Surah Al-A'la pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-A'la pdf Malagasy — Alaino Surah Al-A'la Fandikana. Surah Al-A'la (Meccan) 19 Andininy.
Related
- Surah Al-A'la FandikanaMalagasy
- Surah Al-A'la mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-A'la

ﮟﮠﮡﮢﮣ
87:1
Ankalazao ny anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra!
ﮤﮥﮦﮧ
87:2
izay nahary sy nandavorary,
ﮨﮩﮪﮫ
87:3
Ilay nandahatra sy nitantana,
ﮬﮭﮮﮯ
87:4
Izay nampitsiry ny vilona,
ﮰﮱﯓﯔ
87:5
ka nanao izany ho maina sy malazo avy eo,
ﯕﯖﯗﯘ
87:6
hampamakianay ianao mba tsy hanadino,
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
87:7
afa-tsy izay sitrak'I Allah ho hadinonao ihany satria Izy no mahalala ny mibaribary sy izay miafina,
ﯤﯥﯦ
87:8
Eny! Hotarihiko ianao ho any amin'ny lalan'ny fahamorana,
ﯧﯨﯩﯪﯫ
87:9
Ary mampahatsiahiva ! Raha toa ka ilaina ny fampahatsiahivana.
ﯬﯭﯮﯯ
87:10
fa hahatsiaro izany izay manam-pahatahorana
ﭑﭒﭓ
87:11
Hanalavitra izany kosa ireo olon'ny fijaliana,
ﭔﭕﭖﭗﭘ
87:12
izay ho dorana amin'ny afo be,
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
87:13
avy eo dia sady tsy ho faty izy ireo ao no sady tsy ho velona ihany koa!
ﭠﭡﭢﭣﭤ
87:14
Nahazo fandresena tokoa izay manadio ny tenany,
ﭥﭦﭧﭨﭩ
87:15
sy nahatsiaro ny anaran'ny Tompony ka nivavaka,
ﭪﭫﭬﭭﭮ
87:16
nefa indrisy! Ankafizinareo kokoa ny fiainana ety an-tany,
ﭯﭰﭱﭲ
87:17
kanefa ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra no mandrakizay.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸ
87:18
Izany rehetra efa voalaza tamin’ireo rakitsoratra Masina teo aloha,
ﭹﭺﭻﭼ
87:19
dia ny rakitsoratr’i Abrahama sy ny an’i Mosesy
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







