An-Nur · 33/64
Fandikana Fanononana — An-Nur
وَلْيَسْتَعْفِفِ الَّذِينَ لَا يَجِدُونَ نِكَاحًا حَتَّىٰ يُغْنِيَهُمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ ۗ وَالَّذِينَ يَبْتَغُونَ الْكِتَابَ مِمَّا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ فَكَاتِبُوهُمْ إِنْ عَلِمْتُمْ فِيهِمْ خَيْرًا ۖ وَآتُوهُم مِّن مَّالِ اللَّهِ الَّذِي آتَاكُمْ ۚ وَلَا تُكْرِهُوا فَتَيَاتِكُمْ عَلَى الْبِغَاءِ إِنْ أَرَدْنَ تَحَصُّنًا لِّتَبْتَغُوا عَرَضَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۚ وَمَن يُكْرِههُّنَّ فَإِنَّ اللَّهَ مِن بَعْدِ إِكْرَاهِهِنَّ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٣٣
Wal yasta`fifil lazeena laa yajidoona nikaahan hata yughniyahumul laahu mi fadlih; wallazeena yabtaghoonal kitaaba mimmaa malakat aimaanukum fakaatiboohum in `alimtum feehim khairanw wa aatoohum mimmaalil laahil lazeee aataakum; wa laa tukrihoo fatayaatikum `alal bighaaa`i in aradna tahassunal litabtaghoo `aradal hayaatid dunyaa; wa mai yukrihhunna fa innal laaha mim ba`di ikraahihinna Ghafoor Raheem
📖 Dikany Malagasy
Ary aoka hijanona amin’ny fahadiovam-pitondran-tenany ireo izay tsy misy ny ho enti-manana hanambadiany, mandra-panomezan’I Allah azy ireo ny fahasoavany. Ary ireo izay mangataka fifanekem-panafahana, amin’ireo andevonareo, dia manaova fifanarahana amin’izy ireo ianareo, raha fantatrareo fa misy hatsarana amin’izy ireo. Ary hanomezanareo amin’ny haren’I Allah izay nomeny anareo izy ireo. Ary aoka ianareo tsy hanery ireo andevovavinareo amin’ny fijangajangana, raha toa ka mila fitondran-tena madio izy ireo, mba hitadiavanareo tombontsoa amin’ny fiainana eto an-tany. Ary na iza na iza manery azy ireo, tena marina fa Allah, taorian’ny fanerena azy ireo, dia be famelan-keloka sy be indrafo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 31-35 — An-Nur

31وَقُل لِّلْمُؤْمِنَاتِ يَغْضُضْنَ مِنْ أَبْصَارِهِنَّ وَيَحْفَظْنَ فُرُوجَهُنَّ وَلَا يُبْدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا مَا ظَهَرَ مِنْهَا ۖ وَلْيَضْرِبْنَ بِخُمُرِهِنَّ عَلَىٰ جُيُوبِهِنَّ ۖ وَلَا يُبْدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا لِبُعُولَتِهِنَّ أَوْ آبَائِهِنَّ أَوْ آبَاءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوْ أَبْنَائِهِنَّ أَوْ أَبْنَاءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوْ إِخْوَانِهِنَّ أَوْ بَنِي إِخْوَانِهِنَّ أَوْ بَنِي أَخَوَاتِهِنَّ أَوْ نِسَائِهِنَّ أَوْ مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُهُنَّ أَوِ التَّابِعِينَ غَيْرِ أُولِي الْإِرْبَةِ مِنَ الرِّجَالِ أَوِ الطِّفْلِ الَّذِينَ لَمْ يَظْهَرُوا عَلَىٰ عَوْرَاتِ النِّسَاءِ ۖ وَلَا يَضْرِبْنَ بِأَرْجُلِهِنَّ لِيُعْلَمَ مَا يُخْفِينَ مِن زِينَتِهِنَّ ۚ وَتُوبُوا إِلَى اللَّهِ جَمِيعًا أَيُّهَ الْمُؤْمِنُونَ لَعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ
Ary teneno amin’ireo vehivavy mpino mba hampiondrika ny fijerin’izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, ary tsy haneho ny haingony afa-tsy izay miseho amin’izany, ary aoka izy ireo hampidina ny lamba fisalorany eo amin’ny tratrany. Ary tsy haneho ny haingon’izy ireo afa-tsy amin’ny vadin’izy ireo, na amin’ny rain’izy ireo, na amin’ireo rafozan-dahin’izy ireo, na amin’ny zanak’izy ireo, na amin’ny zana-badin’izy ireo, na amin’ny anadahin’izy ireo, na amin’ny zanak’anadahin’izy ireo, na amin’ny zana-drahavavin’izy ireo, na amin’ireo vehivavy mpino silamo, na amin’ireo mpanompo eo am-pelatànan’izy ireo, na amin’ireo mpiasa lahy ao an-trano, tsy manana hery (hanao firaisana), na amin’ireo zazalahy (tsy ampy taona) mbola tsy mahafantatra ny henatry ny vehivavy. Ary aoka izy ireo tsy hanakapoka ny tongony amim-pamindràna ka ahafantarana izay afeniny amin’ireo haingony, ary mibebaha ianareo rehetra eo anatrehan’I Allah ry mpino ! Angamba hahazo fahombiazana ianareo.
32وَأَنكِحُوا الْأَيَامَىٰ مِنكُمْ وَالصَّالِحِينَ مِنْ عِبَادِكُمْ وَإِمَائِكُمْ ۚ إِن يَكُونُوا فُقَرَاءَ يُغْنِهِمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ ۗ وَاللَّهُ وَاسِعٌ عَلِيمٌ
Ary ampanambadio ireo tsy manambady aminareo, sy ireo mendrika amin’ireo andevonareo lahy sy vavy. Raha mahantra izy ireo, dia Allah no hampanan-karena azy ireo nohon'ny fahasoavany. Ary Allah dia manerana sy tena mahalala.
33وَلْيَسْتَعْفِفِ الَّذِينَ لَا يَجِدُونَ نِكَاحًا حَتَّىٰ يُغْنِيَهُمُ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ ۗ وَالَّذِينَ يَبْتَغُونَ الْكِتَابَ مِمَّا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ فَكَاتِبُوهُمْ إِنْ عَلِمْتُمْ فِيهِمْ خَيْرًا ۖ وَآتُوهُم مِّن مَّالِ اللَّهِ الَّذِي آتَاكُمْ ۚ وَلَا تُكْرِهُوا فَتَيَاتِكُمْ عَلَى الْبِغَاءِ إِنْ أَرَدْنَ تَحَصُّنًا لِّتَبْتَغُوا عَرَضَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۚ وَمَن يُكْرِههُّنَّ فَإِنَّ اللَّهَ مِن بَعْدِ إِكْرَاهِهِنَّ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary aoka hijanona amin’ny fahadiovam-pitondran-tenany ireo izay tsy misy ny ho enti-manana hanambadiany, mandra-panomezan’I Allah azy ireo ny fahasoavany. Ary ireo izay mangataka fifanekem-panafahana, amin’ireo andevonareo, dia manaova fifanarahana amin’izy ireo ianareo, raha fantatrareo fa misy hatsarana amin’izy ireo. Ary hanomezanareo amin’ny haren’I Allah izay nomeny anareo izy ireo. Ary aoka ianareo tsy hanery ireo andevovavinareo amin’ny fijangajangana, raha toa ka mila fitondran-tena madio izy ireo, mba hitadiavanareo tombontsoa amin’ny fiainana eto an-tany. Ary na iza na iza manery azy ireo, tena marina fa Allah, taorian’ny fanerena azy ireo, dia be famelan-keloka sy be indrafo.
34وَلَقَدْ أَنزَلْنَا إِلَيْكُمْ آيَاتٍ مُّبَيِّنَاتٍ وَمَثَلًا مِّنَ الَّذِينَ خَلَوْا مِن قَبْلِكُمْ وَمَوْعِظَةً لِّلْمُتَّقِينَ
Ary tena efa nampidininay taminareo ireo famantarana mazava, sy ny fanoharana momba ireo teo alohanareo, ary fananarana ho an’ireo manam-patahorana.
35۞ اللَّهُ نُورُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ مَثَلُ نُورِهِ كَمِشْكَاةٍ فِيهَا مِصْبَاحٌ ۖ الْمِصْبَاحُ فِي زُجَاجَةٍ ۖ الزُّجَاجَةُ كَأَنَّهَا كَوْكَبٌ دُرِّيٌّ يُوقَدُ مِن شَجَرَةٍ مُّبَارَكَةٍ زَيْتُونَةٍ لَّا شَرْقِيَّةٍ وَلَا غَرْبِيَّةٍ يَكَادُ زَيْتُهَا يُضِيءُ وَلَوْ لَمْ تَمْسَسْهُ نَارٌ ۚ نُّورٌ عَلَىٰ نُورٍ ۗ يَهْدِي اللَّهُ لِنُورِهِ مَن يَشَاءُ ۚ وَيَضْرِبُ اللَّهُ الْأَمْثَالَ لِلنَّاسِ ۗ وَاللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Allah no fahazavan’ireo lanitra sy ny tany. Ny fahazavany dia mitovy amin’ny lavaka amin’ny vatan-drindrina izay misy jiro, ny jiro dia ao anatin’ny fitaratra, ary ny fitaratra dia tahaka ny kintana tena mamirapiratra mirehitra avy amin’ny hazo feno fahasoavana : hazon’oliva, sady tsy avy any antsinanana no tsy avy any andrefana, ka ny menaka avy aminy dia toa manazava, na dia tsy nokasihan’ny afo aza. Hazavana ambonin’ny hazavana. Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny hazavany. I Allah dia manome ireo fanoharana ho an’ny olombelona. Ary mahalala ny zava-drehetra I Allah.
An-NurFizahan-takila Koraña
64Andininy
MedinanRevelation
33Andininy

Fandikana — An-Nur 33

Surah An-Nur Andininy 33 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary aoka hijanona amin’ny fahadiovam-pitondran-tenany ireo izay tsy misy ny…

Surah Andininy 33/64 — An-Nur النور (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nur Henoy, An-Nur Fandikana, An-Nur mp3, An-Nur pdf. Andininy 31–35. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers