Surah Al-Hadid
PDF —
29 Andininy Medinan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Hadid pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Hadid pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Hadid Fandikana. Al-Hadid (Medinan) 29 Andininy.



Surah Al-Hadid
29 Andininy · Medinan · Malagasy
bismillah
ﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
Manome voninahitra an’IAllah, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy no ilay tsitoha, ilay be Fahendrena.
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Izy no mamelona, ary no mamono, fa mahefa ny zava-drehetra Izy.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
Izy no ilay voalohany sy ilay farany, ilay miseho sy ilay miafina. Mahafantatra ny zava-drehetra tokoa Izy.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸ
Izy no nahary ny lanitra sy tany tao anatin’ny enin'andro, avy eo, dia nandray ny seza fiandrianana Izy; fantany izay miditra any anaty tany sy izay mivoaka avy ao, ary izay midina avy eny amin’ny lanitra sy izay miakatra ho eny, ary miaraka aminareo Izy, na aiza na aiza misy anareo.Fa mahita tsara izay ataonareo Allah.
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
Azy ny fanjakana any an-danitra sy ety an-tany ary any amin’I Allah no hiverenan’ny zava-drehetra.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
Asosony amin’ny andro ny alina, ary asosony amin’ny alina ny andro.Ary fantany tanteraka izay raiketin’ny fo.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
Aoka ianareo hino an’I Allah sy ny irany, ary manaova fandaniana amin’izay nomeny ho tantaninareo. Fa izay mino aminareo, ka manao fandaniana, dia hahazo valisoa lehibe.
ﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
Ary raha hino na tsy hino ianareo an’I Allah, nefa miantso anareo hino ny Tomponareo ilay iraka ? Eny, efa noraisin’I Allah ny fanekenareo, raha mino tokoa ianareo.
ﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
Izy no mampidina ireo andininy mazava amin’ilay mpanompony, mba hamoahany anareo avy ao amin’ny haizina ho ao amin’ny hazavana; ary hamafisina fa be fangorahana aminareo Allah sady be indra fo.
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏ
Fa inona no tsy anaovanareo fandaniana amin’ny lalan’I Allah, nefa an’I Allah ny fandovana ny lanitra sy ny tany ? Tsy azo ampitahaina anefa izay nanome ny fananany, sy izay niady talohan’ny fandresena, ambony toerana kokoa izy ireo, noho ireo nanao fandaniana sy niatrika ny ady taoriana. Na izany aza, nampanantena valisoa ho an’ny tsirairay Allah, fa mahafantatra izay ataonareo Izy.
ﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘﰙﰚﰛﰜ
Izay nanao fampindramana tsara tamin’I Allah an-tsitsa-po, dia hampitomboin’I Allah izany, ka hahazo valisoa sesehena izy.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
Amin’ ny andro hahitanao ireo mpino, lahy sy vavy, izay mihazakazaka, eo anoloan’izy ireo sy eo an-kavanan'ny hazavana (dia ho lazaina aminy hoe ): “Indro anio, vaovao tsara ho anareo, zaridaina misy renirano mikoriana ambaniny, honenanareo mandrakizay ”. izany no fahombiazana lehibe.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
Fa amin’ny andro hitenenan’ireo mpihatsaraveletsihy, lahy na vavy, amin’ireo mpino hoe: “Andraso, mba hindraminay ny apahany amin’ny hazavanareo”. Dia ho lazaina hoe: “ Miverena any aoriana, ka mitadiava hazavana”. Amin’izay dia hasiana rindrim-be manelanelana azy ireo, izay misy varavarana, ka ao anatin' ny famindram-po, fa ho an’izay miseho manatrika ety ivelany kosa ny famaizana.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
“ Tsy niaraka taminareo va izahay ? ”, hoy ny antson’izy ireo . “ Eny ! ”, hoy ny navaliny, saingy nety nalaim-panahy ianareo, sy nanao tsikombakomba, ary nisalasala, ka namitaka anareo ny fanantenana tsy misy, hatramin’ny fahatongavan’ny didin’I Allah, ka namitaka anareo mikasika an’I Allah ilay mpaka fanahy.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
Ankehitriny àry, tsy ekena intsony ny takalon’aina, na avy aminareo na avy amin’izay tsy mpino. Ny afo no ho fitoeranareo, izy no namana tsy hahasaraka anareo. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
Tsy tonga kosa va ny fotoana ho an’ireo mpino, izay nampilefitra ny fony ho fahatsiarovana an’I Allah, sy teo anatrehan’ny marina izay nampidinina ? Ary tsy hitovy mihitsy amin’izay nandray ny Boky talohan'izy ireo. Toa hitan’izy ireo ho lava loatra ny fotoana, ka nihamafy ny fony, ary ratsy fitondran-tena ny ankamaroan’izy ireo.
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
Fantaronareo, fa manome aina ny tany efa maty I Allah. Novelabelarinay mazava aminareo ireo famantarana mba ho dinihinareo.
ﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋ
Hamafisina, fa izay lehilahy na vehivavy manao fanomezana, ka nanao fampindramana an-tsitsam-po tamin’I Allah, dia hampitomboina avo heny ho azy ireo izany, ka hahazo valisoa sesehena izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
Ireo izay nino an’I Allah sy ireo Irany, dia izy ireny no tena olo-marina, sy vavolombelona eo anatrehan’I Allah. Hahazo ny valisoany, sy ny hazavany izy ireo, fa izay tsy nino kosa, ka nilaza ireo famantarana avy Aminay ho lainga, dia izy ireny no olon’ny afo mamaivay.
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
Aoka ho fantatrareo, fa lalao fotsiny ihany ny fiainana an-tany, fialamboly sy rendrarendra, hazakazaka ho amin’ny fireharehana eo amin’ny samy ianareo, ary fifaninanana amin’ny fitadiavana harena sy zanaka.Toy ny orana izay mahafinaritra ny mpamboly sy ny zavamaniry avy aminy, avy eo, mihamalazo ka hitanao mihamavo, dia lasa potipotika. Ary any ankoatra, dia misy famaizana mafy tokoa, sy famelan-keloka amam-pankasitrahana avy amin’IAllah. Tsy inona akory ny fiainana eto an-tany fa fahafinaretana mamitaka ihany.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮ
Faingàna àry ianareo mankany amin’ny famelan-kelokin'ny Tomponareo, sy ho any amin’ny Paradisa, izay malalaka tahaka ny lanitra sy ny tany, nomanina ho an’ireo izay mino an’I Allah sy ireo Irany. Izany no fahasoavan’Allah omeny izay tiany homena azy. Fa tompon’ny fahasoavana lehibe tokoa I Allah.
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
Tsy misy loza mahazo ny tany, na ny tenanareo, ka tsy voasoratra tao amin’ny boky talohan’ny nanaovanay azy; fa mora ho an’I Allah tokoa izany.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
Mba tsy haketraka anareo tamin’izay tsy azonareo, na hifalianareo amin’izay nomena anareo. Fa tsy tian’I Allah izay mpihambo feno fireharehana .
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
Ho an'izay mahihitra, sy manery ny olona ho amin’ny fahihirana. Ary na iza na iza mitsipaka dia hamafisina, fa tompon’ny harena Allah ary mendri-piderana Izy.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
Nandefa ireo Irakay, niaraka tamin’ireo porofo mazava tokoa Izahay, ary nampidina ny boky sy ny fandanjana niaraka tamin’izy ireo, mba hampijoroan’ny olona ny fahamarinana. Nampidininay ny vy izay misy hery mafy, sy ilain’ny olona koa, ary hanavahan’I Allah izay hiaro ny foto-keviny sy ny an’ireo Irany na dia tsy mahita Azy aza. Fa matanjaka sy tsitoha Izy Allah.
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
Nirahinay tokoa i Noa sy Abrahama, ary nomenay ny taranak’izy ireo ny faminaniana sy ny boky. Voatari-dalana ny sasany amin’izy ireo, fa ny ankamaroany kosa dia ratsy fitondra-tena.
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
Avy eo, nampanarahinay ny dian’izy ireo ny Irakay sasany, ary nampanarahinay an’i Jesoa zanak’i Maria, izay nitondra ny Evanjely, ka nametrahanay hamoram-po sy halemem-panahy tao an-pon’ireo izay nanaraka azy. Ny fanokanan-tena izay noforonin’izy ireo dia tsy nandidianay azy ireo mihitsy, afa-tsy ny fitadiavana ny fankasitrahan’I Allah ihany. Fa tsy narahin’izy ireo araka ny tokony ho izy izany. Nomenay ny valisoan’izay nino tamin’izy ireo. Saingy maro kosa ireo ratsy fitondran-tena.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤ
Ianareo mpino ! Aoka ianareo hatahotra an’I Allah, sy hino ny Irany, mba hanomezany anareo anjara roa amin’ny famindram-pony, ary hanomezany hazavana anareo mandeha, sy hamelany ny helokareo, fa mpamela heloka sy be indrafo I Allah.
ﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼ
Mba hafantaran’ireo olon’ny boky, fa tsy afaka manana ny fahasoavan’I Allah mihitsy izy ireo, ary eo am-pelatanan’I Allah ny fahasoavana. Omeny izay sitrany homena izany, fa Tompon’ny fahasoavana lehibe Allah.

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers