Surah Al-Jathiyah pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Jathiyah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Jathiyah Fandikana. Al-Jathiyah (Meccan) 37 Andininy.
Related
- Al-Jathiyah FandikanaMalagasy
- Al-Jathiyah mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Jathiyah

ﭑﭒ
Hà, Mîm.
ﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
Ny fanambarana ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
Misy porofo ho an’ireo mpino tokoa eny amin’ny lanitra sy ety an-tany.
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
Ary amin’ny nahariana anareo sy amin’ireo biby naparitany, dia misy famantarana maro ho an’ireo olona tena mino.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
Toy izany koa ny amin’ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, ary izay ampidinin’I Allah avy eny amin’ny lanitra, amin’ireo anjaram-pahasoavana (orana), izay amelomany ny tany efa maty, ary ny fipariahan’ny rivotra, misy famantarana ho an’ireo olona misaina tokoa izany.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
Izany no andininy avy amin’I Allah izay vakianay aminao amim-pahamarinana. Ka teny manao ahoana no hinoan’izy ireo aorian’ny tenin’I Allah sy ireo famantarana avy Aminy ?
ﮎﮏﮐﮑﮒ
Loza ho an’izay rehetra mpamitaka, mpanota !
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
Maheno ireo andininy avy amin’I Allah izay vakiana aminy izy, avy eo, dia mikiry amin’ny fiavonavonana tahaka ny mbola tsy naheno izany velively. Koa ambarao azy ny famaizana mamirifiry.
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
Raha mahafantatra ny ampahany amin’ireo andininy avy Aminay izy, dia ataony izay hanaratsiana azy ireny. Hahazo famaizana mahafabaraka izy ireny.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
Aorian’izy ireo ny afobe. Tsy hisy ilan’izy ireo izay nangoniny mihitsy, na izay nalainy ho mpiahy ankoatra an’I Allah. Fa hahazo famaizana lehibe izy ireo.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
Fitarihan-dalana izy ity (Kor’any).Fa izay tsy mino ireo andininy avy amin’ny Tompony, dia hahazo fijaliana amin’ny famaizana mamirifiry.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃ
Allah, Izy no nametraka ny ranomasina teo ambany fifehezanareo, mba handehanan’ireo sambo avy amin’ny baikony, ka hitadiavanareo ny fahasoavany, mba hahaizanareo mankasitraka.
ﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕ
Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa ny amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
Lazao ireo mpino, mba hamela ny hadisoan’ireo izay tsy manantena ireo andron’I Allah, ka hamaliany amin’ireo vahoaka araka izay nataony.
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
Na iza na iza manao ny tsara, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, ary na iza na iza manao ny ratsy, dia manao izany ho an’ny tenany ihany koa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hamerenana anareo.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Nomenay ireo zanak’israely ny Boky, ny fahendrena, ny faminaniana, ary nomenay tamin’ireo anjaram-pahasoavana tsara ihany koa izy ireo, sady nofidinay tamin’ny olombelona rehetra.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
Ary nomenay porofo mazava izy ireo mikasika ny Didy. Efa tonga tamin’izy ireo ny fahalalana, vao tsy nitovy hevitra izy ireo, noho ny fifandirana teo amin’izy ireo. Hamafisina, fa hitsara azy ireo ny Tomponao, amin’ny andro fitsanganana, tamin’izay tsy nampitovy hevitra azy.
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
Avy eo, dia napetrakay amin’ny lalana mahitsin’ny didy (finoana) ianao. Koa araho àry izany, fa aza manaraka ny sitrapon’ireo tsy mahafantatra.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
Tsy misy ilanao azy ireo eo anatrehan'I Allah. Ary mpinamana ireo olona samy mpanao ny tsy rariny, fa Allah kosa no Mpiahy ireo vontom-pinoana.
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
Loharanom-pahazavana ho an’ny olombelona izy ity (Koroany), tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo olona mino tanteraka.
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
Mihevitra va ireo mpanao asa ratsy, fa hataonay mitovy amin’izay mino sy manao asa soa izy ireo, amin’ny fahavelomany sy ny fahafatesany? Tena ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo!
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
Fa tamim-pahamarinana no naharian’I Allah ny lanitra sy ny tany, ka ho valiana araka izay nataony ny olona tsirairay, ary tsy ho voambaka izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
Hitanao va ilay naka ny sitra-pony ho tompony? Ary dia nian’Allah ny nahavery azy, ka nahidiny ny fandrenesany sy ny fony, ary nasiany takona ny masony. Iza àry no hitari-dàlana azy aorian’i Allah? Tsy tsaronareo va izany?
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
Ary hoy izy ireo: “Tsy misy afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ny anay, ho faty izahay ary ho velona, fa ny fotoana no hahafaty anay.” Tsy manam-pahalalana ny amin’izany mihitsy izy ireo, fa manombatombana ihany.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
Fa rehefa ambara amin’izy ireo ny andinin'ny mazava tsara avy Aminay, dia izao ihany no fanohan-kevitra hoteniny: “Avereno ireo razam-benay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦ
Lazao hoe : “Allah no manome fahavelomana anareo, avy eo, dia hampisedra fahafatesana anareo. Manaraka izany, dia havoriny ianareo amin’ny andro fitsanganana, tsy isalasalana ny amin’izany, nefa tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny olona".
ﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, ary amin’ny andro hiavian’ilay Ora, dia ho maty antoka ireo pisandoka.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
Ary ho hitanao handohalika ny vahoaka tsirairay, ka antsoina ho any amin’ny bokiny avokoa izy ireo. Androany, dia ho valiana araka izay nataonareo ianareo.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
Indro ny Bokinay. Miresaka anareo amim-pahamarinana izy, satria nosoratanay izay rehetra nataonareo.”
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿ
Izay nino sy nanao asa soa dia hampidirin’ny Tompony amin’ny famindram-pony. Izany dia fahombiazana miharihary.
ﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌ
Fa ny amin’ireo izay tsy mino kosa: “Tsy novakiana taminareo va ireo andininy avy aty Amiko? Saingy nampiseho fireharehana ianareo, sady olona mpanao ratsy.”
ﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘﰙﰚﰛﰜﰝﰞﰟﰠﰡﰢﰣ
Fa rehefa nolazaina hoe: “Marina ny fampanantenan’I Allah; ary tsy isalasalana ny amin’ilay Ora”, “Tsy fantatray izany Ora izany” hoy ianareo; “ary vinavina ihany no ataonay amin’izany, sady tsy resy lahatra amin’izany izahay.”
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
Ary hiseho amin’izy ireo ny haratsian’ny asany. Ka hamatotra azy ireo izay noesoiny.
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
Ary hilazana izy ireo hoe: “Hadinonay ianareo androany, tahaka ny nanadinoanareo ity andronareo anio ity. Ny afo no fialofanareo, ary tsy hanana mpamonjy velively ianareo".
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
Nohon'ny fanesoanareo ireo andininy avy amin’I Allah no anton’izany, sy nohon'ny fitaka nataon’ny fiainana an-tany taminareo. Amin’io andro io, dia tsy havoaka ao izy ireo, ary tsy ho afa-tsiny ihany koa.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
Dera ho an’I Allah, Tompon’ny lanitra sy Tompon’ny tany; ary Tompon’izao tontolo izao.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
Fa Azy ny fahamboniana any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy no ilay Tsitoha, ilay be fahendrena.
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







