Az-Zumar · 70/75
Fandikana Fanononana — Az-Zumar
وَوُفِّيَتْ كُلُّ نَفْسٍ مَّا عَمِلَتْ وَهُوَ أَعْلَمُ بِمَا يَفْعَلُونَ ۝٧٠
Wa wuffiyat kullu nafsim maa `amilat wa Huwa a`lamubimaa yaf`aloon
📖 Dikany Malagasy
Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny asa izay nataony. Ary Izy (Allah) no mahalala tanteraka izay rehetra nataon’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 68-72 — Az-Zumar

68وَنُفِخَ فِي الصُّورِ فَصَعِقَ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَمَن فِي الْأَرْضِ إِلَّا مَن شَاءَ اللَّهُ ۖ ثُمَّ نُفِخَ فِيهِ أُخْرَىٰ فَإِذَا هُمْ قِيَامٌ يَنظُرُونَ
Ary ho tsofina ny Anjomara, ka rava izay any an-danitra sy ety an-tany, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Avy eo dia ho tsofina fanindroany, ka indreo hitsangana hijery izy ireo .
69وَأَشْرَقَتِ الْأَرْضُ بِنُورِ رَبِّهَا وَوُضِعَ الْكِتَابُ وَجِيءَ بِالنَّبِيِّينَ وَالشُّهَدَاءِ وَقُضِيَ بَيْنَهُم بِالْحَقِّ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Ary hamirapiratrin'ny hazavan’ny Tompony ny tany, napetraka ny Boky dia hantsoina ireo Mpaminany, sy ireo vavolombelona, ary amim-pahamarinana no hanapahana ny amin’izy ireo, ka tsy hisy hiangarana mihitsy izy ireo.
70وَوُفِّيَتْ كُلُّ نَفْسٍ مَّا عَمِلَتْ وَهُوَ أَعْلَمُ بِمَا يَفْعَلُونَ
Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny asa izay nataony. Ary Izy (Allah) no mahalala tanteraka izay rehetra nataon’izy ireo.
71وَسِيقَ الَّذِينَ كَفَرُوا إِلَىٰ جَهَنَّمَ زُمَرًا ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءُوهَا فُتِحَتْ أَبْوَابُهَا وَقَالَ لَهُمْ خَزَنَتُهَا أَلَمْ يَأْتِكُمْ رُسُلٌ مِّنكُمْ يَتْلُونَ عَلَيْكُمْ آيَاتِ رَبِّكُمْ وَيُنذِرُونَكُمْ لِقَاءَ يَوْمِكُمْ هَٰذَا ۚ قَالُوا بَلَىٰ وَلَٰكِنْ حَقَّتْ كَلِمَةُ الْعَذَابِ عَلَى الْكَافِرِينَ
Ary hotarihina isaka ny andiany ireo tsy mpino ho any amin’ny Afobe. Ka rehefa tonga eo anoloan'izy ireo dia ho sokafina ny varavarany, ary ireo mpiambina kosa dia hilaza amin’izy ireo hoe: “Moa tsy tonga taminareo ve ireo Iraka, izay namaky ho anareo ireo andininy avy tamin’ny Tomponareo, sady nampitandrina anareo amin’ny fihaonanareo amin’izao andro izao?”. Ka hamaly izy ireo hoe: “Eny! Nefa natao mendrika ho an’ireo tsy mpino ny didin’ny famaizana”.
72قِيلَ ادْخُلُوا أَبْوَابَ جَهَنَّمَ خَالِدِينَ فِيهَا ۖ فَبِئْسَ مَثْوَى الْمُتَكَبِّرِينَ
Ho lazaina izy ireo hoe : “ Midira ao amin’ny varavaran’ny Afobe ianareo, ary mitoera ao mandrakizay ” Tena ratsy tokoa izany toeram-ponenan’ireo mpanambony tena izany!
Az-ZumarFizahan-takila Koraña
75Andininy
MeccanRevelation
70Andininy

Fandikana — Az-Zumar 70

Surah Az-Zumar Andininy 70 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny…

Surah Andininy 70/75 — Az-Zumar الزمر (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Az-Zumar Henoy, Az-Zumar Fandikana, Az-Zumar mp3, Az-Zumar pdf. Andininy 68–72. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers