Al-Baqarah · 285/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
آمَنَ الرَّسُولُ بِمَا أُنزِلَ إِلَيْهِ مِن رَّبِّهِ وَالْمُؤْمِنُونَ ۚ كُلٌّ آمَنَ بِاللَّهِ وَمَلَائِكَتِهِ وَكُتُبِهِ وَرُسُلِهِ لَا نُفَرِّقُ بَيْنَ أَحَدٍ مِّن رُّسُلِهِ ۚ وَقَالُوا سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا ۖ غُفْرَانَكَ رَبَّنَا وَإِلَيْكَ الْمَصِيرُ ۝٢٨٥
Aamanar-Rasoolu bimaaa unzila ilaihi mir-Rabbihee walmu`minoon; kullun aamana billaahi wa Malaaa`ikathihee wa Kutubhihee wa Rusulih laa nufarriqu baina ahadim-mir-Rusulihee wa qaaloo sami`naa wa ata`naa ghufraanaka Rabbanaa wa ilaikal-maseer
📖 Dikany Malagasy
Nino izay nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony ny Iraka, ary koa ireo mpino, samy nino an’i Allah izy rehetra, dia ireo Anjeliny sy ireo Bokiny ary ireo Irany, ka hoy izy ireo : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany izahay ”. Ary niteny izy ireo hoe : “ Naheno sy nankatò izahay ”. Mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! Ary any Aminao no fiverenana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 283-286 — Surah Al-Baqarah

283۞ وَإِن كُنتُمْ عَلَىٰ سَفَرٍ وَلَمْ تَجِدُوا كَاتِبًا فَرِهَانٌ مَّقْبُوضَةٌ ۖ فَإِنْ أَمِنَ بَعْضُكُم بَعْضًا فَلْيُؤَدِّ الَّذِي اؤْتُمِنَ أَمَانَتَهُ وَلْيَتَّقِ اللَّهَ رَبَّهُ ۗ وَلَا تَكْتُمُوا الشَّهَادَةَ ۚ وَمَن يَكْتُمْهَا فَإِنَّهُ آثِمٌ قَلْبُهُ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ عَلِيمٌ
Ary raha eny am-pandehanana lavitra Ianareo, ka tsy mahita mpanoratra; mametraha antoka dia ampy. Raha mifampatokia Ianareo, dia aoka hotanterahan’ilay natokisana ny fitokisana navela Taminy. Ary aoka hatahotra an’i Allah Tompony Izy. Ary aoka tsy hanafina ny fijoroana vavolombelona Ianareo, fa izay manafina izany dia tena izany tokoa ny fahotan’ny fony. Ary i Allah dia mahafantatra izay rehetra Ataonareo.
284لِّلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ وَإِن تُبْدُوا مَا فِي أَنفُسِكُمْ أَوْ تُخْفُوهُ يُحَاسِبْكُم بِهِ اللَّهُ ۖ فَيَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra ety an-tany. Raha habaribarinareo izay amin’ny tenanareo na hafeninareo, dia hotsarain’i Allah amin’izany Ianareo. Ka hamela heloka an’izay sitrany Izy, ary hanafay izay sitrany ihany koa. Ary i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
285آمَنَ الرَّسُولُ بِمَا أُنزِلَ إِلَيْهِ مِن رَّبِّهِ وَالْمُؤْمِنُونَ ۚ كُلٌّ آمَنَ بِاللَّهِ وَمَلَائِكَتِهِ وَكُتُبِهِ وَرُسُلِهِ لَا نُفَرِّقُ بَيْنَ أَحَدٍ مِّن رُّسُلِهِ ۚ وَقَالُوا سَمِعْنَا وَأَطَعْنَا ۖ غُفْرَانَكَ رَبَّنَا وَإِلَيْكَ الْمَصِيرُ
Nino izay nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony ny Iraka, ary koa ireo mpino, samy nino an’i Allah izy rehetra, dia ireo Anjeliny sy ireo Bokiny ary ireo Irany, ka hoy izy ireo : “ Tsy manavaka na dia iray amin’ireo Irany izahay ”. Ary niteny izy ireo hoe : “ Naheno sy nankatò izahay ”. Mangataka ny famelan-keloka avy Aminao izahay ry Tomponay ô ! Ary any Aminao no fiverenana.
286لَا يُكَلِّفُ اللَّهُ نَفْسًا إِلَّا وُسْعَهَا ۚ لَهَا مَا كَسَبَتْ وَعَلَيْهَا مَا اكْتَسَبَتْ ۗ رَبَّنَا لَا تُؤَاخِذْنَا إِن نَّسِينَا أَوْ أَخْطَأْنَا ۚ رَبَّنَا وَلَا تَحْمِلْ عَلَيْنَا إِصْرًا كَمَا حَمَلْتَهُ عَلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِنَا ۚ رَبَّنَا وَلَا تُحَمِّلْنَا مَا لَا طَاقَةَ لَنَا بِهِ ۖ وَاعْفُ عَنَّا وَاغْفِرْ لَنَا وَارْحَمْنَا ۚ أَنتَ مَوْلَانَا فَانصُرْنَا عَلَى الْقَوْمِ الْكَافِرِينَ
Allah dia tsy manery na iza na iza hanao zavatra mihoatra ny zakany. Ho azy ny vokatry ny soa vitany, ary hifototra aminy ny ratsy nataony. Ry Tompoay ô! Aoka tsy ho raisinao amin’ny fanadinoana na koa amin’ny fahadisoana vitanay izahay. Tomponay ô! Aoka Ianao tsy hampizioga anay vesatra tahaka ny nampiziogainao ireo vahoaka tany alohanay. Tomponay ô! Aoka Ianao tsy hampitondra anay izay tsy zakanay, diovy ny fahotanay, mamela ny helokay, ary mamindrà fo aminay. Ianao no Sakaiza mpiaro anay, omeo fandresena eo anatrehan’ireo vahoaka tsy mpino izahay.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
285Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 285

Surah Al-Baqarah Andininy 285 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nino izay nampidinina Taminy avy tamin’ny Tompony ny Iraka, ary…

Surah Andininy 285/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 283–286. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers