Al-Baqarah · 284/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
لِّلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ وَإِن تُبْدُوا مَا فِي أَنفُسِكُمْ أَوْ تُخْفُوهُ يُحَاسِبْكُم بِهِ اللَّهُ ۖ فَيَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٢٨٤
Lillaahi maa fissamaawaati wa maa fil ard; wa in tubdoo maa feee anfusikum aw tukhfoohu yuhaasibkum bihil laa; fayaghfiru li mai yashaaa`u wa yu`azzibu mai yashaaa u;wallaahu `alaa kulli shai in qadeer
📖 Dikany Malagasy
An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra ety an-tany. Raha habaribarinareo izay amin’ny tenanareo na hafeninareo, dia hotsarain’i Allah amin’izany Ianareo. Ka hamela heloka an’izay sitrany Izy, ary hanafay izay sitrany ihany koa. Ary i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 282-286 — Al-Baqarah

282يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا تَدَايَنتُم بِدَيْنٍ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى فَاكْتُبُوهُ ۚ وَلْيَكْتُب بَّيْنَكُمْ كَاتِبٌ بِالْعَدْلِ ۚ وَلَا يَأْبَ كَاتِبٌ أَن يَكْتُبَ كَمَا عَلَّمَهُ اللَّهُ ۚ فَلْيَكْتُبْ وَلْيُمْلِلِ الَّذِي عَلَيْهِ الْحَقُّ وَلْيَتَّقِ اللَّهَ رَبَّهُ وَلَا يَبْخَسْ مِنْهُ شَيْئًا ۚ فَإِن كَانَ الَّذِي عَلَيْهِ الْحَقُّ سَفِيهًا أَوْ ضَعِيفًا أَوْ لَا يَسْتَطِيعُ أَن يُمِلَّ هُوَ فَلْيُمْلِلْ وَلِيُّهُ بِالْعَدْلِ ۚ وَاسْتَشْهِدُوا شَهِيدَيْنِ مِن رِّجَالِكُمْ ۖ فَإِن لَّمْ يَكُونَا رَجُلَيْنِ فَرَجُلٌ وَامْرَأَتَانِ مِمَّن تَرْضَوْنَ مِنَ الشُّهَدَاءِ أَن تَضِلَّ إِحْدَاهُمَا فَتُذَكِّرَ إِحْدَاهُمَا الْأُخْرَىٰ ۚ وَلَا يَأْبَ الشُّهَدَاءُ إِذَا مَا دُعُوا ۚ وَلَا تَسْأَمُوا أَن تَكْتُبُوهُ صَغِيرًا أَوْ كَبِيرًا إِلَىٰ أَجَلِهِ ۚ ذَٰلِكُمْ أَقْسَطُ عِندَ اللَّهِ وَأَقْوَمُ لِلشَّهَادَةِ وَأَدْنَىٰ أَلَّا تَرْتَابُوا ۖ إِلَّا أَن تَكُونَ تِجَارَةً حَاضِرَةً تُدِيرُونَهَا بَيْنَكُمْ فَلَيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ أَلَّا تَكْتُبُوهَا ۗ وَأَشْهِدُوا إِذَا تَبَايَعْتُمْ ۚ وَلَا يُضَارَّ كَاتِبٌ وَلَا شَهِيدٌ ۚ وَإِن تَفْعَلُوا فَإِنَّهُ فُسُوقٌ بِكُمْ ۗ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۖ وَيُعَلِّمُكُمُ اللَّهُ ۗ وَاللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
O ianareo mpino! Raha mifanaiky ny hifampitrosa anatina fe-potoana voafetra ianareo, dia aoka hitana izany antsoratra; ary ny mpitan-tsoratra aminareo handrakitra izany araka ny fahamarinana; aoka ihany koa ny mpitan-tsoratra tsy handà ny hitana izany an-tsoratra araka izay nampianarin’Allah azy; ka handray an-tsoratra sy hampamaky izay tompon’antoka (mpamerin-trosa) izy, aoka ihany koa izy hatahotra an’Allah ilay Tompony, ary tsy hanabanga na inona na inona amin’izany. Fa raha olona maivandoha na malemy, na koa tsy afaka manonona samy irery ilay tompon’antoka, dia izay solontenany no hanonona izany amim-pahamarinana. Ary aoka ianareo hampijoro vavolombelona roa avy amin’ireo lehilahinareo; ary raha tsy misy lehilahy roa, dia lehilahy iray sy vehivavy roa anisan’ireo ankasitrahinareo ho vavolombelona, ka raha sendra mandiso ny iray amin’izy roroa dia, hampatsiahy ilay faharoa ny voalohany. Ary aoka ireo vavolombelona tsy handà rehefa antsoina. Fa tsy hamela velively ny fitanana an-tsoratra hatramin’ilay fetra farany, na kely izany na be. Fa izany no rariny kokoa eo anatrehan’Allah, sy azo antoka indrindra ho an’ny fijoroana vavolombelona, ary matotra kokoa mba tsy handiso hevitra anareo. Raha tsy hoe varotra antoerana izay iarahanareo mitantana, dia tsy fahotana ho anareo ny tsy mitana an-tsoratra izany. Aoka anefa ianareo hampijoro vavolombelona hatrany raha manao fifampivarotana; ary aza manaratsy ny mpitan-tsoratra na ny vavolombelona. Fa raha manao izany ianareo, dia faharatsiana ho anareo. Fa matahora an’Allah ianareo, fa Izy no hampianatra anareo. Ary fantatr’Allah ny zavatra rehetra.
283۞ وَإِن كُنتُمْ عَلَىٰ سَفَرٍ وَلَمْ تَجِدُوا كَاتِبًا فَرِهَانٌ مَّقْبُوضَةٌ ۖ فَإِنْ أَمِنَ بَعْضُكُم بَعْضًا فَلْيُؤَدِّ الَّذِي اؤْتُمِنَ أَمَانَتَهُ وَلْيَتَّقِ اللَّهَ رَبَّهُ ۗ وَلَا تَكْتُمُوا الشَّهَادَةَ ۚ وَمَن يَكْتُمْهَا فَإِنَّهُ آثِمٌ قَلْبُهُ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ عَلِيمٌ
Ary raha eny am-pandehanana lavitra Ianareo, ka tsy mahita mpanoratra; mametraha antoka dia ampy. Raha mifampatokia Ianareo, dia aoka hotanterahan’ilay natokisana ny fitokisana navela Taminy. Ary aoka hatahotra an’i Allah Tompony Izy. Ary aoka tsy hanafina ny fijoroana vavolombelona Ianareo, fa izay manafina izany dia tena izany tokoa ny fahotan’ny fony. Ary i Allah dia mahafantatra izay rehetra Ataonareo.
284لِّلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ وَإِن تُبْدُوا مَا فِي أَنفُسِكُمْ أَوْ تُخْفُوهُ يُحَاسِبْكُم بِهِ اللَّهُ ۖ فَيَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra ety an-tany. Raha habaribarinareo izay amin’ny tenanareo na hafeninareo, dia hotsarain’i Allah amin’izany Ianareo. Ka hamela heloka an’izay sitrany Izy, ary hanafay izay sitrany ihany koa. Ary i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
285آمَنَ الرَّسُولُ بِمَا أُنزِلَ إِلَيْهِ مِن رَّبِّهِ وَالْمُؤْمِنُونَ ۚ كُلٌّ آمَنَ بِاللَّهِ وَمَلَائِكَتِهِ وَكُتُبِهِ وَرُسُلِهِ لَا نُفَرِّقُ بَيْنَ أَحَدٍ مِّن رُّسُلِهِ ۚ وَقَالُوا سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا ۖ غُفْرَانَكَ رَبَّنَا وَإِلَيْكَ الْمَصِيرُ
Nino izay nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony ny Iraka, ary koa ireo mpino, samy nino an’i Allah izy rehetra, dia ireo Anjeliny sy ireo Bokiny ary ireo Irany, ka hoy izy ireo : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany izahay ”. Ary niteny izy ireo hoe : “ Naheno sy nankatò izahay ”. Mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! Ary any Aminao no fiverenana.
286لَا يُكَلِّفُ اللَّهُ نَفْسًا إِلَّا وُسْعَهَا ۚ لَهَا مَا كَسَبَتْ وَعَلَيْهَا مَا اكْتَسَبَتْ ۗ رَبَّنَا لَا تُؤَاخِذْنَا إِن نَّسِينَا أَوْ أَخْطَأْنَا ۚ رَبَّنَا وَلَا تَحْمِلْ عَلَيْنَا إِصْرًا كَمَا حَمَلْتَهُ عَلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِنَا ۚ رَبَّنَا وَلَا تُحَمِّلْنَا مَا لَا طَاقَةَ لَنَا بِهِ ۖ وَاعْفُ عَنَّا وَاغْفِرْ لَنَا وَارْحَمْنَا ۚ أَنتَ مَوْلَانَا فَانصُرْنَا عَلَى الْقَوْمِ الْكَافِرِينَ
Allah dia tsy manery na iza na iza hanao zavatra mihoatra ny zakany. Ho azy ny vokatry ny soa vitany, ary hifototra aminy ny ratsy nataony. Ry Tompoay ô! Aoka tsy ho raisinao amin’ny fanadinoana na koa amin’ny fahadisoana vitanay izahay. Tomponay ô! Aoka Ianao tsy hampizioga anay vesatra tahaka ny nampiziogainao ireo vahoaka tany alohanay. Tomponay ô! Aoka Ianao tsy hampitondra anay izay tsy zakanay, diovy ny fahotanay, mamela ny helokay, ary mamindrà fo aminay. Ianao no Sakaiza mpiaro anay, omeo fandresena eo anatrehan’ireo vahoaka tsy mpino izahay.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
284Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 284

Surah Al-Baqarah Andininy 284 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra…

Surah Andininy 284/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 282–286. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers