Surah Maryam
PDF —
Built right in your browser — download starts automatically
Surah Maryam pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Maryam pdf Malagasy — Alaino Surah Maryam Fandikana. Maryam (Meccan) 98 Andininy.
Related
- Maryam FandikanaMalagasy
- Maryam mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Maryam

ﭑﭒ
Kàf, Hà,Yà,A'in, Swàd.
ﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
Tantaran’ny famindram-pon’ny Tomponao, tamin’i Zakaria mpanompony.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
Rehefa niantso ny Tompony Izy tamin’ny fitalahoana mangina,
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
Sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Osa ireto taolako, ary nirongatra ny volo fotsy eo amin’ny lohako. ka nefa, tsy mbola diso fanantenana mihitsy Aho amin’ny fitalahoana Aminao, ô ry Tompoko !
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Matahotra Aho ny amin’ny fitondran-tenan’ireo mpandova Ahy aoriako. Ary ny vadiko dia momba, ka mba omeo taranaka avy Aminao Aho.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
Izay handova Ahy, sy handova ny taranak’i Jakoba. Ka ataovy ho anisan’izay ankasitrahanao Izy, ô ry Tompoko ! ”.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
“ Ô ry Zakaria ! Manambara vaovao mahafaly ho Anao Izahay, fa hanana Zanaka lahy Ianao, ary ny anarany dia : Yahya (Jaona). Tsy mbola misy nomenay anarana mitovy amin’izany teo aloha.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
Ary niteny izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Ahoana no hananako Zanaka lahy, nefa momba ny vadiko, ary Izaho dia efa tra-pahanterana ? ”
ﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰ
Niteny taminy Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”. Niteny ny Tomponao ka nanao hoe : “ Mora Amiko izany ! Talohan’izany, nahary Anao Aho, nefa tsy mbola nisy Anao ”.
ﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
Niteny Izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Omeo famantarana Aho ”. Dia niteny (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiteny aman’olona Ianao mandritra ny telo alina, nefa ho salama tsara Ianao.
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
Dia nivoaka ny toerana masina Izy, ka nankany amin’ny vahoakany ; dia nanao famantarana tamin’izy ireo izy mba hitalaho (amin’i Allah) maraina sy hariva.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
“ Ô ry Yahya (Jaona) ! Raiso ny Boky (Taoraty), ka mifikira mafy aminy ! ”. Ary nomenay fahendrena Izy fony mbola zaza,
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
Ary koa fitiavana avy Aminay sy fahadiovana, ary Izy dia nanam-patahorana (an’i Allah).
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨ
Ary niantra ireo Ray aman-dreniny Izy; ary tsy mba nahery setra sy tsy mba nanota.
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
Ary ho Aminy anie ny fiadanana, amin’ny Andro izay nahaterahany, sy amin’ny Andro izay ahafatesany, ary amin’ny Andro izay hananganana Azy amin’ny maty ho velona !
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
Tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mariamo (Maria), raha nisintaka tamin’ny fianakaviany Izy, nankany amin’ny toerana iray any antsinanana.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
Ka nasiany lamba sarona nanelanelana Azy,sy izy ireo. Ary nalefanay Taminy ny Anjelinay (Gabriel), izay niseho Taminy amin’ny endrika lehilahy tomady.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Izaho dia mangataka fiarovana amin’Ilay be Fiantrana hanoherako Anao; raha tena manam-patahorana Ianao !
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
Namaly izy (Gabriel) hoe : “Izaho dia tena Iraka avy amin’ny Tomponao, mba hanome anao zaza lahy madio”.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Ahoana moa no hananako Zanaka lahy, nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy akory aza, ary tsy mba mpijangajanga Aho ? ”
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
Niteny Izy (Gabriel) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”.Niteny ny Tomponao hoe : “ Mora Amiko izany ! Ary hataonay famantarana ho an’ny Olombelona Izy, sy famindram-po avy Aminay. Ary izany dia didy efa tapaka ”.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
Dia nitoe-jaza àry Izy,ka nisintaka niaraka Taminy (zazakely) tamin’ny toerana lavidavitra Izy.
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
Dia nitondra azy teo am-pototry ny hazo palma (atrendry) rehefa nihetsi-jaza, dia hoy izy tamin’izany : “Loza ho Ahy! Aleoko maty talohan’izao fotoana izao ka nohadinoina tanteraka aho!”
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
Dia niantso azy ny avy ao ambaniny nanao hoe : “ Aza malahelo ianao; fa nasin’ny Tomponao loharano eo ambaninao ”.
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
Hozongozono mankany Aminao ny vatan’ny palma (atrendry);fa handatsaka atrendry tsara sady masaka eo Aminao Izy.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
Koa mihinàna sy misotroa Ianao, ary aoka hifaly ny masonao ! Raha mahita Olona Ianao dia mitenena hoe : “ Marina fa Izaho dia nanao voady fifehezana tamin’ilay be Fiantrana, ka tsy hiteny amin’ny Olona na iza na iza Aho Androany ”.
ﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
Avy eo dia tonga teo anatrehan’ny mpiara-monina Aminy Izy nitondra ilay Zazakely. ka Niteny izy ireo (mpiara-monina) nanao hoe : “ Ô Mariamo (Maria) ! Nanao zavatra mahatsiravina Ianao ! ”
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
Ô ry anabavin’i Harona ! Ny Rainao dia tsy mba Olon-dratsy, ary ny Reninao dia tsy mba mpijangajanga akory.
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈ
Ka nanondro ilay Zazakely Izy (Mariamo). ka Niteny izy ireo nanao hoe : “ Ahoana no hitenenanay amin’ny Zazakely mbola eo am-pandriana ? ”
ﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑ
Niteny izy (ilay zazakely) nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mpanompon’i Allah. Nomeny Ahy ny Boky, ary nanendry Ahy ho Mpaminany Izy,
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
Ary na aiza na aiza misy ahy, dia nohamasininy aho, ary nandidy ahy hanatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat) sy ny harena fiantrana (zakat) Izy, raha mbola velona aho.
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
Ary mba hiantra (hanao soa) ny reniko. Fa tsy nataony mahery setra, na ory Aho.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮ
Ary ho Amiko ny fiadanana tamin’ny Andro izay nahaterahako, sy amin’ny Andro izay ahafatesako, ary amin’ny Andro izay hananganana Ahy ho velona.
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚ
Izany no Issa (A.s) i (Jesoa) Zanakin’i Mariamo (A.s) (Maria), tenin’ny fahamarinana izay mampisalasala azy ireo.
ﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
Tsy mendrika an’i Allah ny hanan-janaka fa Azy ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Rehefa mandidy zavatra iray Izy, dia miteny hoe : “ Misia ! ” dia misy tokoa izany.
ﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
Ary tena marina fa i Allah no Tompoko sy Tomponareo ka tompoinareo Izy, izany no làlana mahitsy.
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
Tsy nitovy hevitra ireo antokon’Olona teo amin’ny samy izy ireo (taty aoriana), loza ho an’ireo izay tsy nino ny fiatrehana ilay Andro lehibe.
ﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑ
Tahaka ny handrenesan’izy ireo sy ny ahitany tsara ilay Andro hiaviany any Aminay ! Nefa ankehitriny, ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
Ary ampitandremo azy ireo ny Andron’ny Fanenenana, rehefa tapaka ny didy; nefa izy ireo dia mbola variana ihany (eto an-tany) no sady tsy mino.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
Tena marina fa Izahay tokoa no handova ny tany sy izay rehetra ao aminy, ary any Aminay no hamerenana azy ireo.
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
Ary tsiahivo Ibrahimo (A.s), ao anatin’ny Boky (Koroany), fa Olona tena marina sady Mpaminany Izy.
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
Koa rehefa niteny tamin’ny Rainy izy ka nanao hoe : “ Ô ry dada ! Nahoana ianao no manompo izay sady tsy maheno no tsy mahita, ary tsy hitera-bokatsoa aminao na amin’inona na amin’inona io? ”
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
Ô ry dada ! Marina fa tonga Tamiko ny fahalalana izay tsy nanananao; koa araho Aho,fa hotarihiko amin’ny làla-mahitsy Ianao.
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
Ô ry Dada ! Aza manompo ny Satana ianao. Marina fa ny Satana dia tsy nankatò ilay be Fiantrana.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
“ Ô ry Dada ! Tena matahotra Aho, sao ho azon’ny famaizana avy amin’Ilay be Fiantrana Ianao, ka ho lasa naman’ny Satana Ianao ”.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
Niteny Izy (dadan’i Ibrahimo) ka nanao hoe : Ô ry Ibrahimo (A.s) ! Tsy mankasitraka ireo Zanahariko ve Ianao ? Raha tsy mitsahatra amin’izany Ianao dia hotorahako vato, halaviro Aho mandritra ny fotoana maharitra.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
Niteny izy (Ibrahimo) ka nanao hoe : “ Ho Aminao anie ny fiadanana ! Hangataka famelan-keloka ho Anao Aho amin’ny Tompoko. Nanome Ahy fahasoavana mandrakariva Izy.
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱ
Hisintaka anareo aho sy amin’izay italahoanareo ankoatr’i Allah, ary hitalaho amin’ny Tompoko aho, manantena aho fa tsy ho ory amin’ny antso ataoko amin’ny Tompoko.
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
Rehefa nisaraka tamin’izy ireo, sy izay nitompoin’izy ireo ankoatran’i Allah Izy, dia nomenay an’i Isaka (A.s) sy i Jakoba (A.s),ary samy nataonay ho Mpaminany izy Roa ireo.
ﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋ
Ary nomenay ny indrafonay izy ireo,sady nomenay ny fiteny ambony feno fahamarinana.
ﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗ
Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mosa (A.s) (Mosesy), fa tena Olo-marina tokoa izy, sady Iraka no Mpaminany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
Ary nantsoinay Izy teo akaikin’ny tendrombohitra Sinaï, tamin’ny ilany havanana, ary nampanatoninay akaiky dia akaiky Izy sady nitenenanay.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
Ary nohon'ny indrafonay dia nomenay Azy i Harona rahalahiny, ho Mpaminany.
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koo’any) i Ismael, mitana ny teny nomena izy, sady iraka no Mpaminany.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
Ary nandidy ny fianakaviany Izy mba hanatanteraka ny Soalat (vavaka) sy ny Zakat (harena fiantrana), ary nahazo fankasitrahana tamin’ny Tompony Izy.
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Idris, Olo-marina no sady Mpaminany.
ﮂﮃﮄﮅ
Ary nasondrotray amin’ny toerana ambony Izy.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
Izy ireny no nomen’i Allah fahasoavana, tamin’ireo Mpaminany, tamin’ireo taranakan’i Adama, sy tamin’ireo nen-tinay niaraka tamin’i Noa, sy tamin’ireo taranakan’i Ibrahimo sy Israely, ary koa tamin’ireo izay notarihanay sy nosafidinay. Rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy avy amin’Ilay be Fiantrana dia miantoraka sy miara-miankohoka sady mitomany izy ireo.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
Avy eo dia nandimby azy ireo (taranaka) izay nanao tsirambina ny Soalat (vavaka) sy nanaraka ny sitrapony. Tsy ho ela dia hihatra amin’izy ireo ny fahaverezana.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
Afa tsy izay mibebaka, sy mino ary manao asa soa, izy ireny no hiditra ao anatin’ny paradisa, ary tsy hiangarana mihitsy.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮ
Ao amin’ireo zaridain’i Paradisa (fonenana mandrakizay) izay nampanantenain’Ilay be Fiantrana ho an’ireo mpanompony, (izay nino) ny zava-miafina.Tena marina fa izany fampanantenana izany, dia tsy hisalasalana fa tsy maintsy ho tonga.
ﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
Izy ireo dia tsy haheno teny tsy mendrika ao; tsy misy afa tsy (ny fitenenana) hoe : ” salam”(fiadanana); ary hanana ny anjara sakafony maraina sy hariva izy ireo ao.
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
Izany no Paradisa izay hampandovanay ireo mpanomponay izay manam- patahorana.
ﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘﰙﰚ
Ary tsy midina Izahay raha tsy araka ny didy avy amin’ny Tomponao. Azy avokoa izay eo anoloanay sy izay aorianay ary izay rehetra eo anelanelan’izy Roa. Tsy mba manadino na inona na inona ny Tomponao.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
(Izy no) Tompon’ireo ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra manelanelana azy Roa ! Tompoy àry Izy, ary manàna faharetana amin’ny fanompoana Azy. Mahafantatra ny mitovy Aminy ve Ianao ?
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
Ary miteny ny Olombelona ka manao hoe : “ Moa ve rehefa maty dia mbola haverina ho velona indray Aho ? ”
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
Moa ve tsy tadidin’ny Olombelona, fa Izahay tokoa no nahary Azy tany aloha, fony izy mbola tsy nisy ?
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Marina amin’ny Tomponao ! Fa hangoninay izy ireo sy ireo satana. Avy eo dia apetrakay am-pandohalihana manodidina ny Afobe izy ireo.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
Ary avy eo, dia tena halainay avy amin’ny andiany tsirairay avy, ireo izay nikiry fatratra tamin’ny fanoherana ilay be Fiantrana.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
Ary Izahay no mahalala tokoa izay mendrika hodorana amin’izy ireo.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
Tsy misy tsy handalo amin’izany (tetezana ambonin’ny Afobe) Ianareo, izany dia didy tsy azo hidovirana (hialana) avy amin’ny Tomponao.
ﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
Ary avy eo, dia havotanay ireo izay manam-patahorana. Fa havelanay am-pandohalihana ao kosa ireo mpanao ny tsy rariny.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
Ary rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy mazava amin’ny teninay, dia miteny ireo tsy mpino amin’ireo mpino manao hoe : “ Iza amin’ny andiany Roa ireo, no manana toerana mampiadana, sy namana mendrika indrindra ? ”.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
Ary firifiry moa no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo, izay nihoatra azy ireo tamin’ny fananana, sy tamin’ny endrika ivelany.
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
Teneno hoe : “ Izay ao anatin’ny fahaverezana, dia aoka ilay be Fiantrana hanalava ny fiainany, mandra-pahitan’izy ireo,na ilay famaizana na ilay Ora ”. Ka ho fantatr’izy ireo, iza no manana toerana ratsy indrindra, sy manana ny andiana miaramila tena osa.
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉ
Ary ampitomboin’i Allah fahitsiana ireo izay manaraka ny làla-mahitsy. Ary ireo asa soa maharitra, dia mendrika ny valisoa tsara indrindra, sy ny fiafarana tsara indrindra eo anatrehan’ny Tomponao.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
Hitanao ve ilay tsy nino ireo andinin’ireo teninay, ka niteny nanao hoe : “ Tena omena harena sy Zanaka tokoa Aho ? ”
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
Moa ve mahafantatra ny zava-miafina Izy,sa nanao fifanekena kosa tamin’ilay be Fiantrana ?
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
Tsia ! Tsy izany mihitsy ! Hosoratanay izay noteneniny, ary hampitomboinay ny halavan’ny famaizana ho Azy.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
Ary Izahay no handova izay teneniny, ary Izy kosa dia hiverina samy irery aty Aminay.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Ary nandray Zanahary hafa izy ireo ankoatr’i Allah, mba ho tanjaka ho azy ireo.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
Tsia ! Tsy izany velively ! ireo (zanahariny) dia hitsipaka ny fanompoan’izy ireo, ary hitsangana ho fahavalon’izy ireo.
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
Moa ve tsy hitanao fa Izahay dia nandefa ireo satana ho amin’ireo tsy mpino, izay mandrisika azy ireo (tsy hankato) ?
ﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
Aza maika hanohitra azy ireo àry Ianao. Marina fa manisa izay rehetra ataon’izy ireo Izahay.
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
(Tsarovinao) ilay Andro izay hamorianay ireo manam-patahorana, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana, amin’ny andiany maromaro (am-boninahitra).
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
Ary hatosikay ao amin’ny Afobe ireo mpanao heloka be vava,tahaka ny (andiam-biby) hamonjy fisotroan-drano.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
Tsy hanana fahefana hanelanelana, afa-tsy izay nanao fifanekena tamin’Ilay be Fiantrana.
ﮮﮯﮰﮱﯓ
Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nandray Zaza lahy ho Zanaka lahy be Fiantrana !”
ﯔﯕﯖﯗﯘ
Ary tena zavatra maharikoriko izany entinareo izany !
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
Kely foana no tsy nahavaky ireo lanitra noho izany (teny izany), sy tsy nampitresaka ny tany, ary tsy nandrava ireo tendrombohitra.
ﯣﯤﯥﯦﯧ
Noho izy ireo niantso fa ilay be Fiantrana dia manan-janaka.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮ
Kanefa tsy mendrika velively an’Ilay be Fiantrana ny hanan-janaka !
ﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹ
Tsy inona akory izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, afa-tsy mpanompo, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana.
ﯺﯻﯼﯽﯾ
Tena marina fa notanisainy sy voaisany avokoa izy rehetra.
ﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanatona Azy tsirairay amin'izy rehetra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
Marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia hotoloran’ilay be Fiantrana ny fitiavany izy ireo.
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
Nataonay ho mora azo (ny Koroany) amin’ny fiteninao, mba hilazanao vaovao mahafaly ho an’ireo izay manam-patahorana,sy hampitandremanao ireo vahoaka be fifandirana.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
Firifiry moa ireo taranaka talohan’izy ireo no naringanay ! Moa ve mahatsikaritra ny iray amin’izy ireo Ianao ? Na koa mandre ny feon’izy ireo ve Ianao ?
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







