Ash-Shura · 16/53
Fandikana Fanononana — Ash-Shura
وَالَّذِينَ يُحَاجُّونَ فِي اللَّهِ مِن بَعْدِ مَا اسْتُجِيبَ لَهُ حُجَّتُهُمْ دَاحِضَةٌ عِندَ رَبِّهِمْ وَعَلَيْهِمْ غَضَبٌ وَلَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ ۝١٦
Wallazeena yuhaaajjoona fil laahi mim ba`di mastujeeba lahoo hujjatuhum daahidatun `inda Rabbihim wa `alaihim ghadabunw wa lahum `azaabun shadeed
📖 Dikany Malagasy
Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 14-18 — Ash-Shura

14وَمَا تَفَرَّقُوا إِلَّا مِن بَعْدِ مَا جَاءَهُمُ الْعِلْمُ بَغْيًا بَيْنَهُمْ ۚ وَلَوْلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتْ مِن رَّبِّكَ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى لَّقُضِيَ بَيْنَهُمْ ۚ وَإِنَّ الَّذِينَ أُورِثُوا الْكِتَابَ مِن بَعْدِهِمْ لَفِي شَكٍّ مِّنْهُ مُرِيبٍ
Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, ary izany dia noho ny fifandrafiana teo aminy ihany. Raha tsy ny teny mialoha nataon’ny TompoNao mikasika ny fotoana efa voafetra, dia efa notsaraina izy. Tena ao anatin’ny fisalasalana tanteraka ireo izay nandova ny Boky taorian’izy ireo.
15فَلِذَٰلِكَ فَادْعُ ۖ وَاسْتَقِمْ كَمَا أُمِرْتَ ۖ وَلَا تَتَّبِعْ أَهْوَاءَهُمْ ۖ وَقُلْ آمَنتُ بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ مِن كِتَابٍ ۖ وَأُمِرْتُ لِأَعْدِلَ بَيْنَكُمُ ۖ اللَّهُ رَبُّنَا وَرَبُّكُمْ ۖ لَنَا أَعْمَالُنَا وَلَكُمْ أَعْمَالُكُمْ ۖ لَا حُجَّةَ بَيْنَنَا وَبَيْنَكُمُ ۖ اللَّهُ يَجْمَعُ بَيْنَنَا ۖ وَإِلَيْهِ الْمَصِيرُ
Koa antsoy ho amin’izany àry izy ireo, ary mijoroa ho mahitsy araka izay nanafarana anao ; dia aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao, fa lazao hoe : “Mino izay Boky rehetra nampidinin'I Allah aho, ary nandidiana ahy ny hanao ny rariny eo aminareo. Tomponay sy Tomponareo Allah. Anay ny asanay, ary anareo ny asanareo, tsy misy hevitra azo tapahina eo aminay sy aminareo, fa havorin’Allah avokoa isika rehetra, ary any Aminy no hiafarana.”
16وَالَّذِينَ يُحَاجُّونَ فِي اللَّهِ مِن بَعْدِ مَا اسْتُجِيبَ لَهُ حُجَّتُهُمْ دَاحِضَةٌ عِندَ رَبِّهِمْ وَعَلَيْهِمْ غَضَبٌ وَلَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ
Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo.
17اللَّهُ الَّذِي أَنزَلَ الْكِتَابَ بِالْحَقِّ وَالْمِيزَانَ ۗ وَمَا يُدْرِيكَ لَعَلَّ السَّاعَةَ قَرِيبٌ
Allah no nampidina ny Boky tamim-pahamarinana, toy izany koa ny fandanjana.Koa inona no fantatrao ny amin’izany ?Angamba efa akaiky ilay Ora ?
18يَسْتَعْجِلُ بِهَا الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِهَا ۖ وَالَّذِينَ آمَنُوا مُشْفِقُونَ مِنْهَا وَيَعْلَمُونَ أَنَّهَا الْحَقُّ ۗ أَلَا إِنَّ الَّذِينَ يُمَارُونَ فِي السَّاعَةِ لَفِي ضَلَالٍ بَعِيدٍ
Mitady hanafaingana izany izay tsy mino, fa matahotra kosa izay mino, ary mahafantatra fa izany mihitsy no marina. Fa izay miady hevitra mikasika ilay Ora kosa, dia very lalana tanteraka.
Ash-ShuraFizahan-takila Koraña
53Andininy
MeccanRevelation
16Andininy

Fandikana — Ash-Shura 16

Surah Ash-Shura Andininy 16 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana…

Surah Andininy 16/53 — Ash-Shura الشورى (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ash-Shura Henoy, Ash-Shura Fandikana, Ash-Shura mp3, Ash-Shura pdf. Andininy 14–18. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers