Al-Kahf · 40/110
Fandikana Fanononana — Surah Al-Kahf
فَعَسَىٰ رَبِّي أَن يُؤْتِيَنِ خَيْرًا مِّن جَنَّتِكَ وَيُرْسِلَ عَلَيْهَا حُسْبَانًا مِّنَ السَّمَاءِ فَتُصْبِحَ صَعِيدًا زَلَقًا ۝٤٠
Fa`asaa Rabeee any yu`tiyani khairam min jannatika wa yursila `alaihaa husbaanam minas samaaa`i fatusbiha sa`eedan zalaqaa
📖 Dikany Malagasy
Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy.

🎧 Henoy


📜 Andininy 38-42 — Surah Al-Kahf

38لَّٰكِنَّا هُوَ اللَّهُ رَبِّي وَلَا أُشْرِكُ بِرَبِّي أَحَدًا
Fa kosa, Izy Allah no Tompoko ary tsy hanambatra ny Tompoko na amin’iza na amin’iza aho.
39وَلَوْلَا إِذْ دَخَلْتَ جَنَّتَكَ قُلْتَ مَا شَاءَ اللَّهُ لَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ ۚ إِن تَرَنِ أَنَا أَقَلَّ مِنكَ مَالًا وَوَلَدًا
Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : "Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho.
40فَعَسَىٰ رَبِّي أَن يُؤْتِيَنِ خَيْرًا مِّن جَنَّتِكَ وَيُرْسِلَ عَلَيْهَا حُسْبَانًا مِّنَ السَّمَاءِ فَتُصْبِحَ صَعِيدًا زَلَقًا
Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy.
41أَوْ يُصْبِحَ مَاؤُهَا غَوْرًا فَلَن تَسْتَطِيعَ لَهُ طَلَبًا
Na ho lasa ritra ny ranony ka tsy afaka hahatratra izany (rano) intsony ianao.
42وَأُحِيطَ بِثَمَرِهِ فَأَصْبَحَ يُقَلِّبُ كَفَّيْهِ عَلَىٰ مَا أَنفَقَ فِيهَا وَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا وَيَقُولُ يَا لَيْتَنِي لَمْ أُشْرِكْ بِرَبِّي أَحَدًا
Ary potika tokoa ny vokatra nantenainy, ka lasa namadibadika ny tànany izy (nanenina) noho izay efa nisasarany tao, ka indro rava tanteraka hatramin’ny talantalany izany (tanim-boly) ary niteny izy nanao hoe : “Eh ! Tahaka izay aho tsy nanakambana ny Tompoko tamin’iza na iza !"
Al-KahfFizahan-takila Koraña
110Andininy
MeccanRevelation
40Andininy

Fandikana — Al-Kahf 40

Surah Al-Kahf Andininy 40 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny…

Surah Andininy 40/110 — Surah Al-Kahf الكهف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Kahf Henoy, Surah Al-Kahf Fandikana, Surah Al-Kahf mp3, Surah Al-Kahf pdf. Andininy 38–42. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers