Surah Al-Inshiqaq pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Inshiqaq pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Inshiqaq Fandikana. Surah Al-Inshiqaq (Meccan) 25 Andininy.
Related
- Surah Al-Inshiqaq FandikanaMalagasy
- Surah Al-Inshiqaq mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Inshiqaq

ﭣﭤﭥﭦ
84:1
Rehefa hitriatra ny lanitra.
ﭧﭨﭩﭪ
84:2
Dia ankato ny Tompony izy ary hanao izay rehetra tsy maintsy hataony.
ﭫﭬﭭﭮ
84:3
ary rehefa hihetsika ny tany ka hitovy tantana.
ﭯﭰﭱﭲﭳ
84:4
ka hamoaka ireo rehetra tao anatiny ho foana tsy hisy hijanona na dia kely aza.
ﭴﭵﭶﭷ
84:5
Dia hankato ny Tompony izy ary hanao izay rehetra tsy maintsy hataony.
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
84:6
O! Ry olombelona! Tena marina ianao izay mitolona hizotra hoany amin'ny Tomponao io, dia tsy maintsy hihaona Aminy.
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
84:7
Ka ho an'izay tolorana ny bokiny amin'ny ankavanany.
ﮇﮈﮉﮊﮋ
84:8
dia handalo fitsarana maivana dia maivana izy,
ﮌﮍﮎﮏﮐ
84:9
Ary hiverina any amin'ny ankohonany am-pifaliana tokoa,
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
84:10
fa ho an'izay tolorana ny bokiny avy ao an-damosiny kosa
ﮘﮙﮚﮛ
84:11
dia hiantso an-drafahafatesana izy.
ﮜﮝﮞ
84:12
ary hatsipy ao anaty afo.
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
84:13
Fony izy tany amin'ny ankohonany dia niaina tamim-pifaliana tokoa.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
84:14
Ka dia tsy nihevitra ny hiverina any amin'ny Tompony izy ka hitsangana amin'ny maty.
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
84:15
Indrisy anefa tsy izany ! Ny Tompony dia manara-maso azy fatratra tokoa.
ﯔﯕﯖﯗ
84:16
Tsia! Mianiana amin'ny fara-vodi-lanitra mena aho!
ﯘﯙﯚﯛ
84:17
Sy amin'ny alina ary amin'izay rehetra koboniny ao!
ﯜﯝﯞﯟ
84:18
Ary amin'ny volana rehefa ho fenomanana iny!
ﯠﯡﯢﯣﯤ
84:19
Tena marina fa ianareo dia handalo dingana maro mifandimby.
ﯥﯦﯧﯨﯩ
84:20
Koa inona anefa no antony tsy mampino azy ireo?
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱ
84:21
Ary rehefa torina amin'izy ireo ny Kor'oany masina dia tsy manaiky ny hiankohoka izy ireo.
ﯲﯳﯴﯵﯶ
84:22
Indrisy anefa fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,
ﯷﯸﯹﯺﯻ
84:23
Nefa I Allah dia mahafantatra tokoa izay kobonin'izy ireo.
ﯼﯽﯾﯿ
84:24
Koa ampahafantaro azy ireo ny fahamaizana mangirifiry,
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
84:25
َAfa-tsy izay nino sy nanao asa soa, izy ireo dia hahazo valisoa tsy manam-petra.
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







