PDF —
83 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Ya-Sina pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Ya-Sina pdf Malagasy — Alaino Surah Ya-Sina Fandikana. Surah Ya-Sina (Meccan) 83 Andininy.



83 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭬﭭ
36:1 Yasin,
ﭮﭯﭰ
36:2 Mianiana amin’ilay Kor’any feno fahendrena Aho,
ﭱﭲﭳﭴ
36:3 Hamafisina, fa isan’ireo Iraka tokoa ianao (Mohammad),
ﭵﭶﭷﭸ
36:4 Anatin’ny làlana mahitsy.
ﭹﭺﭻﭼ
36:5 Fanambarana avy amin’ilay Tsitoha sy be indrafo,
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
36:6 Mba hampitandremanao vahoaka iray, izay mbola tsy nahazo fampitandremana hatramin’ny razamben’izy ireo, ka dia tsy miraharaha izany izy ireo.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
36:7 Tanteraka tokoa ny teny [sazy famaizana] natao tamin’ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy hino izany mihitsy izy ireo.
ﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
36:8 Hasianay gadra-vy eo amin’ny hatony, ka hatreo amin’ny saokany, ary indreny handeha hilanja loha izy ireo.
ﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
36:9 Ary hasianay fefy eo anoloan’izy ireo, ary fefy ihany koa any aoriany, ary hosaromanay izy ireo ka tsy hahita mihitsy.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮ
36:10 Ary mitovy ihany amin’izy ireo, na hampitandrina azy ireo ianao, na tsy hampitandrina, dia tsy hino mihitsy izy ireo.
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
36:11 Tsy mampitandrina ianao afa-tsy izay manaraka ny fampahatsiahivana sy matahotra Ilay be fiantrana na dia tsy hita maso aza. Lazao vaovao mahafaly amin’ny famelan-keloka sy valisoa sesehena ho azony izy ireo.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
36:12 Hamafisina, fa Izahay tokoa no manangana ireo maty, ary manoratra izay nataon’izy ireo amin’ny fiainany any an-koatra, sy ny vokatr’izany. Ary noraiketinay an-tsoratra ny zava-drehetra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
36:13 Omeo fanoharana ho azy ireo ny mponin’ny tanàna iray, rehefa tonga teo aminy ireo Iraka.
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
36:14 Rehefa nandefasanay Iraka roa tamin’izy ireo, dia nolazainy fa mpandainga izy roa, ary nohamafisinay tamin’ny Iraka fahatelony, dia nilaza izy ireo hoe : “ Marina fa izahay dia Iraka nalefa ho aminareo”.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
36:15 Nefa hoy izy ireo hoe : “ Olombelona tahaka anay ihany ianareo. Ary tsy nampidina na inona na inona Ilay be fiantrana, fa ianareo dia olona mandainga fotsiny ”.
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
36:16 Nilaza ireo Iraka hoe: “Ny Tomponay dia mahalala, fa nalefa ho anareo tokoa izahay”.
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
36:17 “ Ary ny hany anjaranay, dia ny fampitàna mazava tsara ny hafatra fotsiny ”.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
36:18 Nilaza izy ireo hoe : “ milaza loza ny fahitanay anareo. Raha tsy mitsahatra amin’izany ianareo, dia ho torahanay vato tokoa, ary hahazo famaizana mamirifiry avy Aminay tokoa ianareo ”.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
36:19 Namaly izy ireo hoe : “avy aminareo ihany ny lozanareo. Tahak’izany ve no ataonareo rehefa ampahatsiahivina ? Tena vahoaka mpihoa-pefy tokoa ianareo ”.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
36:20 Ary nisy lehilahy iray avy amin’ny faran’ny tanàna tonga, ka niteny hoe : “ Ry vahoakako! Aoka ianareo hanaraka ireo Iraka,
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
36:21 Manaraha izay tsy mangataka tambiny aminareo ianareo, sady ao anatin’ny làlana mahitsy.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
36:22 Ary inona moa no handrara ahy tsy hanompoako Ilay nahary ahy ? Nefa any Aminy no tsy maintsy hamerenana anareo.
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
36:23 Moa haka zanahary hafa ankoatra Azy ve aho ? Raha te-hanao ratsy ahy Ilay be fiantrana, dia tsy hahasoa ahy ny fanelanelanan’izy ireo, sady tsy afaka hanavotra ahy izy ireo.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
36:24 Raha izany, dia tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa aho.
ﯰﯱﯲﯳﯴ
36:25 Mino ny Tomponareo aho, koa mba henoinareo ary aho.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
36:26 Dia nolazaina taminy hoe : “ Midira ao amin’ny Paradisa ianao ”, ka nilaza izy hoe : “ Raha mba fantatry ny vahoakako mantsy !
ﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
36:27 Ka namela ahy noho izany ny Tompoko, ary nataony ho isan’ireo manamboninahitra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
36:28 Ary tao aoriany, dia tsy nampidina miaramila avy tany an-danitra mihitsy Izahay, ary tsy nampidina na inona na inona tamin’ny vahoakany intsony.
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨ
36:29 Hiaka tokana fotsiny, dia indro fa maty daholo izy ireo.
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
36:30 Indrisy ho an’ireo mpanompo ! Tsy nisy Iraka tonga tamin’izy ireo ka tsy novazivaziany.
ﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
36:31 Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry ny taranaka teo alohan’izy ireo no naringanay, izay tsy hiverina intsony eo amin’izy ireo mandrakizay ?
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈ
36:32 Ary ny rehetra, dia tsy maintsy hiseho avokoa eo anatrehanay, tsy misy ankanavaka.
ﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
36:33 Ary porofo iray ho azy ireo dia ny tany izay efa maty omenay aina indray, ka hampitsirinay ny voa izay hohanin’izy ireo
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
36:34 Nasinay zaridaina avy amin’ny hazon'atrendry sy voaloboka ao, ary nasianay loharano miboiboika,
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
36:35 Mba hihinanan’izy ireo ny voankazony, sy izay vokatry ny asan-tánany. Moa tsy halala hankasitraka ve izy ireo ?
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
36:36 Voninahitra ho an’Ilay nahary ny zavaboary rehetra tsiroaroa avy, izay nampanirian’ny tany, sy avy amin’ny tenan’izy ireo koa, ary avy amin’izay tsy fantatr’izy ireo !
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
36:37 Ary porofo iray ho azy ireo ny alina, esorinay avy aminy ny andro, ka indro izy ireo ao anatin’ny haizina tanteraka,
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
36:38 Ary ny masoandro dia misosa mankany amin’ny toerana izay natokana ho azy, toy izany no fandaharana nataon’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
36:39 Ary ny volana, dia noferanay ny fiovaovany, mandra-piverenany tahaka ny rantsan-kazon'atrendry antitra.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
36:40 Tsy afaka hahatratra ny volana ny masoandro, na handeha hialoha ny andro ny alina, fa samy misosa amin’ny zotra misy azy avy ny tsirairay.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
36:41 Ary ny famantarana iray ho azy ireo ihany koa, dia ny nitondranay ny taranak’izy ireo tamin’ny sambofiara feno,
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
36:42 Ary dia noharianay mitovy amin’izany izy ireo ka niakatra tao aminy [ tao anatin’ilay sambofiara ].
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
36:43 Ary raha sitrakay, dia narendrikay izy ireo, ka tsy hisy mpamonjy intsony, ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱ
36:44 Raha tsy nohon'ny famindram-po avy Aminay, sy ho fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
ﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
36:45 Ary raha ilazana izy ireo hoe : “Aoka ianareo hatahotra izay eo anoloanareo, sy izay ao aorianareo, mba hahazoanareo famindram-po. ”.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
36:46 Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe: tsy noraharahin’izy ireo izany.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
36:47 Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Manaova fandaniana ianareo amin’ny anjara izay nomen’I Allah anareo”. Dia hilaza amin’ny mpino ireo izay tsy mpino hoe: “Moa ve izahay no hampihinana olona izay azon’I Allah hampihinanina, raha sitrany izany? Tena anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa ianareo”.
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
36:48 Ary miteny izy ireo hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ? ”.
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
36:49 Tsy miandry raha tsy hiaka tokana ihany izy ireo, izay ho tonga amin’izy ireo, kanefa izy ireo dia mbola ao anatin’ny fifandirana tanteraka.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
36:50 Tsy afaka hanao didim-pananana intsony izy ireo, na koa hiverina any amin'ny fianakaviany.
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
36:51 Ary ho tsofina ny trompetra, ka indro fa hivoaka avy ao am-pasana izy ireo, ka ho any amin’ny Tompony,
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶ
36:52 Sady hiteny izy ireo hoe : “ Loza ho anay ! Iza no nampitsangana anay avy tao amin’ny toerana fatorianay ? ”. Izany dia fampanantenan’Ilay be fiantrana, ary marina izay voalazan’ireo Iraka.
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
36:53 Tsy hisy raha tsy ny hiaka tokana ihany, dia indro fa hiseho eo anatrehanay izy rehetra.
ﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
36:54 Amin’izany andro izany, dia tsy hisy ho voambaka mihitsy. Ary tsy hisy valin-kasasarana ho anareo raha tsy araka ny asa izay nataonareo ihany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
36:55 Amin’izany andro izany, dia ho variana amin’ny fahasambarana azon’izy ireo ny olon’ny Paradisa.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
36:56 Eo ambany alokalok'izy ireo sy ny vadiny no mitehin-kiho eo ambony seza lava.
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
36:57 Hahazo voankazo izy ireo ao, ary hahazo izay rehetra tadiaviny.
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
36:58 Fandriampahalemana ! ( Salam ) no teny avy amin’ny Tompo be Indrafo.
ﭮﭯﭰﭱﭲ
36:59 Ary miataha lavitra ianareo amin’izany andro izany ! Ry Mpanao heloka be vava!
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
36:60 Moa tsy efa nifanaiky taminareo ve Aho, ry taranak’i Adama, mba tsy hanompo ny devoly ? Satria fahavalo miharihary ho anareo tokoa izy.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
36:61 Fa hanompo Ahy ianareo ? Izany no lalana mahitsy.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
36:62 Ary efa namery andiany maro taminareo tokoa izy. Ka moa tsy misaina ve ianareo ?
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
36:63 Indro ny afobe izay nampanantenaina anareo.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
36:64 Midira ao ianareo androany, nohon'ny tsy finoanareo.
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫ
36:65 Amin’izany andro izany, dia hidinay ny vavan’izy ireo, fa ny tanan’izy ireo no hiresaka Aminay, ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona amin’izay nataony.
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
36:66 Ary raha sitrakay, dia nokosehinay tokoa ny mason’izy ireo, ka hihazakazaka eny amin’ny làlana izy ireo. Fa ahoana àry no fomba hahiratan’izy ireo?
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
36:67 Ary raha sitrakay, dia novanay ny endrika aman-toetran’izy ireo eo amin’ny toeran’izy ireo, ka tsy afaka handroso na hihemotra intsony izy ireo.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
36:68 Ary izay omenay andro lava hiainana, dia hataonay miha osa. Moa tsy misaina ve izy ireo ?
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸ
36:69 Ary tsy nampianarinay tononkalo izy [ Mohammad ], sady tsy mendrika azy mihitsy izany.Tsy inona izany fa fampahatsiahivana sy vakiteny mazava (Koroany).
ﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
36:70 Mba hampitandremany izay velona, ary ho tanteraka amin’ireo tsy mpino ny teny [Famaizana].
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
36:71 Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa Izahay no nahary ho azy ireo, avy tamin’izay nataon’ny Tananay, ny biby fiompy maro, ka lasa fananan’izy ireo izany.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
36:72 Ary dia nataonay eo ambany fiadidian’izy ireo izany, ka misy amin’izy ireo no fitaingainana, ary misy koa amin’izy ireo natao fihinana.
ﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
36:73 Ary mbola manana tombontsoa hafa ihany koa izy ireo amin’izany, sy hataony zava-pisotro. Ka moa tsy mba mahalala mankasitraka ve izy ireo ?
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
36:74 Kanefa dia naka zanahary hafa ankoatran'I Allah izy ireo, mba hanantena famonjena
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
36:75 Izy ireny anefa dia tsy afaka hanavotra azy ireo ary hamorona miaramila hanohitra azy ireo.
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
36:76 Koa aoka áry tsy hampalahelo anao ny tenin’izy ireo ! Satria hamafisina fa fantatray izay afeniny sy izay aharihariny.
ﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
36:77 Moa tsy hitan’ny olombelona ve, fa Izahay tokoa no nahary azy, avy tamin’ny tsirin'aina indray mitete ? Kanefa indro izy ireo indray no mpanohitra miharihary.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
36:78 Ary nanome fanoharana iray taminay izy, kanefa hadinony ny nahariana azy, ka hoy izy hoe : “Iza no hanome aina indray ireo taolana rehefa lasa vovoka ?”
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
36:79 Lazao hoe : “Ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, no hanome azy ireo aina indray, ary fantany avokoa ny zavaboary rehetra”.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
36:80 Ilay nanao ny afo ho anareo avy amin’ny hazo maitso, ka indro fa mandrehitra afo avy amin’izany ianareo.
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
36:81 Moa tsy afaka hahary mitovy amin’izy ireo ve Ilay nahary ny lanitra sy ny tany ? Mifanohitra amin’izany tokoa, fa Izy no Ilay Mpahary tonga lafatra, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
36:82 Raha milaza zavatra iray Izy, dia mibaiko amin’ny teny manao hoe: “Misia”,dia misy tokoa izany.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
36:83 Koa Voninahitra anie ho an’Ilay mitána ny fanjakan’ny zava-drehetra eo am-pelantanany ! Ary any Aminy no hamerenana anareo.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers