Surah Qafy pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Qafy pdf Malagasy — Alaino Surah Qafy Fandikana. Qafy (Meccan) 45 Andininy.
Related
- Qafy FandikanaMalagasy
- Qafy mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Qafy

ﭑﭒﭓﭔﭕ
Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho.
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’.
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay.
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ?
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,
ﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka.
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana,
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,
ﯤﯥﯦﯧﯨ
Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,
ﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿ
Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
Nahary ny olombelona tokoa Izahay, ka fantatray izay bitsikin'ny fanahiny aminy, ary akaiky azy noho ny lalan-drà lehibe eo an-tendany izahay,
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
Rehefa mandray izany ireo mpandray an-tsoratra mipetraka eo an-kavia sy an-kavanana.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
Tsy mamoaka teny na iray izy, ka tsy hisy mpanara-maso azy eo akaikiny, vonona hanoratra izany.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
Mampiseho ny marina ny fangirifirian’ny fialan’aina : “ Izao àry ilay tadiavinao handosirana ”.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
Ka ho tsofina ny anjomara, indro ilay andron’ny (fanatanterahana) fampitandremana.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
Dia ho avy ny olona tsirairay, miaraka amin’ny mpitarika sy vavolombelona iray.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
Tsy niaraka tamin’ity ianao. Araka izany, dia esorinay ny sarona eo aminao; ka maranitra tsara ny fahitanao ankehitriny.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
Ary hiteny ilay mpiaraka aminy hoe : “ Ity no miaraka amiko, akaiky indrindra ”.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
“ Ianareo roa, atsipazo any amin’ny afobe ny tsy mpino rehetra mafy loha sy mpikomy.
ﮨﮩﮪﮫﮬ
Niezaka mafy hisakana ny tsara, mpandika lalàna, mpisalasala.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘ
Ilay namorona andriamanitra hafa miaraka amin’i Allah. Koa atsipazo any amin’ny famaizana mafy izy ”.
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤ
Hiteny ny namany (devoly) hoe : “ Tomponay o ! Tsy izaho no nampandika lalàna azy, fa efa tao anatin’ny fahaverezana lalina izy ”.
ﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
Ary hiteny Izy hoe: “Aza mifamaly eto anatrehako ianareo ! Satria efa nanome fampitandremana anareo Aho."
ﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶ
Tsy miova ny teny avy Amiko, ary tsy manao tsindry hazo lena amin’ireo mpanompo mihitsy Aho.
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
Amin’ny andro hilazanay amin’ny afobe hoe : “Feno va ianao ?”.Dia hamaly izy hoe : “ Mbola misy ihany va ?".
ﰁﰂﰃﰄﰅﰆ
Hampanatonina akaikin’ireo vonto-pinoana ny Paradisa.
ﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
“Indro ilay nampanantenana anareo, ho an’izay rehetra feno fanenenana sy mitandrina,"
ﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕ
Izay matahotra ilay be fiantrana, na dia tsy hitany aza, ary tonga amin’ny fo feno fanekena.
ﰖﰗﰘﰙﰚﰛﰜ
"Midira ao am-piadanana ianareo ”. Izany no andro tsy manam-petra !
ﰝﰞﰟﰠﰡﰢﰣ
Hisy izay rehetra ilan’izy ireo ao. Ary mbola misy mihoatra noho izany aza eo Aminay.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
Firifiry no efa naringanay talohan’izy ireo, izay taranaka matanjaka kokoa noho izy. Nitety tany maro izy ireo, kanefa misy vato hialofana ?
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮ
Misy fampahatsiarovana tokoa izany ho an’izay manana fo sy manongilan-tsofina, ary mijoro vavolombelona.
ﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
Nahary ny lanitra sy ny tany tokoa Izahay, sy izay eo anelanelan’izy ireo, tao anatin’ny enina andro, ary tsy nahatsiaro harerahana.
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
Hiafio àry izay lazain’izy ireo, ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
Ary ankalazao ny voninahiny, ampahany amin’ny alina sy aorian’ny fiankohofana.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
Ary aoka hihaino ianao, amin’andro izay hiantsoan’ny mpiantso avy amin’ny toerana akaiky.
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
Ilay andro izay handrenesan’izy ireo amim-pahamarinana ny hiaka. Fa Andro fitsanganana amin’ny maty io.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
Izahay no manome ny aina sy ny fahafatesana, ary any Aminay no fiafarana,
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
Amin’andro izay hampitresaka ny tany dia hivoaka haingana avy ao izy ireo. Fanangonana mora ho Anay tokoa izany.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
Fantatray tsara tokoa izay lazain’izy ireo. Tsy ny hanery azy ireo no nanirahana anao. Fa antsoy amin’ny alalan’ny Koroany àry izay matahotra ny fampitandremako.
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







