Az-Zumar · 52/75
Fandikana Fanononana — Surah Az-Zumar
أَوَلَمْ يَعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ۝٥٢
Awalam ya`lamooo annal laaha yabsutur rizqa limai yashaaa`u wa yaqdir; inna fee zaalika la Aayaatil liqamai yu`minoon
📖 Dikany Malagasy
Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany (Anjaramasoandro) amin’izay sitrany I Allah, na mametra izany ? Ary hamafisina, fa misy porofo tokoa ho an’ireo vahoaka izay mpino.

🎧 Henoy


📜 Andininy 50-54 — Surah Az-Zumar

50قَدْ قَالَهَا الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ فَمَا أَغْنَىٰ عَنْهُم مَّا كَانُوا يَكْسِبُونَ
Toy izany no nolazain’izay talohan’izy ireo. Nefa tsy nitera-bokatsoa ho azy ireo izay zavatra nangoniny.
51فَأَصَابَهُمْ سَيِّئَاتُ مَا كَسَبُوا ۚ وَالَّذِينَ ظَلَمُوا مِنْ هَٰؤُلَاءِ سَيُصِيبُهُمْ سَيِّئَاتُ مَا كَسَبُوا وَمَا هُم بِمُعْجِزِينَ
Koa nianjady tamin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny. Izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, dia hihatra amin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny, fa tsy afaka hanohitra velively ny herin’I Allah izy ireo.
52أَوَلَمْ يَعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ
Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany (Anjaramasoandro) amin’izay sitrany I Allah, na mametra izany ? Ary hamafisina, fa misy porofo tokoa ho an’ireo vahoaka izay mpino.
53۞ قُلْ يَا عِبَادِيَ الَّذِينَ أَسْرَفُوا عَلَىٰ أَنفُسِهِمْ لَا تَقْنَطُوا مِن رَّحْمَةِ اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يَغْفِرُ الذُّنُوبَ جَمِيعًا ۚ إِنَّهُ هُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ
Lazao hoe: “Ô ianareo mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra (fahotana lehibe) tamin’ny tenany, aza very fanantenana amin’ny famindram-pon’I Allah ianareo. Satria hamafisina, fa I Allah no mamela ny fahotana rehetra. Eny, Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be indrafo.
54وَأَنِيبُوا إِلَىٰ رَبِّكُمْ وَأَسْلِمُوا لَهُ مِن قَبْلِ أَن يَأْتِيَكُمُ الْعَذَابُ ثُمَّ لَا تُنصَرُونَ
Koa miverena amim-panenenana amin’ny Tomponareo ianareo, ary mankatoava Azy, mialohan’ny hiavian’ny famaizana, ka tsy hahazoanareo famonjena intsony.
Az-ZumarFizahan-takila Koraña
75Andininy
MeccanRevelation
52Andininy

Fandikana — Az-Zumar 52

Surah Az-Zumar Andininy 52 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany…

Surah Andininy 52/75 — Surah Az-Zumar الزمر (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Az-Zumar Henoy, Surah Az-Zumar Fandikana, Surah Az-Zumar mp3, Surah Az-Zumar pdf. Andininy 50–54. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, September 8, 2026

Don't forget us in your sincere prayers