Ash-Shura · 49/53
Fandikana Fanononana — Ash-Shura
لِّلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ يَهَبُ لِمَن يَشَاءُ إِنَاثًا وَيَهَبُ لِمَن يَشَاءُ الذُّكُورَ ۝٤٩
Lillaahi mulkus samaawaati wal ard; yakhluqu maa yashaaa`; yahabu limai yashaaa`u inaasanw wa yahabu limai yashaaa`uz zukoor
📖 Dikany Malagasy
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka izay tiany Izy. Manome zazavavy ho an’izay tiany homena izany Izy, ary manome zazalahy ihany koa, ho an’izay tiany homena izany,
🎧 Henoy

📜 Andininy 47-51 — Ash-Shura

47اسْتَجِيبُوا لِرَبِّكُم مِّن قَبْلِ أَن يَأْتِيَ يَوْمٌ لَّا مَرَدَّ لَهُ مِنَ اللَّهِ ۚ مَا لَكُم مِّن مَّلْجَإٍ يَوْمَئِذٍ وَمَا لَكُم مِّن نَّكِيرٍ
Valio ny antson’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ilay andro (farany) izay tsy hanemoran'Allah intsony. Amin’io andro io, dia tsy hisy fialokalofana ho anareo, ka tsy ho azonareo lavina mihitsy.
48فَإِنْ أَعْرَضُوا فَمَا أَرْسَلْنَاكَ عَلَيْهِمْ حَفِيظًا ۖ إِنْ عَلَيْكَ إِلَّا الْبَلَاغُ ۗ وَإِنَّا إِذَا أَذَقْنَا الْإِنسَانَ مِنَّا رَحْمَةً فَرِحَ بِهَا ۖ وَإِن تُصِبْهُمْ سَيِّئَةٌ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ فَإِنَّ الْإِنسَانَ كَفُورٌ
Koa raha mitsipaka izy ireo dia tsy hiantoka ny famonjena azy ireo no nandefasanay anao, fa ny mampita ihany no andraikitrao. Ary rehefa omenay famindram-po avy aminay ny olombelona, dia mifaly ; fa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.
49لِّلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ يَهَبُ لِمَن يَشَاءُ إِنَاثًا وَيَهَبُ لِمَن يَشَاءُ الذُّكُورَ
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka izay tiany Izy. Manome zazavavy ho an’izay tiany homena izany Izy, ary manome zazalahy ihany koa, ho an’izay tiany homena izany,
50أَوْ يُزَوِّجُهُمْ ذُكْرَانًا وَإِنَاثًا ۖ وَيَجْعَلُ مَن يَشَاءُ عَقِيمًا ۚ إِنَّهُ عَلِيمٌ قَدِيرٌ
Na koa sady manome zazalahy Izy no manome zazavavy ary ataony momba izay tiany ho amin’izany. Hamafisina, fa mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra Izy.
51۞ وَمَا كَانَ لِبَشَرٍ أَن يُكَلِّمَهُ اللَّهُ إِلَّا وَحْيًا أَوْ مِن وَرَاءِ حِجَابٍ أَوْ يُرْسِلَ رَسُولًا فَيُوحِيَ بِإِذْنِهِ مَا يَشَاءُ ۚ إِنَّهُ عَلِيٌّ حَكِيمٌ
Tsy natao hitenenan’I Allah (mivantana) ny olombelona, raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana, na ambadiky ny rakotra, na mandefa Iraka (Anjely) izay nahazo alalana avy Aminy izy, hitondra ny fanambarana, araka izay sitrany. Ambony indrindra Izy sady be fahendrena.
Ash-ShuraFizahan-takila Koraña
53Andininy
MeccanRevelation
49Andininy

Fandikana — Ash-Shura 49

Surah Ash-Shura Andininy 49 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka…

Surah Andininy 49/53 — Ash-Shura الشورى (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ash-Shura Henoy, Ash-Shura Fandikana, Ash-Shura mp3, Ash-Shura pdf. Andininy 47–51. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers