رَبِّهَا ۗ وَيَضْرِبُ اللَّهُ الْأَمْثَالَ لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Manome ny voany isam-potoana avy amin’ny alalan’ny Tompony izy. Ary i Allah dia manome fanoharana ho an’ny olombelona, angamba ahatsiaro tena izy ireo (hifandinika, hifananatra).
وَمَثَلُ كَلِمَةٍ خَبِيثَةٍ كَشَجَرَةٍ خَبِيثَةٍ اجْتُثَّتْ مِن فَوْقِ الْأَرْضِ مَا لَهَا مِن قَرَارٍ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Ary ny teny ratsy kosa dia mitovy amin’ny hazo ratsy voahongotra tamin’ny tany ka tsy manam-pototra hitsatohany intsony.
يُثَبِّتُ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا بِالْقَوْلِ الثَّابِتِ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَفِي الْآخِرَةِ ۖ وَيُضِلُّ اللَّهُ الظَّالِمِينَ ۚ وَيَفْعَلُ اللَّهُ مَا يَشَاءُ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Hankaherezin’i Allah ireo mino, amin’ny teny hentitra eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany sy any an-koatra, ary hanary ireo mpanao ny tsy rariny kosa Allah, ary manao izay sitrany Allah.
۞ أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ بَدَّلُوا نِعْمَتَ اللَّهِ كُفْرًا وَأَحَلُّوا قَوْمَهُمْ دَارَ الْبَوَارِ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Moa ve tsy hitanao ireo izay manakalo ny fahasoavan’i Allah amin’ny tsy fankasitrahana, ary mametraka ny vahoakan’izy ireo amin’ny toeran’ny fahaverezana ;
جَهَنَّمَ يَصْلَوْنَهَا ۖ وَبِئْسَ الْقَرَارُ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Ao amin’ny Afobe Djahannam izay handoro azy ireo ? Endre ! Ratsy tokoa izany toeram-pijanonana izany !
وَجَعَلُوا لِلَّهِ أَندَادًا لِّيُضِلُّوا عَن سَبِيلِهِ ۗ قُلْ تَمَتَّعُوا فَإِنَّ مَصِيرَكُمْ إِلَى النَّارِ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Ary nampitovy an’i Allah amin’ny zavatra hafa izy ireo mba hamerezana ireo Olona amin’ny làlany. Teneno hoe : “ Mahazoa fahafinaretana tsara Ianareo, satria tsy hisalasalana fa any amin’ny Afobe no fiafaranareo”.
قُل لِّعِبَادِيَ الَّذِينَ آمَنُوا يُقِيمُوا الصَّلَاةَ وَيُنفِقُوا مِمَّا رَزَقْنَاهُمْ سِرًّا وَعَلَانِيَةً مِّن قَبْلِ أَن يَأْتِيَ يَوْمٌ لَّا بَيْعٌ فِيهِ وَلَا خِلَالٌ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Teneno amin’ireo mpanompoko izay nino mba hanatanteraka ny Soalat, sy hizara ny fanomezana izay nomenay azy ireo, ankihafina na ankarihary, alohan’ny fahatongavan’ny Andro izay tsy misy fifanakalozana ara-barotra na fihavanana.
اللَّهُ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَأَنزَلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَخْرَجَ بِهِ مِنَ الثَّمَرَاتِ رِزْقًا لَّكُمْ ۖ وَسَخَّرَ لَكُمُ الْفُلْكَ لِتَجْرِيَ فِي الْبَحْرِ بِأَمْرِهِ ۖ وَسَخَّرَ لَكُمُ الْأَنْهَارَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Allah, Izy ilay nahary ireo lanitra sy ny tany ary nandrotsaka ny ranon’orana avy any an-danitra ka namoaka avy amin’izany ireo karazam-boankazo ho anjara fivelomana ho Anareo. Ary nataony ho ampiasanareo ireo sambo izay misosa eny an-dranomasina avy amin’ny alalan’ny didiny, ary nataony ho ampiasainareo ireo renirano.
وَسَخَّرَ لَكُمُ الشَّمْسَ وَالْقَمَرَ دَائِبَيْنِ ۖ وَسَخَّرَ لَكُمُ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary nataony mirindra ho Anareo ny masoandro sy ny volana izay mihodina. Ary nataony ho Anareo koa ny alina sy ny andro.
وَآتَاكُم مِّن كُلِّ مَا سَأَلْتُمُوهُ ۚ وَإِن تَعُدُّوا نِعْمَتَ اللَّهِ لَا تُحْصُوهَا ۗ إِنَّ الْإِنسَانَ لَظَلُومٌ كَفَّارٌ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Nomeny Anareo izay rehetra nangatahanareo Taminy. Raha hitanisa ireo fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voahisanareo izany. Marina fa ny Olombelona dia mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mankasitraka.
وَإِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّ اجْعَلْ هَٰذَا الْبَلَدَ آمِنًا وَاجْنُبْنِي وَبَنِيَّ أَن نَّعْبُدَ الْأَصْنَامَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ary raha niteny Ibrahimo ka nanao hoe : ” Tompo o ! Ataovy feno fandriampahalemana ity tanàna ity, ary halaviro Ahy sy ireo Zanako mba tsy hanompo ireo sampy Izahay.
رَبِّ إِنَّهُنَّ أَضْلَلْنَ كَثِيرًا مِّنَ النَّاسِ ۖ فَمَن تَبِعَنِي فَإِنَّهُ مِنِّي ۖ وَمَنْ عَصَانِي فَإِنَّكَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Tompo o ! Izy ireny dia tena nanary tokoa ny maro tamin’ny olombelona. n'iza n'iza manaraka Ahy, Izy no Oloko, ary izay tsy mankato Ahy kosa... Ianao no tena Mpamela-heloka sy be Fiantrana.
رَّبَّنَا إِنِّي أَسْكَنتُ مِن ذُرِّيَّتِي بِوَادٍ غَيْرِ ذِي زَرْعٍ عِندَ بَيْتِكَ الْمُحَرَّمِ رَبَّنَا لِيُقِيمُوا الصَّلَاةَ فَاجْعَلْ أَفْئِدَةً مِّنَ النَّاسِ تَهْوِي إِلَيْهِمْ وَارْزُقْهُم مِّنَ الثَّمَرَاتِ لَعَلَّهُمْ يَشْكُرُونَ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Tomponay o ! Izaho dia nametraka amin’ny lohasaha tsy misy voly ny ampahany tamin’ireo ankohonako, eo akaikin’ny Tranonao Masina.Tomponay o !... Mba hanatanteraka ny Soalat izy ireo ka ataovy hirona amin’izy ireo ny fon’ireo Olona sasany ; ary omeo anjara fivelomana amin’ireo voankazo izy ireo. Angamba ahalala hankasitraka izy ireo.
رَبَّنَا إِنَّكَ تَعْلَمُ مَا نُخْفِي وَمَا نُعْلِنُ ۗ وَمَا يَخْفَىٰ عَلَى اللَّهِ مِن شَيْءٍ فِي الْأَرْضِ وَلَا فِي السَّمَاءِ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Tomponay o ! Ianao tokoa no mahafantatra izay afeninay sy habaribarinay, ary tsy misy miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-koatra.
الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي وَهَبَ لِي عَلَى الْكِبَرِ إِسْمَاعِيلَ وَإِسْحَاقَ ۚ إِنَّ رَبِّي لَسَمِيعُ الدُّعَاءِ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Dera sy voninahitra anie ho an’i Allah ! Izay nanome Ahy tao anaty fahanterana an’i Ismaely sy Isaka. Marina fa ny Tompoko dia mihaino ireo fangatahana.
رَبِّ اجْعَلْنِي مُقِيمَ الصَّلَاةِ وَمِن ذُرِّيَّتِي ۚ رَبَّنَا وَتَقَبَّلْ دُعَاءِ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Tompo o ! Ataovy ho mpanatanteraka ny Soalat sy amin’ireo taranako Aho. Tomponay o ! Raiso ireo fangatahako.
رَبَّنَا اغْفِرْ لِي وَلِوَالِدَيَّ وَلِلْمُؤْمِنِينَ يَوْمَ يَقُومُ الْحِسَابُ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Tomponay o ! Avelao ny heloko sy an’ireo Ray aman-dreniko ary an’ireo mpino amin’ny andro hitsanganan’ny Fitsarana farany !
وَلَا تَحْسَبَنَّ اللَّهَ غَافِلًا عَمَّا يَعْمَلُ الظَّالِمُونَ ۚ إِنَّمَا يُؤَخِّرُهُمْ لِيَوْمٍ تَشْخَصُ فِيهِ الْأَبْصَارُ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Ary aza mihevitra Ianao fa i Allah dia variana amin’izay ataon’ireo mpanao ny tsy rariny, fa omeny fe-potoana kosa izy ireo, mandra-pahatongan’ny andro izay hampidiridiry tsy ankihetsika ny mason’izy ireo.
مُهْطِعِينَ مُقْنِعِي رُءُوسِهِمْ لَا يَرْتَدُّ إِلَيْهِمْ طَرْفُهُمْ ۖ وَأَفْئِدَتُهُمْ هَوَاءٌ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Hihazakazaka manatona (amim-pitalahoana) izy ireo, hampitraka ny lohany amin’ny tahotra, hidiridiry ny mason’izy ireo, ary foana ny fon’izy ireo.
وَأَنذِرِ النَّاسَ يَوْمَ يَأْتِيهِمُ الْعَذَابُ فَيَقُولُ الَّذِينَ ظَلَمُوا رَبَّنَا أَخِّرْنَا إِلَىٰ أَجَلٍ قَرِيبٍ نُّجِبْ دَعْوَتَكَ وَنَتَّبِعِ الرُّسُلَ ۗ أَوَلَمْ تَكُونُوا أَقْسَمْتُم مِّن قَبْلُ مَا لَكُم مِّن زَوَالٍ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy ireo, ary hiteny ireo mpanao ny tsy rariny ka hanao hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo fe-potoana fohy Izahay ! Mba hamalianay ny antsonao sy hanarahanay ireo Iraka ”. Tsy efa nianiana ve Ianareo teo aloha fa tsy tokony hanjavona mihitsy ?
وَسَكَنتُمْ فِي مَسَاكِنِ الَّذِينَ ظَلَمُوا أَنفُسَهُمْ وَتَبَيَّنَ لَكُمْ كَيْفَ فَعَلْنَا بِهِمْ وَضَرَبْنَا لَكُمُ الْأَمْثَالَ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Ary Ianareo dia monina tao amin’ny fonenan’ireo izay mpanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ihany, efa nasehonay taminareo miharihary ahoana ny fomba nanaovanay azy ireo, ary nomenay ohatra tamin’izany Ianareo.
وَقَدْ مَكَرُوا مَكْرَهُمْ وَعِندَ اللَّهِ مَكْرُهُمْ وَإِن كَانَ مَكْرُهُمْ لِتَزُولَ مِنْهُ الْجِبَالُ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Efa tena nampiasa teti-dratsy izy ireo, kanefa ny teti-dratsin’izy ireo dia efa eo amin’i Allah, na dia afaka manafoana ireo tendrombohitra aza ny teti-dratsin’izy ireo.
فَلَا تَحْسَبَنَّ اللَّهَ مُخْلِفَ وَعْدِهِ رُسُلَهُ ۗ إِنَّ اللَّهَ عَزِيزٌ ذُو انتِقَامٍ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Aza mihevitra fa i Allah dia hivadika amin’ny fampanantenana nataony tamin’ireo Irany. Marina fa i Allah ilay Mahery, Tompon’ny fahefana hanasazy.
يَوْمَ تُبَدَّلُ الْأَرْضُ غَيْرَ الْأَرْضِ وَالسَّمَاوَاتُ ۖ وَبَرَزُوا لِلَّهِ الْوَاحِدِ الْقَهَّارِ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Amin’ny Andro izay hanoloana ny tany ho hafa, ary toy izany koa ireo lanitra, ary izy ireo dia hiseho eo anatrehan’i Allah, ilay Tokana, Ilay Mpifehy Avo indrindra.
وَتَرَى الْمُجْرِمِينَ يَوْمَئِذٍ مُّقَرَّنِينَ فِي الْأَصْفَادِ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Ary amin’izany andro izany dia ho hitanao ireo mpanao heloka be vava, voafatotra amin’ny rojo vy amin’ny sasany ny sasany.
سَرَابِيلُهُم مِّن قَطِرَانٍ وَتَغْشَىٰ وُجُوهَهُمُ النَّارُ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Ny fitafin’izy ireo dia tena (godorao, tara), ary handrakotra ny tavan’izy ireo ny afo.
لِيَجْزِيَ اللَّهُ كُلَّ نَفْسٍ مَّا كَسَبَتْ ۚ إِنَّ اللَّهَ سَرِيعُ الْحِسَابِ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Mba hamalian’i Allah ny tsirairay amin’ny asa izay vitany. Tena marina fa i Allah dia haingam-pitsara.
هَٰذَا بَلَاغٌ لِّلنَّاسِ وَلِيُنذَرُوا بِهِ وَلِيَعْلَمُوا أَنَّمَا هُوَ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ وَلِيَذَّكَّرَ أُولُو الْأَلْبَابِ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Ity dia fanambarana (Koroany) ho an’ny zanak’olombelona mba hitandreman’izy ireo amin’ny alalan’izany, ary mba ahafantaran’izy ireo ihany koa fa marina tokoa, fa Izy ilay Zanahary tokana (Allah), mba ahafantaran’ireo matsilo saina.
Vakio Surah Ibrahim Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

