Surah Al-Mu'minun amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Al-Mu'minun miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (118 Andininy — مكية). Al-Mu'minun Henoy, Al-Mu'minun Fandikana, Al-Mu'minun mp3, Al-Mu'minun pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Al-Mu'minun
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
الَّذِينَ هُمْ فِي صَلَاتِهِمْ خَاشِعُونَ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Ireo izay manetri-tena amin’ny Soalat (vavaka) ataon’izy ireo.
وَالَّذِينَ هُمْ عَنِ اللَّغْوِ مُعْرِضُونَ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Sy ireo izay manalavitra ny rendrarendra.
وَالَّذِينَ هُمْ لِلزَّكَاةِ فَاعِلُونَ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Sy ireo izay mamoaka ny Zakat (harena fiantrana).
وَالَّذِينَ هُمْ لِفُرُوجِهِمْ حَافِظُونَ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
َAry ireo izay mitandrina ny fitaovam-pananahany amin'ny fahadiovam-pitondra-tenany.
إِلَّا عَلَىٰ أَزْوَاجِهِمْ أَوْ مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُهُمْ فَإِنَّهُمْ غَيْرُ مَلُومِينَ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
فَمَنِ ابْتَغَىٰ وَرَاءَ ذَٰلِكَ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْعَادُونَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa, dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
وَالَّذِينَ هُمْ لِأَمَانَاتِهِمْ وَعَهْدِهِمْ رَاعُونَ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Izay mitandrina ny fananana nankinina taminy, sy manaja tanteraka ny fifanekena.
وَالَّذِينَ هُمْ عَلَىٰ صَلَوَاتِهِمْ يُحَافِظُونَ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat).
الَّذِينَ يَرِثُونَ الْفِرْدَوْسَ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Izay handova ny Paradisa «Firdaosy», honina ao mandrakizay izy ireo.
وَلَقَدْ خَلَقْنَا الْإِنسَانَ مِن سُلَالَةٍ مِّن طِينٍ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Tena marina fa noharianay avy amin’ny tany (maro isan-karazany) ny olombelona.
ثُمَّ جَعَلْنَاهُ نُطْفَةً فِي قَرَارٍ مَّكِينٍ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Avy eo dia Noharianay avy amin’ny tentin’ny tsirin'aina izy ireo (ka napetrakay) tao amin'ny toerana voaaro (tranon-janaka).
ثُمَّ خَلَقْنَا النُّطْفَةَ عَلَقَةً فَخَلَقْنَا الْعَلَقَةَ مُضْغَةً فَخَلَقْنَا الْمُضْغَةَ عِظَامًا فَكَسَوْنَا الْعِظَامَ لَحْمًا ثُمَّ أَنشَأْنَاهُ خَلْقًا آخَرَ ۚ فَتَبَارَكَ اللَّهُ أَحْسَنُ الْخَالِقِينَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Avy eo dia nataonay ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ; ary avy amin’ny vaingan-drà no nanamboaranay ny vainga-nofo ; ary avy amin’ny vainga-nofo no nanamboaranay ny taolana ; ary notafianay nofo ny taolana. Avy eo dia novanay ho fahariana hafa tanteraka izany. Ka voninahitra anie ho an’I Allah, Ilay tsara indrindra amin’ireo Mpahary !
ثُمَّ إِنَّكُم بَعْدَ ذَٰلِكَ لَمَيِّتُونَ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo.
ثُمَّ إِنَّكُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ تُبْعَثُونَ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Avy amin’ny Andro Fitsanganana dia hatsangana amin’ny maty ianareo.
وَلَقَدْ خَلَقْنَا فَوْقَكُمْ سَبْعَ طَرَائِقَ وَمَا كُنَّا عَنِ الْخَلْقِ غَافِلِينَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Eny, Nahary ny lanitra fito tokoa Izahay eo amboninareo, ary tsy mba variana amin’ny fahariana nataonay Izahay.
وَأَنزَلْنَا مِنَ السَّمَاءِ مَاءً بِقَدَرٍ فَأَسْكَنَّاهُ فِي الْأَرْضِ ۖ وَإِنَّا عَلَىٰ ذَهَابٍ بِهِ لَقَادِرُونَ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ary nampidina rano avy any an-danitra araka ny fatrany Izahay. Ary notehirizinay tao anaty tany izany, nefa na izany aza dia azonay atao ny mampanjavona azy.
فَأَنشَأْنَا لَكُم بِهِ جَنَّاتٍ مِّن نَّخِيلٍ وَأَعْنَابٍ لَّكُمْ فِيهَا فَوَاكِهُ كَثِيرَةٌ وَمِنْهَا تَأْكُلُونَ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Miaraka amin'ny (rano), nampanirinay ho anareo ny zaridain-kazo palma sy voaloboka izay ahazoanareo ireo voankazo maro, ary hohaninareo ny sasany.
وَشَجَرَةً تَخْرُجُ مِن طُورِ سَيْنَاءَ تَنبُتُ بِالدُّهْنِ وَصِبْغٍ لِّلْآكِلِينَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Ary koa ny hazo anankiray (oliva) izay mitsiry eny amin’ny tendrombohitr’i Sinay, izay manome menaka fanosotra sy ampiasaina amin’ny sakafo.
وَإِنَّ لَكُمْ فِي الْأَنْعَامِ لَعِبْرَةً ۖ نُّسْقِيكُم مِّمَّا فِي بُطُونِهَا وَلَكُمْ فِيهَا مَنَافِعُ كَثِيرَةٌ وَمِنْهَا تَأْكُلُونَ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Marina fa amin’ireo biby fiompy dia misy azonareo hodinihana, nomenay hosotroinareo izay anatin’ny kibon’izy ireo, ary ahazoanareo tombontsoa maro samihafa izany raha mihinana amin’izany ianareo.
وَعَلَيْهَا وَعَلَى الْفُلْكِ تُحْمَلُونَ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Izy ireo sy ny sambo no mitondra anareo.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوْمِهِ فَقَالَ يَا قَوْمِ اعْبُدُوا اللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُ ۖ أَفَلَا تَتَّقُونَ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Nalefanay any amin’ny vahoakany I Noa, ka niteny izy hoe : “ Ô ry vahoakako ! Tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ?”
فَقَالَ الْمَلَأُ الَّذِينَ كَفَرُوا مِن قَوْمِهِ مَا هَٰذَا إِلَّا بَشَرٌ مِّثْلُكُمْ يُرِيدُ أَن يَتَفَضَّلَ عَلَيْكُمْ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَأَنزَلَ مَلَائِكَةً مَّا سَمِعْنَا بِهَٰذَا فِي آبَائِنَا الْأَوَّلِينَ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Ary dia niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ireo vahoakany hoe : “Tsy iza akory izy, fa olombelona tahaka anareo ihany, izay te-hisongadina ho amboninareo. Raha sitrak’i Allah dia ho nampidina ireo Anjely Izy. Tsy mbola naheno an’izany mihitsy izahay tamin’ireo razambenay fahiny.
إِنْ هُوَ إِلَّا رَجُلٌ بِهِ جِنَّةٌ فَتَرَبَّصُوا بِهِ حَتَّىٰ حِينٍ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Tsy inona akory izany afa-tsy lehilahy azon’ny adalàna, ka andrasanareo fa hodinihana tsara mandritra ny fotoana vitsivitsy ny fihetsiny.
قَالَ رَبِّ انصُرْنِي بِمَا كَذَّبُونِ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin'ny lainga izay nataon'izy ireo tamiko ”
فَأَوْحَيْنَا إِلَيْهِ أَنِ اصْنَعِ الْفُلْكَ بِأَعْيُنِنَا وَوَحْيِنَا فَإِذَا جَاءَ أَمْرُنَا وَفَارَ التَّنُّورُ ۙ فَاسْلُكْ فِيهَا مِن كُلٍّ زَوْجَيْنِ اثْنَيْنِ وَأَهْلَكَ إِلَّا مَن سَبَقَ عَلَيْهِ الْقَوْلُ مِنْهُمْ ۖ وَلَا تُخَاطِبْنِي فِي الَّذِينَ ظَلَمُوا ۖ إِنَّهُم مُّغْرَقُونَ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Nilaza taminy Izahay hoe : “Amboary eto imasonay ny sambofiara, araka ny fanambarànay, ka rehefa tonga ny didinay, sy hangotraka ny lafaoro dia ampidiro tsiroaroa, mpivady avy (lahy sy vavy) ireo zava-manan’aina isaka ny karazany ao anaty sambofiara, ary koa ny fianakavinao afa-tsy ireo izay efa nametrahana teny mialoha tsy ho amin’izany (tsy voaavotra amin’ny safo-drano), koa aza miresaka amiko intsony ianao mahakasika ireo mpanao ny tsy rariny, fa ho rendrika tanteraka izy ireny.
فَإِذَا اسْتَوَيْتَ أَنتَ وَمَن مَّعَكَ عَلَى الْفُلْكِ فَقُلِ الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي نَجَّانَا مِنَ الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Ka rehefa tafapetraka tsara ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo izay miaraka aminao dia mitenena hoe : “Dera ho an’i Allah izay nanavotra anay tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny”.
وَقُل رَّبِّ أَنزِلْنِي مُنزَلًا مُّبَارَكًا وَأَنتَ خَيْرُ الْمُنزِلِينَ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Ampidino amin’ny fidinana voatsodrano aho, fa Ianao Ilay Mpampidina mendrika indrindra”.
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ وَإِن كُنَّا لَمُبْتَلِينَ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro tokoa. Marina fa Izahay no Mampisedra (azy ireo).
ثُمَّ أَنشَأْنَا مِن بَعْدِهِمْ قَرْنًا آخَرِينَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Ary, taorian’izy ireo dia nahary taranaka maro hafa Izahay.
فَأَرْسَلْنَا فِيهِمْ رَسُولًا مِّنْهُمْ أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُ ۖ أَفَلَا تَتَّقُونَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Ka nandefa iraka teo amin’izy ireo Izahay, izay avy tamin’izy ireo ihany (mba hiteny hoe) : “ Tompoinareo I Allah. Tsy manana tompo hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ? ”
وَقَالَ الْمَلَأُ مِن قَوْمِهِ الَّذِينَ كَفَرُوا وَكَذَّبُوا بِلِقَاءِ الْآخِرَةِ وَأَتْرَفْنَاهُمْ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا مَا هَٰذَا إِلَّا بَشَرٌ مِّثْلُكُمْ يَأْكُلُ مِمَّا تَأْكُلُونَ مِنْهُ وَيَشْرَبُ مِمَّا تَشْرَبُونَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary niteny ireo loholona, izay tsy nino tamin’ny vahoakany no sady nilaza fa lainga ny fihaonana any an-koatra, nefa izy ireo dia nomenay fahafinaretana tamin’izao fiainana izao, hoe : “Tsy iza akory izany fa olombelona tahaka anareo ihany, mihinana izay haninareo, ary misotro izay sotroinareo”.
وَلَئِنْ أَطَعْتُم بَشَرًا مِّثْلَكُمْ إِنَّكُمْ إِذًا لَّخَاسِرُونَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Raha mankatò olombelona tahaka anareo ianareo dia ho maty antoka tanteraka.
أَيَعِدُكُمْ أَنَّكُمْ إِذَا مِتُّمْ وَكُنتُمْ تُرَابًا وَعِظَامًا أَنَّكُم مُّخْرَجُونَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Moa mampanantena anareo ve izy, fa raha maty ianareo ka ho lasa vovoka sy taolana dia havoaka tao indray (fasana) ?
۞ هَيْهَاتَ هَيْهَاتَ لِمَا تُوعَدُونَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Lavitra dia lavitra tokoa amin’izay ampanantenaina anareo ianareo.
إِنْ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا الدُّنْيَا نَمُوتُ وَنَحْيَا وَمَا نَحْنُ بِمَبْعُوثِينَ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Izany dia tsy inona, afa-tsy izao fiainantsika eto an-tany izao ihany, ho faty ary ho velona isika, fa tsy hatsangana amin’ny maty na oviana na oviana.
إِنْ هُوَ إِلَّا رَجُلٌ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا وَمَا نَحْنُ لَهُ بِمُؤْمِنِينَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Tsy inona akory izy io afa-tsy lehilahy mamoron-dainga mahakasika an’I Allah ihany, ka tsy hino azy velively izahay.
قَالَ رَبِّ انصُرْنِي بِمَا كَذَّبُونِ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho satria milaza ahy ho mpandainga izy ireo”
قَالَ عَمَّا قَلِيلٍ لَّيُصْبِحُنَّ نَادِمِينَ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Ka niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy ho ela dia ho latsa-panenenana tokoa izy ireo”.
فَأَخَذَتْهُمُ الصَّيْحَةُ بِالْحَقِّ فَجَعَلْنَاهُمْ غُثَاءً ۚ فَبُعْدًا لِّلْقَوْمِ الظَّالِمِينَ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Noho izany dia niharan’ilay hiaka tamim-pahamarinana tokoa izy ireo. Ary rehefa avy eo dia nataonay tahaka ny fako noentin-driaka. Hanjavona tanteraka anie ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
ثُمَّ أَنشَأْنَا مِن بَعْدِهِمْ قُرُونًا آخَرِينَ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Ary taorian’izy ireo dia Nahary taranaka maro hafa Izahay.
مَا تَسْبِقُ مِنْ أُمَّةٍ أَجَلَهَا وَمَا يَسْتَأْخِرُونَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Tsy misy vondron’olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
ثُمَّ أَرْسَلْنَا رُسُلَنَا تَتْرَىٰ ۖ كُلَّ مَا جَاءَ أُمَّةً رَّسُولُهَا كَذَّبُوهُ ۚ فَأَتْبَعْنَا بَعْضَهُم بَعْضًا وَجَعَلْنَاهُمْ أَحَادِيثَ ۚ فَبُعْدًا لِّقَوْمٍ لَّا يُؤْمِنُونَ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Manarak'izany dia nandefa nifanesy ireo Irakay Izahay. Ka isaky ny tonga amin’ny vahoakany ny Iraka iray, dia lazain’izy ireo ho mpandainga. Ary nampifandimbiasanay ny fandringanana azy ireo, ka nataonay ho tantara izy ireo. Horingana avokoa anie ireo vahoaka tsy mpino.
ثُمَّ أَرْسَلْنَا مُوسَىٰ وَأَخَاهُ هَارُونَ بِآيَاتِنَا وَسُلْطَانٍ مُّبِينٍ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Avy eo dia nalefanay i Mosesy sy ny rahalahin'i Harona niaraka tamin’ireo fahagagana sy ny porofo miharihary,
إِلَىٰ فِرْعَوْنَ وَمَلَئِهِ فَاسْتَكْبَرُوا وَكَانُوا قَوْمًا عَالِينَ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Ho any amin’i Faraona sy ny loholony, ka niavonavona izy ireo. Vahoaka feno fianjoanjonana izy ireo.
فَقَالُوا أَنُؤْمِنُ لِبَشَرَيْنِ مِثْلِنَا وَقَوْمُهُمَا لَنَا عَابِدُونَ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino ireo lehilahy roa mitovy aminay izahay, nefa ny vahoakan'izy ireo dia andevonay ?
فَكَذَّبُوهُمَا فَكَانُوا مِنَ الْمُهْلَكِينَ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga izy roa lahy, dia lasa anisan’ireo ringana tanteraka izy ireo.
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ لَعَلَّهُمْ يَهْتَدُونَ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Ary tena nomenay an’i Mosesy ny Boky (Tora), angamba hiroso amin’ny làlana mahitsy izy ireo.
وَجَعَلْنَا ابْنَ مَرْيَمَ وَأُمَّهُ آيَةً وَآوَيْنَاهُمَا إِلَىٰ رَبْوَةٍ ذَاتِ قَرَارٍ وَمَعِينٍ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Ary nataonay ho fahagagana tena miavaka ny zanak’i Maria (Jesosy) sy ny reniny (Maria), ka nomenay fialofana izy roa teny ambony havoana feno fitoniana, sady misy loharano.
يَا أَيُّهَا الرُّسُلُ كُلُوا مِنَ الطَّيِّبَاتِ وَاعْمَلُوا صَالِحًا ۖ إِنِّي بِمَا تَعْمَلُونَ عَلِيمٌ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Ô ianareo Iraka ! Mihinana ianareo amin’ireo zavatra tsy voarara sy madio. Ary manaova ny tsara, satria tena mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho.
وَإِنَّ هَٰذِهِ أُمَّتُكُمْ أُمَّةً وَاحِدَةً وَأَنَا رَبُّكُمْ فَاتَّقُونِ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Ary tena marina, fa ity vahoakanareo ity, dia vahoaka tokana ihany, Izaho irery no Tomponareo. Ka matahora Ahy àry ianareo.
فَتَقَطَّعُوا أَمْرَهُم بَيْنَهُمْ زُبُرًا ۖ كُلُّ حِزْبٍ بِمَا لَدَيْهِمْ فَرِحُونَ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Nefa dia nizarazara ho antoko-pinoana maro izy ireo, ka isaky ny antoko-pinoana dia finaritra amin’izay eo am-pelatànany.
فَذَرْهُمْ فِي غَمْرَتِهِمْ حَتَّىٰ حِينٍ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Avelao izy ireo, amin’ny fahaverezany mandritra ny fotoana vitsivitsy.
أَيَحْسَبُونَ أَنَّمَا نُمِدُّهُم بِهِ مِن مَّالٍ وَبَنِينَ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Mihevitra ve izy ireo, fa izay omenay azy ireo amin’ny harena sy zanaka,
نُسَارِعُ لَهُمْ فِي الْخَيْرَاتِ ۚ بَل لَّا يَشْعُرُونَ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Dia ho fanafaingananay ho azy ireo amin’ny fanaovana ireo hatsarana ? Nefa tsy izany, fa izy ireo dia tsy mahatsiaro tena.
إِنَّ الَّذِينَ هُم مِّنْ خَشْيَةِ رَبِّهِم مُّشْفِقُونَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Marina fa ireo izay feno fatahorana ny Tompony, dia fatra mpitandrina.
وَالَّذِينَ هُم بِآيَاتِ رَبِّهِمْ يُؤْمِنُونَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Sy ireo izay mino ireo fanambaran’ny Tompon'izy ireo.
وَالَّذِينَ هُم بِرَبِّهِمْ لَا يُشْرِكُونَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Sy ireo izay tsy manakambana ny Tompony na amin’inona na amin’inona.
وَالَّذِينَ يُؤْتُونَ مَا آتَوا وَّقُلُوبُهُمْ وَجِلَةٌ أَنَّهُمْ إِلَىٰ رَبِّهِمْ رَاجِعُونَ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Ary ireo manome izay nomena azy, ary feno fatahorana ny fon’izy ireo, fa tsy maintsy hiverina amin’ny Tompony izy ireo.
أُولَٰئِكَ يُسَارِعُونَ فِي الْخَيْرَاتِ وَهُمْ لَهَا سَابِقُونَ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Izy ireny dia mizotra haingana amin’ny fanaovana ireo asa soa, ary voalohany amin’ny fanatanterahana izany.
وَلَا نُكَلِّفُ نَفْسًا إِلَّا وُسْعَهَا ۖ وَلَدَيْنَا كِتَابٌ يَنطِقُ بِالْحَقِّ ۚ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Izahay dia tsy mampitondra ny olona ny zavatra izay tsy zakany, ary eo anatrehanay dia misy Boky izay milaza ny marina, ka tsy hambakaina mihitsy izy ireo.
بَلْ قُلُوبُهُمْ فِي غَمْرَةٍ مِّنْ هَٰذَا وَلَهُمْ أَعْمَالٌ مِّن دُونِ ذَٰلِكَ هُمْ لَهَا عَامِلُونَ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Nefa ny fon’izy ireo dia mitoetra ao anatin’ny habadoana eo anatrehan’izany (Kor’any). Ankoatra izany, dia manana asa (ratsy) izay tanterahany izy ireo.
حَتَّىٰ إِذَا أَخَذْنَا مُتْرَفِيهِم بِالْعَذَابِ إِذَا هُمْ يَجْأَرُونَ ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Mandra-pandefasanay ny famaizana ho amin’ny manan-katao amin’izy ireo, dia indro hikiakiaka hiantso vonjy izy ireo.
لَا تَجْأَرُوا الْيَوْمَ ۖ إِنَّكُم مِّنَّا لَا تُنصَرُونَ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Aza mikiakiaka miantso vonjy ianareo androany, fa tsy misy afaka hiaro anareo hanohitra Anay.
قَدْ كَانَتْ آيَاتِي تُتْلَىٰ عَلَيْكُمْ فَكُنتُمْ عَلَىٰ أَعْقَابِكُمْ تَنكِصُونَ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Efa novakiana taminareo ireo fanambaranay, nefa notsipahanareo izany.
مُسْتَكْبِرِينَ بِهِ سَامِرًا تَهْجُرُونَ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Feno fiavonavonana ianareo, ary namaivaninareo izany nandritra ny fiaretan-tory nataonareo.
أَفَلَمْ يَدَّبَّرُوا الْقَوْلَ أَمْ جَاءَهُم مَّا لَمْ يَأْتِ آبَاءَهُمُ الْأَوَّلِينَ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Moa ve tsy mandinika ny teny (Kor’any) izy ireo ? Sa efa tonga tamin’izy ireo izay tsy mbola tonga mihitsy tamin’ireo razambeny fahiny.
أَمْ لَمْ يَعْرِفُوا رَسُولَهُمْ فَهُمْ لَهُ مُنكِرُونَ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Sa tsy nahafantatra ny Iraka tonga taminy ve izy ireo, ka notsipahan’ izy ireo izy ?
أَمْ يَقُولُونَ بِهِ جِنَّةٌ ۚ بَلْ جَاءَهُم بِالْحَقِّ وَأَكْثَرُهُمْ لِلْحَقِّ كَارِهُونَ ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Sa hiteny izy ireo hoe : “Azon’ny adalana izy ?”. Tsy izany mihitsy, fa ny fahamarinana no nentiny tamin’izy ireo. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia mankahala ny fahamarinana.
وَلَوِ اتَّبَعَ الْحَقُّ أَهْوَاءَهُمْ لَفَسَدَتِ السَّمَاوَاتُ وَالْأَرْضُ وَمَن فِيهِنَّ ۚ بَلْ أَتَيْنَاهُم بِذِكْرِهِمْ فَهُمْ عَن ذِكْرِهِم مُّعْرِضُونَ ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Raha ny fahamarinana nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo, dia ho simba tokoa ireo lanitra sy ny tany ary izay ao aminy. Tsy izany anefa, fa efa nomenay azy ireo ny fampatsiahivana. Nefa nitodi-damosina tamin’ny fampatsiahivana izy ireo.
أَمْ تَسْأَلُهُمْ خَرْجًا فَخَرَاجُ رَبِّكَ خَيْرٌ ۖ وَهُوَ خَيْرُ الرَّازِقِينَ ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Sa mangataka tambiny amin’izy ireo ve ianao ? Fa ny tambiny avy amin’ny Tomponao no mendrika indrindra. Ary Izy no Ilay Mpanome anjara fivelomana tsara indrindra.
وَإِنَّكَ لَتَدْعُوهُمْ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Ary ianao no tena miantso azy ireo amin’ny làlana mahitsy.
وَإِنَّ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ عَنِ الصِّرَاطِ لَنَاكِبُونَ ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Nefa ny marina, dia ireo izay tsy mino ny any ankoatra no tena mihataka io lalana io.
۞ وَلَوْ رَحِمْنَاهُمْ وَكَشَفْنَا مَا بِهِم مِّن ضُرٍّ لَّلَجُّوا فِي طُغْيَانِهِمْ يَعْمَهُونَ ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Raha namindra fo tamin’izy ireo Izahay sy nanala ny ratsy taminy, dia tena mbola nijanona ihany tao anatin’ny fandikan-dalàna izy ireo, sy mandeha anjambany ary misalasala.
وَلَقَدْ أَخَذْنَاهُم بِالْعَذَابِ فَمَا اسْتَكَانُوا لِرَبِّهِمْ وَمَا يَتَضَرَّعُونَ ٧٦
📖 Fandikana
Andininy 76
Ary efa noraisinay tamin’ny famaizana tokoa izy ireo, nefa mbola tsy nankato ny Tompon’izy ireo ihany, ary tsy mitalaho mihitsy.
حَتَّىٰ إِذَا فَتَحْنَا عَلَيْهِم بَابًا ذَا عَذَابٍ شَدِيدٍ إِذَا هُمْ فِيهِ مُبْلِسُونَ ٧٧
📖 Fandikana
Andininy 77
Mandra-pahatongan’ny andro izay hanokafanay ny varavaran’ny famaizana mafy, dia indro fa tena kivy tanteraka izy ireo.
وَهُوَ الَّذِي أَنشَأَ لَكُمُ السَّمْعَ وَالْأَبْصَارَ وَالْأَفْئِدَةَ ۚ قَلِيلًا مَّا تَشْكُرُونَ ٧٨
📖 Fandikana
Andininy 78
Ary Izy no Nahary ho anareo ny fandrenesana, ireo fahitana sy ireo fo. Nefa zara raha mankasitraka ianareo.
وَهُوَ الَّذِي ذَرَأَكُمْ فِي الْأَرْضِ وَإِلَيْهِ تُحْشَرُونَ ٧٩
📖 Fandikana
Andininy 79
Ary Izy no nampiely anareo eny ambonin’ny tany, ary any Aminy no hanangonana anareo.
وَهُوَ الَّذِي يُحْيِي وَيُمِيتُ وَلَهُ اخْتِلَافُ اللَّيْلِ وَالنَّهَارِ ۚ أَفَلَا تَعْقِلُونَ ٨٠
📖 Fandikana
Andininy 80
Ary Izy no manome ny aina sy manome ny fahafatesana; ary miankina Aminy ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?
بَلْ قَالُوا مِثْلَ مَا قَالَ الْأَوَّلُونَ ٨١
📖 Fandikana
Andininy 81
Nefa dia niteny mitovy amin’izany no notenenin’ireo olona talohan’ izy ireo.
قَالُوا أَإِذَا مِتْنَا وَكُنَّا تُرَابًا وَعِظَامًا أَإِنَّا لَمَبْعُوثُونَ ٨٢
📖 Fandikana
Andininy 82
Niteny izy ireo hoe : “Raha maty izahay, ka lasa vovoka sy taolana. Moa hatsangana amin’ny maty tokoa ve izahay ?”
لَقَدْ وُعِدْنَا نَحْنُ وَآبَاؤُنَا هَٰذَا مِن قَبْلُ إِنْ هَٰذَا إِلَّا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ ٨٣
📖 Fandikana
Andininy 83
Efa nampanantenana izany izahay, sy ireo razam-benay teo aloha ihany koa, dia tsy inona akory izany afa-tsy anganon’ireo Ntaolo fahiny”.
قُل لِّمَنِ الْأَرْضُ وَمَن فِيهَا إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ ٨٤
📖 Fandikana
Andininy 84
Teneno hoe : “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo ?”
سَيَقُولُونَ لِلَّهِ ۚ قُلْ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ ٨٥
📖 Fandikana
Andininy 85
Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?”
قُلْ مَن رَّبُّ السَّمَاوَاتِ السَّبْعِ وَرَبُّ الْعَرْشِ الْعَظِيمِ ٨٦
📖 Fandikana
Andininy 86
Ka teneno hoe : “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe ?”
سَيَقُولُونَ لِلَّهِ ۚ قُلْ أَفَلَا تَتَّقُونَ ٨٧
📖 Fandikana
Andininy 87
Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy matahotra ve ianareo ?”
قُلْ مَن بِيَدِهِ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيْءٍ وَهُوَ يُجِيرُ وَلَا يُجَارُ عَلَيْهِ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ ٨٨
📖 Fandikana
Andininy 88
Teneno hoe : “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ?
سَيَقُولُونَ لِلَّهِ ۚ قُلْ فَأَنَّىٰ تُسْحَرُونَ ٨٩
📖 Fandikana
Andininy 89
Hiteny izy ireo hoe : “Ho an’I Allah” Teneno hoe : “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ?”
بَلْ أَتَيْنَاهُم بِالْحَقِّ وَإِنَّهُمْ لَكَاذِبُونَ ٩٠
📖 Fandikana
Andininy 90
Nefa noentinay tamin’izy ireo ny fahamarinana, ary tena marina fa mpandainga izy ireo.
مَا اتَّخَذَ اللَّهُ مِن وَلَدٍ وَمَا كَانَ مَعَهُ مِنْ إِلَٰهٍ ۚ إِذًا لَّذَهَبَ كُلُّ إِلَٰهٍ بِمَا خَلَقَ وَلَعَلَا بَعْضُهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ ۚ سُبْحَانَ اللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ ٩١
📖 Fandikana
Andininy 91
Tsy manan-janaka velively Allah, ary tsy misy zanahary hafa miaraka Aminy. Raha tsy izany dia samy handeha hiaraka amin’izay nohariany avy ny zanahary tsirairay. Ary ny sasany amin’izy ireo dia ho lasa ambonimbony noho ny hafa. Ho an’i Allah anie ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Izy no ambony indrindra amin’izay faritan’izy ireo.
عَالِمِ الْغَيْبِ وَالشَّهَادَةِ فَتَعَالَىٰ عَمَّا يُشْرِكُونَ ٩٢
📖 Fandikana
Andininy 92
(Izy no) Mahalala ny zava-miafina sy ny hita maso ! Ary Izy dia ambony lavitra noho izay ankamban’izy ireo Aminy !
قُل رَّبِّ إِمَّا تُرِيَنِّي مَا يُوعَدُونَ ٩٣
📖 Fandikana
Andininy 93
Teneno hoe : “Tompo ô ! Raha sanatria ka asehonao ahy izay ampanantenainao azy ireo."
رَبِّ فَلَا تَجْعَلْنِي فِي الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ ٩٤
📖 Fandikana
Andininy 94
"Tompo ô ! Aza atao ho anisan’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho !”
وَإِنَّا عَلَىٰ أَن نُّرِيَكَ مَا نَعِدُهُمْ لَقَادِرُونَ ٩٥
📖 Fandikana
Andininy 95
Ary ho afaka tokoa hampiseho aminao izay nampanantenanay azy ireo Izahay.
ادْفَعْ بِالَّتِي هِيَ أَحْسَنُ السَّيِّئَةَ ۚ نَحْنُ أَعْلَمُ بِمَا يَصِفُونَ ٩٦
📖 Fandikana
Andininy 96
Atoseho amin’ny alalan’izay tena tsara ny ratsy. Izahay no tena mahalala izay faritan’izy ireo.
وَقُل رَّبِّ أَعُوذُ بِكَ مِنْ هَمَزَاتِ الشَّيَاطِينِ ٩٧
📖 Fandikana
Andininy 97
Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mangataka fiarovana Aminao aho, mba hanoherana ireo fanangolen’ireo satana."
وَأَعُوذُ بِكَ رَبِّ أَن يَحْضُرُونِ ٩٨
📖 Fandikana
Andininy 98
" Ary mangata-piarovana Aminao ihany koa aho ry Tompo, mba tsy hanatonan’izy ireo ahy”.
حَتَّىٰ إِذَا جَاءَ أَحَدَهُمُ الْمَوْتُ قَالَ رَبِّ ارْجِعُونِ ٩٩
📖 Fandikana
Andininy 99
Koa rehefa tonga amin’ny anankiray amin’izy ireo ny fahafatesana, dia hiteny izy hoe : ”Ry Tompoko ! avereno indray (eny ambonin’ny tany) aho.
لَعَلِّي أَعْمَلُ صَالِحًا فِيمَا تَرَكْتُ ۚ كَلَّا ۚ إِنَّهَا كَلِمَةٌ هُوَ قَائِلُهَا ۖ وَمِن وَرَائِهِم بَرْزَخٌ إِلَىٰ يَوْمِ يُبْعَثُونَ ١٠٠
📖 Fandikana
Andininy 100
"Mba hanaovako ny tsara tamin’izay navelako”. Tsia ! Izany dia teny lazaina fotsiny ihany. Ary aorian’izy ireo anefa dia misy sakana (barzakh) hatramin’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty.
فَإِذَا نُفِخَ فِي الصُّورِ فَلَا أَنسَابَ بَيْنَهُمْ يَوْمَئِذٍ وَلَا يَتَسَاءَلُونَ ١٠١
📖 Fandikana
Andininy 101
Ary raha ho tsofina ny Trompeta (Anjomara) dia tsy hisy intsony ny fihavanana amin’izy ireo amin’izany andro izany, ary tsy hifanontany izy ireo.
فَمَن ثَقُلَتْ مَوَازِينُهُ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْمُفْلِحُونَ ١٠٢
📖 Fandikana
Andininy 102
Ka izay mavesatra ny mizànany, dia izy ireny no olon-tsambatra.
وَمَنْ خَفَّتْ مَوَازِينُهُ فَأُولَٰئِكَ الَّذِينَ خَسِرُوا أَنفُسَهُمْ فِي جَهَنَّمَ خَالِدُونَ ١٠٣
📖 Fandikana
Andininy 103
Fa ireo izay maivana kosa ny mizànany, dia maty antoka ny tenan'izy ireo, ka hitoetra ao anatin’ny afobe mandrakizay izy ireo.
تَلْفَحُ وُجُوهَهُمُ النَّارُ وَهُمْ فِيهَا كَالِحُونَ ١٠٤
📖 Fandikana
Andininy 104
Handoro ny tavan’izy ireo ny afo, ary hikainkona ny molotr’izy ireo amin’izany.
أَلَمْ تَكُنْ آيَاتِي تُتْلَىٰ عَلَيْكُمْ فَكُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ ١٠٥
📖 Fandikana
Andininy 105
“Moa ve tsy novakiana taminareo ireo fanambarako, nefa nolazainareo fa lainga izy ireny”.
قَالُوا رَبَّنَا غَلَبَتْ عَلَيْنَا شِقْوَتُنَا وَكُنَّا قَوْمًا ضَالِّينَ ١٠٦
📖 Fandikana
Andininy 106
Niteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Resin’ny fahorianay izahay, ary olona very làlana izahay”.
رَبَّنَا أَخْرِجْنَا مِنْهَا فَإِنْ عُدْنَا فَإِنَّا ظَالِمُونَ ١٠٧
📖 Fandikana
Andininy 107
"Tomponay ô ! Avoahy amin’izao (afobe) izahay ! Ka raha mamerina indray izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.
قَالَ اخْسَئُوا فِيهَا وَلَا تُكَلِّمُونِ ١٠٨
📖 Fandikana
Andininy 108
Niteny Izy ka namaly hoe : “Mijanona ao ianareo (afa-baraka), ary aza miteny Amiko intsony”.
إِنَّهُ كَانَ فَرِيقٌ مِّنْ عِبَادِي يَقُولُونَ رَبَّنَا آمَنَّا فَاغْفِرْ لَنَا وَارْحَمْنَا وَأَنتَ خَيْرُ الرَّاحِمِينَ ١٠٩
📖 Fandikana
Andininy 109
Misy andiany tamin’ireo mpanompoko izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Mino izahay, ka avelao ny helokay ary hamindrao fo izahay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra fo.”
فَاتَّخَذْتُمُوهُمْ سِخْرِيًّا حَتَّىٰ أَنسَوْكُمْ ذِكْرِي وَكُنتُم مِّنْهُمْ تَضْحَكُونَ ١١٠
📖 Fandikana
Andininy 110
Ka nanesoheso azy ireny ianareo, hany ka adinonareo tanteraka ny fahatsiarovana Ahy, ary nataonareo fihomezana izy ireo.
إِنِّي جَزَيْتُهُمُ الْيَوْمَ بِمَا صَبَرُوا أَنَّهُمْ هُمُ الْفَائِزُونَ ١١١
📖 Fandikana
Andininy 111
Tena marina fa Izaho indrindra no hanome valisoa azy ireo anio, noho izy ireo naharitra, ary izy ireo tokoa no mpandresy.
قَالَ كَمْ لَبِثْتُمْ فِي الْأَرْضِ عَدَدَ سِنِينَ ١١٢
📖 Fandikana
Andininy 112
Niteny Izy nanao hoe : “Firy taona no nipetrahanareo teny ambonin’ny tany ?”
قَالُوا لَبِثْنَا يَوْمًا أَوْ بَعْضَ يَوْمٍ فَاسْأَلِ الْعَادِّينَ ١١٣
📖 Fandikana
Andininy 113
Niteny izy ireo, ka namaly hoe : “Nipetraka andro iray izahay teny, na tapak’andro (ampahan’ny andro), koa anontanio àry ireo mpanisa”.
قَالَ إِن لَّبِثْتُمْ إِلَّا قَلِيلًا ۖ لَّوْ أَنَّكُمْ كُنتُمْ تَعْلَمُونَ ١١٤
📖 Fandikana
Andininy 114
Niteny Izy hoe : “Tsy nipetraka raha tsy fotoana vitsy monja ianareo, raha mba fantatrareo tokoa izany”.
أَفَحَسِبْتُمْ أَنَّمَا خَلَقْنَاكُمْ عَبَثًا وَأَنَّكُمْ إِلَيْنَا لَا تُرْجَعُونَ ١١٥
📖 Fandikana
Andininy 115
Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay ianareo ?
فَتَعَالَى اللَّهُ الْمَلِكُ الْحَقُّ ۖ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ رَبُّ الْعَرْشِ الْكَرِيمِ ١١٦
📖 Fandikana
Andininy 116
Fiderana avo indrindra ho an’I Allah, Ilay Mpanjaka tena marina. Tsy misy tompo afa-tsy Izy. Tompon’ny Seza fiandrianana be voninahitra.
وَمَن يَدْعُ مَعَ اللَّهِ إِلَٰهًا آخَرَ لَا بُرْهَانَ لَهُ بِهِ فَإِنَّمَا حِسَابُهُ عِندَ رَبِّهِ ۚ إِنَّهُ لَا يُفْلِحُ الْكَافِرُونَ ١١٧
📖 Fandikana
Andininy 117
Ary na iza na iza miantso tompo hafa miaraka amin’I Allah, ka tsy manana porofo mazava ny amin’izany izy, dia eo anatrehan’ny Tompony. ny fitsarana azy. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana ireo tsy mpino.
وَقُل رَّبِّ اغْفِرْ وَارْحَمْ وَأَنتَ خَيْرُ الرَّاحِمِينَ ١١٨
📖 Fandikana
Andininy 118
Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mamelà sy mamindrà fo, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra-fo."
Vakio Surah Al-Mu'minun Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

