Ar-Rum · 29/60
Fandikana Fanononana — Ar-Rum
بَلِ اتَّبَعَ الَّذِينَ ظَلَمُوا أَهْوَاءَهُم بِغَيْرِ عِلْمٍ ۖ فَمَن يَهْدِي مَنْ أَضَلَّ اللَّهُ ۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ ۝٢٩
Balit taba`al lazeena zalamooo ahwaaa`ahum bighairi `ilmin famai yahdee man adallal laahu wa maa lahum min naasireen
📖 Dikany Malagasy
Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny hetahetam-pon’izy ireo, tsy amim-pahalalana. Fa iza àry no hitari-dàlana izay noverezin’i Allah ? Ary tsy manana mpanavotra izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 27-31 — Ar-Rum

27وَهُوَ الَّذِي يَبْدَأُ الْخَلْقَ ثُمَّ يُعِيدُهُ وَهُوَ أَهْوَنُ عَلَيْهِ ۚ وَلَهُ الْمَثَلُ الْأَعْلَىٰ فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ
Ary Izy no nanomboka ilay fahariana, avy eo mamerina izany indray; ary izany dia mora kokoa Aminy. Azy ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
28ضَرَبَ لَكُم مَّثَلًا مِّنْ أَنفُسِكُمْ ۖ هَل لَّكُم مِّن مَّا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُم مِّن شُرَكَاءَ فِي مَا رَزَقْنَاكُمْ فَأَنتُمْ فِيهِ سَوَاءٌ تَخَافُونَهُمْ كَخِيفَتِكُمْ أَنفُسَكُمْ ۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَعْقِلُونَ
Nanome fanoharana ho anareo Izy, avy amin’ny tenanareo ihany : moa ataonareo mpiara-miombon’antoka aminareo ve ireo andevonareo, amin’ny fananana izay nomenay anareo, ka ianareo amin’izany dia mitovy (amin’ny fananana), ary hatahotra azy ireo tahaka ny fatahoranareo ny tenanareo ? Toy izany no hamelabelaranay ireo fanambarana ho an’ny vahoaka misaina.
29بَلِ اتَّبَعَ الَّذِينَ ظَلَمُوا أَهْوَاءَهُم بِغَيْرِ عِلْمٍ ۖ فَمَن يَهْدِي مَنْ أَضَلَّ اللَّهُ ۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ
Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny hetahetam-pon’izy ireo, tsy amim-pahalalana. Fa iza àry no hitari-dàlana izay noverezin’i Allah ? Ary tsy manana mpanavotra izy ireo.
30فَأَقِمْ وَجْهَكَ لِلدِّينِ حَنِيفًا ۚ فِطْرَتَ اللَّهِ الَّتِي فَطَرَ النَّاسَ عَلَيْهَا ۚ لَا تَبْدِيلَ لِخَلْقِ اللَّهِ ۚ ذَٰلِكَ الدِّينُ الْقَيِّمُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ
Koa atsangano ny tavanao amin’ny finoana madio (ho an’i Allah), fa izany no toetra voajanahary izay nomen’i Allah ny olombelona. Tsy misy fiovana amin’ny faharian’i Allah. Izany no finoana mahitsy, saingy ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra.
31۞ مُنِيبِينَ إِلَيْهِ وَاتَّقُوهُ وَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَلَا تَكُونُوا مِنَ الْمُشْرِكِينَ
Miverena amim-pibebahana Aminy ianareo, ary matahora Azy, manantanteràha ny vavaka (soalat) ianareo, ary aoka ianareo tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy.
Ar-RumFizahan-takila Koraña
60Andininy
MeccanRevelation
29Andininy

Fandikana — Ar-Rum 29

Surah Ar-Rum Andininy 29 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny…

Surah Andininy 29/60 — Ar-Rum الروم (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ar-Rum Henoy, Ar-Rum Fandikana, Ar-Rum mp3, Ar-Rum pdf. Andininy 27–31. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers