PDF —
11 Andininy Medinan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Jumu'ah pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Jumu'ah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Jumu'ah Fandikana. Al-Jumu'ah (Medinan) 11 Andininy.



11 Andininy · Medinan · Malagasy
bismillah
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
Manome voninahitra an’Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, Ilay Mpanjaka, Ilay Masina, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
Izy no nandefa Iraka ho amin’ireo olona tsy nahafantatra namaky teny sy nanoratra, izay avy ao amin’izy ireo ihany, ka namaky tamin’izy ireo ny andininy avy Aminy, nanadio azy ireo sy nampianatra ny Boky, ary ny fahendrena, na dia tao anatin’ny fahaverezana tokoa aza izy ireo tany aloha.
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
Ary toy izany koa, tamin’ny hafa, izay tsy mbola nanaraka azy ireo. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
Izany no fahasoavan’Allah, omeny izay tiany omena azy. Fa Tompon’ny fahasoavana lehibe Allah.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
Mitovy amin’ny apondra mitondra boky ireo izay nitondra ny Taoraty, ka tsy nampihatra izany. Tena fanoharana ratsy tokoa no omena izay miampanga ireo andininy avy amin’Allah ho lainga, ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao ny tsy rariny Allah.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
Dia lazao hoe : Ianareo izay nanaraka ny Jodaisma ! Raha mihambo ho tian’Allah ankoatran'ny hafa ianareo dia aoka àry ianareo haniry ny fahafatesana, raha mpilaza ny marina tokoa.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
Ary nefa dia tsy haniry izany mihitsy izy ireo, noho izay efa nataon’ny tanan’izy ireo ihany. Fantatr’Allah tsara anefa ireo mpanao ny tsy rariny.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
Lazao hoe : Hifanena aminareo tokoa ny fahafatesana, izay andosiranareo. Ary averina any amin’Ilay mahalala ny zava-miafina sy ny niharihary ianareo, ka hampahafantariny izay nataonareo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
Ianareo mpino ! Rehefa tonga ny antso ho amin’ny vavaka fanompoana, amin’ny andro zoma, dia mihazakazaha ho any amin’ny antson’Allah ianareo, ka avelao avokoa ny fandraharahana rehetra fa tsara ho anareo izany raha fantatrareo !
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
Ary rehefa tontosa ny vavaka fanompoana, dia miparitaha ianareo manerana ny tany, ka tadiavo ny fahasoavan’Allah,ary tsarovy matetika Allah mba hahitanareo fahombiazana.
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
Ary rehefa mahatazana varotra na fialam-boly izy ireo dia miparitaka mankany, ka mamela anao hitsangana irery. Lazao hoe : tsara nohon'ny fialam-boly sy ny varotra izay any amin’Allah, fa mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana Allah.

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers