Ash-Shura · 14/53
Fandikana Fanononana — Ash-Shura
وَمَا تَفَرَّقُوا إِلَّا مِن بَعْدِ مَا جَاءَهُمُ الْعِلْمُ بَغْيًا بَيْنَهُمْ ۚ وَلَوْلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتْ مِن رَّبِّكَ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى لَّقُضِيَ بَيْنَهُمْ ۚ وَإِنَّ الَّذِينَ أُورِثُوا الْكِتَابَ مِن بَعْدِهِمْ لَفِي شَكٍّ مِّنْهُ مُرِيبٍ ۝١٤
Wa maa tafarraqooo illaa mim ba`di maa jaaa`ahumul `ilmu baghyam bainahum; wa law laa Kalimatun sabaqat mir Rabbika ilaaa ajalim musammal laqudiya bainahum; wa innal lazeena oorisul Kitaaba mim ba`dihim lafee shakkim minhu mureeb
📖 Dikany Malagasy
Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, ary izany dia noho ny fifandrafiana teo aminy ihany. Raha tsy ny teny mialoha nataon’ny TompoNao mikasika ny fotoana efa voafetra, dia efa notsaraina izy. Tena ao anatin’ny fisalasalana tanteraka ireo izay nandova ny Boky taorian’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 12-16 — Ash-Shura

12لَهُ مَقَالِيدُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ ۚ إِنَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Manana ireo fanalahidin’ny lanitra sy ny tany Izy. Mizara an-kalalahana ny FanomezaNy amin’izay sitrany Izy, na mametra izany. Mahafantatra ny zavatra rehetra tokoa Izy.
13۞ شَرَعَ لَكُم مِّنَ الدِّينِ مَا وَصَّىٰ بِهِ نُوحًا وَالَّذِي أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ وَمَا وَصَّيْنَا بِهِ إِبْرَاهِيمَ وَمُوسَىٰ وَعِيسَىٰ ۖ أَنْ أَقِيمُوا الدِّينَ وَلَا تَتَفَرَّقُوا فِيهِ ۚ كَبُرَ عَلَى الْمُشْرِكِينَ مَا تَدْعُوهُمْ إِلَيْهِ ۚ اللَّهُ يَجْتَبِي إِلَيْهِ مَن يَشَاءُ وَيَهْدِي إِلَيْهِ مَن يُنِيبُ
Nametraka lalàna ho anareo Izy mikasika ny finoana, izay nandidiaNy an’i Noa, ary nambaraNay taminao, ka nandidiaNay an’i Abrahama, Mossa ary Jesoa : “Ajoroy ny finoana, ary aza atao mampisaraka anareo”. Toa hitan’ireo mpampitambatra an’i Allah amin’ny hafa ho sarotra izay iantsoanao azy ireo. Mifidy izay tiany ho any Aminy Allah, ary mitari-dalana izay mibebaka ho any Aminy ihany koa Izy.
14وَمَا تَفَرَّقُوا إِلَّا مِن بَعْدِ مَا جَاءَهُمُ الْعِلْمُ بَغْيًا بَيْنَهُمْ ۚ وَلَوْلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتْ مِن رَّبِّكَ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى لَّقُضِيَ بَيْنَهُمْ ۚ وَإِنَّ الَّذِينَ أُورِثُوا الْكِتَابَ مِن بَعْدِهِمْ لَفِي شَكٍّ مِّنْهُ مُرِيبٍ
Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, ary izany dia noho ny fifandrafiana teo aminy ihany. Raha tsy ny teny mialoha nataon’ny TompoNao mikasika ny fotoana efa voafetra, dia efa notsaraina izy. Tena ao anatin’ny fisalasalana tanteraka ireo izay nandova ny Boky taorian’izy ireo.
15فَلِذَٰلِكَ فَادْعُ ۖ وَاسْتَقِمْ كَمَا أُمِرْتَ ۖ وَلَا تَتَّبِعْ أَهْوَاءَهُمْ ۖ وَقُلْ آمَنتُ بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ مِن كِتَابٍ ۖ وَأُمِرْتُ لِأَعْدِلَ بَيْنَكُمُ ۖ اللَّهُ رَبُّنَا وَرَبُّكُمْ ۖ لَنَا أَعْمَالُنَا وَلَكُمْ أَعْمَالُكُمْ ۖ لَا حُجَّةَ بَيْنَنَا وَبَيْنَكُمُ ۖ اللَّهُ يَجْمَعُ بَيْنَنَا ۖ وَإِلَيْهِ الْمَصِيرُ
Koa antsoy ho amin’izany àry izy ireo, ary mijoroa ho mahitsy araka izay nanafarana anao ; dia aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao, fa lazao hoe : “Mino izay Boky rehetra nampidinin'I Allah aho, ary nandidiana ahy ny hanao ny rariny eo aminareo. Tomponay sy Tomponareo Allah. Anay ny asanay, ary anareo ny asanareo, tsy misy hevitra azo tapahina eo aminay sy aminareo, fa havorin’Allah avokoa isika rehetra, ary any Aminy no hiafarana.”
16وَالَّذِينَ يُحَاجُّونَ فِي اللَّهِ مِن بَعْدِ مَا اسْتُجِيبَ لَهُ حُجَّتُهُمْ دَاحِضَةٌ عِندَ رَبِّهِمْ وَعَلَيْهِمْ غَضَبٌ وَلَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ
Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo.
Ash-ShuraFizahan-takila Koraña
53Andininy
MeccanRevelation
14Andininy

Fandikana — Ash-Shura 14

Surah Ash-Shura Andininy 14 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana…

Surah Andininy 14/53 — Ash-Shura الشورى (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ash-Shura Henoy, Ash-Shura Fandikana, Ash-Shura mp3, Ash-Shura pdf. Andininy 12–16. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers