Surah An-Najm pdf — Alaino (Malagasy)
Surah An-Najm pdf Malagasy — Alaino Surah An-Najm Fandikana. Surah An-Najm (Meccan) 62 Andininy.
Related
- Surah An-Najm FandikanaMalagasy
- Surah An-Najm mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah An-Najm

ﭑﭒﭓﭔ
53:1
Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !
ﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
53:2
Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana.
ﭛﭜﭝﭞﭟ
53:3
Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy.
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
53:4
Fa izany dia faminaniana tonga taminy.
ﭦﭧﭨﭩ
53:5
Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy.
ﭪﭫﭬﭭ
53:6
Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy.
ﭮﭯﭰﭱ
53:7
Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy.
ﭲﭳﭴﭵ
53:8
Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy.
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
53:9
Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
53:10
Nambarany tamin’ny mpanompony izay nambarany.
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
53:11
Tsy nandainga tamin’izay hitany ny fo.
ﮈﮉﮊﮋﮌ
53:12
Moa toherinareo amin’izay hitany va izy ?
ﮍﮎﮏﮐﮑ
53:13
Efa hitany tamin’ny fidinana hafa koa anefa izy.
ﮒﮓﮔﮕ
53:14
Teo akaikin'ny Sidratoul-mountaha.
ﮖﮗﮘﮙ
53:15
Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay).
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
53:16
Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy.
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
53:17
Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
53:18
Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony.
ﮭﮮﮯﮰ
53:19
Ka ahoana àry ny fahitanareo ny sampy Làt sy Ozzà?
ﮱﯓﯔﯕ
53:20
Ary koa i Manat, ilay sampy fahatelo hafa ?
ﯖﯗﯘﯙﯚ
53:21
Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?
ﯛﯜﯝﯞﯟ
53:22
Tena fizarana vilana kosa izany !
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
53:23
Anarana noforoninareo ihany izany, ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany I Allah. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheverany sy ny sitrapony ihany izy ireo, nefa efa tonga tamin’izy ireo ny tari-dalana avy amin’ny Tompony .
ﯼﯽﯾﯿﰀ
53:24
Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona.
ﰁﰂﰃﰄ
53:25
An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany.
ﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘ
53:26
Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
53:27
Ireo izay tsy mino ny any ankoatra, dia manome anaram-behivavy ireo Anjely.
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
53:28
Nefa tsy manana fahalalana avy amin’izany izy ireo, fa izay fiheverany ihany no arahiny, nefa tsy misy ilaina ny fiheverana eo anatrehan’ny fahamarinana.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
53:29
Koa misintaha ary ianao amin’izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy Aminy, ka tsy maniry afa-tsy ny fiainana ankehitriny.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
53:30
Izany ihany no takatry ny fahalalany. Fantatry ny Tomponao tokoa izay mihataka amin’ny lalany, ary fantany tanteraka ihany koa izay voatari-dalana.
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
53:31
An'I Allah izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mba hamaliany izay rehetra nanao ny ratsy, araka izay nataony, fahamaliany ny soa kosa izay nanao ny tsara, amin’izay tsara indrindra.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
53:32
Ireo izay mihataka ny fahotana lehibe, sy ny fahavetavetana, ka tsy manao afa-tsy ny hadisoana madinika, dia hamafisina, fa lehibe tokoa ny fahamelan-kelokan'ny Tomponao. Izy no tena mahafantatra anareo, rehefa nahary anareo avy amin’ny tany Izy, sy fony ianareo mbola zazarano tao an-kibon-dreninareo. Aza manadio tena ianareo, fa Izy no tena mahalala izay tena vonto-pinoana.
ﯢﯣﯤﯥ
53:33
Hitanao va ilay nanome lamosina ?
ﯦﯧﯨﯩ
53:34
Nanome kely, avy eo, nitsahatra tsy nanome ?
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
53:35
Manana fahalalana ny zava-miafina va izy ka hitany ?
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
53:36
Tsy nambara taminy va izay tao anatin’ny takelak’i Mosesy.
ﯸﯹﯺﯻ
53:37
Sy ny an’i Abrahama izay nitazona tanteraka ?
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
53:38
Fa tsy hisy hizaka ny enta-mavesatry ny hafa,
ﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈ
53:39
Ary raha ny marina dia arakaraka izay fiezahan'ny olombelona ihany no azony.
ﰉﰊﰋﰌﰍ
53:40
Ary hamafisina, fa ny fiezahany dia haseho azy.
ﰎﰏﰐﰑﰒ
53:41
Avy eo, dia homena valisoa feno tanteraka izy.
ﰓﰔﰕﰖﰗ
53:42
Ary hamafisina , fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny zavatra rehetra.
ﰘﰙﰚﰛﰜ
53:43
Fa Izy no hampihomehy sy hampitomany.
ﰝﰞﰟﰠﰡ
53:44
Ary Izy no mamono sy mamelona.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
53:45
Izy no nahary ireo mpivady tsirairay , lahy sy vavy.
ﭗﭘﭙﭚﭛ
53:46
Avy amin’ny tsirairay rehefa mivoaka.
ﭜﭝﭞﭟﭠ
53:47
Fa andraikiny ny fahariana faharoa.
ﭡﭢﭣﭤﭥ
53:48
Ary Izy no mampanan-karena sy mampahazo.
ﭦﭧﭨﭩﭪ
53:49
Izy no Tompon’ny kintana Sirius.
ﭫﭬﭭﭮﭯ
53:50
Izy no nandringana ireo Aad taloha.
ﭰﭱﭲﭳ
53:51
Toy izany koa ireo Tamod, ka nataony tsy nisy tavela.
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾ
53:52
Sy ny vahoakan’i Noa taloha, tena olon’ny tsy fahamarinana sy mpihoa-pefy tokoa izy ireo.
ﭿﮀﮁ
53:53
Naringany toy izany koa ireo tanàna nivadika.
ﮂﮃﮄﮅ
53:54
ka nosaronany tamin’izay nanaronany azy.
ﮆﮇﮈﮉﮊ
53:55
Inona amin’ireo fahasoavan’ny Tomponao àry no mampisalasala anao ?
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
53:56
Indro mpampitandrina, mitovy amin’ireo mpampitandrina taloha.
ﮑﮒﮓ
53:57
Manantona ilay akaiky (ilay Ora Fitsarana).
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
53:58
Tsy misy ankoatra an’I Allah no afaka hampiseho izany.
ﮛﮜﮝﮞﮟ
53:59
Moa mahagaga anareo va io lahateny io (koroany) ?
ﮠﮡﮢﮣ
53:60
Ka mihomehy amin’izany ianareo fa tsy mba mitomany akory ?
ﮤﮥﮦ
53:61
Variana tanteraka amin’ny fialambolinareo.
ﮧﮨﮩﮪﮫ
53:62
Koa miankohofa amin’I Allah àry ianareo, ka tompoy Izy.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







