Ar-Rum · 23/60
Fandikana Fanononana — Ar-Rum
وَمِنْ آيَاتِهِ مَنَامُكُم بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَابْتِغَاؤُكُم مِّن فَضْلِهِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَسْمَعُونَ ۝٢٣
Wa min Aayaatihee manaamukum bil laili wannahaari wabtighaaa`ukum min fadlih; inna fee zaalika la Aayaatil liqawminy yasma`oon
📖 Dikany Malagasy
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino.

🎧 Henoy


📜 Andininy 21-25 — Ar-Rum

21وَمِنْ آيَاتِهِ أَنْ خَلَقَ لَكُم مِّنْ أَنفُسِكُمْ أَزْوَاجًا لِّتَسْكُنُوا إِلَيْهَا وَجَعَلَ بَيْنَكُم مَّوَدَّةً وَرَحْمَةً ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika.
22وَمِنْ آيَاتِهِ خَلْقُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَاخْتِلَافُ أَلْسِنَتِكُمْ وَأَلْوَانِكُمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّلْعَالِمِينَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny fahariana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fahasamihafan’ireo fiteninareo sy ireo fihodiranareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka manam-pahaizana.
23وَمِنْ آيَاتِهِ مَنَامُكُم بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَابْتِغَاؤُكُم مِّن فَضْلِهِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَسْمَعُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino.
24وَمِنْ آيَاتِهِ يُرِيكُمُ الْبَرْقَ خَوْفًا وَطَمَعًا وَيُنَزِّلُ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَيُحْيِي بِهِ الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَعْقِلُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fanehoany aminareo ny tselatra miaraka amin’ny fatahorana (ny varatra) sy ny fanantenana (ny orana), ary mampidina ny rano Izy avy any an-danitra mba hamelomany indray amin’ny alalan’izany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka misaina.
25وَمِنْ آيَاتِهِ أَن تَقُومَ السَّمَاءُ وَالْأَرْضُ بِأَمْرِهِ ۚ ثُمَّ إِذَا دَعَاكُمْ دَعْوَةً مِّنَ الْأَرْضِ إِذَا أَنتُمْ تَخْرُجُونَ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fijadonan’ny lanitra sy ny tany, amin’ny alalan’ny didiny, avy eo rehefa miantso anareo Izy, avy amin’ny tany, amin’ny antso iray, dia indro fa hipoitra ianareo.
Ar-RumFizahan-takila Koraña
60Andininy
MeccanRevelation
23Andininy

Fandikana — Ar-Rum 23

Surah Ar-Rum Andininy 23 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy…

Surah Andininy 23/60 — Ar-Rum الروم (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ar-Rum Henoy, Ar-Rum Fandikana, Ar-Rum mp3, Ar-Rum pdf. Andininy 21–25. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers