Ibrahim · 44/52
Fandikana Fanononana — Ibrahim
وَأَنذِرِ النَّاسَ يَوْمَ يَأْتِيهِمُ الْعَذَابُ فَيَقُولُ الَّذِينَ ظَلَمُوا رَبَّنَا أَخِّرْنَا إِلَىٰ أَجَلٍ قَرِيبٍ نُّجِبْ دَعْوَتَكَ وَنَتَّبِعِ الرُّسُلَ ۗ أَوَلَمْ تَكُونُوا أَقْسَمْتُم مِّن قَبْلُ مَا لَكُم مِّن زَوَالٍ ۝٤٤
Wa anzirin naasa Yawma yaateehimul `azaabu fa yaqoolul lazeena zalamoo Rabbanaaa akhkhirnaaa ilaaa ajalin qareebin nujib da`wataka wa nattabi `ir Rusul; awalam takoonooo aqsamtum min qablu maa lakum min zawaal
📖 Dikany Malagasy
Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy ireo, ary hiteny ireo mpanao ny tsy rariny ka hanao hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo fe-potoana fohy Izahay ! Mba hamalianay ny antsonao sy hanarahanay ireo Iraka ”. Tsy efa nianiana ve Ianareo teo aloha fa tsy tokony hanjavona mihitsy ?
🎧 Henoy

📜 Andininy 42-46 — Ibrahim

42وَلَا تَحْسَبَنَّ اللَّهَ غَافِلًا عَمَّا يَعْمَلُ الظَّالِمُونَ ۚ إِنَّمَا يُؤَخِّرُهُمْ لِيَوْمٍ تَشْخَصُ فِيهِ الْأَبْصَارُ
Ary aza mihevitra Ianao fa i Allah dia variana amin’izay ataon’ireo mpanao ny tsy rariny, fa omeny fe-potoana kosa izy ireo, mandra-pahatongan’ny andro izay hampidiridiry tsy ankihetsika ny mason’izy ireo.
43مُهْطِعِينَ مُقْنِعِي رُءُوسِهِمْ لَا يَرْتَدُّ إِلَيْهِمْ طَرْفُهُمْ ۖ وَأَفْئِدَتُهُمْ هَوَاءٌ
Hihazakazaka manatona (amim-pitalahoana) izy ireo, hampitraka ny lohany amin’ny tahotra, hidiridiry ny mason’izy ireo, ary foana ny fon’izy ireo.
44وَأَنذِرِ النَّاسَ يَوْمَ يَأْتِيهِمُ الْعَذَابُ فَيَقُولُ الَّذِينَ ظَلَمُوا رَبَّنَا أَخِّرْنَا إِلَىٰ أَجَلٍ قَرِيبٍ نُّجِبْ دَعْوَتَكَ وَنَتَّبِعِ الرُّسُلَ ۗ أَوَلَمْ تَكُونُوا أَقْسَمْتُم مِّن قَبْلُ مَا لَكُم مِّن زَوَالٍ
Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy ireo, ary hiteny ireo mpanao ny tsy rariny ka hanao hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo fe-potoana fohy Izahay ! Mba hamalianay ny antsonao sy hanarahanay ireo Iraka ”. Tsy efa nianiana ve Ianareo teo aloha fa tsy tokony hanjavona mihitsy ?
45وَسَكَنتُمْ فِي مَسَاكِنِ الَّذِينَ ظَلَمُوا أَنفُسَهُمْ وَتَبَيَّنَ لَكُمْ كَيْفَ فَعَلْنَا بِهِمْ وَضَرَبْنَا لَكُمُ الْأَمْثَالَ
Ary Ianareo dia monina tao amin’ny fonenan’ireo izay mpanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ihany, efa nasehonay taminareo miharihary ahoana ny fomba nanaovanay azy ireo, ary nomenay ohatra tamin’izany Ianareo.
46وَقَدْ مَكَرُوا مَكْرَهُمْ وَعِندَ اللَّهِ مَكْرُهُمْ وَإِن كَانَ مَكْرُهُمْ لِتَزُولَ مِنْهُ الْجِبَالُ
Efa tena nampiasa teti-dratsy izy ireo, kanefa ny teti-dratsin’izy ireo dia efa eo amin’i Allah, na dia afaka manafoana ireo tendrombohitra aza ny teti-dratsin’izy ireo.
IbrahimFizahan-takila Koraña
52Andininy
MeccanRevelation
44Andininy

Fandikana — Ibrahim 44

Surah Ibrahim Andininy 44 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy…

Surah Andininy 44/52 — Ibrahim إبراهيم (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ibrahim Henoy, Ibrahim Fandikana, Ibrahim mp3, Ibrahim pdf. Andininy 42–46. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers