PDF —
26 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Ghashiyah pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Ghashiyah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Ghashiyah Fandikana. Surah Al-Ghashiyah (Meccan) 26 Andininy.

← Al-A'laSurah Al-Ghashiyah Al-Fajr →


26 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭽﭾﭿﮀﮁ
88:1 Moa ve tonga taminao ny tantaran'ilay mpandrakotra?
ﮂﮃﮄﮅ
88:2 hisy endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fahatahorana,
ﮆﮇﮈ
88:3 sahirana sy torovana,
ﮉﮊﮋﮌ
88:4 ka ho dorana ao anaty afo miredareda,
ﮍﮎﮏﮐﮑ
88:5 hampisotroina avy amin'ny loharano mangotraka,
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
88:6 ary tsy hanan-tsakafo afa tsy karazan-tsilo izy ireo.
ﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
88:7 ka tsy hampatavy azy ireo izany no koa tsy hanala ny hanoanana,
ﮠﮡﮢﮣ
88:8 hisy koa ireo endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fiadanana,
ﮤﮥﮦ
88:9 faly tamin'ny ezaka vitany,
ﮧﮨﮩﮪ
88:10 hiditra ny Paradisa mendrika tokoa,
ﮫﮬﮭﮮﮯ
88:11 ka tsy haheno ao anatin'izany ireo teny maloto,
ﮰﮱﯓﯔ
88:12 hita ao anatin'izany koa ny loharano mikoriana,
ﯕﯖﯗﯘ
88:13 fandriana avo toerana,
ﯙﯚﯛ
88:14 ary kaopy efa voahomana,
ﯜﯝﯞ
88:15 ireo ondana tsara lahatra,
ﯟﯠﯡ
88:16 ireo lamaka mivelatra,
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨ
88:17 moa tsy nodinihin'izy ireo ny rameva, ahoana ny fomba nahariana azy?
ﯩﯪﯫﯬﯭ
88:18 ary ny lanitra, nanao ahoana ny fomba nampiakarana azy?
ﯮﯯﯰﯱﯲ
88:19 Ireo ny tendrombohitra, nanao ahoana ny fomba nametrahana azy?
ﯳﯴﯵﯶﯷ
88:20 ary ny tany, ahoana ny fomba nampitoviana azy?
ﯸﯹﯺﯻﯼ
88:21 Koa mampahatsiahiva ! Fa raha ny tena marina dia mpampahatsiahy ihany ianao.
ﯽﯾﯿﰀ
88:22 Fa tsy mpifehy azy ireo ianao.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
88:23 afa-tsy izay manome lamosina sy mpikomy.
ﭖﭗﭘﭙﭚ
88:24 Satria Allah dia hanasazy azy amin'ny famaizana mafy tokoa.
ﭛﭜﭝﭞ
88:25 Tena marina! Any Amiko no hiverenan'izy ireo indray.
ﭟﭠﭡﭢﭣ
88:26 Ary eo am-pelatanako ny fitsaràna azy ireo.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers