Surah Al-Waqi'ah pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Waqi'ah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Waqi'ah Fandikana. Surah Al-Waqi'ah (Meccan) 96 Andininy.
Related
- Surah Al-Waqi'ah FandikanaMalagasy
- Surah Al-Waqi'ah mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Waqi'ah

ﮃﮄﮅﮆ
56:1
Rehefa ho avy tokoa ny fisehoan-javatra.
ﮇﮈﮉﮊ
56:2
Dia tsy hisy hiampanga ny fiaviany ho lainga.
ﮋﮌﮍ
56:3
Hampidina ny sasany izy fa hampiakatra ny hafa.
ﮎﮏﮐﮑﮒ
56:4
Rehefa hihorohoro mafy ny tany.
ﮓﮔﮕﮖ
56:5
Ary hiforotra ireo tendrombohitra.
ﮗﮘﮙﮚ
56:6
Ka ho lasa vovoka miparitaka.
ﮛﮜﮝﮞ
56:7
Ary amin’izany dia ho sokajy telo ianareo :
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
56:8
Ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
56:9
Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?
ﮫﮬﮭ
56:10
Ireo voalohany dia izy ireo no ho voalohany.
ﮮﮯﮰ
56:11
Izy ireny no akaiky indrindra an’I Allah
ﮱﯓﯔﯕ
56:12
Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana.
ﯖﯗﯘﯙ
56:13
Maro ireo voafidy amin’ny taranaka voalohany.
ﯚﯛﯜﯝ
56:14
Fa vitsy kosa amin’ireo taranaka farany.
ﯞﯟﯠﯡ
56:15
Eo ambon'ny farafara voaravaka.
ﯢﯣﯤﯥ
56:16
Mitehin-kiho izy ireo eo amin’izany, sady mifanatrika.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
56:17
Hivezivezy eo amin’izy ireo, ireo zaza lahy tanora mandrakizay.
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
56:18
Miaraka amin’ireo kapoaka sy tavoara ary vera feno zava-pisotron-doharano.
ﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
56:19
Izay tsy hamparary an-doha na hahafanina azy ireo .
ﭢﭣﭤﭥ
56:20
Ary voankazo araka izay safidin’izy ireo.
ﭦﭧﭨﭩﭪ
56:21
Sy henam-borona izay ankafizin’izy ireo.
ﭫﭬﭭ
56:22
Ary hahazo tovovavin’ny Paradisa baribarimaso, sady tsara izy ireo.
ﭮﭯﭰﭱ
56:23
Toy ireny vatosoa tsara tahiry.
ﭲﭳﭴﭵﭶ
56:24
Ho valisoa amin’izay nataon’izy ireo.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
56:25
Tsy hare teniteny foana na teny ratsy izy ireo ao .
ﭾﭿﮀﮁﮂ
56:26
Afa-tsy ny teny hoe : “ Fiadanana ! Fiadanana ! ” (Salam !Salam !).
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈ
56:27
Ary ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?
ﮉﮊﮋﮌ
56:28
Ho eo amin’ny hazona mokonazy tsy misy tsilo izy ireo.
ﮍﮎﮏ
56:29
Ary ho eo amin’ireo fototr’akondro misy lafiny vaventy.
ﮐﮑﮒ
56:30
Ao anaty aloka midadasika.
ﮓﮔﮕ
56:31
Eo amin’ny rano mikoriana lalandava.
ﮖﮗﮘ
56:32
Sy voankazo sesehena.
ﮙﮚﮛﮜﮝ
56:33
Izay tsy misy fitsaharany na koa fandrarana.
ﮞﮟﮠ
56:34
Eo ambon'ny farafara avo.
ﮡﮢﮣﮤ
56:35
Izahay no Nahary ireo tovovavin’ny Paradisa ho tonga lafatra.
ﮥﮦﮧ
56:36
Ka nataonay ho virijiny izy ireo.
ﮨﮩﮪ
56:37
Mahatehotia, mitovy taona avokoa.
ﮫﮬﮭ
56:38
Ho an’ireo olon’ny an-kavanana.
ﮮﮯﮰﮱ
56:39
Maro no voafidy tamin’ireo taranaka voalohany.
ﯓﯔﯕﯖ
56:40
Ary maro ihany koa no voafidy tamin’ireo taranaka farany.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
56:41
Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?
ﯝﯞﯟﯠ
56:42
Ho ao afovoan’ny rivotra mamay sy rano mangotraka izy ireo.
ﯡﯢﯣﯤ
56:43
Eo amin’ny alokin'ny setroka mainty.
ﯥﯦﯧﯨﯩ
56:44
Sady tsy mangatsiatsiaka no tsy malefaka.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
56:45
Niaina tao anatin’ny adalana izy ireo taloha.
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
56:46
Ary nilomamo tao anatin’ny fahotana lehibe (izy ireo).
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿ
56:47
Ka niteny hoe : “ Rehefa maty ka ho vovoka sy taolana izahay dia mbola ho hatsangana va ?"
ﰀﰁﰂ
56:48
Na koa ireo razambenay taloha ?
ﰃﰄﰅﰆﰇ
56:49
Dia lazao hoe : “ Marina fa ireo voalohany sy ireo farany"
ﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
56:50
Dia havory avokoa amin’ny fotoan’ilay andro efa fantatra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
56:51
Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga.
ﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
56:52
Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo.
ﭝﭞﭟﭠ
56:53
Ka hameno kibo amin’izany.
ﭡﭢﭣﭤﭥ
56:54
Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany.
ﭦﭧﭨﭩ
56:55
Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo.
ﭪﭫﭬﭭﭮ
56:56
Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana.
ﭯﭰﭱﭲﭳ
56:57
Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ?
ﭴﭵﭶﭷ
56:58
Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo.
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
56:59
Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ?
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
56:60
Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
56:61
Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
56:62
Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ?
ﮗﮘﮙﮚ
56:63
Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ?
ﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
56:64
Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ?
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
56:65
Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo:
ﮨﮩﮪ
56:66
Indro izahay fa vesaran-trosa !
ﮫﮬﮭﮮ
56:67
Fa izahay dia nisakanana sy noraraina.
ﮯﮰﮱﯓﯔ
56:68
Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ?
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
56:69
Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany?
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
56:70
Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ?
ﯤﯥﯦﯧﯨ
56:71
Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ?
ﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
56:72
Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ?
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
56:73
Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy.
ﯶﯷﯸﯹﯺ
56:74
Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
56:75
Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho.
ﰁﰂﰃﰄﰅﰆ
56:76
Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy.
ﭑﭒﭓﭔ
56:77
Ary tena Koroany mendrika.
ﭕﭖﭗﭘ
56:78
Ao anaty Boky voaaro tsara.
ﭙﭚﭛﭜﭝ
56:79
Ka izay voadio ihany no mikasika azy .
ﭞﭟﭠﭡﭢ
56:80
Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
ﭣﭤﭥﭦﭧ
56:81
Moa izany lahateny izany va no lazainareo ho lainga ?
ﭨﭩﭪﭫﭬ
56:82
Fomba hankasitrahanareo ny anjaram-pahasoavanareo ny filazanareo ny Koroany ho lainga ?
ﭭﭮﭯﭰﭱ
56:83
Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina.
ﭲﭳﭴﭵ
56:84
Ary mijery ianareo amin’izany fotoana izany.
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
56:85
Dia izahay no akaiky azy kokoa noho ianareo, saingy tsy hitanareo mihitsy.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
56:86
Ahoana àry, raha mino ianareo fa tsy ho tsaraina.
ﮄﮅﮆﮇﮈ
56:87
No tsy averinareo izy, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?
ﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
56:88
Fa raha isan’ireo manakaiky an’I Allah izy.
ﮏﮐﮑﮒﮓ
56:89
Dia hahazo fialan-tsasatra, sy hanitra, ary zaridainam-pahasambarana.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
56:90
Ary raha isan’ireo olon’ny an-kavanana izy.
ﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
56:91
(Dia hilaza hoe) : “ Fiadanana ho anao ! ”, avy amin’ireo olon’ny an-kavanana.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
56:92
Fa raha isan’ireo nilaza lainga kosa izy, sady very làlana.
ﮨﮩﮪﮫ
56:93
Dia hapetraka ao anaty rano mangotraka.
ﮬﮭﮮ
56:94
Ka ho dioavina ao anatin'ny afo mamaivay.
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
56:95
Izany no marina tena azo antoka tanteraka.
ﯖﯗﯘﯙﯚ
56:96
Ka ankalazao àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







