Surah Al-Munafiqun
PDF —
11 Andininy Medinan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Munafiqun pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Munafiqun pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Munafiqun Fandikana. Al-Munafiqun (Medinan) 11 Andininy.



Surah Al-Munafiqun
11 Andininy · Medinan · Malagasy
bismillah
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
Rehefa tonga eo aminao ireo mpihatsaravelatsihy dia hoy izy ireo : Ekenay, fa Irak’I Allah tokoa ianao ; fantatr’I Allah fa tena irany ianao ; ary manamafy Allah, fa mpandainga ireo mpihatsaravelatsihy.
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰ
Ataon’izy ireo ampinga ny fianianany, ka misakana ny lalan’Allah izy ireo. Tena ratsy tokoa izay nataony!
ﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
Izany dia satria nino izy ireo, ary nandà indray ny finoana, ka voahidy ny fony, ary tsy mahafantatra na inona na inona izy ireo.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
Fa rehefa mahita azy ireo ianao, dia ho sodokan’ny vatany ; ary raha miteny izy ireo, dia henoinao ny teniny. Tahaka ny kitay miankina izy ireo, ka heveriny ho famelezana azy avokoa ny hiaka rehetra. Izy ireo no fahavalo, koa mitandrema àry ianao amin’izy ireo. Handringana azy ireo anie Allah ! Fa indro mivily lalana izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
Ary rehefa ilazana izy ireo hoe : Tongava ianareo mba hangatahan’ny irak’Allah famelana ho anareo, ahodin’izy ireo anefa ny lohany, ary hitanao mihataka izy ireo sady mirehareha.
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
Mitovy ihany, na mangataka famelana ho azy ireo ianao, na tsy manao izany ; fa tsy hamela heloka azy ireo mihitsy Allah satria hamafisina, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah.
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
Izy ireo ihany no miteny hoe : Aza manao fandaniana ho an’izay eo akaikin’ny Irak’Allah mihitsy ianareo mba hiparitahan’izy ireo. Kanefa an’Allah ireo tahiry sarobidin’ny lanitra sy ny tany, saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
Hoy izy ireo : raha miverina any Madina izahay dia tsy maintsy havoakan’izay matanjaka avy ao izay osa. Kanefa an’Allah sy ny Irany, ary ireo mpino ny hery fa saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
Fa ianareo mpino ! Aoka tsy hanelingelina anareo amin’ny fahatsiarovana an’Allah ny fanananareo sy ny zanakareo.Ary na iza na iza manao izany dia izy ireo no maty antoka.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
Fa manaova fandaniana amin’izay natolotray ho anareo, mialohan’ny hahatongavan’ny fahafatesana amin'iray aminareo, ka hiteny hoe : Tompo ô ! raha mba nomenao fe-potoana kely mantsy aho dia ho nanao fanomezana ary ho isan’ireo olo-mendrika.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
Tsy manome fe-potoana ho an’izay olona efa tonga eo amin’ny fetr’androny mihitsy anefa Allah. Fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Izy.

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers