PDF —
59 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Ad-Dukhan pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Ad-Dukhan pdf Malagasy — Alaino Surah Ad-Dukhan Fandikana. Surah Ad-Dukhan (Meccan) 59 Andininy.



59 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭑﭒ
44:1 Hà, Mîm.
ﭓﭔﭕ
44:2 Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho.
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
44:3 Nampidininay tamin’ny alina masina tokoa izy, fa Izahay no mpampitandrina,
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
44:4 Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
44:5 Didy avy Aminay izany. Izahay no mandefa ireo iraka,
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
44:6 Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
44:7 Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo.
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
44:8 Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
44:9 Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
44:10 Raha izany, andraso ilay andro hitondran’ny lanitra setroka hita maso,
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
44:11 Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
44:12 Tomponay ô ! Alaviro aminay ny famaizana. Fa mino tokoa izahay.
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
44:13 Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
44:14 Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
44:15 Ho foananay fotoana fohy ny famaizana, fa mbola hamerina ianareo.
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
44:16 Ny andro hampiasanay ny famaizana mafy indrindra sy hanaovanay famelan-keloka.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
44:17 Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo.
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
44:18 Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
44:19 Aza manambon'ny tena eo anatrehan’I Allah ianareo, fa mitondra porofo mazava ho anareo aho.
ﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
44:20 Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨ
44:21 Ary raha tsy te-hino ahy ianareo, dia manalavira ahy.”
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
44:22 Dia niantso ny Tompony izy hoe: “ Olona mpanao ratsy tokoa izy ireo ! ”.
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
44:23 Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo.
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
44:24 Avelao ho tony araka izao ny ranomasina, fa tafika ho maty an-drano izy ireo.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
44:25 Firifiry ireo zaridaina sy loharano navelan’izy ireo.
ﮄﮅﮆﮇ
44:26 Ireo saha sy fonenana mahafinaritra
ﮈﮉﮊﮋﮌ
44:27 Ny fahafinaretana nifalian’izy ireo.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
44:28 Toy izany no niseho, ka nampandovanay vahoaka hafa izany.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
44:29 Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo.
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
44:30 Ary navotanay tamin’ny famaizana mahafabaraka ireo zanak’Israely,
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
44:31 Tamin’i Faraona, izay mpanambon'ny tena, isan’ireo mpanao ny tafahoatra.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
44:32 Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
44:33 Ka nitondranay fahagagana izy ireo, izay misy fitsapana miharihary ho azy.
ﯝﯞﯟﯠ
44:34 Milaza izy ireny (mponin'i Makkat) hoe:
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
44:35 Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
44:36 Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
44:37 Mendrika kokoa va izy ireo nohon'ny vahoakan’i Tobba, sy ireo talohan’izy ireo ? Naringanay izy ireo, fa tena olon-dratsy.
ﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
44:38 Tsy ho kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany, ary izay eo anelanelan’izany.
ﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎ
44:39 Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
44:40 Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra.
ﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
44:41 Ny andro izay tsy hilan’ny olona ny namany intsony; ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
44:42 Afa-tsy, izay niantran’I Allah. Fa Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﭫﭬﭭﭮ
44:43 Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),
ﭯﭰﭱ
44:44 Dia ho sakafon’ny be fahotana.
ﭲﭳﭴﭵﭶ
44:45 Toy ny vy voarendrika hangotraka ao an-kibo.
ﭷﭸﭹ
44:46 Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
44:47 Raisonareo izy, ka avarino any anaty afo mamaivay.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
44:48 Avy eo, tondrahinareo rano mangotraka eo ambony lohany ho famaizana azy.
ﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
44:49 Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja.
ﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
44:50 Izany mantsy ilay nampisalasala anareo.
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
44:51 Ho amin’ny fonenana azo antoka ireo vontom-pinoana,
ﮛﮜﮝﮞ
44:52 Ao amin’ireo zaridaina sy loharano,
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
44:53 Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika.
ﮥﮦﮧﮨﮩ
44:54 Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo.
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
44:55 Hangataka karazam-boankazo am-pilaminana tanteraka izy ireo ao.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
44:56 Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
44:57 Fahasoavana avy amin’ny Tomponao izany. Ary izany no fahombiazana lehibe.
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
44:58 Nataonay ho mora tamin’ny lelanao izany (Koroany), mba hahatsiaro izy ireo.
ﯬﯭﯮﯯ
44:59 Koa miandrasa àry ianao, fa miandry koa izy ireo.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers