Surah Al-Qasas
PDF —
88 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Qasas pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Qasas pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Qasas Fandikana. Al-Qasas (Meccan) 88 Andininy.



Surah Al-Qasas
88 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮝﮞ
Twa, Sin, Mim.
ﮟﮠﮡﮢﮣ
Indro ireo andinin’ilay Boky mazava.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
Hovakinay aminao amim-pahamarinana, ny ampahan’ny tantaran’i Mosesy sy i Faraona, ho an’ireo vahoaka izay mino.
ﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
Tena marina fa i Faraona dia nanambony tena teto an-tany ; ary nozarazarainy ny mponina tao Aminy, mba hahafahany manararaotra ny fahalemen’ny ampahany iray amin’izy ireo ; tapahany ny vozon’ny zanaka lahin’izy ireo, ary avelany ho velona kosa ireo vehivavin’izy ireo. Marina fa izy dia anisan’ireo mpanao asa fanimbana.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
Nefa Izahay dia mila hanome tombony ho an’ireo izay nalemena teto an-tany, ka ataonay ho mpitarika izy ireo, sy ataonay ho mpandova.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
Ary ho manam-pahefana izy ireo eto an-tany, ary hasehonay amin’i Faraona, amin’i Hamàna ary amin’ny miaramilan’izy roa, amin’ny alalan’izy ireo (zanak’Israely), izay natahoran’izy ireo.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
Ary nandefasanay hafatra ny renin’i Mosesy hoe : “Ampinonoy izy. Ary raha matahotra ny aminy ianao, dia alatsaho anaty renirano izy. Ary aza matahotra sy malahelo ianao ; tena marina fa Izahay dia hamerina azy eo aminao, ary hanao azy ho anisan’ireo Iraka”.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
Ary noraisin’ireo fianakavian’i Faraona izy, mba ho lasa fahavalo sy (ho loharanon’ny) alahelo ho azy ireo ! Marina fa i Faraona, Hamàna ary ireo miaramilany dia nanam-pahadisoana.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity) dia fahafinaretan’ny masoko sy ny anao ! Aza vonoinareo izy. Angamba hitondra voka-tsoa ho antsika na ho raisintsika ho zanaka izy”. Ary tsy nahatsapa na inona na inona izy ireo.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
Lasa foana ny fon’ny renin’i Mosesy, saika haharihariny avokoa ny momba azy, raha tsy nohamafisinay ny fony, mba ho anisan’ireo mpino izy.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
Ary niteny tamin’ny anabaviny izy hoe : “Araho izy”, ka tazany avy lavitra izy, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa akory.
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
Ary noraranay taminy hatreto ireo mpampinono. Dia niteny izy hoe : “Moa ve sitrakareo ny hanoroako anareo ny fianakavian’ny trano iray, izay afaka hiandraikitra azy ho anareo sady hanoro hevitra tsara ho azy ?”
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
Ary dia naverinay tany amin’ny reniny izy, mba hamalifaly ny masony, sy tsy hampalahelo azy, ary mba ahafantarany fa ny fampanantenan’I Allah dia marina tokoa. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
Ary rehefa tonga tamin’ny fahamatoran-tsainy sy nahatratra ny fahafenoana ara-batana izy, dia nomenay fahafahana mitsara sy fahalalana izy. Ary tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao tsara.
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
Ary niditra tao amin’ny tanàna izy tamin’ny fotoana nahavariana ny mponina tao aminy, ka nahita lehilahy roa izay niady tao izy, ny iray avy amin’ny andaniny mpomba azy, ary ny iray faharoa avy amin’ireo fahavalony. Niantso vonjy taminy ilay lehilahy avy amin’ny andaniny mpomba azy mba hanohitra ilay avy amin’ny fahavalony. Ka nomen’i Mosesy totohondry izay nahafaty azy izy. Niteny izy hoe : “Izany dia asan’ny satana. Tena marina fa izy dia fahavalo, mpanary miharihary.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Tena marina fa nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, ka mamelà ahy Ianao”. Dia namela azy Izy. Tena marina fa Izy no Ilay be Famelan-keloka, ilay be Indrafo.
ﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Nohon'ny fahasoavana natobakao tamiko, dia tsy hanohana ireo mpanao heloka be vava intsony aho”.
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.
ﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
Ary rehefa mila hamely ilay fahavalo iombonan’izy roa lahy izy, dia niteny izy nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Mitady hamono ahy ve ianao tahaka ny namonoanao olona omaly ? Tsy mitady afa-tsy ho mpanao herisetra eto an-tany ianao, ary tsy mitady ho anisan’ireo mpanatsara”.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇ
Ary dia indro tonga am-pihazakazahana ny lehilahy anankiray avy amin’ny faran’ny tanàna, niteny hoe : “Ô ry Mosesy ! Ireo loholona dia eo am-pikaonan-doha mifandinika momba ny hamonoan’izy ireo anao. Ka mivoaha ianao ! Anisan’ireo mpanoro hevitra anao aho”.
ﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓ
Ka nivoaka niala tao izy, amim-patahorana, sady mjery ny manodidina azy. Niteny izy nanao hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin’ny vahoaka mpanao ny tsy rariny”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
Ary rehefa nizotra nankany Madiàna izy, dia niteny hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dalana ahy amin’ny lala-mahitsy”.
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Ary rehefa tonga teo amin’ny toerana misy rano tao Madiàna izy, dia nahita andian’olona izay mampisotro rano (ny biby fiompin’izy ireo), ary nahita koa izy, vehivavy anankiroa mbola mihataka lavidavitra kely, izay mitazona (ireo biby fiompiny). Niteny izy (Mosesy) hoe : “Inona no tadiavinareo ?”. Namaly izy roa nanao hoe : “Tsy hampisotro rano mihitsy izahay raha tsy efa lasa daholo ireo mpiandry ondry" ; ary ny rainay dia tena efa antitra.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
Nampisotroiny (ireo biby fiompin’) izy roa, avy eo dia niverina nankany amin’ny aloka izy sady niteny nanao hoe : “Tompo ô ! Tena ilaiko tokoa ny fahasoavana izay hampidininao amiko”.
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
Avy eo dia tonga taminy ny iray tamin’ireo vehivavy anankiroa, mamindra amim-pahamaontinana, ka niteny taminy hoe : “Tena miantso anao ny raiko mba hanomezany anao valisoa tamin’ny fampisotroanao anay (ho an’ireo biby fiompinay)” Ary rehefa tonga teo anatrehany izy, ka notantarainy taminy ny tantara, dia niteny izy (ilay anti-dahy) nanao hoe : “Aza matahotra fa avotra tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ianao”.
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
Niteny ny iray tamin’izy roa (vavy) hoe : “Ry dada ô ! Ampiasao handray karama izy, satria ny tena tsara amin’izay hampiasanao ho karamaina dia ilay matanjaka sy mendri-pitokisana”.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶ
Niteny izy (ilay anti-dahy) hoe : “Izaho dia te-hampanambady anao ny iray amin’ireo zanako vavy roa ireo, raha toa ka vonona ianao hiasa amiko mandritra ny valo taona. Raha fenoinao folo (taona) kosa izany dia miankina aminao ihany, na dia izany aza dia tsy mitady izay hampanahirana anao aho. Ka ho hitanao aho, raha sitrak’I Allah, fa anisan’ireo olona tsara”
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈ
Niteny izy (Mosa) hoe : “Izany dia (fifanarahana) eo amiko sy ianao. Ka na inona na inona tanterahiko amin’ireo fe-potoana ankiroa ireo, dia tsy misy fanerena azo atao amiko. Ary Allah no Mpiantoka amin’izay rehetra lazaintsika ”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮ
Koa rehefa nanatanteraka ny fe-potoana nifanarahana i Mosesy, ary lasa nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany izy, dia nahatazana afo tamin’ny sisin’ilay tendrombohitra izy. Niteny tamin’ny fianakaviany izy nanao hoe : “Mipetraha eto ianareo. Nahita afo aho. Angamba hitondra vaovao ho anareo aho avy amin’izany, na tapa-porohan’afo mba ahafahanareo manafana tena”.
ﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
Ka rehefa tonga teny aminy izy, dia voaantso avy eo amin’ny sisin’ny lohasaha havanana, amin’ilay toerana feno fahasoavana, tamin’ilay hazo nanao hoe : “Ô ry Mosesy ! Tena marina fa Izaho no Allah, Tompon’izao tontolo izao.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
Ary atsipazo ny tehinao”, ary rehefa hitany nihetsiketsika toy ny biby lava izany, dia nitodi-damosina (nandositra) izy sady tsy nitoditodika. “Ô ry Mosesy ! Manatòna ianao ary aza matahotra, fa ianao dia tena anisan’ny voaaro”.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
“Ampidiro amin’ny vakin’ny lambanao avy eo amin’ny tratra ny tananao, hivoaka ho fotsy tsy misy aretina izany. Ary fihino mafy amin’ny tenanao ny tananao mba tsy hatahotra ianao. Izy roa ireo dia porofo avy amin’ny Tomponao ho (entina) any amin’i Faraona sy ireo loholony. Marina fa izy ireo dia vahoaka mpanao asa ratsy”.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Izaho dia namono olona iray tamin’izy ireo, koa matahotra sao dia ho vonoin’izy ireo aho.
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
Fa i Harona rahalahiko dia mahafantatra mandaha-teny kokoa noho izaho. Koa alefaso izy miaraka amiko ho mpanampy, hanamarina ny teniko, tena matahotra tokoa aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga”.
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
Niteny Izy (Allah) hoe : “Hamafisinay àry ny sandrinao amin’ny alàlan’ny rahalahinao, ary omenay fahefana ianareo roa, ka tsy ahakasika anareo izy ireo. Nohon'ny famantarana (fahagagana) avy Aminay, dia ianareo roa sy izay manaraka anareo no ho mpandresy”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
Rehefa tonga tamin’izy ireo i Mosesy niaraka tamin’ireo famantaranay mazava, dia niteny izy ireo hoe : “Tsy inona ity afa-tsy majika noforonina. Ary tsy mbola naheno izao izahay tamin’ireo razambenay teo aloha”.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
Ary niteny i Mosesy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana avy Aminy, ary ho an’iza ny fonenana farany. Marina fa tsy ahita fahombiazana ireo mpanao ny tsy rariny”.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
Ary niteny i Faraona hoe : “Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. Ô ry Hamana ! Hamelomy afo ambonin’ny tany manga aho, avy eo dia hanoreno tilikambo aho, angamba hiakatra aho hatrany amin’ny Zanaharin’i Mosesy, ary tena mihevitra aho fa izy dia anisan’ireo mpandainga”.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
Ary nanambony tena izy sy ny miaramilany teto ambonin’ny tany, tsy amim-pahamarinana. Ary nihevitra tokoa izy ireo fa tsy haverina aty Aminay.
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫ
Ka noraisinay izy sy ny miaramilany, ary natsipinay tao anaty ranomasina. Jereo àry ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny.
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
Ary nataonay ho mpitarika miantso mankany amin’ny Afobe izy ireo. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty) dia tsy avotana izy ireo.
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
Ary nampanarahanay azy ireo, ny ozona eto an-tany. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty), izy ireo dia ho anisan’ny ratsy indrindra.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo taranaka taloha, ho porofo hita maso ho an’ireo olona, sy ho tari-dàlana ary ho famindram-pò. Angamba ahatsiaro izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
Tsy teo amin’ny ilany andrefan’ (ny tendrombohitra Sinay) ianao (ry Mohammad), rehefa namoaka ny didy tamin’i Mosesy Izahay, ary tsy anisan’ireo vavolombelona ianao.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
Kanefa, tena marina fa nahary taranaka maro Izahay, izay nihalava tamin’izy ireo ny taona niainany (tsy misy Iraka). Ary ianao dia tsy anisan’ireo niara-monina tamin’ny vahoakan’i Madiàna ka namaky ny fanambaranay tamin’izy ireo; nefa Izahay no nandefa ireo Iraka.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
Ary ianao dia tsy teo amin’ny ilan’ny tendrombohitra raha niantso Izahay. Fa (tonga ianao) ho famindram-pò avy amin’ny Tomponao, mba hampitandrina ny vahoaka izay tsy nisy Mpampitandrina talohanao tonga tamin’izy ireo, angamba ahatsiaro izy ireo.
ﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
Fa raha misy fahoriana manjò azy ireo nohon'ny vokatr’izay nataon’ny tànany dia hiteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no tsy mba nandefa Iraka taminay Ianao ? Mba nanarahanay ireo Fanambaranao, ka ho anisan’ireo mpino izahay”.
ﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘ
Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy Aminay, dia niteny izy ireo hoe : “Raha mba nomena mitovy amin’izay nomena an’i Mosesy izy” Moa tsy nitsipaka izay nomena an’i Mosesy teo aloha ve izy ireo ? Niteny izy ireo hoe : “Majika ankiroa (Thorà sy Kor’àny) no nifanohana !”. Ary niteny izy ireo hoe : “Izahay dia tsy mino na dia iray aza amin’izy ireo”.
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
Lazao hoe : “Mitondrà ianareo boky iray avy amin’I Allah izay tari-dalana mendrika kokoa noho izy roa ireo, ka hanaraka izany aho raha marina ny anareo”.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
Fa raha tsy mamaly anao izy ireo, dia fantaro àry fa ny sitrapon’izy ireo ihany no arahin’izy ireo. Ary iza koa no very lalana mihoatra izay manaraka ny sitrapony nefa tsy misy tari-dalana avy amin’I Allah ? Marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
Ary efa novelabelarinay tamin’izy ireo ny teny (Kor’àny), angamba izy ireo hahatsiaro.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
Ireo izay nomenay ny Boky, talohan’ny (Kor’àny), izy ireo dia mino azy.
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱ
Ary raha vakiana amin’izy ireo ny (Kor’àny), dia miteny izy ireo manao hoe : “Mino izany tanteraka izahay, tena marina fa izy io dia avy amin’ny Tomponay, ary izahay talohan’ny nahatongavany dia efa nankato (an’I Allah)”.
ﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾ
Izy ireny dia ho tolorana ny valisoany in-droa miantoana nohon'ny faharetan’izy ireo, sy mamaly ny ratsy amin’ny alalan’ny tsara izy ireo, ary manao ny asa fandaniana amin’izay nomenay azy izy ireo.
ﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
Ary rehefa maheno ny zava-tsinontsinoavina izy ireo, dia mitodi-damosina, ka miteny manao hoe : “Ho anay ny asanay, ary ho anareo ny asanareo. Fiadanana anie ho anareo ! Ary tsy mitady ireo bado izahay”.
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
Tena marina fa ianao (ry Mohammady) dia tsy afaka hitari-dalana izay tianao, fa I Allah kosa no mitari-dalana izay sitrany, ary Izy no tena mahafantatra ireo izay (ho) voatari-dalana.
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
Ary nilaza izy ireo nanao hoe : “Raha manaraka ny tari-dalana tsara miaraka aminao izahay, dia ho esorina amin’ny taninay”. Moa tsy napetrakay tamin’ny tany masina, azo antoka ve izy ireo, izay hitondràna ny vokatra isan-karazany ho anjara fanomezana avy aty Aminay ? Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
Ary firifiry moa ny tanàna narendrikay izay tsy nahalala nankasitraka tamin’ny fiainany (nefa ny mponina tao aminy dia niaina tamin’ny fahampiana), fa indro ny toeram-ponenan’izy ireo, tsy nisy nipetraka afa-tsy vitsy an'isa ihany taorian’izy ireo, ary Izahay tokoa no tena Mpandova.
ﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃ
Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
Moa ve izay nomenay fampanantenana tsara ka ahita ny fahatanterahan’izany, dia mitovy amin'izay nomenay fahafinaretana amin’ny fiainana eto an-tany ? Avy eo amin’ny Andro Fitsanganana dia ho anisan’ireo izay hiseho fitsarana izy ?
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
Niteny ireo izay niharan’ny fitenenana nanao hoe : “Tomponay ô ! Ireny (ny vahoaka) izay noverezinay, noverezinay izy ireo tahaka ny nahavery anay ihany koa. Mitsipaka (azy ireo) eo anatrehanao izahay. Tsy izahay no notompoin’izy ireo”.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
Ary hotenenina (izy ireo) hoe : “Antsoy ireo mpiara-miombon’antoka taminareo !” Ka hiantso azy ireo izy ireo, nefa tsy hamaly azy ireo izy ireo. Rehefa hahita ny sazy izy ireo, dia haniry ny nanaraka ny tari-dalana (tamin’ny fiainana an-tany) !
ﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany azy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hanao hoe : “Inona no navalinareo ireo Iraka ?”.
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰ
Ka hifamahofaho amin’izy ireo ny vaovao (porofo) amin’izany andro izany, ka tsy hifampanontany intsony izy ireo.
ﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
Nefa ireo izay nibebaka sy nino ary nanao ny tsara, dia angamba ho anisan’ireo hahazo fahombiazana.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮ
Ary ny Tomponao dia mahary sy misafidy izay sitrany, fa tsy andraikitr’izy ireo mihitsy no misafidy. Voninahitra anie ho an’I Allah ! Ary ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy !
ﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶ
Ary ny Tomponao dia mahafantatra izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay abaribariny.
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈ
Ary Izy no Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Azy ny fiderana ety an-tany sy any ankoatra. Azy ny fitsarana ary any Aminy no hamerenana anareo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny alina hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra hazavana ho anareo ? Moa ve tsy maheno ianareo ?
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny andro hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra ho anareo ny alina izay mba hialanareo sasatra ? Moa ve tsy mahita ianareo ?
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
Ary nohon'ny famindram-pony dia nataony ho anareo ny alina sy ny andro mba hialanareo sasatra sy hitadiavanareo ny fahasoavany, ary angamba hankasitraka ianareo!
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
Ary amin’ny andro izay hiantsoany (Allah) azy ireo, dia hiteny Izy hoe : “Aiza ireo mpiara-miombon’antoka Amiko (izay noheverinareo hanavotra sy hanelanelana ho anareo) ?”
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
Ary hamoaka vavolombelona isaky ny vahoaka izahay, ka hiteny izahay hoe : “Ento aty ny porofonareo !”. Ka ho fantatr’izy ireo fa ny fahamarinana dia an’I Allah; ary handao azy ireo izay noforonin’izy ireo.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
Tena marina fa i Karona dia isan’ny vahoakan’i Mosesy, nefa nihoam-pefy tamin’izy ireo izy. Ary nomenay harena sarobidy izy, ka ireo fanalahidin’izany dia tena mavesatra amin’ireo andian’olona matanjaka. Niteny taminy ny vahoakany nanao hoe : “Aza mifaly mihitsy ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mientanentan-kafaliana.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆ
Ary tadiavo amin’ny alalan’izay nomen’I Allah anao, ny fonenana any ankoatra. Ary aoka ianao tsy hanadino ny anjaranao eto an-tany. Ary manaova ny tsara tahaka ny nanaovan’I Allah ny tsara teo aminao ianao. Ary aza mitady hanao fanimbana ety ambonin’ny tany ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao asa fanimbàna”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
Nilaza izy nanao hoe : “Tena marina fa nomena ahy izao, nohon'ny fahalalana izay ananako”. Moa ve tsy fantany fa Allah dia efa nandringana taranaka maro teo alohany, izay matanjaka mihoatra azy amin’ny herim-batana sy manana harena mihoatra ny azy ? Ary tsy hanontaniana ireo mpanao heloka be vava momba ny fahotan’izy ireo.
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra. Nilaza ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nanao hoe : “Indrisy ! Raha mba nanana mitovy amin’izay nomena an’i Karona izahay. Izy dia tena nanana harena nampitolagaga”.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
Ary nilaza ireo izay nomena fahalalana nanao hoe : “Loza ho anareo ! Ny valisoan’I Allah no tena mendrika ho an’izay mino sy manao ny asa soa” Nefa tsy ahazo izany afa-tsy ireo manam-paharetana.
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
Ka nataonay nitelina azy àry ny tany, izy sy ny tranony. Ary tsy nisy vondron’olona na dia iray aza, ankoatr’I Allah, no afaka nanavotra azy, ary tsy anisan’ireo afaka nanavotra ny tenany izy.
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
Ka ireo izay naniry ny toerany (Karona) omaly dia nilaza hoe : “Ha ! Tena marina fa Allah dia nanome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra (izany). Raha tsy Allah no efa nanao soa anay, dia ho nalentiny tokoa izahay. Ha ! Marina tokoa fa tsy mba mahazo fahombiazana ireo tsy mpino.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
Ny fiainana any ankoatra, dia nataonay ho an’ireo izay tsy mitady fahamboniana eto an-tany, sy tsy manao asa fanimbana. Ary ny fiafarana sambatra dia ho an’ireo izay manam-patahorana.
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋ
N'iza n'iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa mihoatra izany izy; ary n'iza n'iza kosa tonga miaraka amin’ny asa ratsy, dia tsy ahazo valiny afa-tsy araka izay nataon’izy ireo ihany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
Tena marina fa Ilay nandidy taminao ny Koroany dia tena hamerina anao amin’ny toerana (izay irinao) hiverenana. Lazao hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana sy izay ao anatin’ny fahaverezana mibaribary”.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
Ary tsy nanantena mihitsy ianao fa ny Boky dia halefa aminao; raha tsy nohon'ny famindram-po avy amin’ny Tomponao. Ka aoka àry ianao tsy ho mpanohana mihitsy ireo tsy mpino.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
Ary aoka tsy hanakana anao izy ireo amin’ireo fanambaran’I Allah rehefa nampidinina taminao izany. Ary miantsoa (ny vahoaka) mankany amin’ny Tomponao ianao, ary aoka ianao tsy ho anisan’ireo mpanompo sampy mihitsy.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
Ary aza miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah mihitsy ianao. Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ny zava-drehetra dia ho ringana afa-tsy ny Tavany (Tavan’I Allah) ihany. Azy ny fitsarana,ary any Aminy no hamerenana anareo.

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers