Ar-Rum · 21/60
Fandikana Fanononana — Ar-Rum
وَمِنْ آيَاتِهِ أَنْ خَلَقَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا لِّتَسْكُنُوا إِلَيْهَا وَجَعَلَ بَيْنَكُم مَّوَدَّةً وَرَحْمَةً ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ ۝٢١
Wa min Aayaatiheee an khalaqa lakum min anfusikum azwaajal litaskunooo ilaihaa wa ja`ala bainakum mawad datanw wa rahmah; inna fee zaalika la Aayaatil liqawminy yatafakkaroon
📖 Dikany Malagasy
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika.

🎧 Henoy


📜 Andininy 19-23 — Ar-Rum

19يُخْرِجُ الْحَيَّ مِنَ الْمَيِّتِ وَيُخْرِجُ الْمَيِّتَ مِنَ الْحَيِّ وَيُحْيِي الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا ۚ وَكَذَٰلِكَ تُخْرَجُونَ
Mamoaka ny velona avy amin’ny maty Izy, sy mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary mamelona ny tany aorian’ny fahafatesany. Ka tahaka izany no hamoahana anareo (amin’ny fitsanganana).
20وَمِنْ آيَاتِهِ أَنْ خَلَقَكُم مِّن تُرَابٍ ثُمَّ إِذَا أَنتُم بَشَرٌ تَنتَشِرُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany anareo avy amin’ny vovoka, ary indro ianareo fa lasa olombelona maro izay miely (maneran-tany).
21وَمِنْ آيَاتِهِ أَنْ خَلَقَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا لِّتَسْكُنُوا إِلَيْهَا وَجَعَلَ بَيْنَكُم مَّوَدَّةً وَرَحْمَةً ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika.
22وَمِنْ آيَاتِهِ خَلْقُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَاخْتِلَافُ أَلْسِنَتِكُمْ وَأَلْوَانِكُمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّلْعَالِمِينَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny fahariana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fahasamihafan’ireo fiteninareo sy ireo fihodiranareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka manam-pahaizana.
23وَمِنْ آيَاتِهِ مَنَامُكُم بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَابْتِغَاؤُكُم مِّن فَضْلِهِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَسْمَعُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino.
Ar-RumFizahan-takila Koraña
60Andininy
MeccanRevelation
21Andininy

Fandikana — Ar-Rum 21

Surah Ar-Rum Andininy 21 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo…

Surah Andininy 21/60 — Ar-Rum الروم (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ar-Rum Henoy, Ar-Rum Fandikana, Ar-Rum mp3, Ar-Rum pdf. Andininy 19–23. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers