PDF —
52 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Haqqah pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Haqqah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Haqqah Fandikana. Surah Al-Haqqah (Meccan) 52 Andininy.



52 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮯﮰ
69:1 Ilay tsy azo ialana (isehoan'ny marina).
ﮱﯓﯔ
69:2 Ka inona no tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?
ﯕﯖﯗﯘﯙ
69:3 Ary iza no hilaza aminao ny amin'ny hoe tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?
ﯚﯛﯜﯝﯞ
69:4 Nolazain'ireo Thamod sy ireo Aad ho lainga ireo loza.
ﯟﯠﯡﯢﯣ
69:5 Ary ny Thamod dia ravan'ny hiaka tena mafy izy ireo.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
69:6 Fa ireo Aad indray dia ravan'ny rivotra mifofofofo ankatezerana izy ireo.
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
69:7 Ka nasafotofotony nandritran'ny fito alina, sy valo andro mifanarakaraka izy ireo ; dia hitanao mianjera amin'ny tany ireo olona, tahaka ny vodihazo "palma" poakaty.
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
69:8 Mbola misy hitanao tavela va izy ireo ?
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
69:9 Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa.
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
69:10 Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
69:11 Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara.
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
69:12 Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
69:13 Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara.
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
69:14 Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra.
ﭼﭽﭾﭿ
69:15 Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
69:16 Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
69:17 Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
69:18 Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo.
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
69:19 Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : "Jereo ! Vakinareo ny bokiko."
ﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
69:20 Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy.
ﮨﮩﮪﮫﮬ
69:21 Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy !
ﮭﮮﮯﮰ
69:22 Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa.
ﮱﯓﯔ
69:23 Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
69:24 Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨ
69:25 Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : "Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko".
ﯩﯪﯫﯬﯭ
69:26 Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy !
ﯮﯯﯰﯱ
69:27 Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany.
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
69:28 Fa tsy nisy nilaivako ny harenako.
ﯸﯹﯺﯻ
69:29 "Rava ny fahefako ka nandao ahy !"
ﯼﯽﯾ
69:30 Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy.
ﯿﰀﰁﰂ
69:31 Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay.
ﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
69:32 Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho.
ﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑ
69:33 Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo.
ﰒﰓﰔﰕﰖﰗ
69:34 Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra.
ﰘﰙﰚﰛﰜﰝ
69:35 Tsy misy namana mihitsy izy eto anio.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
69:36 Ary tsisy sakafo hafa afa-tsy nàna.
ﭗﭘﭙﭚﭛ
69:37 Ireo meloka ihany no hihinana izany.
ﭜﭝﭞﭟﭠ
69:38 Tsia;mianiana amin’izay hitanareo Aho.
ﭡﭢﭣﭤ
69:39 Sy amin’izay tsy hitanareo ihany koa.
ﭥﭦﭧﭨﭩ
69:40 Fa tenin’i Iraka iray mendri-kaja izany (Kor’any).
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
69:41 Fa tsy tenin'ny mpanao tononkalo akory, saingy zara raha mino ianareo.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
69:42 Ary tsy tenin’ny mpisikidy; saingy zara raha mahatsiaro ianareo.
ﭻﭼﭽﭾﭿ
69:43 Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao izany.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
69:44 Ka raha namorona teny hafa izy, nitenenany Anay.
ﮆﮇﮈﮉ
69:45 Dia noraisinay tamin’ny tanana an-kavanana izy.
ﮊﮋﮌﮍﮎ
69:46 Avy eo dia notapahanay ny lalan-drà lehibe taminy (mifandray amin’ny fo).
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
69:47 Ka tsy nisy afaka niaro azy ianareo.
ﮖﮗﮘﮙ
69:48 Hamafisina, fa fampahatsiarovana ho an’ireo vontom-pinoana izany.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
69:49 Ary fantatray fa misy miampanga izany ho lainga aminareo.
ﮠﮡﮢﮣﮤ
69:50 Ary fahanenenana ho an’ireo tsy mpino tokoa izany.
ﮥﮦﮧﮨ
69:51 Ary izany no tena marina azo antoka.
ﮩﮪﮫﮬﮭ
69:52 Omeo voninahitra àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers