Al-Kahf · 62/110
Fandikana Fanononana — Al-Kahf
فَلَمَّا جَاوَزَا قَالَ لِفَتَاهُ آتِنَا غَدَاءَنَا لَقَدْ لَقِينَا مِن سَفَرِنَا هَٰذَا نَصَبًا ۝٦٢
Falammaa jaawazaa qaala lifataahu aatinaa ghadaaa`anaa laqad laqeena min safarinaa haazaa nasabaa
📖 Dikany Malagasy
Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny tamin’ny mpanampiny lahy izy nanao hoe : “Omeo aty ny sakafontsika atoandro, fa tena tojo harerahana isika tamin’ity diantsika ity”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 60-64 — Al-Kahf

60وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِفَتَاهُ لَا أَبْرَحُ حَتَّىٰ أَبْلُغَ مَجْمَعَ الْبَحْرَيْنِ أَوْ أَمْضِيَ حُقُبًا
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”.
61فَلَمَّا بَلَغَا مَجْمَعَ بَيْنِهِمَا نَسِيَا حُوتَهُمَا فَاتَّخَذَ سَبِيلَهُ فِي الْبَحْرِ سَرَبًا
Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro).
62فَلَمَّا جَاوَزَا قَالَ لِفَتَاهُ آتِنَا غَدَاءَنَا لَقَدْ لَقِينَا مِن سَفَرِنَا هَٰذَا نَصَبًا
Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny tamin’ny mpanampiny lahy izy nanao hoe : “Omeo aty ny sakafontsika atoandro, fa tena tojo harerahana isika tamin’ity diantsika ity”.
63قَالَ أَرَأَيْتَ إِذْ أَوَيْنَا إِلَى الصَّخْرَةِ فَإِنِّي نَسِيتُ الْحُوتَ وَمَا أَنسَانِيهُ إِلَّا الشَّيْطَانُ أَنْ أَذْكُرَهُ ۚ وَاتَّخَذَ سَبِيلَهُ فِي الْبَحْرِ عَجَبًا
Niteny izy (ilay mpanampiny lahy) nanao hoe : “Hitanao fa tamin’ny fotoana nialofantsika teo amin’ilay vatolampy, dia hadinoko tokoa ilay trondro, ka tsy misy tokony hanadinoako hilaza izany (aminao) afa-tsy avy amin'i Satana ary ny mahagaga dia nandray ny lalany nankany an-dranomasina izy.
64قَالَ ذَٰلِكَ مَا كُنَّا نَبْغِ ۚ فَارْتَدَّا عَلَىٰ آثَارِهِمَا قَصَصًا
Niteny izy nanao hoe : "Izany no tiako hahatongavantsika”! Ary dia niverin-dalana nanaraka ny diany izy roa.
Al-KahfFizahan-takila Koraña
110Andininy
MeccanRevelation
62Andininy

Fandikana — Al-Kahf 62

Surah Al-Kahf Andininy 62 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny…

Surah Andininy 62/110 — Al-Kahf الكهف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Kahf Henoy, Al-Kahf Fandikana, Al-Kahf mp3, Al-Kahf pdf. Andininy 60–64. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers