Surah Sady amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Sady miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (88 Andininy — مكية). Sady Henoy, Sady Fandikana, Sady mp3, Sady pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Sady

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
ص ۚ وَالْقُرْآنِ ذِي الذِّكْرِ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Swád, Mianiana amin’ny Koroany, izay manana laza amam-boninahitra Aho !
بَلِ الَّذِينَ كَفَرُوا فِي عِزَّةٍ وَشِقَاقٍ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Raha ny tena marina dia ireo izay tsy nino no ao anatin’ny fiavonavonana sy fizarazarana tanteraka.
كَمْ أَهْلَكْنَا مِن قَبْلِهِم مِّن قَرْنٍ فَنَادَوا وَّلَاتَ حِينَ مَنَاصٍ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Firifiry tamin’ny taranaka talohan’izy ireo no naringanay ka nihiaka mafy izy ireo tamin’ny fotoana efa tsy azo nandosirana intsony?
وَعَجِبُوا أَن جَاءَهُم مُّنذِرٌ مِّنْهُمْ ۖ وَقَالَ الْكَافِرُونَ هَٰذَا سَاحِرٌ كَذَّابٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Ary gaga izy ireo (ireo mponin’i Makka) fa misy mpampitandrina avy tao amin’izy ireo ihany no tonga tamin’izy ireo, ary niteny ireo tsy mpino hoe: “Io dia mpanao majika, tena mpandainga".
أَجَعَلَ الْآلِهَةَ إِلَٰهًا وَاحِدًا ۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيْءٌ عُجَابٌ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Moa ve hataony ho zanahary tokana ireo zanahary ? Tena marina fa izany dia zavatra mahagaga tokoa.
وَانطَلَقَ الْمَلَأُ مِنْهُمْ أَنِ امْشُوا وَاصْبِرُوا عَلَىٰ آلِهَتِكُمْ ۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيْءٌ يُرَادُ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary lasa ireo loholona tamin’izy ireo sady niteny hoe :“ Mandehana ianareo ary mahareta amin’ireo zanaharinareo satria izany tokoa no zavatra tena irina".
مَا سَمِعْنَا بِهَٰذَا فِي الْمِلَّةِ الْآخِرَةِ إِنْ هَٰذَا إِلَّا اخْتِلَاقٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Tsy mbola naheno izany izahay tamin’ny finoana teo aloha (Kristianisma), tsy inona izany fa zavatra noforonina fotsiny.
أَأُنزِلَ عَلَيْهِ الذِّكْرُ مِن بَيْنِنَا ۚ بَلْ هُمْ فِي شَكٍّ مِّن ذِكْرِي ۖ بَل لَّمَّا يَذُوقُوا عَذَابِ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Izy ve no nampidinana ny fampahatsiahivana teo amintsika ? ” Raha ny tena marina, dia ao anatin’ny ahiahy izy ireo momba ny fampahatsiahivako. Raha ny tena marina, dia mbola tsy nanandrana ny famaizana avy Amiko izy ireo !
أَمْ عِندَهُمْ خَزَائِنُ رَحْمَةِ رَبِّكَ الْعَزِيزِ الْوَهَّابِ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Sa izy ireo ve no mitazona ireo tahiry sarobidin’ny Famindram-pon’ny Tomponao, Ilay Mahery, Ilay Mpanome Mendrika indrindra ?
أَمْ لَهُم مُّلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا ۖ فَلْيَرْتَقُوا فِي الْأَسْبَابِ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Sa azy ireo ve ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelan’izy ireo ? Aoka àry hiakatra any izy ireo amin’ny fomba izay azony atao rehetra !
جُندٌ مَّا هُنَالِكَ مَهْزُومٌ مِّنَ الْأَحْزَابِ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
(Izy ireo dia) tafika avy amin’ny antoko maro mitambatra izay mbola eto an-toerana ihany dia efa resy !
كَذَّبَتْ قَبْلَهُمْ قَوْمُ نُوحٍ وَعَادٌ وَفِرْعَوْنُ ذُو الْأَوْتَادِ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Efa nampandainga talohan’izy ireo ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, sy i Faraona izay nanana fanjakana matanjaka.
وَثَمُودُ وَقَوْمُ لُوطٍ وَأَصْحَابُ الْأَيْكَةِ ۚ أُولَٰئِكَ الْأَحْزَابُ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ary ireo Thamody sy ny vahoakan’i Lota ary ireo olon’ny Aïkat. Izy ireny no antoko maro mitambatra.
إِن كُلٌّ إِلَّا كَذَّبَ الرُّسُلَ فَحَقَّ عِقَابِ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo afa-tsy nampandainga ireo Iraka, ka tanteraka tamin’izy ireo ny sazy avy Amiko.
وَمَا يَنظُرُ هَٰؤُلَاءِ إِلَّا صَيْحَةً وَاحِدَةً مَّا لَهَا مِن فَوَاقٍ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ary tsy miandry izy ireo afa-tsy hiaka tokana ihany, tsy misy fiverimberenana.
وَقَالُوا رَبَّنَا عَجِّل لَّنَا قِطَّنَا قَبْلَ يَوْمِ الْحِسَابِ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary niteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Hafaingano aminay ny anjaranay alohan’ny andro Fitsarana ”.
اصْبِرْ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَاذْكُرْ عَبْدَنَا دَاوُودَ ذَا الْأَيْدِ ۖ إِنَّهُ أَوَّابٌ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Mahareta ianao amin’izay tenenin’izy ireo; ary tsarovy ny mpanomponay, Daoda (Davida) izay nanana fahatanjahana (tamin’ny fanompoana), tena marina fa izy dia tena mpibebaka (amin’I Allah).
إِنَّا سَخَّرْنَا الْجِبَالَ مَعَهُ يُسَبِّحْنَ بِالْعَشِيِّ وَالْإِشْرَاقِ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Izahay dia nanery ireo tendrombohitra hidera ny voninahitr’I Allah, amin’ny hariva sy ny maraina, miaraka aminy, toy izany koa ireo voro-manidina mitangorona, ny rehetra dia maneho ny fankatoavana Azy (Allah).
وَالطَّيْرَ مَحْشُورَةً ۖ كُلٌّ لَّهُ أَوَّابٌ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Toy izany ihany koa ireo voro-manidina mitangorona,izay samy manaiky Azy (Allah/Zanahary) avokoa.
وَشَدَدْنَا مُلْكَهُ وَآتَيْنَاهُ الْحِكْمَةَ وَفَصْلَ الْخِطَابِ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary nohamafisinay ny fanjakany, nomenay azy ny fahendrena sy ny fahaizana mitsara.
۞ وَهَلْ أَتَاكَ نَبَأُ الْخَصْمِ إِذْ تَسَوَّرُوا الْمِحْرَابَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Moa ve tonga aminao ny vaovaon’ireo mpifamaly rehefa niakatra ny rindrin’ny toeram-pivavahana?
إِذْ دَخَلُوا عَلَىٰ دَاوُودَ فَفَزِعَ مِنْهُمْ ۖ قَالُوا لَا تَخَفْ ۖ خَصْمَانِ بَغَىٰ بَعْضُنَا عَلَىٰ بَعْضٍ فَاحْكُم بَيْنَنَا بِالْحَقِّ وَلَا تُشْطِطْ وَاهْدِنَا إِلَىٰ سَوَاءِ الصِّرَاطِ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Rehefa niditra tao amin’i Daoda izy ireo dia natahotra azy ireo izy. Niteny izy ireo hoe: “Aza matahotra ianao! Izahay roa dia mpifamaly; ny iray aminay dia nanao fahadisoana tamin’ny anankiray. Ka mba tsarao àry izahay amin’ny fahamarinana, ary aoka ianao tsy hitongilana, ary tariho amin’ny làlana mahitsy izahay.
إِنَّ هَٰذَا أَخِي لَهُ تِسْعٌ وَتِسْعُونَ نَعْجَةً وَلِيَ نَعْجَةٌ وَاحِدَةٌ فَقَالَ أَكْفِلْنِيهَا وَعَزَّنِي فِي الْخِطَابِ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy amby sivifolo izy, fa izaho kosa dia tsy manana afa-tsy ondry vavy anankiray. Niteny izy tamiko hoe: “ Ankino amiko ny fikarakarana azy ary nanizingizina tamiko izy tamin’ny resaka natao ”.
قَالَ لَقَدْ ظَلَمَكَ بِسُؤَالِ نَعْجَتِكَ إِلَىٰ نِعَاجِهِ ۖ وَإِنَّ كَثِيرًا مِّنَ الْخُلَطَاءِ لَيَبْغِي بَعْضُهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ إِلَّا الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَقَلِيلٌ مَّا هُمْ ۗ وَظَنَّ دَاوُودُ أَنَّمَا فَتَنَّاهُ فَاسْتَغْفَرَ رَبَّهُ وَخَرَّ رَاكِعًا وَأَنَابَ ۩ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Niteny izy (Daoda) : “ Tena nanao ny tsy rariny taminao izy tamin’ny fangatahan'ilay ondry vavinao ho fanampin’ireo ondriny ”. Maro amin’ireo olona no mandika ny zon’ny mpiara-miombon’antoka aminy, afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, kanefa vitsy an’isa ihany izy ireo. Ary i Daoda dia nihevitra fa nitsapa azy Izahay, ka nangataka famelan-keloka tamin’ny Tompony sy niantoraka niankohoka ary nibebaka izy.
فَغَفَرْنَا لَهُ ذَٰلِكَ ۖ وَإِنَّ لَهُ عِندَنَا لَزُلْفَىٰ وَحُسْنَ مَآبٍ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Namela heloka azy Izahay. Ary tena marina fa hahazo toerana akaiky Anay sy toeram-pialofana mahafinaritra tokoa izy.
يَا دَاوُودُ إِنَّا جَعَلْنَاكَ خَلِيفَةً فِي الْأَرْضِ فَاحْكُم بَيْنَ النَّاسِ بِالْحَقِّ وَلَا تَتَّبِعِ الْهَوَىٰ فَيُضِلَّكَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ ۚ إِنَّ الَّذِينَ يَضِلُّونَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ لَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ بِمَا نَسُوا يَوْمَ الْحِسَابِ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
“ Oh ry Daoda, tena marina fa Izahay dia nanao anao ho mpanjaka (Khalifa) eto an-tany. Mitsarà ireo olona àry ianao, araka ny rariny sy ny hitsiny, ary aza manaraka ny hetahetam-pò, fa hampanalavitra anao amin’ny làlan’I Allah izany ”. Marina fa ireo izay miala amin’ny làlan’I Allah dia hahazo famaizana mahery vaika noho izy ireo nanadino ny Andron’ny Fitsarana.
وَمَا خَلَقْنَا السَّمَاءَ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا بَاطِلًا ۚ ذَٰلِكَ ظَنُّ الَّذِينَ كَفَرُوا ۚ فَوَيْلٌ لِّلَّذِينَ كَفَرُوا مِنَ النَّارِ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ary tsy nahary ny lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo ho tsy misy antony Izahay. Izany no eritreritr’ireo izay tsy nino. Loza ho an’ireo izay tsy nino momba ny afo (izay miandry azy ireo).
أَمْ نَجْعَلُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ كَالْمُفْسِدِينَ فِي الْأَرْضِ أَمْ نَجْعَلُ الْمُتَّقِينَ كَالْفُجَّارِ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Moa ve hataonay ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ho toy ireo mpanao ny asa fanimbana eto an-tany ? Na koa hataonay ireo manam-patahorana ho tahaka ireo mpanao asa ratsy ?
كِتَابٌ أَنزَلْنَاهُ إِلَيْكَ مُبَارَكٌ لِّيَدَّبَّرُوا آيَاتِهِ وَلِيَتَذَكَّرَ أُولُو الْأَلْبَابِ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
[Indro ny] Boky iray feno tso-drano izay nampidininay taminao, mba handinika izy ireo amin’ireo andian-teniny, ary mba hieritreritra ireo manana saina matsilo.
وَوَهَبْنَا لِدَاوُودَ سُلَيْمَانَ ۚ نِعْمَ الْعَبْدُ ۖ إِنَّهُ أَوَّابٌ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Ary nomenay an’i Daoda i Solaimana (Salômôna), mpanompo tsara tokoa izy! Marina fa izy dia tena mpibebaka!
إِذْ عُرِضَ عَلَيْهِ بِالْعَشِيِّ الصَّافِنَاتُ الْجِيَادُ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Rehefa naseho taminy indray tolakandro ireo soavaly mpihazakazaka tsara tarehy,
فَقَالَ إِنِّي أَحْبَبْتُ حُبَّ الْخَيْرِ عَن ذِكْرِ رَبِّي حَتَّىٰ تَوَارَتْ بِالْحِجَابِ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Niteny izy hoe : “ Tena marina fa nitia ny zava-tsara (eto ambonin’ny tany) aho ka saika nanadino ny fahatsiarovana ny Tompoko hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
رُدُّوهَا عَلَيَّ ۖ فَطَفِقَ مَسْحًا بِالسُّوقِ وَالْأَعْنَاقِ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Averenonareo aty amiko izy ireo”. Dia notapahiny ireo tongony sy ireo vozony.
وَلَقَدْ فَتَنَّا سُلَيْمَانَ وَأَلْقَيْنَا عَلَىٰ كُرْسِيِّهِ جَسَدًا ثُمَّ أَنَابَ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ary efa notsapainay tokoa i Solaimana, ka natsipinay tamin’ny sezany ny vatana[106] iray, avy eo dia nibebaka izy.
قَالَ رَبِّ اغْفِرْ لِي وَهَبْ لِي مُلْكًا لَّا يَنبَغِي لِأَحَدٍ مِّن بَعْدِي ۖ إِنَّكَ أَنتَ الْوَهَّابُ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Niteny izy hoe : “ Tompo ô ! Mamelà ahy Ianao, ary omeo fanjakana aho, izay tsy misy na dia iray aza mendrika hahazo izany any aoriako. Marina fa Ianao Ilay be fanomezana ”.
فَسَخَّرْنَا لَهُ الرِّيحَ تَجْرِي بِأَمْرِهِ رُخَاءً حَيْثُ أَصَابَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Nataonay teo ambany fahefany ny rivotra izay mitsioka malefaka araka ny baikony, mankany amin’ny toerana rehetra izay tiany.
وَالشَّيَاطِينَ كُلَّ بَنَّاءٍ وَغَوَّاصٍ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Ary koa ireo satana izay mpanorina trano sy mpilentika an-drano isan-karazany.
وَآخَرِينَ مُقَرَّنِينَ فِي الْأَصْفَادِ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Ary ny sasany hafa, izay voafatotra tsiroaroa amin’ny rojo.
هَٰذَا عَطَاؤُنَا فَامْنُنْ أَوْ أَمْسِكْ بِغَيْرِ حِسَابٍ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
“ Izany no fanomezana avy Aminay; zarao, na koa tazòny, tsy hisy tatitra hataonao ny amin’izany ”.
وَإِنَّ لَهُ عِندَنَا لَزُلْفَىٰ وَحُسْنَ مَآبٍ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ary marina fa hahazo toerana akaiky izy eo Aminay, sy toeram-pialofana mahafinaritra ihany koa.
وَاذْكُرْ عَبْدَنَا أَيُّوبَ إِذْ نَادَىٰ رَبَّهُ أَنِّي مَسَّنِيَ الشَّيْطَانُ بِنُصْبٍ وَعَذَابٍ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Ary tsarovy ny mpanomponay Ayoba (Joba), rehefa niantso ny Tompony izy, dia nanao hoe: “Nofaizin’ny satana aho tamin’ny fahorianana sy fijaliana”.
ارْكُضْ بِرِجْلِكَ ۖ هَٰذَا مُغْتَسَلٌ بَارِدٌ وَشَرَابٌ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Kapohy amin’ny tongotrao (ny tany) dia indro rano mangatsiaka hisasanao, sy ho sotroinao.
وَوَهَبْنَا لَهُ أَهْلَهُ وَمِثْلَهُم مَّعَهُمْ رَحْمَةً مِّنَّا وَذِكْرَىٰ لِأُولِي الْأَلْبَابِ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Ary natolotray azy indray ny fianakaviany, ka tahaka izany koa no niaraka tamin’izy ireo, noho ny famindram-po avy Aminay sy fampatsiahivana ho an’ireo izay manan-tsaina.
وَخُذْ بِيَدِكَ ضِغْثًا فَاضْرِب بِّهِ وَلَا تَحْنَثْ ۗ إِنَّا وَجَدْنَاهُ صَابِرًا ۚ نِّعْمَ الْعَبْدُ ۖ إِنَّهُ أَوَّابٌ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
“Mandraisa ratsan-kazo palma iray fehezana amin’ny tànanao ianao, avy eo kapohy amin’ny alàlan’izany izy (ny vadinao), ary aza mivadika amin’ny fianiananao”. Marina fa Izahay dia nahita azy naharitra. Endrey fa mpanompo mendrika tokoa izy! Mibebaka lalandava izy.
وَاذْكُرْ عِبَادَنَا إِبْرَاهِيمَ وَإِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ أُولِي الْأَيْدِي وَالْأَبْصَارِ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ary tsarovinao ireo mpanomponay Ibrahimo, Isaka, Jakoba izay natanjaka tamin’ny fanompoana sy nahiratra.
إِنَّا أَخْلَصْنَاهُم بِخَالِصَةٍ ذِكْرَى الدَّارِ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Tena marina fa nataonay nanana fiavahana manokana izy ireo, ny fampahatsiahivana ny any ankoatra.
وَإِنَّهُمْ عِندَنَا لَمِنَ الْمُصْطَفَيْنَ الْأَخْيَارِ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Ary tena marina fa, izy ireo eo akaikinay, dia anisan’ireo olom-boafidy mendrika indrindra.
وَاذْكُرْ إِسْمَاعِيلَ وَالْيَسَعَ وَذَا الْكِفْلِ ۖ وَكُلٌّ مِّنَ الْأَخْيَارِ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ary tsarovy Ismaela, i Elize (Al-Yassa) sy i Zol-Kifl, ny tsirairay amin’izy ireo dia samy anisan’ireo mendrika indrindra.
هَٰذَا ذِكْرٌ ۚ وَإِنَّ لِلْمُتَّقِينَ لَحُسْنَ مَآبٍ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Izany dia fampahatsiahivana. Ary marina fa ho an’ireo manam-patahorana ny toeram-pialan-tsasatra mendrika indrindra:
جَنَّاتِ عَدْنٍ مُّفَتَّحَةً لَّهُمُ الْأَبْوَابُ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ireo zaridainan’i Edena, misokatra ho azy ireo ny varavarana maro,
مُتَّكِئِينَ فِيهَا يَدْعُونَ فِيهَا بِفَاكِهَةٍ كَثِيرَةٍ وَشَرَابٍ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Ka mitehin-kiho izy ireo ao, no sady mangataka voankazo maro sy zava-pisotro isan-karazany.
۞ وَعِندَهُمْ قَاصِرَاتُ الطَّرْفِ أَتْرَابٌ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Ary eo akaikin’izy ireo dia hisy ireo vehivavy tsara tarehy manana fijery maotina, mitovy taona avokoa izy rehetra.
هَٰذَا مَا تُوعَدُونَ لِيَوْمِ الْحِسَابِ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Izany no hampanantenaina anareo ho amin’ny Andron’ny Fitsarana.
إِنَّ هَٰذَا لَرِزْقُنَا مَا لَهُ مِن نَّفَادٍ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Izany tokoa no anjara fanomezana avy Aminay, tsy manam-pahataperana.
هَٰذَا ۚ وَإِنَّ لِلطَّاغِينَ لَشَرَّ مَآبٍ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Indro àry ! Ary tena marina fa ho an’ireo mpihoa-pefy ny toeram-pialan-tsasatra ratsy indrindra:
جَهَنَّمَ يَصْلَوْنَهَا فَبِئْسَ الْمِهَادُ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Ny Afobe izay handoro azy ireo. Endrey izany haratsian’ny fandriana !
هَٰذَا فَلْيَذُوقُوهُ حَمِيمٌ وَغَسَّاقٌ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Indro àry ! Fa aoka hanandrana ny rano mangotraka sy maimbo ao izy ireo,
وَآخَرُ مِن شَكْلِهِ أَزْوَاجٌ ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Sy karazana sazy hafa mitovy amin’izany.
هَٰذَا فَوْجٌ مُّقْتَحِمٌ مَّعَكُمْ ۖ لَا مَرْحَبًا بِهِمْ ۚ إِنَّهُمْ صَالُو النَّارِ ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Indro fa misy andiany iray izay miditra amim-pirotorotoana miaraka aminareo, tsy misy fiarahabana tongasoa ho azy ireo. Fa hodorana ao anatin’ny Afobe izy ireo.
قَالُوا بَلْ أَنتُمْ لَا مَرْحَبًا بِكُمْ ۖ أَنتُمْ قَدَّمْتُمُوهُ لَنَا ۖ فَبِئْسَ الْقَرَارُ ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Niteny izy ireo hoe : “Raha ny tena marina dia tsy misy fiarahabana tongasoa ho anareo. Ianareo no nanomana izany ho anay”, endrey izany haratsian’ ny toeram-pijanonana !
قَالُوا رَبَّنَا مَن قَدَّمَ لَنَا هَٰذَا فَزِدْهُ عَذَابًا ضِعْفًا فِي النَّارِ ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Hiteny izy ireo hoe : “Ry Tomponay ô ! Izay nanomana izany ho anay dia ampitomboy aminy ho avo roa heny ny famaizana ao anatin’ny Afobe”.
وَقَالُوا مَا لَنَا لَا نَرَىٰ رِجَالًا كُنَّا نَعُدُّهُم مِّنَ الْأَشْرَارِ ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Hiteny izy ireo hoe : “ Nahoana izahay no tsy mahita ireo olona izay noheverinay ho anisan’ireo olon-dratsy ? ”
أَتَّخَذْنَاهُمْ سِخْرِيًّا أَمْ زَاغَتْ عَنْهُمُ الْأَبْصَارُ ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Moa ve Izahay no namazivazy azy ireo (amim-pahadisoana), sa tsy tazanay maso izy ireo?”
إِنَّ ذَٰلِكَ لَحَقٌّ تَخَاصُمُ أَهْلِ النَّارِ ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
Izany tokoa no tena marina amin’ny fifandiran’ireo olon’ny Afobe.
قُلْ إِنَّمَا أَنَا مُنذِرٌ ۖ وَمَا مِنْ إِلَٰهٍ إِلَّا اللَّهُ الْوَاحِدُ الْقَهَّارُ ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
Teneno hoe : “ Tsy inona aho fa Mpampitandrina ihany. Ary tsy misy zanahary hafa ivelan’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Tompom-pahefana,
رَبُّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا الْعَزِيزُ الْغَفَّارُ ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, Ilay Mahery, Ilay be Fandeferana ”.
قُلْ هُوَ نَبَأٌ عَظِيمٌ ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Teneno hoe : “ Ity (Koroany ity) dia vaovao lehibe",
أَنتُمْ عَنْهُ مُعْرِضُونَ ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Nefa ianareo dia mitodi-damosina aminy.
مَا كَانَ لِيَ مِنْ عِلْمٍ بِالْمَلَإِ الْأَعْلَىٰ إِذْ يَخْتَصِمُونَ ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Izaho dia tsy manana fahalalana momba ireo manam-boninahitra ambony indrindra raha niady hevitra izy ireo.
إِن يُوحَىٰ إِلَيَّ إِلَّا أَنَّمَا أَنَا نَذِيرٌ مُّبِينٌ ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Ny hany nambara tamiko dia ny hoe mpampitandrina miharihary aho.
إِذْ قَالَ رَبُّكَ لِلْمَلَائِكَةِ إِنِّي خَالِقٌ بَشَرًا مِّن طِينٍ ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Rehefa niteny ny Tomponao tamin’ireo Anjely hoe : “ Izaho dia hamorona olombelona avy amin’ny tany manga"
فَإِذَا سَوَّيْتُهُ وَنَفَخْتُ فِيهِ مِن رُّوحِي فَقَعُوا لَهُ سَاجِدِينَ ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara ka notsofiko taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miankohofa eo aminy ianareo.
فَسَجَدَ الْمَلَائِكَةُ كُلُّهُمْ أَجْمَعُونَ ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra.
إِلَّا إِبْلِيسَ اسْتَكْبَرَ وَكَانَ مِنَ الْكَافِرِينَ ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Afa-tsy Iblisa (satana) izay nanambony tena ka lasa anisan’ireo mpikomy.
قَالَ يَا إِبْلِيسُ مَا مَنَعَكَ أَن تَسْجُدَ لِمَا خَلَقْتُ بِيَدَيَّ ۖ أَسْتَكْبَرْتَ أَمْ كُنتَ مِنَ الْعَالِينَ ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Niteny Izy (Allah) hoe : Ô ry Iblisa ! Inona no nisakana anao tsy niankohoka teo anatrehan’izay noforoniko tamin’ny tanako roa ? Miavonavona ve ianao, sa ianao dia anisan’ireo ambony toerana ? ”
قَالَ أَنَا خَيْرٌ مِّنْهُ ۖ خَلَقْتَنِي مِن نَّارٍ وَخَلَقْتَهُ مِن طِينٍ ۝٧٦
📖 Fandikana Andininy 76
Niteny (Iblisa) hoe : “ Izaho no mendrika kokoa noho izy, noforoninao avy tamin’ny afo aho, fa izy kosa dia noforoninao avy tamin’ny tany manga ”.
قَالَ فَاخْرُجْ مِنْهَا فَإِنَّكَ رَجِيمٌ ۝٧٧
📖 Fandikana Andininy 77
Niteny Izy (Allah) hoe :“ Mialà ao (amin’ny Paradisa) ianao ! Fa ianao dia tena voahozona.
وَإِنَّ عَلَيْكَ لَعْنَتِي إِلَىٰ يَوْمِ الدِّينِ ۝٧٨
📖 Fandikana Andininy 78
Ary hihatra aminao tokoa ny ozona avy Amiko mandra-pahatongan’ny Andro hitsinjarana ny valin’asa ”.
قَالَ رَبِّ فَأَنظِرْنِي إِلَىٰ يَوْمِ يُبْعَثُونَ ۝٧٩
📖 Fandikana Andininy 79
Niteny izy hoe : “ O ! Ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry aho mandra-pahatongan’ny andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
قَالَ فَإِنَّكَ مِنَ الْمُنظَرِينَ ۝٨٠
📖 Fandikana Andininy 80
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
إِلَىٰ يَوْمِ الْوَقْتِ الْمَعْلُومِ ۝٨١
📖 Fandikana Andininy 81
Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
قَالَ فَبِعِزَّتِكَ لَأُغْوِيَنَّهُمْ أَجْمَعِينَ ۝٨٢
📖 Fandikana Andininy 82
Niteny izy (Iblisa) hoe : “ Mianiana amin’ny fahefanao aho! Fa tena hamery azy rehetra aho"
إِلَّا عِبَادَكَ مِنْهُمُ الْمُخْلَصِينَ ۝٨٣
📖 Fandikana Andininy 83
Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo .
قَالَ فَالْحَقُّ وَالْحَقَّ أَقُولُ ۝٨٤
📖 Fandikana Andininy 84
Niteny izy (Allah) hoe : “ Tena marina ary ny marina no teneniko,
لَأَمْلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنكَ وَمِمَّن تَبِعَكَ مِنْهُمْ أَجْمَعِينَ ۝٨٥
📖 Fandikana Andininy 85
Tena ho fenoiko anao ny Afobe (Djahannama) sy izay rehetra hanaraka anao amin’izy ireo.
قُلْ مَا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ مِنْ أَجْرٍ وَمَا أَنَا مِنَ الْمُتَكَلِّفِينَ ۝٨٦
📖 Fandikana Andininy 86
Teneno :“ Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho; ary tsy anisan’ireo mpisandoka.
إِنْ هُوَ إِلَّا ذِكْرٌ لِّلْعَالَمِينَ ۝٨٧
📖 Fandikana Andininy 87
Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao
وَلَتَعْلَمُنَّ نَبَأَهُ بَعْدَ حِينٍ ۝٨٨
📖 Fandikana Andininy 88
Ary tena ho fantatrareo tsy ho ela ny vaovao momba izany !.
← 37 Sady (38/114) 39 →
Vakio Surah Sady Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

38ص Sad 📚 88 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Sady — 88 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers