Surah Al-Hijr pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Hijr pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Hijr Fandikana. Surah Al-Hijr (Meccan) 99 Andininy.
Related
- Surah Al-Hijr FandikanaMalagasy
- Surah Al-Hijr mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Hijr

ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
15:1
ALIF, LAM, RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
15:2
(Amin'ny Andro fitsarana farany), ireo tsy mpino dia haniry ho mpanetry tena (mpankato).
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
15:3
Avelao izy ireo hisakafo, hifaly, ary hovariana amin’ny fanantenana, fa tsy ho ela izy ireo dia ahafantatra.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
15:4
Nefa Izahay dia tsy mandrava tanàna, raha tsy efa nisy raki-tsoratra voalaza mazava (momba izany).
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
15:5
Tsy misy vondron’Olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
15:6
Ary niteny izy ireo (ireo mponin’ny Makka) ka nanao hoe : “ O Ianao izay nampidinana ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), tena adala tokoa Ianao !
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
15:7
Nahoana Ianao no tsy tonga Taminay niaraka tamin’ireo Anjely, raha isan’ireo Olo-marina tokoa Ianao ? ”
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
15:8
Tsy mampidina ireo Anjely Izahay raha tsy miaraka amin’ny fahamarinana, ary tsy omena fe-potoana ela intsony izy ireo (ireo tsy mpino).
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
15:9
Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy.
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦ
15:10
Marina fa Izahay dia efa nandefa Iraka talohanao tamin’ireo vahoaka teo aloha.
ﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
15:11
Nefa mbola tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy nohesoiny.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
15:12
Tahaka izany no nampidiranay ny tsy finoana tao am-pon’ireo mpanao heloka.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞ
15:13
Tsy hino Azy izy ireo (Iraka na Koroâny), na dia tanteraka tamin’izy ireo ny fahitana izay (nanjò ny Razambeny) teo aloha.
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨ
15:14
Na dia hosokafanay amin’izy ireo aza ny varavaran’ny lanitra, ka afaka hiakatra ao izy ireo,
ﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱ
15:15
Dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tena tampina tokoa ny masonay, na, raha ny marina, dia tena voan’ny famosaviana izahay ”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
15:16
Marina fa nametraka ireo kintana maro eny an-danitra Izahay ary nohatsaraina izy (ny lanitra) ho an’ireo izay mijery azy.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
15:17
Ary narovanay Izy (ny lanitra) tamin’i Satana tsirairay izay voahozona.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
15:18
Raha tsy mihaino antsokosoko ny anakiray amin’izy ireo, dia lela afo mamirapiratra no manenjika Azy.
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
15:19
Fa ny tany kosa, dia novelarinay ka nametrahanay ireo tendrombohitra eo Aminy, ary nampitsirianay ao aminy ny zavatra tsirairay, mirindra no sady mifandanja tsara.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
15:20
Ary napetrakay ao Aminy ireo zavatra hivelomanareo, sy ireo (zava-manan’aina) izay tsy novelominareo akory.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
15:21
Ary tsy misy zavatra na dia iray aza tsy anananay tahiry; ary tsy mampidina izany Izahay raha tsy amin’ny fatra voafetra.
ﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
15:22
Ary Nalefanay ny rivotra ho mpamokatra, ary Nampidininay avy eny an-danitra ny rano izay hampisotroinay Anareo, nefa tsy afaka hitahiry izany Ianareo.
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
15:23
Ary marina fa tena manome ny fiainana sy ny fahafatesana Izahay, ary Izahay ihany koa no Mpandova (ny zava-drehetra).
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
15:24
Marina fa fantatray tokoa ireo izay efa lasa teo aloha Taminareo, ary efa fantatray koa Ireo izay mbola any aoriana.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
15:25
Ary marina tokoa fa ny Tomponao no hamory azy ireo. Marina fa Izy dia be Fahendrena sy mahafantatra ny zava-drehetra.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
15:26
Ary tena nahary ny Olombelona avy amin’ny tany maina sy ny fotaka malemy Izahay.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞ
15:27
Fa ny Djiny kosa dia noharianay taloha avy amin’ny Afo mafana mamaivay.
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
15:28
Ary raha niteny tamin’ireo Anjely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Izaho dia hamorona Olona avy amin’ny tany maina alaina avy amin’ny fotaka malemy.
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
15:29
Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara dia notsofiko Taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miantoraha ka miankohofa eo Aminy Ianareo.
ﯶﯷﯸﯹﯺ
15:30
Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra.
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
15:31
Afa-tsy i Iblisy (Satana), nandà tsy ho anisan’ireo mpiankohoka Izy.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
15:32
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ O ry Iblisy ! Nahoana Ianao no tsy mba anisan’ireo mpiankohoka ? ”
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
15:33
Namaly Izy ka nanao hoe : “ Tsy afaka hiankohoka eo anoloan’ny Olombelona izay noharianao avy tamin’ny tany maina izay nalaina avy tamin’ny fotaka malemy Aho ”.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
15:34
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Mialà ao (amin’ny Paradisa) Ianao ! Fa Ianao dia tena voahozona.
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
15:35
Ary hihatra Aminao ny ozona, mandra-pahatongavan’ny Andron’ny famaliana (Fitsarana).
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
15:36
Namaly Izy ka nanao hoe : “ O ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry Aho mandra-pahatongavan’ny Andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
ﭺﭻﭼﭽﭾ
15:37
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
ﭿﮀﮁﮂﮃ
15:38
Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
15:39
Niteny Izy (Iblisy) hoe : “ O ry Tompoko, satria Ianao nampiditra Ahy tamin’ny fahadisoana, noho izany dia ho hatsaraiko amin’izy ireo ny fiainana eny ambonin’ny tany, ary ho disoiko làlana izy rehetra.
ﮏﮐﮑﮒﮓ
15:40
Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo ”.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
15:41
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ity ilay làla-mahitsy izay mankany Amiko ”:
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
15:42
Fa ireo mpanompoko dia tsy hanananao fahefana na dia kely aza, afa-tsy izay manaraka Anao amin’ireo làlan-diso.
ﮦﮧﮨﮩﮪ
15:43
Ary tena marina fa ny Afobe Djahannama no toeram-pihaonan’izy rehetra.
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
15:44
Ahitana varavarana fito izany, ary ny varavarana tsirairay dia samy manana ny ampahany amin’izy ireo.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚ
15:45
Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
ﯛﯜﯝﯞ
15:46
“ Midira ao Ianareo am-piadanana sy am-pilaminana ”.
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
15:47
Ary noesorinay tao an-tratran’izy ireo ny lolom-po ary samy ahatsapa izy ireo fa mpirahalahy, izay mifanatrika eo ambonin’ireo farafara.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
15:48
Tsy misy havizanana ahazo azy ireo. Ary tsy havoaka ao izy ireo.
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
15:49
Ampahafantaro ireo mpanompoko fa Izaho ilay Mpamela heloka, ilay be Fiantrana.
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
15:50
Ary marina fa ny saziko dia tena sazy mamirifiry.
ﰁﰂﰃﰄﰅ
15:51
Ary ampahafantaro azy ireo ny mahakasika ireo vahinin’i Ibrahim (ireo Anjely).
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
15:52
Raha niditra tao aminy izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Fiadanana (salamo) ! Namaly Izy (Ibrahim) nanao hoe : “ Matahotra Anareo Izahay ! ”
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
15:53
Niteny izy ireo (ireo Anjely) ka nanao hoe : “ Aza matahotra Ianao ! Fa Izahay dia hanambara Aminao vaovao mahafaly, ny fahaterahan’ny Zazakely feno fahalalana ”.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
15:54
Namaly izy hoe : “ Lazainareo ahy ve izany vaovao mahafaly izany nefa dia efa tratran’ny fahanterana aho? Inona àry no lazainareo amiko? ”
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
15:55
Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Ny marina no lazanay Aminao. Aoka àry Ianao tsy ho anisan’ireo mora kivy ”.
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
15:56
Niteny Izy hoe : “ Fa iza moa no kivy amin’ny famindram-pòn’ny Tompony, raha tsy ireo very làlana ? ”
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
15:57
Dia hoy Izy (Abrahama) ka nanao hoe : “ Inona àry no nanirahana Anareo, ry Iraka ? ”
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
15:58
Namaly izy ireo ka nanao hoe : “ Nalefa ho an’ny Olona mpanao ratsy Izahay,
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
15:59
Afa-tsy ny fianakavian’i Lota, tena ho vonjenay avokoa izy rehetra,
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
15:60
Ankoatry ny vadiny, Izahay dia hanao Azy ho anisan’ireo ringana.
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
15:61
Nony tonga teo amin’ny fianakavian’I Lota ireo Iraka,
ﮞﮟﮠﮡﮢ
15:62
Dia niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Ianareo dia Olona tsy fantatra ”.
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
15:63
Niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Tonga aty Aminao tokoa Izahay mitondra ny (sazy) izay nampisalasala azy ireo.
ﮫﮬﮭﮮﮯ
15:64
Ary tonga Aminao Izahay miaraka amin’ny Fahamarinana. Ary mpilaza ny marina Izahay.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
15:65
“ Mandehana àry miaraka amin’ny fianakavianao Ianao amin’ny fahataperan’ny alina, ary araho avy ao aoriana izy ireo; ary aoka tsy hisy hitoditodika n'iza n'iza Aminareo; koa mandehana amin’izay handidiana Anareo Ianareo ”.
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
15:66
Ary nolazainay taminy izany didy izany : Fa ireny Olona ireny, amin’ny maraina, dia ho haringanay avokoa hatramin’ny farany.
ﯪﯫﯬﯭﯮ
15:67
Fa ireo mponin’ny tanàna ( Sodoma) dia tonga (teo aminy) ankafaliana.
ﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
15:68
Nilaza Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Tena marina fa vahiniko izy ireo, aza manafitohina Ahy Ianareo
ﯶﯷﯸﯹﯺ
15:69
Ary matahora an’i Allah Ianareo. Aza tafihinareo henatra Aho.
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
15:70
Niteny izy ireo (ireo olon’ny tanàna) hoe : “ Moa ve tsy efa nandrara Anao Izahay tamin’ny (fandraisana) olona ? ”
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
15:71
Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Indro ireo Zanako vavy ! Raha misy zavatra tianareo hatao !
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
15:72
Mianiana amin’ny fiainanao (Aho) fa nikorontan-tsaina izy ireo tao anaty firediredeny.
ﭞﭟﭠﭡ
15:73
Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny fiposahan’ny masoandro.
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
15:74
Ary navadikay ambony sy ambany (ny tanàna), ary narotsakay nifanesisesy tamin’izy ireo (tahaka ny orana) ny vato avy amin’ny tany manga.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
15:75
Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo izay mahay mandinika.
ﭱﭲﭳﭴ
15:76
Izy io (io tanàna io) dia tena eo amin’ny làlana izay fantatry ny maro.
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
15:77
Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo mpino.
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
15:78
Ary ireo mponin’ny Al-Aykat dia mpanao ny tsy rariny (ihany koa).
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
15:79
Dia namaly azy ireo tamin’ny sazy Izahay, ary tena marina fa ireo (tanàna) Roa ireo dia teo amin’ny làlana mazava tsara.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
15:80
Marina fa ireo mponin’ny Al-hijr dia efa nilaza fa mpandainga ireo Iraka.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
15:81
Ary nasehonay tamin’izy ireo ny fahagagana avy Aminay nefa nitodi-damosina ihany izy ireo.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
15:82
Ary nandavaka ny tendrombohitra mba hanaovana trano ka niaina tamim-pilaminana izy ireo.
ﮚﮛﮜﮝ
15:83
Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny maraina.
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
15:84
Ka tsy nahazoan’izy ireo tombontsoa izay azony.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
15:85
Ary tsy nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay nanelanelana azy Roa ireo Izahay raha tsy tamim-pahamarinana. Ary tena ho avy tokoa ny ora ! Koa aoka hamela heloka (azy ireo) Ianao amin’ny famelana tsara.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
15:86
Tena marina fa ny Tomponao, dia ilay Mpahary Lehibe, ilay Mpahalala ny zava-drehetra.
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤ
15:87
Efa nomenay Anao tokoa “ Ireo Andininy fito[92] Averimberina (vakiana) ” ary koa ilay Vakiteny lehibe.
ﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
15:88
Aza jerena am-pitsiriritana ireo zavatra izay nanomezanay fifaliana miserana ho an’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo. Ary aza malahelo ny momba azy ireo Ianao. Ary ampidino amin’ireo mpino ny fangorahanao.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
15:89
Ary lazao hoe : “ Marina fa Izaho no ilay Mpampitandrina Miharihary ”.
ﯻﯼﯽﯾﯿ
15:90
Tahaka ny nampidinanay (ny sazy) tamin’ireo izay tsy nino (tsy hanaraka ny Mpaminany).
ﭑﭒﭓﭔﭕ
15:91
Ireo izay nanao ny Koroany ho singasingany maro (mikorontana mba hampisy ny fisalasalana).
ﭖﭗﭘﭙ
15:92
Ary mianiana amin’ny Tomponao ! Fa Izahay dia tena hanontany azy rehetra
ﭚﭛﭜﭝ
15:93
Amin’izay nataon’izy ireo.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
15:94
Asehoy ankarihary izay nandidiana Anao. Ary miataha amin’ireo mpanompo sampy (manana Zanahary maro) Ianao.
ﭥﭦﭧﭨ
15:95
Marina fa Izahay dia hiaro Anao tanteraka amin’ireo mpaneso.
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
15:96
Ireo izay mampisy Zanahary hafa miaraka amin’i Allah. Tsy ho ela dia ahafantatra izy ireo.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
15:97
Ary tena fantatray tsara fa mihatery ny tratranao (fonao) amin’izay tenenin’izy ireo.
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
15:98
Ary derao sy ankalazao ny Tomponao, ary aoka Ianao ho anisan’ireo mpiankohoka.
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
15:99
Ary tompoy ny Tomponao mandra-pahatongan’ny fItokisana (fahafatesana) eo Aminao.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







