PDF —
78 Andininy Medinan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Ar-Rahman pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Ar-Rahman pdf Malagasy — Alaino Surah Ar-Rahman Fandikana. Surah Ar-Rahman (Medinan) 78 Andininy.



78 Andininy · Medinan · Malagasy
bismillah
ﭷﭸ
55:1 Ilay be fiantrana.
ﭹﭺﭻ
55:2 Nampianatra ny Koroany Izy.
ﭼﭽﭾ
55:3 Nahary ny olombelona Izy.
ﭿﮀﮁ
55:4 Nampianatra azy niteny mazava Izy.
ﮂﮃﮄﮅ
55:5 Mihodina arakan'ny kajy ny masoandro sy ny volana.
ﮆﮇﮈﮉ
55:6 Ary miankohoka ireo ahitra sy hazo maniry.
ﮊﮋﮌﮍﮎ
55:7 Ny lanitra kosa dia nakarina ambony tokoa. Ary napetrany ny fadanjana.
ﮏﮐﮑﮒﮓ
55:8 Mba tsy handikanareo lalàna amin’ny fadanjana.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
55:9 Ary aoka hametraka mandrakariva ny lanja marina ianareo, fa aza disoina ny fadanjana.
ﮛﮜﮝﮞ
55:10 Ny tany indray dia novelarina ho an’ireo zava-manan’aina,
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
55:11 Misy voankazo ao ary koa palma misy voany voafono,
ﮥﮦﮧﮨﮩ
55:12 Toy ireo voa amin’ny akorany sy ireo zava-maniry manitra.
ﮪﮫﮬﮭﮮ
55:13 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
55:14 Nohariany avy amin’ny tanimanga maneno toy ny vilanitany ny olombelona.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
55:15 Ary Nohariany avy amin’ny lelan’afo tsy misy setroka ny djiny.
ﯝﯞﯟﯠﯡ
55:16 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﯢﯣﯤﯥﯦ
55:17 Tompon’ireo fiposahana roa, ary Tompon’ny filentehana roa !
ﯧﯨﯩﯪﯫ
55:18 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭑﭒﭓﭔ
55:19 Nomeny falalahana ireo rano masina roa mba hifanena.
ﭕﭖﭗﭘﭙ
55:20 Misy fefy tsy dikain’izy ireo eo anelanelany.
ﭚﭛﭜﭝﭞ
55:21 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭟﭠﭡﭢﭣ
55:22 Avy amin’izy roa ireo no mivoaka ny voahangy sy ny haran-drano masina.
ﭤﭥﭦﭧﭨ
55:23 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
55:24 Azy ireo sambo avo toy ny tendrombohitra eny ambon'ny ranomasina.
ﭰﭱﭲﭳﭴ
55:25 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭵﭶﭷﭸﭹ
55:26 Tsy maintsy foana avokoa izay rehetra eo amin’ny tany.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
55:27 Ny tavan’ny Tomponao no hany sisa tavela, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana.
ﮁﮂﮃﮄﮅ
55:28 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑ
55:29 Mitalaho Aminy, ireo izay any an-danitra sy ety an-tany. Isan’andro dia manao zavatra vaovao Izy.
ﮒﮓﮔﮕﮖ
55:30 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮗﮘﮙﮚﮛ
55:31 Hitsara anareo tsy ho ela Izahay ry olombelona sy djiny.
ﮜﮝﮞﮟﮠ
55:32 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
55:33 Ry djiny sy ny olombelona ! Raha afaka mivoaka ivelan’ny sehatry ny lanitra sy ny tany ianareo, dia ataovy. Fa tsy afaka ny hivoaka ao ianareo, raha tsy amin’ny alalan’ny fahefana tsy manam-petra.
ﯔﯕﯖﯗﯘ
55:34 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
55:35 Ho alefa aminareo ny lelan’afo sy ny setroka, ka tsy hisy mpamonjy ianareo.
ﯢﯣﯤﯥﯦ
55:36 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
55:37 Ary rehefa hitriatra ny lanitra dia hivaivay tahaka ny hoditra mena.
ﯮﯯﯰﯱﯲ
55:38 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
55:39 Amin’izay dia tsy hametrahana fanontaniana mikasika ny fahotany na ny olombelona na ny djiny.
ﯼﯽﯾﯿﰀ
55:40 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇ
55:41 Ho fantatra amin’endriny ireo mpanao ratsy. Ary ho raisina amin’ny volon-dohany sy ny tongony izy ireo .
ﭑﭒﭓﭔﭕ
55:42 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
55:43 Indro ny afobe izay nataon’ireo mpanao ratsy ho lainga .
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
55:44 Hivezivezy eo amin’ny afo sy ny rano mangotraka tena mahamay izy ireo.
ﭣﭤﭥﭦﭧ
55:45 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
55:46 Ary ho an’izay matahotra ny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony dia hahazo zaridaina roa izy.
ﭮﭯﭰﭱﭲ
55:47 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭳﭴﭵ
55:48 Izay misy ratsan-kazo maro.
ﭶﭷﭸﭹﭺ
55:49 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭻﭼﭽﭾ
55:50 Hisy loharano anankiroa mikoriana ao.
ﭿﮀﮁﮂﮃ
55:51 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
55:52 Misy karazany roa isaky ny voankazo ao.
ﮊﮋﮌﮍﮎ
55:53 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
55:54 Hitehin-kiho eo ambon'ny lamaka misy lamba lasoa kotofo am-bolamena izy ireo, ary ho azony takarina ireo voankazo ao amin’ny zaridaina roa.
ﮚﮛﮜﮝﮞ
55:55 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
55:56 Hahita tovovavin’ny paradisa manana fijery madio izy ireo ao, tsy mbola niray ara-nofo, na tamin’ny olona, na tamin’ny djiny talohan’izy ireo.
ﮩﮪﮫﮬﮭ
55:57 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﮮﮯﮰﮱ
55:58 Ho tahaka ny vato soa sy haran-drano masina izy ireo.
ﯓﯔﯕﯖﯗ
55:59 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
55:60 Moa misy valisoa hafa ho an’ny tsara va ankoatrany ny tsara ?
ﯞﯟﯠﯡﯢ
55:61 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﯣﯤﯥﯦ
55:62 Ankoatra ireo zaridaina roa ireo dia misy zaridaina roa hafa.
ﯧﯨﯩﯪﯫ
55:63 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﯬﯭ
55:64 Maitso antitra izy ireo.
ﯮﯯﯰﯱﯲ
55:65 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﯳﯴﯵﯶ
55:66 Ka hisy loharano miboiboika ao anatiny.
ﯷﯸﯹﯺﯻ
55:67 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﯼﯽﯾﯿﰀ
55:68 Misy voankazo, hazon'ny palma, sy fototr’amponga ben-danitra ao.
ﰁﰂﰃﰄﰅ
55:69 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﭑﭒﭓﭔ
55:70 Hisy tsara fitondran-tena sy tsara tarehy ao.
ﭕﭖﭗﭘﭙ
55:71 Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
ﭚﭛﭜﭝﭞ
55:72 Tovovavin’ny paradisa mihidy ao amin’ny tranolay,
ﭟﭠﭡﭢﭣ
55:73 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
55:74 Izay tsy mbola niray ara-nofo tamin'olona na djiny talohan’izy ireo.
ﭫﭬﭭﭮﭯ
55:75 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
55:76 Hitehin-kiho eo ambony ondan-tseza maitso sy karipetra matevina sady tsara izy ireo.
ﭷﭸﭹﭺﭻ
55:77 Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
55:78 Hamasinina anie ny Anaran’ny Tomponao, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana !

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers